23/07/2026
Ireo ambaratonga 7 amin'ny fahatsiarovan-tena (Les 7 niveaux de conscience) araka ny nanasokajian'ireo manampahaizana azy.
👀Zaraiko eto hamantaranao ny mety ho niveau misy anao androany ka handrisika anao hiakatra niveau↗️ rahampitso.
👉7 No ambony indrindra 1 no ambany indrindra izany vakiana avy any ambany no miakatra izany io
7️⃣ Fahatsiarovan-tena UNIVERSELLE (velona mba hihinana)
- Mahatsapa fa iray ny zava-drehetra
- Fitiavana❤️ tsy misy fepetra
- Fitoniana sy fiadanana lalina ao am-po
6️⃣ Fahatsiarovan-tena ara-intuition
- Mazava ny VINA sy ny fanapahan-kevitra
- Fahendrena lalina
- Fahaizana mahatsapa ny lalana tokony hizorana
5️⃣ Fahatsiarovan-tena mamorona
- Manatratra ny tanjona nofaritana
- Mahatsapa fa TOMPON'ANDRAIKITRA ary Mandray andraikitra amin'izay mitranga eo amin'ny fiainana
- TSY MANOME TSINY NY HAFA, fa miezaka mianatra sy mandroso
4️⃣ Fahatsiarovan-tena ara-pihetseham-po
- FITIAVANA ❤️ AGAPE
- Fankasitrahana
- Hafaliana
3️⃣ Fahatsiarovan-tena ara-tsaina
- Mifototra amin'ny 🧠SAINA ny Fandraisana fanapahan-kevitra
- Fianarana sy fampivelarana ny fahalalana
- Mifanome Tanana hoamin'ny fahombiazana iombonana
2️⃣ Fahatsiarovan-tena entin'ny fitiavan-tena
- Tarihin'ny tahotra
- Te hifehy ny zava-drehetra
- Mampitaha ny tenany amin'ny hafa hatrany
- MANILIKA NY TSY FAHOMBIAZANY any amin'ny hafa
1️⃣ Fahatsiarovan-tena ho amin'ny SURVIE (miasa sy mihinana mba ho velona)
- Tarihin'ny toe-tsaina voajanahary (instinct)
- Mitady fiarovana isan'andro miantsampy amin'izay heveriny fa maharo azy, mety zavatra hita maso io na koa zavatra tsy hita maso
- tsy mahatoky valeur
- Mitolona mafy mba hanana ny filàna fototra (Sakafo, trano fonenana, fitsaboan-tena...)