Tsara voatra

Call Directions Contact the organization

Tsara voatra Vulgarisation techniques permaculture , A
éducation environnementale,
Formation / accompagnement

07/10/2026

🌍🌱 MIHOVA NY TOETRANDRO… TSY MANDALO INTSONY, FA MITOHY ARY MIHA RATSYTsy zavatra lavitra antsika intsony ny fiovan'ny t...
07/10/2026

🌍🌱 MIHOVA NY TOETRANDRO… TSY MANDALO INTSONY, FA MITOHY ARY MIHA RATSY
Tsy zavatra lavitra antsika intsony ny fiovan'ny toetr'andro. Efa tsapantsika amin'ny fiainana andavanandro izany: miova ny vanim-potoana, mihamafy ny hafanana, tsy ara-dalàna ny rotsak'orana, mihamaro ny hain-tany sy ny loza mifandraika amin'ny toetr'andro.
💭 Fa ahoana ny ho endrik'izao tontolo izao afaka 10 taona, raha tsy miova ny fomba fiainantsika?
Efa firy ny fanentanana sy fampianarana natao momba ny fiarovana ny tontolo iainana? Efa firy ny fahalalana nampitaina?
Nefa mbola betsaka no tsy miraharaha.
🌱 Ho anao MPAMBOLY : ❌ Aza mandoro tanety; raha misy ahitra na sisa tavela amin'ny voly, angony ka ataovy zezika fa tsy dorana.
🌱 Rakofy sy arovy ny tany: ampiasao ny mololo, ravina maina na zezika organika, ary mambole zavamaniry manarona ny tany mba hampihenana ny fikaohan'ny rano.
💧 Arovy ny rano: tehirizo ny ranon'orana, diovy ny lakandrano, ary aza ariana ao anaty renirano na loharano ny fako sy ny akora simika.
🌳 Aza manimba ny ala sy ny zavamananaina: aza manapaka hazo tsy amin'antony, ary mambole hazo na zavamaniry maniry eo an-toerana.
🌾 Mifidiana fomba fambolena miaro ny tany sy ny tontolo iainana: ahodino ny voly, ampiasao zezika organika, ary ahenao ny fampiasana fanafody simika.
📅 Manaova drafitra kely isaky ny vanim-potoana: fidio ny voly mifanaraka amin'ny rotsak'orana, tehirizo ny masomboly, ary miaraha mizara traikefa amin'ny mpamboly hafa.
🏡 Ho anao REHETRA : ♻️ Ahenao ny fampiasana plastique: mitondrà kitapo sy tavoahangy azo ampiasaina imbetsaka, ary saraho ny fako azo averina ampiasaina.
🗑️ Aza manary fako eny rehetra eny: asio fitoeran-drano na fitoeran-fako, angony ny fako manodidina ny trano, ary ento any amin'ny toerana fanariam-pako voatokana.
🔥 Ahenao ny fandaniana solika sy angovo tsy ilaina: vonoy ny jiro sy ny fitaovana tsy ampiasaina, ary mandehana an-tongotra na mampiasà bisikileta raha azo atao.
🌳 Mambole sy arovy ny hazo: mambole hazo iray farafahakeliny isan-taona, karakarao mandra-pahalehibeny, ary aza manapaka hazo tsy misy fanoloana.
📢 Entano koa ny fianakaviana sy ny namana: zarao amin'izy ireo ny vaovao marina, ary manolora hetsika iray isam-bolana, toy ny fanadiovana toerana na fambolen-kazo.
🤝 Mandraisa anjara amin'ny hetsika eny amin'ny fokontany, sekoly na fikambanana, ary ampahafantaro ny hafa ny vokatra azo.
Tsy mila miandry olon-kafa isika.
Ny fiovana lehibe dia miainga amin'ny fihetsika madinika ataontsika isan'andro.
🌍 Andao hiova.
Andao hiaro ny tany.
Andao hamela tontolo iainana tsara kokoa ho an'ny taranaka.
Satria raha tsy mandray andraikitra isika anio, isika sy ny taranaka no hizaka ny vokany rahampitso.
💚 TSARA VOATRA — Fambolena • Tontolo iainana • Fampandrosoana maharitra

OHATRA AMIN’NY FANDAMINANA TOERANA AMIN’NY PERMACULTURE – TSARA VOATRA 🌱Ahoana raha amboarina amin’ny fomba iray ny toer...
13/09/2026

OHATRA AMIN’NY FANDAMINANA TOERANA AMIN’NY PERMACULTURE – TSARA VOATRA 🌱
Ahoana raha amboarina amin’ny fomba iray ny toeram-pambolena ka ny fambolena, fiompiana, fiompiana trondro, zaridaina, fitantanana rano, fanodinana fako ary fiarovana ny tontolo iainana dia mifameno sy mifampiankina? 🌾🐄🐟🌳💧
👉 Ny permaculture dia tsy fambolena fotsiny, fa fandrafetana rafitra maharitra, mampiasa tsara ny harena misy, mampihena ny fandaniana ary mampitombo ny vokatra sy ny fahaleovantena ara-tsakafo. 💚
TSARA VOATRA 🌿
Fambolena ! Tontolo iainana, fampandrosoana maharitra.
Andao hamokatra anio, ho an’ny ampitso! 🌱

PERMACULTURE : AUTOSUFFISANCE ALIMENTAIRE SA RENTABILITÉ ? 💰Ny permaculture dia tsy fambolena fotsiny. Paikady iray afak...
10/09/2026

PERMACULTURE : AUTOSUFFISANCE ALIMENTAIRE SA RENTABILITÉ ? 💰
Ny permaculture dia tsy fambolena fotsiny. Paikady iray afaka mampihena ny fandaniana, mampitombo ny vokatra ary mamorona loharanom-bola.
🥬 1️⃣ Autosuffisance alimentaire
Mamokatra ny sakafo ilain’ny fianakaviana → mihena ny vola lany amin’ny fividianana sakafo.
💰 2️⃣ Rentabilité
Ny vokatra mihoatra ny filàna dia azo amidy. Misafidy vokatra manana tsena sy valeur tsara no lakilen’ny rentabilité.
♻️ 3️⃣ Ahena ny coût de production
Compost, Bokashi, mulch ary ireo loharanon-karena eo an-toerana dia manampy amin’ny fampihenana ny fandaniana.
🏭 4️⃣ Transformation = valeur ajoutée
Aza amidy manta foana ny vokatra!
🍓 Fraise → confiture
🍍 Voankazo → jus
🌿 Zavamaniry → produits séchés
➡️ Ny fanodinana dia afaka mampitombo ny sandan’ny vokatra.
🌳 5️⃣ Loharanom-bola maro
Legioma + voankazo + zana-kazo + compost + fiompiana kely + transformation = rafitra mamokatra sy maharitra.
👉 Ny tanjona dia tsy hoe mamokatra fotsiny, fa mamokatra am-pahendrena, mampihena fandaniana ary mahazo tombony.
🌱 PERMACULTURE = SAKAFO + FAHARETANA + FAHAFAHANA + TOMBONY
Azo atao ny manana autosuffisance alimentaire sady manana fambolena rentable. 💚

Nous vous invitons à découvrir notre newsletter !Jusqu’à présent, nous œuvrons bénévolement en faveur des agriculteurs, ...
03/09/2026

Nous vous invitons à découvrir notre newsletter !
Jusqu’à présent, nous œuvrons bénévolement en faveur des agriculteurs, avec la volonté de contribuer au développement d’une agriculture plus durable et résiliente à Madagascar. 🌱🇲🇬
🤝 Si vous souhaitez nous soutenir, devenir partenaire ou collaborer avec nous, n’hésitez pas à nous contacter.
Ensemble, faisons grandir les initiatives qui contribuent à améliorer les conditions de vie des agriculteurs. 🌾

MIAFINA HO AN’NY VOLY! ❗Fantatrao ve fa azo ampiasaina amin’ny fambolena ny lavenona avy amin’ny kitay? 🌱Ireto misy tomb...
03/09/2026

MIAFINA HO AN’NY VOLY! ❗
Fantatrao ve fa azo ampiasaina amin’ny fambolena ny lavenona avy amin’ny kitay? 🌱
Ireto misy tombontsoa azo avy aminy:
✅ Manome mineraly sasantsasany ho an’ny tany, toy ny potasioma, kalsioma ary magnésium.
✅ Manampy amin’ny fanatsarana ny tany be asidra, satria manana toetra mampihena ny hamafin’ny asidra ao anaty tany izy. ⚠️ Na izany aza, mila ampiasaina araka ny tokony ho izy, satria tsy mitovy ny zavatra ilain’ny voly sy ny karazan-tany.
✅ Manampy amin’ny fiarovana ny voa sy ny vokatra maina sasany amin’ireo bibikely mpanimba.
✅ Azo ampiasaina amin’ny fiarovana ny ampahany sasany amin’ny zavamaniry hambolena, indrindra ny rhizome sasany, raha ampiasaina amin’ny fomba mety.
⚠️ FAMPITANDREMANA:
Ny lavenona dia tsy solon’ny zezika feno. Saika tsy misy azota (N) firy ao aminy, ary raha ampiasaina tafahoatra dia mety hampikorontana ny fifandanjan’ny tany.
🌱 Amin’ny fambolena, tsy ampy ny mahafantatra fotsiny hoe inona no azo ampiasaina. Zava-dehibe kokoa ny mahafantatra hoe: rahoviana, ahoana ary ohatrinona no tokony hampiasana azy.
👉 Efa mampiasa lavenona amin’ny volinao ve ianao?
Lazao aminay ao amin’ny commentaire ny fomba fampiasanao azy. 👇
📌 AGRO-ENTREPRENEUR — « Ny dian’ny zava-mananaina »
🌱 Famokarana sy fivarotana zana-kazo fihinam-boa sy masomboly
🤝 Fanohanana sy fanampiana ireo tetikasa ara-pambolena.

03/09/2026

Andao haiaraka aminay hitsinjo taranaka , hiaro tontolo iainana ,hamokatra maharitra
Ho lovainjafy





future

ANTSO AVO HO AN’NY FANJAKANA SY NY MALAGASY REHETRA 🌱🇲🇬Mijery fotsiny ireo tendrombohitra sy tanety may ve isika, nefa m...
25/08/2026

ANTSO AVO HO AN’NY FANJAKANA SY NY MALAGASY REHETRA 🌱🇲🇬
Mijery fotsiny ireo tendrombohitra sy tanety may ve isika, nefa mihamafy hatrany ny doro tanety?
Manao antso avo amin’ny Fanjakana Malagasy izahay mba hitady sy hampiasaina ireo fitaovana maoderina ilaina amin’ny famonoana afo sy fiarovana ny ala, anisan’izany ny avion mpamono afo raha ilaina.
Tsy ampy intsony ny herin’ireo vondron’olona eny ifotony, izay matetika miady amin’ny afo amin’ny fitaovana tena voafetra. Mila fitaovana, fandrindrana ary fandraisana andraikitra haingana izy ireo.
👉 Moa ve tsy azo atao ny mampiasa avion mpamono afo eto Madagasikara rehefa misy doro tanety goavana?
Ry Malagasy, tsy ny ankehitriny ihany no arovantsika, fa ny hoavin’ny taranatsika. 🌳
Raha simba ny ala sy ny tontolo iainana ankehitriny, iza no handova ny vokatr’izany rahampitso?
Aoka tsy hijery fotsiny isika.
Aoka handray andraikitra. Aoka hiaro an’i Madagasikara. 🇲🇬🌱
TSARA VOATRA
Ho an’ny tontolo iainana, ho an’ny taranaka, ho an’i Madagasikara. 🌍

Maro no manonofy, fa vitsy no tena mahomby.Matetika isika no mandre hoe sarotra ny mitantana tanimboly sy fiompiana miar...
20/08/2026

Maro no manonofy, fa vitsy no tena mahomby.
Matetika isika no mandre hoe sarotra ny mitantana tanimboly sy fiompiana miaraka. Heverina fa be loatra ny asa, na tsy mifanaraka ny fambolena sy ny fiompiana.
Kanefa, ny tena fototry ny tombom-barotra maharitra dia ny FIARAHA-MIASA SY FIFAMENOAN’NY FAMBOLENA SY NY FIOMPIANA! 🔄🌱🐄
🌾 Alaivo sary an-tsaina :
Ny vokatra sy ny sisa tavela amin’ny fambolena dia afaka mamahana ny biby fiompinao.
Ary ny zezika avy amin’ny biby kosa dia miverina manatsara sy mampahavokatra ny taninao.
♻️ Tsy misy fako — fa misy tombony roa!
Saingy fanontaniana lehibe no mipetraka:
👉 Azo tanterahina amin’ny fomba mahomby ve izany eto Afrika, indrindra eto Madagasikara?
Ao amin’ny Association Tsara Voatra, mino izahay fa anisan’ny lalan-kizorana ho amin’ny fambolena maharitra sy mahasoa izany. 🌱🤝
👇 Andao isika hifanakalo hevitra!
Araka ny traikefanao amin’ny fambolena sy fiompiana, ity .
1️⃣ Harena mbola tsy voararaotra tsara 💰
2️⃣ Olana sy risika sarotra tantanina 🤔
💬 Lazao amin’ny commentaire ny hevitrao sy ny antony!
🌱 Zarao ihany koa ny traikefanao, ny fahombiazanao na ny lesona nianaranao.
Association Tsara Voatra
“Miara-mamokatra ho an’ny fiainana maharitra

JEUNES ENTREPRENEURS VERTS : Créer des emplois, protéger l'environnement et construire l'avenirFace aux défis économique...
16/07/2026

JEUNES ENTREPRENEURS VERTS : Créer des emplois, protéger l'environnement et construire l'avenir
Face aux défis économiques et environnementaux actuels, l'Association Tsara Voatra est convaincue que l'entrepreneuriat vert constitue l'une des solutions les plus efficaces pour créer des emplois durables et favoriser un développement inclusif.
🎯 Notre vision :
✅ Former les jeunes et les femmes à l'agriculture durable, à l'agroécologie et à l'entrepreneuriat.
✅ Créer des emplois verts et soutenir la mise en place de petites entreprises locales.
✅ Promouvoir la production de compost organique, de semences de qualité et la transformation des produits agricoles.
✅ Renforcer l'autonomie alimentaire tout en protégeant l'environnement.
✅ Connecter les producteurs aux marchés et aux partenaires stratégiques.
📈 Objectifs visés : • Former chaque année des centaines de jeunes et de femmes. • Créer des centaines d'emplois verts. • Développer un réseau d'entrepreneurs verts et d'agriculteurs professionnels à travers différentes régions de Madagascar.
🤝 Nous sommes ouverts à la collaboration avec : • ONG et Fondations
• Entreprises et programmes RSE
• Collectivités territoriales et institutions publiques
• Églises et associations
• Bailleurs de fonds et partenaires du développement
Nous croyons qu'en donnant aux jeunes les compétences et les opportunités nécessaires, ils deviennent des créateurs d'emplois plutôt que de simples demandeurs d'emploi.
🌍 Ensemble, construisons un avenir plus vert, plus durable et plus prospère pour Madagascar.
📞 Contact : 038 73 103 29

Address

Ambohijatovo
Antananarivo
105

Telephone

+261323987944

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Tsara voatra posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Organization

Send a message to Tsara voatra:

Shortcuts

Share