05/07/2026
👋 FITSARANA MIARAMILA: FANOKAFANA AMIN'NY FOMBA OFISIALY HO AN'NY TAONA 2026
Nosokafana tamin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 4 jolay 2026 teny amin'ny Kianjan'i Betongolo ny fitsarana miaramila ho an'ny taona 2026.
Nanokatra izany ny Minisitry ny Foloalindahy🇲🇬, ny Jeneraly RAZAFITOMBO Maminirina Ely, niaraka tamin'ny Talen'ny fanompoam-pirenena sy ny fitantanana ny fiandry, na ny DSNGR etsy Andohalo, ny Jeneraly ANDRIANANJA Elie Michaël.
ℹ️Nanamafy Andriamatoa Minisitry ny Foloalindahy nandritra ny lahateniny fa adidy amin'ny maha-olom-pirenena sady fanehoana ny fitiavan-tanindrazana ny fanaovana fitsarana miaramila. Notsindriany fa dingana manan-danja izany satria ahafahana mahazo ny karatra maitso, izay ahazoana ny «Certificat de Position Militaire». Taratasy ilaina amin'ny sehatra maro io, toy ny fangatahana fahazoan-dalana hivoaka any ivelany, ny fandraisana anjara amin'ny fifaninanana hidirana amin'ny asam-panjakana, ary ny fisoratana anarana amin'ny toeram-pampianarana sasany.
➡️Nohazavainy ihany koa fa manampy ny Fanjakana hamantatra ireo olom-pirenena tafiditra ao anatin'ny fiandry ny fitsarana miaramila. Na izany aza anefa dia nanamafy izy fa tsy midika ho fiantsoana hanao raharaha miaramila avy hatrany ny fahavitan'ny fitsarana miaramila. Ireo izay manao fangatahana an-tsitrapo sy mahafeno ny mason-tsivana napetraka ihany no afaka miroso amin'ny fandraisana ho miaramila.
Ho an'ireo tsy voantso kosa dia mijanona ho ao anatin'ny fiandry izy ireo, ka azo antsoina raha misy filàna manokana hiarovana ny tanindrazana sy ny fiandrianam-pirenena.
Notolorana avy hatrany ny karatra maitso ho an'ireo nahavita ny fitsarana miaramila nandritra izao lanonam-panokafana izao.
Araka ny nambaran'ny Talen'ny DSNGR, dia adidy tsy maintsy tanterahin'ny tanora lahy sy vavy rehetra manomboka amin'ny faha-19 ka hatramin'ny faha-31 taonany ny fitsarana miaramila, araka ny voalazan'ny lalàna manan-kery eto Madagasikara.
Haharitra hatramin'ny 5 aogositra 2026 ny hetsika eny amin'ny Kianjan'i Betongolo🏟️, izay tanterahina isaky ny alatsinainy ka hatramin'ny sabotsy, manomboka amin'ny 8 ora maraina ka hatramin'ny 4 ora tolakandro.
🟢Any amin'ny faritra kosa dia hanomboka ny 15 aogositra 2026 ny fitsarana miaramila, araka ny tetiandro efa napetraka eny anivon'ny Biraon'ny Fiarovana sy ny Distrika manerana ny Nosy. Hiverina eto Antananarivo indray izany ny 5 ka hatramin'ny 10 oktobra 2026.
Nanatrika ny lanonam-panokafana ihany koa ny Sekretera Jeneralin'ny Minisiteran'ny Foloalindahy, ny Jeneraly ANDRIAMASINORO Fanjanirina, ny Lehiben'ny Etamazaoron'ireo Tafika, ny Jeneraly PIKULAS Démosthène, niaraka tamin'ireo tompon'andraikitra isan'ambaratonga eto anivon'ny Minisiteran'ny Foloalindahy sy ireo Etamazaoro.
ℹ Loharano : https://www.facebook.com/share/p/1CxHzwzugf