25/09/2026
Arabaina ianareo mpianatra andiany FANORO sy LOHARANO ❤️✨
Arahabaina ireo Mpianatra miisa 155 mandrafitra ny Andiany FANORO (Licence en Travail Social et Développement) sy ireo mpianatra 40 mandrafitra ny Andiany LOHARANO (Master en Politique Sociale et Développement) ao amin'ny Formation Professionnalisante en Travail Social et Développement (FPTSD), Mention Sociologie, Faculté EGS - Economie, Gestion, Sociologie, Univ. Antananarivo, izay nahazo Mari-pahaizana tamin’ity Zoma 25 Septambra 2026 ity tety Ambohitsaina.
Ankasitrahana ireo Ray Mpiahy ireto Andiany ireto, sady tonga nanatrika ny lanonana ihany koa, dia ny Mpanolontsaina Avon’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara Médecin Général de Brigade ZAFITASONDRY RANOELSON Manantenasoa Marcellin sy ny Colonel ANDRIAMIARISOA Gervais.
Nanotrona ny lanonana ihany koa:
- ny Minisitry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak'Asa, Dr Todisoa ANDRIAMAMPANDRY;
- ny Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran'ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy Fikarohana Ara-Tsiansa, Pr Jaona Harilala ANDRIAMANIRAKA (nisolo tena an’Andriamatoa Minisitra, ny Pr Manda-Vy Ndaohialy RAVONIMANANTSOA);
- ny Filohan’ny Oniversiten’Antananarivo, ny Pr Rivoarison RANDRIANASOLO,
miaraka amin’ireo mpiara-miasa amin’izy ireo tsirairay avy.
Nitarika ny Fianakaviamben’ny Faculté EGS nandray ireo olo-manankaja ireo moa ny Filohan’ny Conseil de la Faculté EGS, Pr SOLOFOMIARANA RAPANOËL Tsirinirina; ny Sojaben’ny Faculté EGS, Pr RAMAROMANANA ANDRIAMAHEFAZAFY Fanomezantsoa; ny Responsable de la Mention Sociologie mpisolo toerana, Dr BAKOLINIRINA Fanja Hortensia; ny Talen’ny FPTSD, Atoa RAKOTOARISON Andriniaina Yvon, miaraka amin’ireo Tompon’andraikitra /Mpampianatra/Mpandraharaha/Mpianatra isan-tokony eto amin’ny Faculté EGS.
Isaorana mitafotafo ireo mpanohana sady mpiara-miasa mavitrika amin'ny Faculté EGS dia ny Orange Madagascar/ Orange Solidarité Madagascar / Orange actu Madagascar sy ny Cool Concept Events. Eo koa ny PAMF Madagascar sy ny Groupe IMEX MCE MBT.
Ho anao maniry hianatra ao anatin'izay Travail Social et Développement izay ka maniry ho lasa Éducateur spécialisé na Assistant social na Socio-organisateur: ampahatsiahivina fa ny 20 Novambra izao no TEST D’ACCÈS L1 FPTSD. Alaivo ao amin’ny MP ny andinindininy na koa mandehana eo amin’ny Stand manoloana ny Faculté EGS na ny Birao 130-A. Mahazo mametraka candidature daholo ny Série rehetra ary tsy mifidy Taona nahazoana ny Baccalauréat.
Présidence de la Refondation de la République de Madagascar - PRRM
Les Infos de l'Université d'Antananarivo