16/07/2026
💡Inona no atao hoe "Réserve de Biosphère" 😃😃😃 ?
Misy ve eto Madagasikara ?
👇👇👇
💡☝️𝗔𝗻𝗱𝗮𝗼 𝗵𝗮𝗺𝗮𝗻𝘁𝗮𝘁𝗿𝗮🌳
🌿🌳𝗜𝗻𝗼𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗮𝘁𝗮𝗼 𝗵𝗼𝗲 𝗧𝗮𝗵𝗶𝗿𝗶𝗻-𝗷𝗮𝘃𝗮𝗯𝗼𝗮𝗵𝗮𝗿𝘆 𝗕𝗶𝗼𝘀𝗳𝗲𝗿𝗮 (𝗥𝗲́𝘀𝗲𝗿𝘃𝗲 𝗱𝗲 𝗕𝗶𝗼𝘀𝗽𝗵𝗲̀𝗿𝗲)?
Ny Tahirin-javaboahary Biosfera dia faritra eken'ny UNESCO ho manana lanja maneran-tany noho ny anjara asany amin'ny fampifandanjana ny fiarovana ny zavaboary, ny fampandrosoana maharitra ary ny fikarohana sy ny fanabeazana. Tsy natao hiarovana ny natiora fotsiny izy io, fa natao ihany koa hahafahan'ny mponina miaina sy mivelona ary mampandroso ny toekarena eo an-toerana, sady mitandro ny tontolo iainana.
🌳🌳𝗠𝗶𝗼𝗿𝗶𝗻𝗮 𝗮𝗺𝗶𝗻'𝗻𝘆 𝗮𝗻𝗱𝗿𝘆 𝘁𝗲𝗹𝗼 𝗻𝘆 𝗧𝗮𝗵𝗶𝗿𝗶𝗻-𝗷𝗮𝘃𝗮𝗯𝗼𝗮𝗵𝗮𝗿𝘆 𝗕𝗶𝗼𝘀𝗳𝗲𝗿𝗮:
➡️Fiarovana ny zavamananaina, ny ala, ny ranomasina ary ny harena voajanahary;
➡️Fampiroboroboana ny fampandrosoana maharitra amin'ny alalan'ny fizahantany ara-tontolo iainana, ny fambolena sy ny jono maharitra, ary ny asa fiveloman’ny mponina;
➡️Manohana ny fikarohana ara-tsiansa, ny fanabeazana ary ny fanaraha-maso ny fiovan'ny tontolo iainana.
🌳🌳𝗠𝗯𝗮 𝗵𝗮𝗵𝗮𝘁𝗿𝗮𝘁𝗿𝗮𝗿𝗮𝗻𝗮 𝗶𝗿𝗲𝗼 𝘁𝗮𝗻𝗷𝗼𝗻𝗮 𝗶𝗿𝗲𝗼 𝗱𝗶𝗮 𝗺𝗶𝘇𝗮𝗿𝗮 𝗵𝗼 𝗳𝗮𝗿𝗶𝘁𝗿𝗮 𝘁𝗲𝗹𝗼 𝗻𝘆 𝗧𝗮𝗵𝗶𝗿𝗶𝗻-𝗷𝗮𝘃𝗮𝗯𝗼𝗮𝗵𝗮𝗿𝘆 𝗕𝗶𝗼𝘀𝗳𝗲𝗿𝗮:
➡️Ny faritra fototra (zone cœur), izay arovana tanteraka,
➡️Ny faritra fiarovana manodidina (zone tampon), izay ahafahana manao fikarohana sy fizahantany voafehy,
➡️Ny faritra fampandrosoana (zone de transition), toerana afaka ipetrahan'ny mponina sy anatanterahana asa fivelomana mifanaraka amin'ny fiarovana ny harena voajanahary, toy ny fambolena, jono, fiompiana,…
🌳🌿Eto 𝗠𝗮𝗱𝗮𝗴𝗮𝘀𝗶𝗸𝗮𝗿𝗮 dia efa misy 𝗧𝗮𝗵𝗶𝗿𝗶𝗻-𝗷𝗮𝘃𝗮𝗯𝗼𝗮𝗵𝗮𝗿𝘆 𝗕𝗶𝗼𝘀𝗳𝗲𝗿𝗮 maromaro eken'ny , anisan'izany ny Réserve de biosphère de 𝗠𝗮𝗻𝗮𝗻𝗮𝗿𝗮-𝗡𝗼𝗿𝗱, izay iray amin’ireo voalohany teto Madagasikara; 𝗦𝗮𝗵𝗮𝗺𝗮𝗹𝗮𝘇𝗮–𝗜̂𝗹𝗲𝘀 𝗥𝗮𝗱𝗮𝗺𝗮, 𝗧𝘀𝗶𝗺𝗲𝗺𝗯𝗼-𝗠𝗮𝗻𝗮𝗺𝗯𝗼𝗹𝗼𝗺𝗮𝘁𝘆 ary 𝗠𝗮𝗻𝘁𝗮𝗱𝗶𝗮-𝗔𝗻𝗮𝗹𝗮𝗺𝗮𝘇𝗮𝗼𝘁𝗿𝗮. Ireo faritra ireo dia samy mandray anjara amin'ny fiarovana ny ala sy ny zavamananaina, sady manohana ny fampandrosoana ara-toekarena sy ny fanatsarana ny fari-piainan'ny mponina amin'ny alalan'ny asa maharitra.
🌳🌳Ny 𝗧𝗮𝗵𝗶𝗿𝗶𝗻-𝗷𝗮𝘃𝗮𝗯𝗼𝗮𝗵𝗮𝗿𝘆 𝗕𝗶𝗼𝘀𝗳𝗲𝗿𝗮 𝗱𝗶𝗮 𝗺𝗮𝗻𝗮𝗽𝗼𝗿𝗼𝗳𝗼 𝗳𝗮 𝗮𝘇𝗼 𝗮𝗺𝗽𝗶𝗮𝗿𝗮𝗵𝗶𝗻𝗮 𝘁𝘀𝗮𝗿𝗮 𝗻𝘆 𝗮𝘀𝗮 𝗳𝗶𝗮𝗿𝗼𝘃𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝘇𝗮𝘃𝗮𝗯𝗼𝗮𝗿𝘆 𝘀𝘆 𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗺𝗽𝗮𝗻𝗱𝗿𝗼𝘀𝗼𝗮𝗻𝗮. Rehefa voalamina tsara ny fitantanana ny harena voajanahary dia afaka miaro ny tontolo iainana, mampandroso ny toekarena ary manatsara ny fari-piainan'ny mponina miaraka isika.