22/08/2026
𝗡𝘆 𝗵𝗮𝘃𝗼𝗸𝗮𝘃𝗼𝗸𝗮 𝗸𝗼𝗮 𝗱𝗶𝗮 𝗺𝗶𝗵𝗮𝗻𝘁𝗶𝘁𝗿𝗮. 𝗙𝗮 𝗶𝗻𝗼𝗻𝗮 𝗻𝗼 𝗺𝗶𝘁𝗿𝗮𝗻𝗴𝗮 𝗿𝗲𝗵𝗲𝗳𝗮 𝗺𝗶𝗵𝗮𝗻𝘁𝗶𝘁𝗿𝗮 ? 𝗔𝗿𝘆 𝗶𝗻𝗼𝗻𝗮 𝗻𝗼 𝗺𝗲𝘁𝘆 𝗵𝗮𝗻𝗮𝗳𝗮𝗶𝗻𝗴𝗮𝗻𝗮 𝗶𝘇𝗮𝗻𝘆 ?
Eny. Manomboka mihantitra ny havokavoka rehefa avy nahatratra ny fahafahany miasa tsara indrindra, eo amin’ny 20–30 taona eo ho eo.
𝗥𝗲𝗵𝗲𝗳𝗮 𝗺𝗶𝗵𝗮𝗻𝘁𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗶𝘀𝗶𝗸𝗮 :
🔹 Mihena ny elasticité-n’ny havokavoka
🔹 Mihena ny herin’ny hozatra manampy antsika hifoka rivotra sy hikohaka.
🔹 Mihena ny fanadiovan’ny lalam-pisefoana ny tsiranoka
🔹 Mihena ny fahafahan’ny vatana mamaly rehefa mihena ny "oxygène" sy ny fahatsapan’ny vatana fa mitombo ny CO₂.
📉 𝗩𝗼𝗸𝗮𝘁𝗿’𝗶𝘇𝗮𝗻𝘆, mihena tsikelikely ny fahafahan’ny havokavoka miasa.
Ohatra, eo anelanelan’ny 20 sy 70 taona, dia mety hihena manodidina ny 30 % ny VEMS (volume expiratoire maximal en une seconde), izay iray amin’ireo mari-pandrefesana ny fiasan’ny havokavoka.
‼️ 𝗙𝗮 𝘁𝘀𝘆 𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗵𝗮𝗻𝘁𝗲𝗿𝗮𝗻𝗮 𝗶𝗵𝗮𝗻𝘆 𝗻𝗼 𝗺𝗮𝗻𝗶𝗺𝗯𝗮 𝗻𝘆 𝗵𝗮𝘃𝗼𝗸𝗮𝘃𝗼𝗸𝗮.
Ny sigara, cannabis, loto amin’ny rivotra ary ny aretin’ny taovam-pisefoana miverimberina dia mety hampitombo sy hanafaingana ny fahasimban’ny havokavoka.
👉🏻 𝗜𝗻𝗼𝗻𝗮 𝗮̀𝗿𝘆 𝗻𝗼 𝗮𝘇𝗼𝗻𝘁𝘀𝗶𝗸𝗮 𝗮𝘁𝗮𝗼?
🚭 𝗔𝘁𝘀𝗮𝗵𝗮𝗿𝗼 𝗻𝘆 𝘀𝗶𝗴𝗮𝗿𝗮 ary ialao araka izay azo atao ny setroka sy ny loto manimba.
🏃🏻♀️ 𝗠𝗶𝗷𝗮𝗻𝗼̀𝗻𝗮 𝗵𝗼 𝗺𝗮𝘃𝗶𝘁𝗿𝗶𝗸𝗮 𝗮𝗿𝗮-𝗯𝗮𝘁𝗮𝗻𝗮 : ny activité physique dia manampy amin’ny fitazonana tsara kokoa ny fahafahan’ny vatana mampiasa "oxygène".
💉 𝗔𝗿𝗮𝗵𝗼 𝗶𝗿𝗲𝗼 𝘃𝗮𝗸𝘀𝗶𝗻𝘆 𝗮𝘁𝗼𝗹𝗼𝘁𝗿𝗮, indrindra amin’ny olona be taona : grippe, pneumocoque ary, arakaraka ny taona sy ny toe-pahasalamana.
😷 𝗔𝗿𝗼𝘃𝘆 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗮𝗿𝗲𝘁𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝘁𝗮𝗼𝘃𝗮𝗺-𝗽𝗶𝘀𝗲𝗳𝗼𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝘁𝗲𝗻𝗮 𝘀𝘆 𝗻𝘆 𝗼𝗹𝗼𝗻𝗮 𝗺𝗮𝗿𝗲𝗳𝗼 : ny vaccination sy ny gestes barrières dia anisan’ny fomba fisorohana (𝑖𝑛𝑑𝑟𝑖𝑛𝑑𝑟𝑎 𝑎𝑚𝑖𝑛'𝑛𝑦 𝑎𝑛𝑑𝑟𝑜 𝑚𝑎𝑛𝑔𝑎𝑡𝑠𝑖𝑎𝑘𝑎 𝑛𝑎 𝑡𝑠𝑖𝑠𝑦 𝑎𝑟𝑒𝑡𝑖𝑛𝑎 𝑚𝑖ℎ𝑎𝑛𝑎𝑘𝑎 𝑎𝑧𝑎).
🩺 Ary raha misy fahasemporana, kohaka maharitra, na fihenan’ny fahafaha-manao ara-batana, dia tsara ny 𝗺𝗮𝗻𝗮𝘁𝗼𝗻𝗮 𝗺𝗽𝗶𝘁𝘀𝗮𝗯𝗼.
👉🏻 𝗧𝘀𝘆 𝗮𝘇𝗼𝗻𝘁𝘀𝗶𝗸𝗮 𝗮𝗷𝗮𝗻𝗼𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗵𝗮𝗻𝘁𝗲𝗿𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗵𝗮𝘃𝗼𝗸𝗮𝘃𝗼𝗸𝗮. 𝗙𝗮 𝗮𝘇𝗼𝗻𝘁𝘀𝗶𝗸𝗮 𝗮𝘁𝗮𝗼 𝗻𝘆 𝗺𝗶𝘀𝗼𝗿𝗼𝗸𝗮 𝗶𝗿𝗲𝗼 𝘇𝗮𝘃𝗮𝘁𝗿𝗮 𝗺𝗮𝗺𝗽𝗶𝘁𝗼𝗺𝗯𝗼 𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗵𝗮𝘀𝗶𝗺𝗯𝗮𝗻’𝗶𝘇𝘆 𝗶𝗼.
Mirary soa indrindra Tompoko.
🤍