20/06/2026
🇩🇪 Hoffnung schenken zum Nationalfeiertag 🇲🇬❤️
Anlässlich des bevorstehenden Nationalfeiertags am 26. Juni durfte unser Nehemia-Team im Gefängnis Antanimora in Antananarivo Lebensmittel und kleine Geschenke an Hunderte Gefangene verteilen. 🍚🫘🙏
In zwei Teams wurden Männer, Frauen und Jugendliche besucht. Neben der Verteilung fanden auch Gottesdienste und Zeiten der Ermutigung statt. ✝️🤝
📸 Da im Gefängnis keine Fotos oder Filmaufnahmen erlaubt sind, können wir leider keine Bilder der Verteilung zeigen. Die Fotos zeigen deshalb lediglich die Vorbereitungen und das Verpacken der Hilfsgüter.
Wir danken allen, die diesen Dienst durch Gebet und Unterstützung möglich machen! ❤️
"Vergesst nicht, Gutes zu tun und mit anderen zu teilen; denn an solchen Opfern hat Gott Wohlgefallen." (Hebräer 13,16)
🇲🇬 Fanomezana fanantenana ho amin'ny Fetim-pirenena 🇲🇬❤️
Ho fanomanana ny Fetim-pirenena faha-26 Jona dia nizara sakafo sy fanomezana ho an'ireo voafonja an-jatony tao amin'ny fonjan'Antanimora ny ekipan'ny Nehemia. 🍚🫘🙏
Nizara ho ekipa roa ny mpiasa ka nitsidika ny lehilahy sy ny vehivavy ary nanao fotoam-pivavahana sy fampaherezana. ✝️🤝
📸 Tsy mahazo maka sary na horonan-tsary ao amin'ny fonja izahay, ka ny sary zarainay dia mampiseho ny fanomanana sy ny famonosana ireo fanampiana ihany.
Mankasitraka anareo rehetra izay manohana izao asa fanompoana izao amin'ny vavaka sy fanampiana! ❤️
"Ary aza manadino hanao soa sy hiantra; fa fanatitra toy izany no sitrak'Andriamanitra." (Hebreo 13:16)