15/07/2026
📍 PIAA2 | Fanamafisana ny fanaraha-maso ny lafiny ara-tsosialy sy ny serasera eny Anosy – Mahamasina
Ao anatin'ny fiomanana amin'ny fanohizana ny asa fanatsarana fotodrafitrasa ao amin'ny Programme Intégré d'Assainissement d'Antananarivo – Phase II (PIAA2), dia nandray anjara tamin'ny fitsidihana sy fivoriana fanaraha-maso ny asa teny amin'ny faritra Anosy – Mahamasina ny ekipan'ny OPAR (Groupement AEQUO/A2DM), ny 08 Jolay 2026.
Ho an'ny OPAR, ity fidinana ifotony ity dia fotoana hanamafisana ny fanaraha-maso ireo lafiny ara-tsosialy sy ny paikady serasera entina hanohanana ny fanatanterahana ny tetikasa.
Nandritra izany dia nifantohana manokana tamin'ireto lafiny ireto:
🔹 Fanomanana ny fampahafantarana sy ny fanentanana ireo mponina sy ireo olona voakasiky ny tetikasa (PAPs) mialoha sy mandritra ny fanatanterahana ny asa;
🔹 Fanaraha-maso ireo fiantraika ara-tsosialy mety hateraky ny asa sy ny fepetra entina hampihenana izany;
🔹 Fanamafisana ny fifandraisana sy ny fifanakalozana amin'ireo tompon'andraikitra sy mpiara-miombon'antoka mba hiantohana ny fampitana ny vaovao marina sy ara-potoana;
🔹 Fandrindrana ny fomba handraisana sy hanarahamaso ireo fanontaniana sy fitarainan'ny mponina amin'ny alalan'ny Rafitra Fitantanana ny Fitarainana (MGP).
🤝 Mino ny OPAR fa ny fifampiresahana mangarahara, ny fihainoana ny mponina, ary ny fandraisana andraikitra manoloana ny ahiahin'izy ireo no antoky ny fanatanterahana tetikasa mahomby sy eken'ny rehetra.
OPAR – Mifandray amin'ny mponina, manohana ny tetikasa, ary mampiroborobo ny fifampitokisana.
# communicationsociale