25/08/2026
ANTSO AVO HO AN’NY FANJAKANA SY NY MALAGASY REHETRA 🌱🇲🇬
Mijery fotsiny ireo tendrombohitra sy tanety may ve isika, nefa mihamafy hatrany ny doro tanety?
Manao antso avo amin’ny Fanjakana Malagasy izahay mba hitady sy hampiasaina ireo fitaovana maoderina ilaina amin’ny famonoana afo sy fiarovana ny ala, anisan’izany ny avion mpamono afo raha ilaina.
Tsy ampy intsony ny herin’ireo vondron’olona eny ifotony, izay matetika miady amin’ny afo amin’ny fitaovana tena voafetra. Mila fitaovana, fandrindrana ary fandraisana andraikitra haingana izy ireo.
👉 Moa ve tsy azo atao ny mampiasa avion mpamono afo eto Madagasikara rehefa misy doro tanety goavana?
Ry Malagasy, tsy ny ankehitriny ihany no arovantsika, fa ny hoavin’ny taranatsika. 🌳
Raha simba ny ala sy ny tontolo iainana ankehitriny, iza no handova ny vokatr’izany rahampitso?
Aoka tsy hijery fotsiny isika.
Aoka handray andraikitra. Aoka hiaro an’i Madagasikara. 🇲🇬🌱
TSARA VOATRA
Ho an’ny tontolo iainana, ho an’ny taranaka, ho an’i Madagasikara. 🌍