05/08/2026
Finaritra e 🥰
Fotoanan-tsika manaraka indray ara hiarahana miombona amin'ny Tanora B 🙏 :
📅Sabotsy 08 aogositra 2026
⏰Amin'ny 13h45
📍Faculté de théologie Ambatonakanga
Ka noho izany dia tsy misy ny fivoriana eny Itaosy, ny fotoanan-tsika kosa hoan'izay tsy mahita ny toerana dia 13h15 eo amin'ny arrêt bus ambanin'ny Jovena Ambohijatovo🤗✨.
Aza adino mitondra voankazo ifampizarana 🍇🍎🍉🍊
Tongava maro ara dia entano ny namana🥰🤗
Marina ✅ SA Meloka❌...
✨ Tamin'ny sabotsy lasa dia niara-nandinika isika fa Jesosy no Fahendrentsika. Tsy fahendrena avy amin'izao tontolo izao, fa fahendrena avy amin'Andriamanitra izay mitarika antsika hifidy sy hiaina araka ny sitrapony.
➡️ Amin'ity sabotsy ity indray dia handalina lohahevitra iray tena manan-danja isika:
✨⚖️ JESUS, MA JUSTICE ⚖️✨
Efa mba nanontany tena ve ianao hoe...
"Mbola afaka mamonjy ahy ve Jesosy, na dia ratsy be aza ny lasa niainako?"
Na koa...
"Raha efa voavonjy aho, nahoana no mbola mahatsiaro meloka sy tsy mendrika ?"
🤔 Raha efa nandalo tao an-tsainao ireo fanontaniana ireo, dia natao ho anao ity fampianarana ity!
Hiara-hitady valiny avy amin'ny Tenin'Andriamanitra isika:
❓ Inona marina no atao hoe "hamarinina"?
❓ Ahoana no hahatonga antsika ho marina eo anatrehan'Andriamanitra?
❓ Ahoana no hahazoantsika ny fahamarinan'i Kristy?
📖 Andao hiara-hahita ny tena fahamarinana sy hiara-hitombo ao amin'i Kristy e!
👉Rendez-vous Samedi 08 Aout
🕜13h45
📍 Faculté Ambatonakanga
🍎 Aza adino mitondra voankazo ifampizarana 🍇🍌🍎
💚 Mitondrà koa namana fa mety ho io no fotoana hanovàn'Andriamanitra ny fiainan'olona iray.
Tongavasoa 🤗