30/04/2026
📍Eny Talata Volonondry eny...
Eny amin’ny Écovillage Mahavariana eny…
dia misy ivon-toerana iray mikirakira ny tanimanga na atelier de poterie. 🏺🤎
Toerana iray izay anovan’ny tanana sy ny fahalalana ny tany ho lasa zavatra misy lanjany.
Fa maninona no noforonina ity atelier de poterie ity ?
Satria mino izahay fa ny harena eo an-toerana dia afaka mamorona asa sy manova fiainana rehefa omena lanja. 🌍✨
Eto, ny tanimanga dia avadika ho :
- Fampisotroana rano na famahanana ny biby fiompy ( abreuvoir / mangeoire)
- Vilany (marmite)
- vata fampangatsiana ( frigo du desert)
- vase sy décoration maro samihafa
Ny tanjona dia ny hampiofana ireo olona rehetra maniry hiasa sy hampiasa ny tany ho loharanon-karena, indrindra ireo tantsaha sy tanora eny ambanivohitra. 🌾
Satria mino izahay fa rehefa misy ny fahalalana sy ny fahaiza-manao, ny zavatra tsotra indrindra aza dia mety ho :
- Asa
- Fidiram-bola
- ary Fanantenana ho an’ny ho avy ✨
Koa raha mandalo eny Talata eny ianao…
Tongava mitsidika anay ety Mahavariana.
Hijery, hianatra, na hanjifa ireo asa tanana miavaka sy vita amin’ny fo. 🏺🤎