08/05/2025
[ 9 Mai ]
Journée mondiale des caméléons.
Andro iraisam-pirenena ho an'ny Tanalahy eto Madagasikara - amin'ny 9 mey izao ny fotoana !
Ny 9 mey ho avy izao, andao hiaraka hankalaza ny andro iraisam-pirenena ho an'ny tanalahy ! Hanome voninahitra ireo biby mahafinaritra ireo isika, izay maneho ny mampiavaka ny karazanjavamananaina misy eto amin'ny nosintsika.
Na dia kely aza izy ireo dia manana anjara toerana lehibe amin'ny rafitry ny fiainanan'ny zavaboary tahaka ny fandalanjalanjana ny isan'ny biby kely sy ny fitazomana ny fahasamihafan'ireo karazanjavamananaina.
Ahitana karazana tanalahy maro eto Madagasikara. Izany indrindra no antony hanamafisana ny maha zava-dehibe ny fiarovana azy ireo amin'ity andro iraisam-pirenena natokana ho an'ny tanalahy ity. Manoloana ny loza mitatao, toy ny fahaverezan'ny ala sy ny fiovaovan'ny toetr'andro, miankina amin'ny fahaizantsika miara-miasa amin'ny fiarovana ny tontolo iainany ny ho avin'izy ireo.
Amin'ity andro iraisam-pirenena ho an'ny tanalahy ity, WWF Madagasikara dia hanasongadina manokana ireo karazana tanalahy roa miavaka, voaaro ao anatin'ny faritra iasany. Mandritra ny telo andro manaraka, manasa anao hanadihady ny tontolon'ireo tanalahy karazany roa ireo sy hamantatra ny ezaka ataon'i WWF amin'ny fiarovana azy.
Fantaro ireo tanalahy karazany roa ireo: Brookesia nana sy Brookesia micra, izay anisan'ny kely indrindra manerana izao tontolo izao ary maneho ny hakanto sy ny maha-samihafa ny karazanjavamananaina eto Madagasikara. Ny faharetan'izy ireo amin'ny loza dia manamafy ny maha zava-dehibe ny fiarovana ireo tontolo voajanahary sarobidy misy azy ireo.
Raha te hahita vaovao mahaliana sy maniry hahafantatra bebe kokoa momba ny ezaka amin'ny fiarovana ireo biby mahafinaritra ireo, araho ity rohy ity : https://wildlifemadagascar.org/news-and-stories/international-chameleon-day/