Association Mandalova

Association Mandalova Promouvoir l’autonomie des femmes par des différentes activités. Soutien - Échange - Partage.

Mbola tinareo ve izy?Mba tantarao hoe ny tombotsoany mihoatra ny machine maoderina amin'izao fotoana izao?
15/07/2026

Mbola tinareo ve izy?
Mba tantarao hoe ny tombotsoany mihoatra ny machine maoderina amin'izao fotoana izao?

Mandalova ô!Tsara e? 😍😍Iza no safidinao ?
15/07/2026

Mandalova ô!
Tsara e? 😍😍

Iza no safidinao ?

Mandalova ô! 🍬❌ Ny tombontsoa azo avy amin’ny fampihenana na fifadiana siramamy:✅ Manampy hampihena lanja ⚖️Mihena ny ka...
03/07/2026

Mandalova ô!

🍬❌ Ny tombontsoa azo avy amin’ny fampihenana na fifadiana siramamy:

✅ Manampy hampihena lanja ⚖️
Mihena ny kaloria raisinao ka mora kokoa ny mifehy na mampihena ny lanja.

✅ Manatsara ny fahasalaman’ny fo ❤️
Mety hampihena ny mety hisian’ny diabète Type 2 na hanampy amin’ny fifehezana azy raha efa misy. Mampihena ny tahan’ny tavy ao anaty ra sy ny tosidrà.

✅ Mampihena ny lo nify 🦷
Mihena ny fahasimban’ny nify sy ny olana amin’ny hihy.

✅ Mampatanjaka ⚡
Tsy dia misy fiakarana sy fidinan’ny siramamy ao anaty ra, ka tsy mora reraka tampoka.

✅ Manampy hifehy ny siramamy ao anaty ra 🩸
✅ Mampihena ny filàna zavatra mamy 🍎

✅ Mahasoa ny fahasalamana amin’ny ankapobeny 💚

Amin’ny olona sasany dia mety hihena ny mony.
Rehefa zatra tsy mihinana sakafo mamy ny vatana dia matetika mihena ny filàna siramamy.

Tsara anefa ny manamarika fa tsy voatery hifady ny siramamy rehetra. Ny siramamy voajanahary hita ao amin’ny voankazo sy ny ronono dia miaraka amin’ny otrikaina, fibre, na proteinina ka tsy mitovy amin’ny siramamy ampiana amin’ny sakafo.

Raha mikasa ny hanomkoka ary ianao dia:

💧 Misotroa rano fa tsy zava-pisotro mamy 🥤❌
🍎 Rehefa te hihinana mamy dia misafidiana voankazo.
🏷️ Vakio ny etikety mba hahitana raha misy siramamy ampiana izay zavatra vidinao.
📉 Ahena tsikelikely ny siramamy fa aza tapahana tampoka, satria mety hisy faniriana mafy na aretin’andoha 🤕 mandritra ny andro vitsivitsy voalohany. 😉

Andramo fa tena hanampy amin’ny fahasalamanao ny fampihenana na fifadiana siramamy. 🥰

Mirary tontolo andro feno fitahiana ô!

Vehivavy mahaleo tena, vehivavy malalaka amin’ny safidiny 🤍
07/04/2026

Vehivavy mahaleo tena, vehivavy malalaka amin’ny safidiny 🤍

Women’s lives are not subject to anyone's approval but their own.

❌ Stop telling women how to be
✅ Start listening to women

Anio dia manome voninahitra ny tovovavy sy ny vehivavy rehetra izahay noho ny heriny, ny fahendreny ary ny fahaizany man...
08/03/2026

Anio dia manome voninahitra ny tovovavy sy ny vehivavy rehetra izahay noho ny heriny, ny fahendreny ary ny fahaizany manova ny fiarahamonina.

Ato amin’ny Fikambanana Mandalova, mino izahay fa manana talenta sy hery lehibe ao anatiny ny vehivavy tsirairay. Ny fanomezana fahafahana ny vehivavy, ny fampivelarana ny talentany ary ny fiaraha-miasa no lakilen’ny fananganana ho avy tsara kokoa sy mirindra kokoa.

Ho an’ny tovovavy sy ny vehivavy rehetra: minoa ny nofinofinao, ampivelaro ny talentanao ary mandrosoa amim-pahatokiana. Rehefa miara-miasa isika dia afaka manangana tontolo iray izay ahafahan’ny vehivavy tsirairay mahazo ny toerana, ny feo ary ny fahafahana mendrika azy.
🩷🩷🩷



Aujourd’hui, nous rendons hommage aux jeunes filles et aux femmes, à leur courage, leur intelligence et leur capacité à transformer la société.

Dans l’Association Mandalova, nous croyons que chaque femme porte en elle un potentiel immense. L’autonomisation des femmes, le développement de leurs talents et l’effort collectif sont des clés essentielles pour bâtir un avenir plus juste et plus solidaire.

À toutes les jeunes filles et à toutes les femmes : croyez en vos rêves, développez vos talents et avancez avec confiance. Ensemble, nous pouvons construire un monde où chaque femme a la place, la voix et les opportunités qu’elle mérite.
🩷🩷🩷

Address

Ambohimangakely
Antananarivo
103

Opening Hours

Monday 09:00 - 17:00
Tuesday 09:00 - 17:00
Wednesday 09:00 - 17:00
Thursday 09:00 - 17:00
Friday 09:00 - 17:00
Saturday 09:00 - 17:00

Telephone

+261340133166

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Association Mandalova posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Organization

Send a message to Association Mandalova:

Shortcuts

Share