06/08/2026
🎉 Journée Régionale de la Santé (JRS) Vakinankaratra 2026
💙 Nandray anjara tamin'ny Journée Régionale de la Santé notanterahina tao amin'ny Oniversiten'i Vakinankaratra ny ADEFI Santé. Natomboka tamin'ny diaben'ny firaisankina niarahan'ireo mpandray anjara sy mpiara-miombon'antoka ny hetsika, ho fanamafisana ny ady iraisana: ho fampiroboroboana ny fahasalaman'ny rehetra, indrindra ny tanora.
🩺 Teny amin'ny tranohevanay dia nanatanteraka fitiliana maimaim-poana ny tosidrà sy ny diabeta izahay, ka olona efa ho 200 no nisitraka izany.
🙏 Manolotra ny fisaorana sy fankasitrahana anareo rehetra izay nitsidika ny tranohevanay, ary misaotra ihany koa ireo mpikarakara sy mpiara-miombon'antoka rehetra tamin'ity hetsika ity.