24/04/2026
Mitohy hatrany ny visite hebdomadaire anatin'ny tetik'asa Talata ny Volonondry.
Tato anatin'ny 2 herinandro dia ny fanaovana ny VISION BOARD no nimasoana niaraka tamin'ireo mpandray anjara tsirairay.
Izy ity raha azavaina fohifohy dia fanoritana ireo tanjona anatin'ny taona iray miainga amin'ny kisarisary atao amin'ny gony ka atao petadrindrina ao antrano.
Io no iaingana sy ataon'izy ireo jery todika matetika.
Anatin'izany dia misy ny tanjona fohy ezaka dia miroso mitohy makany mba ahafahana manatratra ilay tanjona lehibe anatin'ny taona iray.
Hita fa anaty fahavitrihana ireo mpandray anjara eo ampandrafetana fa ny fampiharana ireo paikady hampivoarana ny tokatrano izay iarahan'ny mpiandraikitra sy ny mpandray anjara no arahina matetika.