STK Ivandry Firaisana

STK Ivandry Firaisana Sampana Tanora Kristiana eto amin'ny FJKM Ivandry Firaisana Synodamparitany Antananarivo Andrefana (SPAA 10).

03/08/2026

๐Ÿ”ฅ FIHAONAMBE NASIONALY STK : J - 23 SISA! โณ๐ŸŽ‰

๐Ÿ“– "Tsy ianareo no nifidy Ahy, fa Aho no nifidy anareo..." โ€” Jaona 15:16
๐Ÿ“Œ Lohahevitra : "STK Voafidin'i Kristy, miasa amin'ny faharetana, mamokatra tsara"

Efa akaiky ny fotoana! 23 andro sisa (J-23) dia higadona ilay Fihaonambe Nasionaly andrasantsika rehetra (26 - 30 Aogositra)! ๐ŸŽ’๐Ÿš

Indro atolotra antsika ity horonantsary kely mampahatsiahy ireo fotoana mamy indrindra nolalovana tany Tamatave 2022! ๐ŸŒŠ๐ŸŒด๐ŸŽถ

๐Ÿ™ VONDROM-BAVAKA STK ๐Ÿ”ฅโœจ๐Ÿ“– "Fa na aiza na aiza no ihaonan'ny roa na telo amin'ny anarako, dia eo afovoany Aho." โ€” Matio 18...
30/07/2026

๐Ÿ™ VONDROM-BAVAKA STK ๐Ÿ”ฅโœจ
๐Ÿ“– "Fa na aiza na aiza no ihaonan'ny roa na telo amin'ny anarako, dia eo afovoany Aho." โ€” Matio 18:20
Faly manasa ny tanora rehetra hifanotrona sy hifampitrotro am-bavaka
๐Ÿ“† Daty : Sabotsy 1 Aogositra / ๐Ÿ•’ Ora : 03 ora tolakandro (15h00)
๐Ÿ“ Toerana : FJKM Ivandry Firaisana - Ofisialy

โš ๏ธ FANAMARIHANA MANOKANA :
Iangaviana ho tonga avokoa ireo rehetra handeha amin'ny Fihaonambe Nosy Be! Hisy fampahafantarana sy fandaminana momba ny diantsika amin`io

Asao ny namana rehetra ary tongava maro! ๐Ÿค

30/07/2026
๐Ÿฅฐ
12/07/2026

๐Ÿฅฐ

Salama daholo ooo.Araka ny fandaminana niaraka tamin' Pasteur sy ny komitin'ny Fifidianana dia atao amin'ny Alahady 12/0...
08/07/2026

Salama daholo ooo.
Araka ny fandaminana niaraka tamin' Pasteur sy ny komitin'ny Fifidianana dia atao amin'ny Alahady 12/07 izao entre culte ny fifidianana atao amin'ny STK.
Ireto avy ireo fidiana amin'izany:
๐Ÿ‘‰ Biraon'ny stk ( mpitantsoratry ny vola).
๐Ÿ‘‰Mpiandrakitra Rindra sy Feo
๐Ÿ‘‰Mpiandrakitra ALI amperinasa
-๐Ÿ‘‰Mpiandrakitra Maintimolaly

Samy miomana sy mifampilaza amin'ireo sokajin' asa rehetra.
Dia Tahian'ny Tompo daholo. ๐Ÿฅฐ๐Ÿฅฐ

โ›น๏ธโ€โ™‚๏ธ๐Ÿ”ฅ Tohany ny ekipantsika!๐Ÿ“… Sabotsy 4 Jolay 2026๐Ÿ“ Terrain Extรฉrieur Petit Palais Mahamasina๐Ÿ•š 11H10 โ€” STK Ivandry ๐Ÿ†š ST...
03/07/2026

โ›น๏ธโ€โ™‚๏ธ๐Ÿ”ฅ Tohany ny ekipantsika!
๐Ÿ“… Sabotsy 4 Jolay 2026
๐Ÿ“ Terrain Extรฉrieur Petit Palais Mahamasina
๐Ÿ•š 11H10 โ€” STK Ivandry ๐Ÿ†š STK Ankadimbahoaka
๐Ÿ•’ 15H00 โ€” Revival Messengers ๐Ÿ†š STK Ivandry

Tongava maro dia samia mifampitondra am-bavaka

17/06/2026

๐—ง๐—”๐—ก๐—ข๐—ฅ๐—” ๐— ๐—”๐—ก๐——๐—ฅ๐—ข๐—ฆ๐—ข ๐—ฆ๐—”๐——๐—ฌ ๐— ๐—”๐—›๐—”๐—ฉ๐—œ๐—ง๐—”

๐Ÿ™ Ry tanora malala, ho aminareo anie ny fahasoavan i Jesoa Kristy Tompontsika.
๐Ÿ“– " ๐™๐™จ๐™ฎ ๐™ž๐™–๐™ฃ๐™–๐™ง๐™š๐™ค ๐™ฃ๐™ค ๐™ฃ๐™ž๐™›๐™ž๐™™๐™ฎ ๐˜ผ๐™๐™ฎ, ๐™›๐™– ๐™„๐™ฏ๐™–๐™๐™ค ๐™ฃ๐™ค ๐™ฃ๐™ž๐™›๐™ž๐™™๐™ฎ ๐™–๐™ฃ๐™–๐™ง๐™š๐™ค ๐™ ๐™– ๐™ฃ๐™–๐™ฃ๐™š๐™ฃ๐™™๐™ง๐™ฎ ๐™–๐™ฃ๐™–๐™ง๐™š๐™ค ๐™ข๐™—๐™– ๐™๐™–๐™ฃ๐™™๐™š๐™๐™– ๐™จ๐™ฎ ๐™๐™–๐™ข๐™ค๐™–, ๐™–๐™ง๐™ฎ ๐™ข๐™—๐™– ๐™๐™–๐™๐™–๐™ง๐™š๐™ฉ๐™–๐™ฃ'๐™ฃ๐™ฎ ๐™ซ๐™ค๐™ ๐™–๐™ฉ๐™ง๐™–๐™ง๐™š๐™ค" (Jao.15 : 16a)
๐ŸŒฑ Io teny fanevantsika stk io hatrany no mbola hitondrantsika fampianarana indray ry tanora malala! Aza hadinoina ny teny fanentanana entitsika miaina izany teny faneva izany a! Toy izao manao hoe: TANORA VOAFIDIN'I KRISTY, MIASA @ FAHARETANA, MAMOKATRA TSARA.
โœจ Araka izany teny faneva sy fanentanana izany dia tokony tanora manao ahoana isika STK?
๐Ÿ“Œ Ireto no valiny farafahakekiny azo aroso:

1๏ธโƒฃ ๐—ง๐—ฎ๐—ป๐—ผ๐—ฟ๐—ฎ ๐— ๐—ถ๐—ณ๐—ฎ๐—ป๐—ฑ๐—ฟ๐—ฎ๐˜† ๐˜๐˜€๐˜† ๐˜๐—ฎ๐—ฝ๐—ฎ๐—ธ๐—ฎ @ ๐—ฅ๐—ฎ๐˜† ๐˜€๐˜† ๐—ป๐˜† ๐—ญ๐—ฎ๐—ป๐—ฎ๐—ธ๐—ฎ ๐˜€๐˜† ๐—ป๐˜† ๐—™๐—ฎ๐—ป๐—ฎ๐—ต๐˜† ๐— ๐—ฎ๐˜€๐—ถ๐—ป๐—ฎ
๐Ÿ“– Hoy Jesoa: "๐˜๐˜ป๐˜ข๐˜ฉ๐˜ฐ ๐˜ฏ๐˜ฐ ๐˜ฏ๐˜ช๐˜ง๐˜ช๐˜ฅ๐˜บ ๐˜ข๐˜ฏ๐˜ข๐˜ณ๐˜ฆ๐˜ฐ". Io voambolana hoe nifidy io, araka ny teny fototra nandikana azy, dia milaza fanavahana anao avy tao anatin'ny maro. Fahefan'i Jesoa izany fa tsy noho ny fahatsarantsika, na noho ny fahamendrentsika akory. Tian'i Jesoa hifandray aminy tsy tapaka isika, ka tokony mahay manararaotra izany fifidianany antsika izany. Iray amin'ireo teny manan-danja ao amin'ny Jaona 15 ny voambolana hoe MIRAY AMIKO. Ary aza hadinoina fa ity perikopa ity dia ao anatin'ireo dinidinika faramparany nataon'i Jesoa tamin'ny mpianany mialoha kelin'ny fahafatesany. Izany hoe ny fifandraisana aoriny eto dia tsy fifandraisana ara-batana intsony (Prรฉsence corporelle), fa fifandraisana ara-panahy (Prรฉsence spirituelle) amin'i Jesoa.
โ“ Ahoana ary no hifandraisantsika Aminy araka izany?
โœ… Ny voalohany dia amin'ny alalan'ny fankatoavana ny teniny. Hoy Izy: " ๐˜Œ๐˜ง๐˜ข ๐˜ฎ๐˜ข๐˜ฅ๐˜ช๐˜ฐ ๐˜ณ๐˜ข๐˜ฉ๐˜ข๐˜ต๐˜ฆ๐˜ฐ ๐˜ช๐˜ข๐˜ฏ๐˜ข๐˜ณ๐˜ฆ๐˜ฐ ๐˜ฏ๐˜ฐ๐˜ฉ๐˜ฐ ๐˜ฏ๐˜บ ๐˜ต๐˜ฆ๐˜ฏ๐˜ช๐˜ฌ๐˜ฐ, ๐˜ช๐˜ป๐˜ข๐˜บ ๐˜ฏ๐˜ฐ๐˜ญ๐˜ข๐˜ป๐˜ข๐˜ช๐˜ฌ๐˜ฐ ๐˜ต๐˜ข๐˜ฎ๐˜ช๐˜ฏ๐˜ข๐˜ณ๐˜ฆ๐˜ฐ. ๐˜›๐˜ฐ๐˜ฎ๐˜ฐ๐˜ฆ๐˜ณ๐˜ข ๐˜ข๐˜ฎ๐˜ช๐˜ฌ๐˜ฐ ๐˜ข๐˜ณ๐˜บ ๐˜๐˜ป๐˜ข๐˜ฉ๐˜ฐ ๐˜ข๐˜ฎ๐˜ช๐˜ฏ๐˜ข๐˜ณ๐˜ฆ๐˜ฐ" (Jao. 15 : 3 - 4a). FOTOTRA nanorenan'i Jesoa ny fifandraisantsika Aminy, ry tanora malala ny Teniny.
โœ… Ny faharoa dia amin'ny alalan'ny vavaka. Hoy Izy hoe : " ๐˜™๐˜ข๐˜ฉ๐˜ข ๐˜ฎ๐˜ช๐˜ณ๐˜ข๐˜บ ๐˜ข๐˜ฎ๐˜ช๐˜ฌ๐˜ฐ ๐˜ช๐˜ข๐˜ฏ๐˜ข๐˜ณ๐˜ฆ๐˜ฐ, ๐˜ฌ๐˜ข ๐˜ฎ๐˜ช๐˜ต๐˜ฐ๐˜ฆ๐˜ต๐˜ณ๐˜ข ๐˜ข๐˜ฐ ๐˜ข๐˜ฏ๐˜ข๐˜ต๐˜ช๐˜ฏ๐˜ข๐˜ณ๐˜ฆ๐˜ฐ ๐˜ฏ๐˜บ ๐˜ต๐˜ฆ๐˜ฏ๐˜ช๐˜ฌ๐˜ฐ, ๐˜ฅ๐˜ช๐˜ข ๐˜ข๐˜ฏ๐˜จ๐˜ข๐˜ต๐˜ข๐˜ฉ๐˜ฐ ๐˜ช๐˜ป๐˜ข๐˜บ ๐˜ต๐˜ช๐˜ข๐˜ฏ๐˜ข๐˜ณ๐˜ฆ๐˜ฐ ๐˜ฏ๐˜ข ๐˜ช๐˜ฏ๐˜ฐ๐˜ฏ๐˜ข ๐˜ฏ๐˜ข ๐˜ช๐˜ฏ๐˜ฐ๐˜ฏ๐˜ข, ๐˜ง๐˜ข ๐˜ฉ๐˜ฐ ๐˜ต๐˜ฐ๐˜ฏ๐˜จ๐˜ข ๐˜ข๐˜ฎ๐˜ช๐˜ฏ๐˜ข๐˜ณ๐˜ฆ๐˜ฐ ๐˜ช๐˜ป๐˜ข๐˜ฏ๐˜บ" (Jaona 15 : 7). Eto dia voaorina mafy kokoa ny fifandraisantsika @ Jesoa. Mila valinteny mazava avy amintsika tanora Izy rehefa avy mihaino ny teniny isika, io valinteny io no atao hoe vavaka. Angataho hoy Izy! Vavaka mifanaraka amin'izay noteneniny! Vavaka maneho finiavana hifandray Aminy tsy tapaka. Ary vavaka mangataka ny fahazavan-tsain'ny FANAHY MASINA (Vakio Jao.15,26-27)
โœ… Ny tanora tia mandinika ny tenin' Andriamanitra sy feno fiainam-bavaka dia azo antoka fa ho lasa lavitra amin'ny fiainany, hahasedra ny sarotra, hihoatra ny sakana, hahomby amin'izay atao, hamokatra tsy tapaka sy ara-potoana. Fa hoy ny mpanao salamo manao hoe: "๐˜‹๐˜ช๐˜ข ๐˜ต๐˜ข๐˜ฉ๐˜ข๐˜ฌ๐˜ข ๐˜ฏ๐˜บ ๐˜ฉ๐˜ข๐˜ป๐˜ฐ ๐˜ข๐˜ฎ๐˜ฃ๐˜ฐ๐˜ญ๐˜ฆ๐˜ฏ๐˜ข ๐˜ฆ๐˜ฐ ๐˜ข๐˜ฎ๐˜ฐ๐˜ณ๐˜ฐ๐˜ฏ'๐˜ฏ๐˜บ ๐˜ณ๐˜ข๐˜ฏ๐˜ฐ ๐˜ท๐˜ฆ๐˜ญ๐˜ฐ๐˜ฏ๐˜ข ๐˜ช๐˜ป๐˜บ, ๐˜ช๐˜ป๐˜ข๐˜บ ๐˜ฎ๐˜ข๐˜ฎ๐˜ฐ๐˜ข ๐˜ข๐˜ฎ๐˜ช๐˜ฏ'๐˜ฏ๐˜บ ๐˜ง๐˜ฐ๐˜ต๐˜ฐ๐˜ข๐˜ฏ๐˜บ, ๐˜ฏ๐˜บ ๐˜ณ๐˜ข๐˜ท๐˜ช๐˜ฏ๐˜บ ๐˜ฌ๐˜ฐ๐˜ข ๐˜ต๐˜ด๐˜บ ๐˜ฎ๐˜ฃ๐˜ข ๐˜ฎ๐˜ข๐˜ญ๐˜ข๐˜ป๐˜ฐ; ๐˜ข๐˜ณ๐˜บ ๐˜ฏ๐˜บ ๐˜ข๐˜ด๐˜ข๐˜ฏ๐˜บ ๐˜ณ๐˜ฆ๐˜ฉ๐˜ฆ๐˜ต๐˜ณ๐˜ข ๐˜ฅ๐˜ช๐˜ข ๐˜ข๐˜ต๐˜ข๐˜ฐ๐˜ฏ๐˜บ ๐˜ญ๐˜ข๐˜ท๐˜ฐ๐˜ณ๐˜ข๐˜ณ๐˜บ ๐˜ข๐˜ท๐˜ฐ๐˜ฌ๐˜ฐ๐˜ข" (Sal. 1 : 3)
โค๏ธ Ry tanora malala, karakarao tsara ny fifandraisanao amin'i Jesoa Kristy fa Izy efa nanetritena hifandray aminao tsy tapaka.

2๏ธโƒฃ ๐—ง๐—ฎ๐—ป๐—ผ๐—ฟ๐—ฎ ๐— ๐—ถ๐—ต๐—ฒ๐˜๐˜€๐—ถ๐—ธ๐—ฎ
๐Ÿšถ Hoy Jesoa hoe : "...๐˜•๐˜ข๐˜ฏ๐˜ฆ๐˜ฏ๐˜ฅ๐˜ณ๐˜บ ๐˜ข๐˜ฏ๐˜ข๐˜ณ๐˜ฆ๐˜ฐ ๐˜ฎ๐˜ฃ๐˜ข ๐˜ฉ๐˜ข๐˜ฏ๐˜ฅ๐˜ฆ๐˜ฉ๐˜ข.." . Ny teny tokana azo ilazana izany dia mila tanora mihetsika eo @ andraikitra nametrahana azy Izy fa tsy mpitazana fotsiny.
๐Ÿ‘ฅ Ny tanora araka ny fitsipika mifehy antsika STK dia eo anelanelan'ny 15 ka hatramin'ny 50 taona. Ao anatin'ny herintsika tsara isika @ ireo taona ireo:
โ˜‘๏ธ 15 - 25 taona eo isika no mianatra, manovo ny fahendrena sy ny fahalalana hiatrehana ny hoavy.
โ˜‘๏ธ 26 - 40 taona eo isika no manomboka miasa, manorina tokantrano, mandray andraikitra eo amin'ny fiangonana sy ny fiaraha-monina.
โ˜‘๏ธ 41 - 50 taona isika efa raiamandreny hiankinan'ny fampandrosoana ny fiangonana sy ny firenena. Tonga mpampianatra ny firenena rehetra. Mpitari-dalana ny tanora rehetra ho amin'ny fifandraisana amin'i Jesoa.

โณ Farafahakeliny ireo naroso ireo mba afahantsika tanora mandrefy tsara ny hafainganam-pandehantsika amin'ny hetsika nanirahan'i Jesoa Kristy antsika. Koa aza variana fa mandeha ny fotoana, Ary aza mangatak'andro fa mihetseha raha mbola velona, mandehana tanteraho ny baikon' ny Tompontsika hoe : " ๐˜ฌ๐˜ฐ๐˜ข ๐˜ฎ๐˜ข๐˜ฏ๐˜ฅ๐˜ฆ๐˜ฉ๐˜ข๐˜ฏ๐˜ข ๐˜ช๐˜ข๐˜ฏ๐˜ข๐˜ณ๐˜ฆ๐˜ฐ, ๐˜ฅ๐˜ช๐˜ข ๐˜ข๐˜ต๐˜ข๐˜ฐ๐˜ท๐˜บ ๐˜ฎ๐˜ฑ๐˜ช๐˜ข๐˜ฏ๐˜ข๐˜ต๐˜ณ๐˜ข ๐˜ฏ๐˜บ ๐˜ง๐˜ช๐˜ณ๐˜ฆ๐˜ฏ๐˜ฆ๐˜ฏ๐˜ข ๐˜ณ๐˜ฆ๐˜ฉ๐˜ฆ๐˜ต๐˜ณ๐˜ข, ๐˜ฎ๐˜ข๐˜ฏ๐˜ข๐˜ฐ ๐˜ฃ๐˜ข๐˜ต๐˜ช๐˜ด๐˜ข ๐˜ข๐˜ป๐˜บ ๐˜ฉ๐˜ฐ ๐˜ข๐˜ฎ๐˜ช๐˜ฏ'๐˜ฏ๐˜บ ๐˜ข๐˜ฏ๐˜ข๐˜ณ๐˜ข๐˜ฏ'๐˜ฏ๐˜บ ๐˜™๐˜ข๐˜บ ๐˜ด๐˜บ ๐˜ฏ๐˜บ ๐˜ก๐˜ข๐˜ฏ๐˜ข๐˜ฌ๐˜ข ๐˜ข๐˜ณ๐˜บ ๐˜ฏ๐˜บ ๐˜๐˜ข๐˜ฏ๐˜ข๐˜ฉ๐˜บ ๐˜”๐˜ข๐˜ด๐˜ช๐˜ฏ๐˜ข" (Matio 28 : 19).

๐Ÿ“ฃ Aza miandry ilay fotoana fialantsasatra hanaovana tafika masina vao hihetsika, fa azo atao tsara ny mitory Filazantsara isan'andro amin'ny tanora namantsika, na eny an-tsena, na any am-pianarana, na any am-piasana. Ataovy ity pratikan'i Paoly Apostoly ity : "" Ary izay zavatra efa renao tamiko teo anatrehan'ny vavolombelona maro dia atolory ny olona mahatoky, izay hahay mampianatra ny sasany kosa"" (II Tim. 2 : 2). Io no antsoina hoe fitoriana Filazantsara iray sy iray na roa amin'ny roa sns....

๐Ÿค Ankotran'izany, ny tetik'asa lehibe ho antsika STK, izay notapahin'ny zaikabe dia ny hanangana ivon-toerana hanaovana tantsoroka ireo tanora mpidoroka zava-mahadomelina. Koa manentana antsika STK isaky ny synodamparitany sy fitandremana mba hiara-mandroso amin'ny foibe amin' izany hetsika tantsoroka ho an'ny namantsika tanora izany . Azo atao tsara ny miantso ny olona manam-pahaizana manokana momba izany hanofana antsika mba afahantsika manomboka hetsika.

๐Ÿ“ Tsarovy fa tsy maintsy miomana isika tanora hanao tatitra mazava tsara sady marina atolotra an'i Jesoa sy ny fiangonana amin'ny fotoanany. Koa mahereza ry tanora malala, marisiha, mihetseha.

3๏ธโƒฃ ๐—ง๐—ฎ๐—ป๐—ผ๐—ฟ๐—ฎ ๐— ๐—ฎ๐—บ๐—ผ๐—ธ๐—ฎ๐˜๐—ฟ๐—ฎ ๐—บ๐—ฎ๐—ป๐—ฑ๐—ฟ๐—ฎ๐—ธ๐—ฎ๐—ฟ๐—ถ๐˜ƒ๐—ฎ
๐Ÿ‡ Teny fanalahidy faharoa izay tena manan-danja eto @ ity Jaona 15 ity Sady miverimberina ny hoe : MAMOA BE, VOKATRA. Raha niresaka momba ny fifandraisana tahin'i Jesoa isika tery am-boalohany dia ny hamokarantsika be no antony. Ny tanora kristiana dia tsy maintsy mamokatra be. Tsy hoe mamokatra fotsiny, fa tena mamokatra be Sady mamokatra tsara noho isika miasa araka ny tenin' Andriamanitra sy ny fitarihan'ny Fanahy Masina.

๐ŸŒพ Mampatsiahy antsika tanora izany koa ny teny fanevan'ny FJKM, @ ity taom-piasana ity, hoe: FINOANA MAMOKATRA, MAMOKATRA TSARA, MAMOKATRA BE, MAMOKATRA TSY TAPAKA.

๐ŸŒฑ Miray lalana amin'izany koa ny teny fanevantsika stk, hoe: STK VOAFIDIN'I KRISTY, MIASA @ FAHARETANA, MAMOKATRA TSARA.

๐Ÿ”ฅ Ity taom-piasana ity araka izany dia hanairana antsika tanora rehetra indray mba HAMOA BE SY HAMOA TSARA ARY HAMOA @ FAHARETANA.

๐Ÿ“– Hevero tsara ity Tenin'i Jesoa ity ry tanora, hoe : " ๐˜•๐˜บ ๐˜ด๐˜ข๐˜ฎ๐˜ฑ๐˜ข๐˜ฏ๐˜บ ๐˜ณ๐˜ฆ๐˜ฉ๐˜ฆ๐˜ต๐˜ณ๐˜ข ๐˜ฆ๐˜ฐ ๐˜ข๐˜ฎ๐˜ช๐˜ฌ๐˜ฐ ๐˜ช๐˜ป๐˜ข๐˜บ ๐˜ต๐˜ด๐˜บ ๐˜ฎ๐˜ข๐˜ฎ๐˜ฐ๐˜ข ๐˜ฅ๐˜ช๐˜ข ๐˜ฆ๐˜ด๐˜ฐ๐˜ณ๐˜ช๐˜ฏ๐˜บ; ๐˜ง๐˜ข ๐˜ฏ๐˜บ ๐˜ด๐˜ข๐˜ฎ๐˜ฑ๐˜ข๐˜ฏ๐˜บ ๐˜ณ๐˜ฆ๐˜ฉ๐˜ฆ๐˜ต๐˜ณ๐˜ข ๐˜ช๐˜ป๐˜ข๐˜บ ๐˜ฎ๐˜ข๐˜ฎ๐˜ฐ๐˜ข ๐˜ฌ๐˜ฐ๐˜ด๐˜ข ๐˜ฅ๐˜ช๐˜ข ๐˜ข๐˜ฎ๐˜ฃ๐˜ฐ๐˜ข๐˜ณ๐˜ช๐˜ฏ๐˜บ, ๐˜ฎ๐˜ฃ๐˜ข ๐˜ฉ๐˜ข๐˜ฎ๐˜ฐ๐˜ข ๐˜ฃ๐˜ฆ๐˜ฃ๐˜ฆ ๐˜ฌ๐˜ฐ๐˜ฌ๐˜ฐ๐˜ข. " (Jao. 15 : 2). Koa mahaiza manapa-kevitra HAMOA fa zava-doza no ateraky ny tsy fahavokarana. Ny VOA eo amin'ny fiainanao no hamaritan'ny fiangonana anao ny fifandraisanao @ Jesoa. Ny VOA no hamantarana anao hoe tena TANORA KRISTIANA tokoa ve ianao. Koa mamoaza VOA TSARA, VOA MENDRIKA NY FIBEBAHANA.

๐ŸŽฏ Ireto vokatra ireto no andrasana aminao:
โžก๏ธ Mamokatra fahendrena, teo-panahy araka an' Andriamanitra @ alalan'ny fampiorenam-pinoana. Tanora tia mizara ny tenin' Andriamanitra, bรฉ fitiavana, antra namana, manohana ny reraka am-panahy.
โžก๏ธ Mamokatra fahalalana, toe-tsaina vaovao, @ alalan'ny fianarana sy fiofanana mitohy sy maharitra ka afaka mizara izany ho an'ny tanora eo amin'ny fiaraha-monina, araka ny voasoratra hoe : " ๐˜ˆ๐˜ป๐˜ข ๐˜ฎ๐˜ข๐˜ฎ๐˜ช๐˜ฉ๐˜ช๐˜ฏ๐˜ข ๐˜ฏ๐˜บ ๐˜ด๐˜ฐ๐˜ข ๐˜ข๐˜ฎ๐˜ช๐˜ฏ'๐˜ช๐˜ป๐˜ข๐˜บ ๐˜ต๐˜ฐ๐˜ฌ๐˜ฐ๐˜ฏ๐˜บ ๐˜ฉ๐˜ฐ๐˜ฎ๐˜ฆ๐˜ฏ๐˜ข ๐˜ข๐˜ป๐˜บ, ๐˜™๐˜ข๐˜ฉ๐˜ข ๐˜ข๐˜ป๐˜ฐ๐˜ฏ'๐˜ฏ๐˜บ ๐˜ต๐˜ข๐˜ฏ๐˜ข๐˜ฏ๐˜ข๐˜ฐ ๐˜ข๐˜ต๐˜ข๐˜ฐ ๐˜ช๐˜ฉ๐˜ข๐˜ฏ๐˜บ" ( Oha. 3 : 27 )
Ireo olona lasa manam-pahaizana sy ampy traikefa ka andry hiankinan'ny fampandrosoana ankehitriny ireo dia nanao izany avokoa. Diniho fiainan'i Jesoa hatr@ fahakeliny sy ny fahaizany hatreo @ fahatanorany (Vakio Lio.2,40.52; Mar.1,27)
โžก๏ธ Mamokatra harena, vola sy fananana. Tena toe-tsaina kristiana protestanta reforme ny mamokatra harena, mitantana ireo harena voajanahary araka ny sitrapon' Ilay Mpahary. Na dia fanoharana aza ny voalazan'i Jesoa ao amin'ny Mat.25,14 - 23 momba ny fanjakan' Andriamanitra, dia azo raisina ho fianarana eo amin'ny sehatry ny fandraharahana koa io. Jesoa mampianatra antsika tanora hamokatra harena.

๐Ÿก Isika stk foibe dia manana ivon-toeram-pamokarana eny Ambohitratrimo. Misy fiompiana akoho ao, fambolena ananana sy voankazo samihafa, efa an-dalam-panomanana koa ny fiompiana trondro sy ny fanorenana ivon-toeram-piofanana fampamokarana ho an'ny tanora any an-toerana. Raha sitrapon' Andriamanitra dia hanao kianja manara-penitra filalaovam-baolina lalaovin'olona 7 ao koa isika.

๐Ÿ›ค๏ธ Ireo rehetra ireo dia tari-dalana ho antsika tanora afahantsika manaradia an'i Jesoa mandritra ny androm-piainabtsika. Raha tsara fifandraisana Aminy ianao dia hahatitra amin'ny fanompoana koa.

๐Ÿ’ช Koa herezo ry tanora malala, karakarao ny fifandraisanao amin'i Jesoa, araraoty ny andro azo hihetsehana, mamokara be sy tsara ary amin'ny faharetana. Homba anao anie Jesoa Kristy zokintsika.
๐Ÿ“– " ๐˜’๐˜ฐ๐˜ข ๐˜ข๐˜ฎ๐˜ช๐˜ฏ'๐˜ช๐˜ป๐˜ข๐˜ฏ๐˜บ, ๐˜ณ๐˜บ ๐˜ณ๐˜ข๐˜ฉ๐˜ข๐˜ญ๐˜ข๐˜ฉ๐˜บ ๐˜ฎ๐˜ข๐˜ญ๐˜ข๐˜ญ๐˜ข๐˜ฌ๐˜ฐ, ๐˜ฅ๐˜ช๐˜ข ๐˜ฎ๐˜ช๐˜ฐ๐˜ณ๐˜ฆ๐˜ฏ๐˜ข ๐˜ต๐˜ด๐˜ข๐˜ณ๐˜ข, ๐˜ข๐˜ป๐˜ข ๐˜ฎ๐˜ช๐˜ฐ๐˜ท๐˜ข, ๐˜ข๐˜ณ๐˜บ ๐˜ฎ๐˜ข๐˜ฉ๐˜ฆ๐˜ง๐˜ขฬ€ ๐˜ฃ๐˜ฆ ๐˜ฎ๐˜ข๐˜ฏ๐˜ฅ๐˜ณ๐˜ข๐˜ฌ๐˜ข๐˜ณ๐˜ช๐˜ท๐˜ข ๐˜ข๐˜ฎ๐˜ช๐˜ฏ'๐˜ฏ๐˜บ ๐˜ข๐˜ด๐˜ข๐˜ฏ'๐˜ฏ๐˜บ ๐˜›๐˜ฐ๐˜ฎ๐˜ฑ๐˜ฐ, ๐˜ด๐˜ข๐˜ต๐˜ณ๐˜ช๐˜ข ๐˜ง๐˜ข๐˜ฏ๐˜ต๐˜ข๐˜ต๐˜ณ๐˜ข๐˜ณ๐˜ฆ๐˜ฐ ๐˜ง๐˜ข ๐˜ต๐˜ด๐˜บ ๐˜ง๐˜ฐ๐˜ข๐˜ฏ๐˜ข ๐˜ต๐˜ด๐˜บ ๐˜ข๐˜ฌ๐˜ฐ๐˜ณ๐˜บ ๐˜ฏ๐˜บ ๐˜ง๐˜ช๐˜ฌ๐˜ฆ๐˜ญ๐˜ฆ๐˜ป๐˜ข๐˜ฏ๐˜ข๐˜ณ๐˜ฆ๐˜ฐ ๐˜ข๐˜ช๐˜ฏ๐˜ข ๐˜ข๐˜ฐ ๐˜ข๐˜ฎ๐˜ช๐˜ฏ'๐˜ฏ๐˜บ ๐˜›๐˜ฐ๐˜ฎ๐˜ฑ๐˜ฐ" ( I Kor. 15 : 58)

๐Ÿ™Œ Ho an' Andriamanitra irery ny voninahitra !

โœ๏ธ Atoa RAMBONINIARIVO Tantely Ndriantsoalaza Gaston, Mpitandrina

16/06/2026

On nous vend le miracle morning!!!!

"Tu crois que ton problรจme, c'est le manque de temps. Souvent, c'est le manque de Shalom."

Quand tu gรจres :
๐Ÿ“Œ Une รฉquipe qui attend des dรฉcisions
๐Ÿ“Œ Des clients qui veulent des rรฉponses immรฉdiates
๐Ÿ“Œ Des รฉchรฉances qui s'accumulent
๐Ÿ“Œ Une famille qui a besoin de toi
๐Ÿ“Œ Des finances ร  surveiller
๐Ÿ“Œ Des imprรฉvus qui explosent le planning
..trouver 1 heure calme avec Dieu ressemble parfois ร  un luxe.

Alors beaucoup abandonnent.

Mais les personnes ร  haute responsabilitรฉ savent une chose :

La paix n'est pas un endroit oรน l'on arrive quand tout est rรฉglรฉ.
C'est une force dont on a besoin avant de rรฉgler les choses.

Se rรฉveiller avant tout le monde pour prier et lire la Bible.
Chercher Dieu entre deux rendez-vous.
Prier avant d'envoyer ce mail difficile.
Remettre un dossier entre Ses mains avant une rรฉunion stratรฉgique.
L'adorer dans les embouteillages.
L'รฉcouter avant de prendre une dรฉcision qui impactera 10, 100 ou 1 000 personnes.

Les responsabilitรฉs augmentent.
La nรฉcessitรฉ du Shalom aussi.

Parce qu'ร  un certain niveau, ce n'est plus le manque de compรฉtences qui fatigue.
๐Ÿ“C'est le poids des dรฉcisions.

Et ce poids-lร , Dieu ne t'a jamais demandรฉ de le porter seul.

Fait la paix avec Dieu par Jesus Christ !

๐Ÿ‘‰ Leader, manager, entrepreneur, responsable : quel est aujourd'hui le sujet que tu as besoin de remettre entre les mains de Dieu ?

Address

FJKM Ivandry Firaisana
Antananarivo
101

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when STK Ivandry Firaisana posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share