07/09/2026
🤝 MISAOTRA NY MPIARA-MIASA AMIN’I AFAFi Mutuelle de Santé REHETRA ! 🤝
Tontosa ny alakamisy 27 aogositra sy ny zoma 28 aogositra lasa teo teny amin'ny ZARA Hotel Ankasina ny fihaonana isan-taona niaraka tamin'ireo Mpiara-miasa: Toeram-pitsaboana fototra, Hopitaly, Farmasia sy Vondrona mpiara-miasa.
Ity fihaonana ity dia entina hanamafisana ny fiaraha-miasa , hizarana ny vokatra, hanaovana jery todika ny asa vita ary fifanakalozan-kevitra hanatsara ny fiaraha-miasa.
Natao ihany koa izany hampahafantarana ny fiovana sy fanatsarana amin'ny fandraisana an-tanana ireo mpikambana. Araka izany dia nahafaly ny AFAFI ny nampahafantatra ireo mpiara-miasa fa manomboka ny volana Septambra dia miakatra ny taha sy ny fetran'ny fandraisana an-tanana ny mpikambana rehetra.
Fisaorana sy fankasitrahana no atolotra ireo mpiara-miasa noho ny vokatra nahafa-po satria dia niakatra ny isan'ireo voaray an-tanana. Koa manantena fiaraha-miasa maha afa-po hatrany!
Mitohy hatrany ny ezaka!
"Tambatra ho atao, hitsinjovana ny fahasalamantsika"
🤝 UN GRAND MERCI À NOS PARTENAIRES! 🤝
La rencontre annuelle avec les partenaires - centres de santé de base, hôpitaux, pharmacies et organisations partenaires s’est tenue les jeudi 27 et vendredi 28 août derniers à l’hôtel ZARA, à Ankasina.
Cette rencontre avait pour objectif de renforcer la collaboration, de partager les résultats obtenus, de faire le bilan des activités réalisées et d’échanger sur les pistes d’amélioration de notre partenariat.
Elle a également permis de présenter aux partenaires les changements et les améliorations apportés à la prise en charge des membres. À ce titre, AFAFI a eu le plaisir d’informer ses partenaires qu’à compter du mois de septembre, les taux de prise en charge ainsi que les plafonds de couverture seront revalorisés pour l’ensemble des membres.
AFAFI adresse ses sincères remerciements et sa reconnaissance à l’ensemble de ses partenaires pour leur contribution aux résultats obtenus, notamment à l’augmentation du nombre de membres pris en charge. Nous souhaitons poursuivre cette collaboration dans un esprit de confiance et de satisfaction mutuelle.
Les efforts se poursuivent !