05/05/2026
VAVAKA FANGATAHANA AMPANAOVIN’NY PAPA
🗓 𝕄𝔼𝕐 𝟚𝟘𝟚𝟞: "𝗛𝗼 𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗻𝗮𝗻𝗮𝗻-𝘁𝘀𝗮𝗸𝗮𝗳𝗼 𝗵𝗼 𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗼𝗹𝗼𝗻𝗮 𝗿𝗲𝗵𝗲𝘁𝗿𝗮"
🙏𝖬𝖻𝖺 𝗁𝗂𝗌𝗈𝗋𝗈𝗄𝖺 𝗇𝗒 𝖿𝖺𝗇𝖺𝗋𝗂𝖺𝗇-𝗍𝗌𝖺𝗄𝖺𝖿𝗈 𝖿𝖺𝗁𝖺𝗍𝖺𝗇𝗒 𝖺𝗇𝗂𝖾 𝗇𝗒 𝗍𝗌𝗂𝗋𝖺𝗂𝗋𝖺𝗒, 𝗁𝖺𝗍𝗋𝖺𝗇𝗒 𝖺𝗆𝗂𝗇’𝗇𝗒 𝗆𝗉𝖺𝗆𝗈𝗄𝖺𝗍𝗋𝖺 𝗅𝖾𝗁𝗂𝖻𝖾 𝗄𝖺 𝗁𝖺𝗍𝗋𝖺𝗇𝗒 𝖺𝗆𝗂𝗇’𝗇𝗒 𝗆𝗉𝖺𝗇𝗃𝗂𝖿𝖺 𝗆𝖺𝖽𝗂𝗇𝗂𝗄𝖺, 𝖺𝗋𝗒 𝗁𝖺𝗇𝖺𝗇𝖺 𝗌𝖺𝗄𝖺𝖿𝗈 𝖺𝗋𝖺-𝗉𝖺𝗁𝖺𝗌𝖺𝗅𝖺𝗆𝖺𝗇𝖺 𝗇𝗒 𝗈𝗅𝗈𝗇𝖺 𝗋𝖾𝗁𝖾𝗍𝗋𝖺.
𝔽𝔸ℕ𝔸ℤ𝔸𝕍𝔸ℕ𝔸 𝕊𝕐 𝔽𝔸ℕ𝔼ℕ𝕋𝔸ℕ𝔸ℕ𝔸:
Mivavaka miaraka amin’ny Papa Léon XIV isika mandritra ity volana mey ity ho an’ny fananan-tsakafo ho an’ny olona rehetra.
𝗙𝗮𝗻𝗮𝗺𝗯𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝘇𝗮𝗻𝗮𝗸’𝗼𝗹𝗼𝗺𝗯𝗲𝗹𝗼𝗻𝗮 mandraka ankehitriny ny hananan’ny rehetra sakafo ampy mba hivelaran’ny olona manontolo. Ary 𝗶𝗿𝗮𝗸𝗮 𝘁𝗮𝗻𝘁𝗲𝗿𝗮𝗵𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗘𝗴𝗹𝗶𝘇𝘆 manoloana izany ny fampitana ny lanjan’ireo zavaboary natao ivelomana amin’ny maha fanomezan’Andriamanitra azy sy soa natao ho an’ny besinimaro, ary ny fanoroana ireo toe-panahy ilaina, mifanaraka amin’ny fanajana ny tontolo iainana sy ny fahamendrehana maha olona. 𝗟𝗮𝗵𝗮𝗿𝗮𝗺-𝗽𝗮𝗵𝗮𝗺𝗲𝗵𝗮𝗻𝗮 𝗵𝗼 𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗘𝗴𝗹𝗶𝘇𝘆 izany ankehitriny manoloana ny fiovan'ny toetr'andro, ny ady, ny rafitra ara-toekarena tsy ara-drariny ary ny fanarian-tsakafo. Ilaina tokoa ny fandraisan’ny rehetra anjara amin’ny vavaka sy ny fiatrehana izany.
Nanambara ny Papa Benoa XVI, tany amin’ny FAO tamin’ny 2009, fa mifandray amin’ny zo fototra hiaina ny zo ara-tsakafo. Ary ao amin’ny Ansiklika 𝘊𝘢𝘳𝘪𝘵𝘢𝘴 𝘪𝘯 𝘝𝘦𝘳𝘪𝘵𝘢𝘵𝘦 dia milaza izy fa tsy miankina loatra amin’ny tsy fahampiana ara-materialy ny hanoanana fa noho ny tsy fisian’ny rafi-piombonana sy ny firaisankina. Henatra sy fanafintohinana ara-môraly ny fisian’ny hanoanana, hoy Papa Joany Paoly II tamin’ny fanokafana ny Fihaonambe Iraisam-pirenena momba ny Sakafo tamin’ny 1996. Ny fanaovana laharam-pahamehana ny soa ho an’ny olombelona rehetra, hoy izy ao amin’ny Ansiklika 𝘊𝘦𝘯𝘵𝘦𝘴𝘪𝘮𝘶𝘴 𝘈𝘯𝘯𝘶𝘴, dia mitaky ny fijerena ireo fomba fiainana miteraka ny fandaniam-poana sy ny tsy fijerena ny hafa. Ankoatra izay dia nasongadin’ny Papa Léon XIV tany Malabo any Guinée équatoriale, tamin’ny 21 aprily lasa teo fa mifanipaka ny fandrosoan’ny teknôlôjia vaovao sy ny fahantrana misy maneran-tany, toy ny tsy fahampian’ny tany sy ny sakafo, ny toeram-ponenana mahasalama ary ny asa mendrika ny maha olona. Miparitaka ny saina voatr’olombelona sy ny tambajotra sôsialy, kanefa mihamahantra ny olona ary mitombo ny tsy fahamarinana sy ny hantsana manasaraka ny olom-bitsy sy ny vahoaka maro an’isa. Ny fanavakavahana sy ny fanilihana izay endrika isehoan’ny tsy fahamarinana anefa no nahatonga ny Papa Léon XIII namoaka ny Ansiklika 𝘙𝘦𝘳𝘶𝘮 𝘯𝘰𝘷𝘢𝘳𝘶𝘮 tamin’ny 1891. Adidin’ny mpitondra vahoaka sy ny fanaovana pôlitika ny mandrava ireo sakana amin’ny fampandrosoana ny olombelona ary hapetraka ho fitsipika ny fizarana ny soa ho an’ny rehetra sy ny fahaizana miray hina. Anisan’ny nasongadin’ny Papa Léon XIV tamin’ny fitsidihana tany Douala any Cameroun, tamin’ny 17 aprily teo, ny tsy fifandanjana eo amin’ny sakafo sy ny isan’ny mponina. Tokony hobanjinina ny nataon’i Jesoa tamin’ny namahanany ny olona an’arivony (jr. 𝘑𝘰 6,1-15) hahalalana 𝙞𝙧𝙚𝙤 𝙩𝙤𝙚-𝙥𝙖𝙣𝙖𝙝𝙮 𝙩𝙤𝙠𝙤𝙣𝙮 𝙝𝙖𝙣𝙖𝙣𝙖𝙣𝙖 :
1️⃣ Tokony homena lanja ny sakafo misy eo am-pelatanana fa fanomezan’Andriamanitra. Tokony hisaorana Azy, toy ny nataon’i Jesoa rehefa nandray ny m**o sy ny hazandrano, ary tokony hitso-drano ireo namokatra sy nikarakara azy.
2️⃣ Misoroka ny fanarian-tsakafo fahatany izany toe-panahy izany ; ary ny fananana fo mangoraka no ialana amin’ny fandaniam-poana sy hananan’ny rehetra sakafo satria ifehezana ny filàna sy entina miahy bebe kokoa ny hafa.
3️⃣ Tokony horefesina ny sakafo sahaza ary harindra mifanaraka amin’izany ny fanjifana atao. Tokony hampiasaina ara-potoana ihany koa ireo ambin-tsakafo. Saika ny antsasaky ny sakafo vokarina no lanilany foana, hoy ny Papa Fransoa ao amin’ny Ansiklika 𝘓𝘢𝘶𝘥𝘢𝘵𝘰 𝘚𝘪’, kanefa an-tapitrisany ireo matin’ny hanohanana. Nohamafisiny tany amin’ny FAO tamin’ny 16 oktobra 2019 fa ny ady amin’ny hanohanana dia mitaky ny fandresena ny toe-tsain’ny fandaniam-poana sy ny fanjifana tafahoatra. Tsy ny mpanjifa madinika ihany no voakasik’izany fa hatrany amin’ny mpamokatra lehibe izay baikoin’ny pôlitikam-pitantanana.
4️⃣ Manaraka izany, anisan’ny toe-panahy ilaina ny fandanjalanjana ny vokatra hojifaina. Matetika isika voasariky ny fampirantiana sy ny fahazarana. Tokony homena lanja manokana ireo sakafo novokarina tao anatin’ny fanajana ny tontolo iainana sy vokatry ny asa mendrika ataon’ny olombelona.
5️⃣ Ankoatra izay, ilaina ny fahaizana mizara amin'ireo sahirana. Toy ny nataon’i Jesoa, rehefa avy nivavaka izy dia nasainy nozaraina tamin’ny olona ny sakafo. Miteraka fahagagana ny fifampizarana izay kely ananana. Ny toe-po tia manompo ny hafa toy ny an’i Jesoa no ahafahana manome sakafo na manasa hisakafo fa tsy ny fisehosehoana sy ny fitiavam-pahefana.
6️⃣ Farany, toe-panahy tokony hananana ny fanabeazana ny ankizy sy ny tanora hanana fahazarana miahy sy mitandrina, hahalala fa tsy fanary ny sakafo ary hahay hijery ny manodidina. Ny fizarana sakafo amin’ny hafa mantsy dia asa maneho fahamarinana satria manome azy ny anjarany.
Ny olana ara-tsakafo lavareny dia miampanga ny tsy fahombiazan’ny olombelona sady maneho ny lalan’ny fanafahana, toy ny niainan’ny vahoaka hebrio ningonongonona tany an’efitra (jr. 𝘌𝘬𝘴 16,3). Nanomana sakafo ho an’ny vahoakany anefa Andriamanitra ary i Jesoa mihitsy no manome ny tenany ho sakafo (jr. 𝘑𝘰 6,49-50). Ny “fahazotoan-komana” ren’ny vatana dia misarika antsika hankafy indrindra ny Eokaristia, ilay M**o zaraina sy mitombo ao amin’ny Eglizy mihavana sy miara-dia. Notsiahivin’ny Papa Léon XIV tany Saurimo any Angola tamin’ny 20 aprily teo ny tenin’i Jesoa hoe: “Miasà ianareo, tsy mba hahazo ny hanina mety ho levona, fa ny hanina maharitra ho amin'ny fiainana mandrakizay, dia izay homen'ny Zanak'olona anareo…” (𝘑𝘰 6,27). Tsy hoe manamaivana ny sakafo akory i Jesoa amin’izany. Izy aza moa nampitombo m**o ho an’olona maro sady mbola nampianatra hangataka ny hanina sahaza isan’andro. Saingy mitarika antsika Izy haniry ilay Hanina mahavelona mandrakizay sy mahafa-po ireo noana sy mangetaheta ny fiadanana sy ny fahafahana ary ny fahamarinana. Haka tahaka ny mpianatr’i Jesoa koa anie isika hilaza Aminy hoe: “Tompo ô, omeo anay mandrakariva izany m**o izany...” (𝘑𝘰 6,34). Arakaraka ny haniriantsika ilay Sakafo mahavelona mandrakizay no hanova ny fiaraha-monina sy hananan’ny olona rehetra sakafo sahaza ny tsirairay.
P. ZAKAVELO José Christophe, sj
𝘛𝘢𝘭𝘦 𝘯𝘢𝘴𝘪ô𝘯𝘢𝘭𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘛𝘢𝘮𝘣𝘢𝘫𝘰𝘵𝘳𝘢𝘮-𝘗𝘪𝘷𝘢𝘷𝘢𝘩𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘗𝘢𝘱𝘢 𝘔𝘢𝘯𝘦𝘳𝘢𝘯-𝘵𝘢𝘯𝘺 (𝘛𝘗𝘗𝘔)