Malagasy Mijoro

Malagasy Mijoro Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Malagasy Mijoro, Nonprofit Organization, Madagascar Antananarivo, Antananarivo.

📍ANTANANARIVO: TAPAKA INDRAY NY JIROMbola tsy voavaha indray aloha zany olan' Délestage hatretoEfa tonga ny sambo be nia...
24/08/2026

📍ANTANANARIVO: TAPAKA INDRAY NY JIRO

Mbola tsy voavaha indray aloha zany olan' Délestage hatreto

Efa tonga ny sambo be niafaran' Fanjakana mivantana ho an' JIRAMA fa mbola tapaka ihany aloha ny Jiro

Tsy maintsy misy ny fampiharana ny fahatapahan-jiro mifandimby (Délestage) amin'izao ora maha be ny filàna herinaratra ny hariva izao ka tombanana ho ora roa isaky ny fahatapahana izany hoy ny JIRAMA.

𝗡𝗮𝗼𝗹𝗮𝗻𝗮 𝗮𝘃𝘆 𝗲𝗼 𝗻𝗼𝗱𝗶𝗱𝗶𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝘁𝗲𝗻𝗱𝗮𝗻'𝗻𝘆 𝗶𝗿𝗮𝘆 𝘁𝗮𝗺𝗶𝗻'𝗶𝘇𝘆 𝟮 𝘃𝗮𝘃𝘆 Araka ny voalaza dia niala tao an-tranony ny zoma maraina ta...
23/08/2026

𝗡𝗮𝗼𝗹𝗮𝗻𝗮 𝗮𝘃𝘆 𝗲𝗼 𝗻𝗼𝗱𝗶𝗱𝗶𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝘁𝗲𝗻𝗱𝗮𝗻'𝗻𝘆 𝗶𝗿𝗮𝘆 𝘁𝗮𝗺𝗶𝗻'𝗶𝘇𝘆 𝟮 𝘃𝗮𝘃𝘆

Araka ny voalaza dia niala tao an-tranony ny zoma maraina tao Manjakaray, hoe hijery cinema eny Ambodivona i Nohasoavina Mikaella Israele Stéphanie 21 taona, sy Samison Vololoniaina Haingotiana 17 taona.🕊

Taorian'ny tsy nahazoana antso azy ireo dia narahina ny findainy izay nanondro eny Ambohimanga.

Indrisy anefa, hita ihany izy roa vavy fa saingy efa tsy misy aina intsony.

Nambaran'ny mpitsabo fa naolana ny iray avy eo nodidiana ny tendany, misy diana zava-maranitra ihany koa ny lohan'izy ireo. Tombanana tany amin'ny toeran-kafa koa no namonoana azy izay vao navarina tao Andranomatsatso.

Misokatra ny fanadihadiana lalina amin'ity raharaha ity ary omena anao eto ny tohiny.

🙏 Mirary fihononana feno ho an'ny fianakaviana

Tantsaha Malagasy no miezaka mamokatra, nefa ny fanjakana indray toa manao izay hahalavo azy! Vary avy any ivelany no om...
21/08/2026

Tantsaha Malagasy no miezaka mamokatra, nefa ny fanjakana indray toa manao izay hahalavo azy! Vary avy any ivelany no omena sehatra sy vahana, fa ireo mpamboly eto an-toerana avela hiady irery amin’ny vidim-pamokarana sy ny olana amin’ny tsena.

Raha mbola izao hatrany no fomba fitantanana, ahoana no hampandrosoana ny fambolena ary ahoana no hahatongavana amin’ny fahavitan-tena ara-tsakafo?
Tsy afaka lazaina ho fiarovana ny tantsaha izany raha ny vokatra hafarana no mahazo tombony, fa ny mpamokatra Malagasy no voatosika hiala amin’ny asany.

🚨OMBAY MITADYIlazana izay mahita an’i Inayah (Nah Nah)niala tao an-trano teto Imerinafovoany Talatamaty ny  Talata marai...
19/08/2026

🚨OMBAY MITADY

Ilazana izay mahita an’i Inayah (Nah Nah)niala tao an-trano teto Imerinafovoany Talatamaty ny Talata maraina 18 août tsy nody hatramzao
16 ans
1m65 eo eo
Fotsy hoditra
Nibaby kitapo marron
Mba hiantso an’ity numéro ity 0345041890(ny reniny)
Partagez au max svp!!

‎❌💥SENDIKAN'NY MPIASAN'NY MEN : MANOME 48 ORA NY FITONDRAM-PANJAKANA HAMAHA NY OLAN'IZY IREO ‎Nanao fanambarana androany...
18/08/2026

‎❌💥SENDIKAN'NY MPIASAN'NY MEN : MANOME 48 ORA NY FITONDRAM-PANJAKANA HAMAHA NY OLAN'IZY IREO

Nanao fanambarana androany ny sendikan'ny mpiasan'ny ministeran'ny fanabeaam-pirenena mivondroa ao amin'ny 3S PDA na ny" Solidarité Des syndicats Signataire Du Protocole d'accord" fa mangataka fihaonana Maika amin'ny filohan'ny fanavaozana

‎Maro ho izy ireo ny marary ny mpampianatra Malagasy tsy mbola voavaha hatramin'izao nefa izy ireo dia nandray anjara tamin'ny tolon'ny fanovana saingy tsy hita taratra eo amin'ny asan'izy ireo izay fanovana izay

‎Mbola maro mantsy ireo FRAM efa niasa an-taonany maro tsy Mbola voaray mpuasam-panjakana, eo ihany koa ireo mpampianatra maro tsy misitraka ny zony. Ankilany tsy Mbola Fantatra mazava ny momban'ny indemnité de cré izay tokony sitrahan'izy ireo. Ankoatra izay dia Mbola maro ireo mpampianatra any ambanivohitra mahazo tsindry sy mikarama varimasaka.

‎Ankotra izay dia Mbola misy Farim-piadidiam-pampianarana tsy mbola misy Tale amin'izao fotoana izao. Noho izany dia nilaza IZY ireo fa manome 48 ora hitediavam-bahaolana mialohan'ny hirosoana amin'ny Fitakiana Sendikaly.

🚨RN 5 : Toamasina - MaroantsetraSoa fa teo ny fitondrana Andry RAJOELINA izay angady nananana sy vy nahitana ny famatsia...
17/08/2026

🚨RN 5 : Toamasina - Maroantsetra

Soa fa teo ny fitondrana Andry RAJOELINA izay angady nananana sy vy nahitana ny famatsiam-bola tamin'ny BADEA hanamboarana ny lalana Toamasina - Maroantsetra sy ny Autoroute Antananarivo - Toamasina.

Fa raha tsy izany dia tsy nisy napoaka sy hanaovana werawera ny fitondrana FAHAVOAZANA.
Voizina indray ankehitriny fa hoe noho ny fihaonan'ny Kolonely Michael sy ny filohan'ny BADEA tatsy Afrika Atsimo dia ho amboarina ny lalam-pirenena faha-5 ary ho tohizana ny Autoroute Antananarivo - Toamasina.

Aoka izay ny famitahana vahoaka, fa raha izany lalam-pirenena faha-5 dia efa nandeha tamin'ny fitondrana RAJOELINA fanamboarana izany, ary ireo mpampiasa izany lalana izany dia efa mahalala tsara izany.
Torak'izay koa ny Autoroute izay tetikasan'ny fitondrana RAJOELINA no tohizana ankehitriny.

Tsy maha menatra anie no miteny hoe continuité de l'Etat e ‼️

Satria tia manampy ny hafa be isika Malagasy ka na Mbola isany firenena mahantra indrindra aza dia tsy  manana olana fa ...
16/08/2026

Satria tia manampy ny hafa be isika Malagasy ka na Mbola isany firenena mahantra indrindra aza dia tsy manana olana fa afaka manampy ara-bola firenena sahirana hafa ☺️

Ny olan'ny vahoaka Malagasy afaka miandry fa ny an'ny hafa mila jeren'ny mpitondra fanavaozana akaiky 🫠 2,15 miliara Ar no avoaka hanampiana firenena hafa!

Na Tsisy vahaolana aza ny eto antoerana tsy olana izany . Vive le fanavaozana 🤦🇲🇬

🔴 Tsy hita izay fanavaozana fa mbola ny mpanambola foana no manjaka amin'ny tanin-dRamalagasyFOKONTANY FENOMANANA AMBOHI...
14/08/2026

🔴 Tsy hita izay fanavaozana fa mbola ny mpanambola foana no manjaka amin'ny tanin-dRamalagasy

FOKONTANY FENOMANANA AMBOHIMIANDRA : NANDORO KODIARANA SY NANAO SAKAN-DALANA IREO MPONINA

Tokatrano manodidina ny 100 no nahazo fahapafantarana fa ho ravaina ny tranon’izy ireo nohon’ny fikasan’olon-tokana haka ny tanin’izy ireo , ka anton’izao fihetsiketsehina izao.

🚨Karazan-tsokatra maro nivoaka an-tsokosoko avy eto Madagasikara no tratra ao Zanzibar, Tanzanie 🇹🇿Sanatria ve Cinéma fo...
13/08/2026

🚨Karazan-tsokatra maro nivoaka an-tsokosoko avy eto Madagasikara no tratra ao Zanzibar, Tanzanie 🇹🇿

Sanatria ve Cinéma fotsiny le fisavana an'i PRRM teo amin'ny Aéroport natao Publicité be reny fa ny harem-pirenena mivoka ihany???

🚨 Fitondrana Fanavaozana: rehefa ny fanapahan-kevitra no lasa olana indray!Tonga saika niaraka tao Toamasina ny Sunda On...
12/08/2026

🚨 Fitondrana Fanavaozana: rehefa ny fanapahan-kevitra no lasa olana indray!

Tonga saika niaraka tao Toamasina ny Sunda One, mitondra solika nafarana tamin’ny anaran’ny Fanjakana, sy ny Torm Eva an’ny mpandraharaha. Kanefa, noho ny fahafaha-mitahiry solika efa nofehezin’ny Fanjakana, dia mety tsy ho afaka hampidina avy hatrany ny entany ity farany.

Aiza ny fandrindrana sy ny vinavina? Tsy ampy ny miteny hoe mamatsy solika ny Fanjakana raha ny fomba fitantanana azy aza mety hiteraka sakana vaovao.

Farany, ny vahoaka indray no mety hizaka ny vokany: fahataran’ny famatsiana, fiakaran’ny vidim-piainana ary korontana eo amin’ny tsena.

Tsy izao no tokony ho endriky ny Fanavaozana. Ny firenena mila fitantanana matotra, fa tsy fanapahan-kevitra maika miteraka olana vaovao!

Address

Madagascar Antananarivo
Antananarivo
101

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Malagasy Mijoro posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share