28/04/2026
🍹DÉJEUNER DANSANT 🍛
« Mba ho iray izy rehetra » (Jo 17,21a)
Miarahaba antsika rehetra! Ho fanohanana ny asan'ny Fikambanan’ny Maseran’ny Md Zôzefa avy any Aoste ho fampiakarana ny trano roa eto amin’ny Sekolintsika, dia manasa antsika am-pifaliana amin’ny hetsika manokana :
"DÉJEUNER DANSANT "
📅 Andro: Asabotsy 30 mey 2026
🕛 Ora: Manomboka amin'ny 12 ora atoandro
📍 Toerana: Lycée Katolika NY SEKOLINTSIKA Analamahitsy
Inona no miandry anao amin'izany ?
🍽️ Sakafo matsiro sy hirahira kanto
💃 Dihy sy lanonana mafana
🎯 Lalao fialamboly sy Tsakitsaky isan-karazany
🎟️ Varotra sy Tombola misy loka sarobidy
Andao hifanome tanana amin'ny fampandrosoana ny Sekolintsika ao anatin'ny firaisankina! 🤝✨
NB : Hisy BRADERIE manomboka amin’ny 08 ora maraina
Izay anasana ny olona rehetra.
🙏Misaotra amin'ny fandraisana anjara !🙏