16/10/2026
Mandalova ô!
Zaraina sao mahasoa
Mirary fahasalamana 🩷
🚨 CALCUL RÉNAL‼️ ⚠️ TANDREMO FA MAMPIDIDOZA‼️
Calcul rénal na vato miforona ao amin’ny voa!
🗣️ Matetika dia fintinina fotsiny hoe: « Misotroa rano, misotroa rano ! » rehefa misy olona tratran’ity aretina ity.
Mety hiafara amin’ny fandidiana mihitsy anefa izany rehefa misy vato lehibe na manentsina ny lalan’ny fivoahan’ny "p**i".
🍱Afaka sorohana tsara amin'ny fomba fiaina sy ny sakafo hanina anefa ny "calcul rénal" ‼️
🤔 Fa inona tokoa moa io aretina io? Ary inona no azo atao hisorohana azy?
Andao resahantsika izany androany. 👇
🫘 INONA NO ATAO HOE CALCUL RÉNAL ⁉️
Vato miforona ao anatin’ny voa ny calcul rénal.
Ny voa dia manivana ny rà, manala ireo fako sy akora tafahoatra, ary mamokatra "p**i".
⚠️ Rehefa lasa mifantoka loatra ny mineraly sy ny akora simika sasany ao amin’ny "p**i", dia mety hiforona ny cristaux.
🔬 Ohatra:
Calcium oxalate.
Calcium phosphate.
Acide urique.
Mety hitambatra ireo cristaux ireo, ary rehefa mihalehibe dia lasa vato.
😣 Raha manentsina ny lalan’ny "p**i" ilay vato, dia mety hiteraka fanaintainana mafy sy rà amin’ny p**i.
⚠️ Tsy ny calcium amin’ny sakafo ihany no mety mifandray amin’ny fiforonan’ny vato, fa misy anjara asa koa ny oxalate, ny sodium ary ny fifantohan’ny akora hafa ao amin'ny "p**i".
💧 INONA NO IFANDRAISAN’NY RANO SY NY CALCUL RÉNAL ⁉️
💧 Tsy ny rano fotsiny no zava-dehibe, fa ny fifantohan’ny akora ao amin’ny "p**i" koa!
⚠️ Rehefa tsy ampy ny rano sotroina, dia mihena ny habetsahan’ny p**i mivoaka.
Vokatr’izany, lasa mifantoka kokoa ireo mineraly sy akora mety hamorona cristaux.
🔬 Fa inona kosa no vokatry ny fisotroana rano tsara àry ?
✅ Mitombo ny habetsahan’ny "p**i" mivoaka.
✅ Mihena ny fifantohan’ireo akora mety hamorona cristaux.
➡️ Izany no anisan’ny fomba lehibe hampihenana ny mety hisian’ny calcul rénal.
⚠️ Tsy midika anefa izany fa afaka manala ny vato rehetra efa niforona ny fisotroana rano be dia be.
Miankina amin’ny haben’ny vato sy ny toerana misy azy ny fitsaboana ilaina.
🥗 AHOANA NO AFAHANA MISOROKA NY CALCUL RÉNAL ⁉️
💧 1. Misotroa rano tsara isan’andro !
➡️ Manalefaka ny fifantohan’ireo akora mety hamorona cristaux ao amin’ny "p**i" ny rano.
🥗 2. Aza mihinana sira be loatra.
➡️ Ny sodium be loatra dia mampitombo ny calcium mivoaka amin’ny "p**i" , ka mety hanamora ny fiforonan’ny vato.
🥛 3. Aza ajanona tsy amin’ny antony ny calcium amin’ny sakafo.
‼️ Ity no tena mahavoafitaka ny maro!
➡️ Ny calcium ao amin’ny tsinay dia mifatotra amin’ny oxalate, ka mampihena ny oxalate tafiditra ao amin’ny rà.
🥩 4. Aza atao tafahoatra ny fihinanana hena.
➡️ Ny protéine avy amin’ny biby rehefa be loatra dia mety hampitombo ny acide urique sy hampihena ny citrate ao amin’ny "p**i".
🍫 5. Tandremo ny sakafo be oxalate toa ny chocolat be loatra, na thé noir sy épinards tafahoatra
➡️ Ny oxalate tafahoatra ao amin’ny "p**i" dia mety hitambatra amin’ny calcium ka hamorona cristaux.
🍊 6. Mihinàna voankazo sy legioma isan-karazany.
➡️ Ny citrate anaty voankazo sy legioma dia manampy manakana ny cristaux sasany tsy hitambatra sy tsy hamorona vato.
🚴 7. Tazomy ho ara-dalàna ny lanja ary manaova fanatanjahantena.
➡️ Ny lanja tafahoatra sy ny "problèmes métaboliques" sasany dia mety hanome vahana ny calcul rénal.
💧 Tadidio hoe Sakafo fototra ny RANO.
"Ny sakafo anefa tsy mahasolo fanafody fa ny sakafo tsara sy voalanjalanja kosa anefa misoroka aretina maro !"
💬 Efa fantatrao ve ireo antony mety mahatonga calcul rénal ireo, sa vao izao ianao no nahafantatra izany ianao ?
👉 TENENO AHY AO AMIN'NY COMMENTAIRE HOE.
📲 Zarao amin’ny olona akaiky anao ity publication ity. Mety hanampy azy hiaro ny fahasalamany izany.
💡Ary raha misy olona fantatrao mila mahafantatra an’izao ihany koa
👉 ZARAO ITY PUBLICATION ITY
Satria ny fisorohana no tsara kokoa noho ny fitsaboana! ❤️