03/01/2025
😊☺️✨
🇲🇬 - 🎉 Miarahaba anao nahatratra ny Taona vaovao 2025 ! 🎉
Nifarana iny ny taona 2024, eto izahay dia manolotra ny firariantsoa feno mandritra ity taona vaovao ity. Enga anie ny 2025 hitondra fahasambarana, fahasalamana ary fahombiazana ho anao sy ny fianakavianao.
Noho ny fanohananao dia nahatratra ny tanjona izahay : fisitrahan'ny ankizy malagasy ny fanabeazana mendrika ary hoavy mamiratra. Niara-naneho isika fa ny fitiavana sy ny firaisankina no afaka manova fiainana.
Amin’ity taona vaovao ity, mbola vonona hatrany izahay ny hanohy izay ezaka rehetra natao. Ny fifaliana, ny fandrosoana, ary ny fanatanterahana ny nofinofin'ireo ankizy rehetra ireo dia fandresena hiarahan-tsika misitraka.
Misaotra tamin’ny fitokisana sy ny fanomezan-tanana. Andao hiaraka hanohy ny ezaka mba ho tena ankin'ny ho avy izy. ❤️
Ank’Izy : Ankin’ny Ho Avy Izy
🇨🇵 - 🎉 Bonne année 2025 ! 🎉
Alors que 2024 s’achève, nous souhaitons vous adresser nos vœux les plus chaleureux pour cette nouvelle année. Que 2025 soit synonyme de bonheur, de santé et de réussite pour vous et vos proches.
Grâce à votre soutien, nous avons pu continuer notre mission : offrir aux enfants malgaches une éducation de qualité et bâtir avec eux un avenir meilleur. Ensemble, nous avons prouvé que l'amour et la solidarité peuvent transformer des vies.
En 2025, nous sommes plus motivés que jamais à poursuivre cet engagement. Chaque sourire d’enfant, chaque progrès, chaque rêve qui prend forme est une victoire partagée avec vous.
Merci pour votre confiance et votre générosité. Continuons, main dans la main, à illuminer l’avenir de nos ankizy. ❤️
Ank’Izy : Ankin’ny Ho Avy Izy