BTC BTC est une association qui aide les jeunes à découvrir leurs talents via les diverses activités.

Miainga avy aty Ambatondrazaka indray ny hetsika amin'ity volana Jona ity...
17/06/2026

Miainga avy aty Ambatondrazaka indray ny hetsika amin'ity volana Jona ity...

11/06/2026

🎓 Votre avenir mérite plus qu’un simple choix.
À l’Institut ISS, nous vous accompagnons avec sérieux, humanité et ambition.
📩 Écrivez-nous pour en savoir plus.

08/06/2026
08/06/2026

Ny fandrefesana ny fahamatoran’ny fitantanana tetikasa dia manampy hamantatra ny haavon’ny fahaizan’ny fikambanana mitantana sy manatanteraka tetikasa.

🔹 Manombana ny fomba fiasa sy ny fizotran’ny asa.
🔹 Mamaritra ireo tanjaka sy lafiny mila hatsaraina.
🔹 Manampy amin’ny fanatsarana ny fahombiazan’ny tetikasa.

Arakaraka ny maha-matotra ny rafitra fitantanana tetikasa no mampitombo ny fahafahan’ny fikambanana mahatratra ny tanjony amin’ny fomba mahomby sy maharitra. 📈🚀

04/06/2026

Misy lafin-javatra maro jerena amin’ny famaritana ny pre-money valuation, toy ny vola miditra, ny tombom-barotra, ny isan’ny mpanjifa, ny toerana misy ny orinasa eny an-tsena ary ny mety ho fitomboany amin’ny ho avy.

01/06/2026

🧠🌍 WORLD QUIZZING CHAMPIONSHIP (WQC) 2026

Anisany handray anjara ny andiany faha-7 amin’ny World Quizzing Championship i Antananarivo izay fifaninanana iraisam-pirenena mampifaninana ireo tia fahalalana sy fanamby ara-tsaina maneran-tany.

📍 Toerana : ISS Tsiadana
📅 Daty : 06 Jona 2026
⏰ Fotoana : amin’ny 9 ora maraina
📞 Laharana: 0349720309

Ny fifaninanana dia ahitana :
✔️ Fanontaniana 240
✔️ Lohahevitra 8 samihafa
✔️ Filaharana eo anivon’ny firenena sy maneran-tany
✔️ Safidy amin’ny teny Anglisy sy Frantsay

🔎 Lohahevitra hodinihina :
• Culture
• World
• Lifestyle
• History
• Media
• Science
• Entertainment
• Sport/Games

💰 Saran’ny fandraisana anjara : 15.000 Ar
📝 Misokatra ny fisoratana anarana : 20 Mey – 02 Jona 2026

WQC2026

01/06/2026

Fanetren-tena sy fanajana ny hafa

Na mahomby aza dia tsy tokony hanambony tena. Ny fanajana sy fanetren-tena no mampaharitra ny fifandraisana sy ny fahatokisan’ny olona.

28/05/2026

Amin’ny fitantanana tetikasa, misy fomba 2 lehibe hiatrehana risika:
GESTION PROACTIVE (mialoha ny olana)
👉 Miasa alohan’ny hisehoan’ny risika
✔️ Mamantatra mialoha ny olana mety hitranga
✔️ Manomana vahaolana mialoha
✔️ Mampihena be ny fahasahiranana

GESTION RÉACTIVE (rehefa misy olana)
👉 Miasa rehefa efa niseho ny risika
✔️ Miatrika olana rehefa tonga
✔️ Mitady vahaolana maika
✔️ Mety hiteraka fahatarana sy fatiantoka

27/05/2026

Fifandraisana tsara amin’ny olona

Ny fanajana, ny fiaraha-miasa ary ny fifampitokisana amin’ny hafa dia manampy betsaka amin’ny faharetan’ny fahombiazana.

21/05/2026

📢📢📢𝐅𝐈𝐅𝐀𝐍𝐈𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐋𝐀𝐇𝐀𝐓𝐒𝐎𝐑𝐀𝐓𝐑𝐀

Asehoy ny fahaizanao mandahatra hevitra amin’ny 𝐭𝐞𝐧𝐲 𝐦𝐚𝐥𝐚𝐠𝐚𝐬𝐲 𝐫𝐚𝐧𝐨𝐫𝐚𝐲 ato anatin’ity fifaninanana karakarainay ao anatin’ny hetsika Ainteny ity.

Soraty ao anaty lahatsoratra misy 𝐯𝐨𝐚𝐧𝐭𝐞𝐧𝐲 𝟓𝟎𝟎 𝐡𝐚𝐭𝐫𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝟕𝟎𝟎 isa ny hevitrao mikasika ny lohahevitra hoe “𝑵𝒚 𝒕𝒆𝒏𝒚 𝒎𝒂𝒍𝒂𝒈𝒂𝒔𝒚 𝒎𝒂𝒉𝒂𝒍𝒂𝒛𝒂 𝒏𝒚 𝒂𝒏𝒌𝒆𝒉𝒊𝒕𝒓𝒊𝒏𝒚 𝒔𝒚 𝒏𝒚 𝒉𝒐𝒂𝒗𝒚”.

Afaka misafidy izay fomba itondranao ny lahatsoratra ianao :
👉🏼mamakafaka hevitra
👉🏼mandresy lahatra
👉🏼mitantara.

𝐀𝐡𝐨𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐨𝐦𝐛𝐚 𝐟𝐚𝐧𝐝𝐫𝐚𝐢𝐬𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐧𝐣𝐚𝐫𝐚?

1️⃣ Sintony ato ny fepetry ny fifaninanana : https://drive.google.com/file/d/1HHYVckpRLVU5DN8tDjB7gk6s_6JJfAKD/view?usp=sharing

2️⃣ Alatsaho ato ny lahatsoratra rehefa vita : https://forms.gle/GxHTuq8YX3ow42VXA

Afaka mandray anjara daholo ny rehetra!

Loka maro no hozaraina, fa ny telo voalohany dia hahazo ireto loka goavana ireto :
🥇 200 000 Ar
🥈100 000 Ar
🥉50 000 Ar

Ketreho dieny izao ary fa ny 𝐚𝐥𝐚𝐫𝐨𝐛𝐢𝐚 𝟑 𝐣𝐨𝐧𝐚 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝟕 𝐨𝐫𝐚 𝐚𝐥𝐢𝐧𝐚 no farany handraisana ny lahatsoratra.

Ampitapitao any, dia mirary soa daholo e!

𝑨𝒊𝒏𝒕𝒆𝒏𝒚 – 𝑵𝒚 𝒕𝒆𝒏𝒚 𝒎𝒂𝒍𝒂𝒈𝒂𝒔𝒚, 𝒎𝒂𝒉𝒂𝒍𝒂𝒛𝒂 𝒏𝒚 𝒂𝒏𝒌𝒆𝒉𝒊𝒕𝒓𝒊𝒏𝒚 𝒔𝒚 𝒏𝒚 𝒉𝒐𝒂𝒗𝒚

Address

Ambohimangakely
Antananarivo
101

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when BTC posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share