Fivondronamben'ny Tantsaha Malagasy, Fekritama

Fivondronamben'ny Tantsaha Malagasy, Fekritama "Tantsaha mahavelon-tena, antoky ny fampandrosoana"

17/03/2026

📢📢📢📢 FANAMBARANA 📢📢📢📢

Manoloana ny fidinan’ny vidim-bary akotry eny amin’ny mpamokatra izay tsy nitsahatra nidina nanomboka ny faran’ny taona 2025, dia maneho ny ahiahiny lalina ny Tranoben’ny Tantsaha sy ireo vondron’ny Fikambanan’ny Tantsaha manerana an’i Madagasikara.

Ny vary no fototry ny sakafo ho an’ny Malagasy ary loharanon-karena fototra ho an’ny mpamokatra maro an’isa.
Fatiantoka goavana ho an’ny mpamokatra, no aterak’io fidinan’ny vidim-bary ambany dia ambany io, satria tsy mahaleo saran’ny famokarana akory ny vidiny (toy ny masomboly, zezika, sarak’antsaha, fanajariana tany, fitaterana, sns).
Tena mamotika ny ezaka rehetra natao hanatsarana ny famokaram-bary ary loza mitatao amin’ny fahaleovantena ara-tsakafo eto amin’ny firenena izao toe-javamisy izao satria:
📌Manamafy ny fahantran’ny mpamokatra: Tsy mahazo tombony amin’ny vokatra novokarina intsony ka mihamafy ny fahasahiranany ara-bola. Maro amin’ny Mpamokatra no nanao tahirim-bary ary nanao findramam-bola amin’ny Banky sy ireo Microfinance hanamafisna ny famokarana ary efa tsy mahaverim-bola vokatr’izao zava-misy izao.
📌 Mampihena ny risim-po ny mpamokatra hamokatra amin’ny taom-pamokarana manaraka satria maro no hampihena na hiala amin’ny fambolena izay tsy azahoana tombony akory.
📌 Loza mitatao amin’ny fahaleovantena ara-tsakafo eto amin’ny firenana izao satria mifanohitra amin’ny famporisihana hamokatra ka hanamafy ny fiankinan-doha amin’ny fanafarana vary avy any ivelany.
📌 Hiteraka fikorontanan’ny rafitra ara-toekarena eny ambanivohitra ary tsy maintsy hisy fiantraikany ratsy amin’ny sehatra maro satria ny fidiram-bolan’ny mpamokatra no mampandeha ny toekarena eny ifotony (varotra, asa, sns).

Manoloana izao zava-misy izao dia mangataka ny Fitondram-panjakana, Ny Filoha, sy ny Governemanta izay vao hatsangana, izahay handray fanapahan-kevitra maika sy hentitra mitondra makany amin’ny fandraisana fepetra maharitra, toy ny:

🔖 Fametrahana vidim-bary farany ambany (prix plancher) hiarovana ny mpamokatra amin’ny fatiantoka.
🔖 Fampiakarana ny fividianam-bary ataon’ny fanjakana amin’ny alalan’ny tahirim-bary stratejika (stock de sécurité).
🔖 Fanatsarana ny rafitra fitahirizana sy fanodinana vary (stockage sy transformation) mba tsy voatery hivarotra avy hatrany amin’ny vidiny ambany ny mpamokatra.
🔖 Fanaraha-maso ny tsenan’ny vary sy ny mpanelanelana mba hisorohana ny fanararaotana ny mpamokatra.
🔖 Fanohanana ny mpamokatra amin’ny saran’ny famokarana ho an’ny taom-pamokarana hoa avy toy ny masomboly tsara kalitao, zezika, fitaovana, sns... satria dia latsaka an-katerena tokoa ny Mpamokatra vary noho ny fatiantoka misy amin’izao fotoana izao.
🔖 Fanohanana sy fanampiana ny fikambanana mpamokatra ahafahan’izy ireo miara-dalana amin’ny mpamokatra amin’ny fifampiraharahana ara-barotra.

📣📢🔔Antso avo no ataonay amin’ny Fitondram-panjakana satria tandindomin-doza ny hoavin’ny famokarana sy ny fahaleovan-tena ara-tsakafo eto Madagasikara ary ny fahamarinan-toeran’ny toekarena. Mila fandraisana andraikitra maika avy aminareo Fitondram-panjakana hiarovana ny Mpamokatra Malagasy, izay maro an’isa eto amin’ny Firenena.

FAO Representation - Madagascar Comores Maurice Seychelles
Coalition of Peasant in Madagascar
Fifata Ofisialy

Réseau SOA
Malagasy Dairy Board Mdb
Fekritama Madagascar

« Assemblée générale et conférence annuelle 2024  »Tontosa ny Alatsinainy 28 sy Talata 29 Oktobra 2024 teo ny Fivoariamb...
01/11/2024

« Assemblée générale et conférence annuelle 2024 »

Tontosa ny Alatsinainy 28 sy Talata 29 Oktobra 2024 teo ny Fivoariambe sy fihaonambe Nasionalin’´ny Fekritama Madagascar. Izay natao teny amin’ny Centre Arrupe Faravohitra, Antananarivo.
Lahadinika sy lohahevitra nandritry ny roa andro ny:
🌱Fampiroboroboana ny lalam-pihariana Akoho Gasy izay tarihan’ny Fekritama
🌱 Ny fanamafisana ny rafitra sy ny fandaminana eto anivon’ny Fekritama.

Saika voasolotena teto avokoa ny Faritra 23 manerana ny Nosy izay niakaran’ireo Filoha sy Sekretera Jeneraly eny anivon’ny Faritra tsirairay ary ny federasiona mpikambana toy FVTM, MATOR, FNJA.

Lohahevitra maro no voaresaka izay tena andry iankinan’ny fiodinan’ny Fikambanana ary mbola vonona hatrany ireto Tantsaha Mpamokatra Mpikambana hanambatra ny hery ho antoky ny Fampandrosoana.

🍀FIA 2024 🍀🇲🇬Ny fivondronamben'ny Tantsaha Malagasy, Fekritama dia mandray anjara amin'ny FIA : Foire Internationale de ...
12/09/2024

🍀FIA 2024 🍀

🇲🇬Ny fivondronamben'ny Tantsaha Malagasy, Fekritama dia mandray anjara amin'ny FIA : Foire Internationale de l'agriculture izay nanomboka androany ka hatramin'ny Alahady 15 Septembre 2024 .
Hita eny ny vokatra isan-karazany ampirantian'ireo Tantsaha Mpikambana avy any amin'ny Faritra Maro.
Manasa antsika ary hitsidika sy handalo fa vonona ny iaraha hiasa Aminareo izahay.
Santionana vokatra hita eny amin'ny Tranoheva
Laharana 141, 281

🇫🇷La confederation des Agriculteurs Malagasy participe au FIA : Foire Internationale de l'agriculture, édition 2024 le 12 au dimanche 15 Septembre 2024.
Nos paysans membres exposent des différents produits agricoles et forestières.
Venez nombreux rendre visite Ă  nos stands.
Échantillons des produits exposé dans nos stands N° 141 et 181


FIA 2024, Forello expo Tanjombato
12/09/2024

FIA 2024, Forello expo Tanjombato

12/09/2024

FIA 2024
Stand 141 et 281

Address

LOT IVM 7 Ambodivona Antananarivo
Antananarivo

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Fivondronamben'ny Tantsaha Malagasy, Fekritama posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Organization

Send a message to Fivondronamben'ny Tantsaha Malagasy, Fekritama:

Shortcuts

Share