Arise and Thrive - Tanora Misionera Ambohimanambola

Directions

Arise and Thrive - Tanora Misionera Ambohimanambola «Mitsangàna, mihazavà, fa tonga ny fahazavanao ...»
- Isaia 60 : 1 -

28/10/2026

Mofonaina anio Alarobia 28 Oktobra 2026

✨ Salamo 73, 21 - 28 ✨

« Fa, indro, very izay lavitra Anao; aringanao izay rehetra mijangajanga mahafoy Anao. Fa, izaho, dia ny ho akaikin'Andriamanitra no mahatsara ahy; Ianao, Jehovah Tompo o, no nataoko aroko, mba hilaza ny asanao rehetra aho.» — Salamo 73, 27 - 28

Nahatsapa i Asafa tamin'ny voalohany fa toa miroborobo sy milamina ny fiainan’ny olona tsy manana sy tsy matahotra an'Andriamanitra. Nahatonga azy ho sahirana tao am-po sy saika hiala tamin’ny finoana izany eritreritra izany. Kanefa rehefa niverina nibanjina an’Andriamanitra izy dia takany fa tsy ny harena, na ny fahombiazana, na ny fahafinaretana hita ety ivelany no tena zava-dehibe, fa ny fifandraisana akaiky amin'ny Tompo.

Mety misy fotoana ahatsapantsika fahadisoam-panantenana, na fialonana mihitsy aza, rehefa mahita ny hafa toa mandroso kokoa noho isika. Tsy tokony handrefy ny hatsaran’ny fiainantsika amin’ny zavatra ananan’ny hafa nefa isika, satria ny tena Fahasoavana lehibe dia ny fananantsika an’Andriamanitra akaiky antsika, ao anatintsika.

Izy no aro, mpitari-dalana ary herintsika. Feno fanantenana foana isika, na dia mandalo fotoan-tsarotra aza, rehefa ao am-pontsika Jesoa Kristy.

Miantso antsika am-pitiavana ary ny Tompo Jesoa anio :

💧 Ataovy laharam-pahamehana ny fifandraisanao amin’Andriamanitra ka mivavaha sy mamakia ny Teniny na dia amin’ny fotoana be atao aza.

💧 Aza mampitaha ny fiainanao amin’ny an’ny hafa fa Ilay tena Sarobidy no banjino sy raiso, dia i Jesoa Kristy izany.

💧Aza miala Aminy rehefa mandalo fahoriana fa vao mainka mifikira Aminy satria Izy no aro sy hery ho anao.

💧 Iaino ny fahatsaran’Andriamanitra ary lazao amin’ny hafa izay nataony taminao mba hirosoan'izy ireo amin'ny finoana koa.

♥️ Tsarovy hatrany fa mandalo ihany ny eto an-tany fa ny tena fahombiazana dia ny fahazoanao ny Fiainana Mandrakizay izay efa nomanin'i Kristy ho an'izay rehetra mandray Azy.

❓Ny fanontaniana mipetraka ho antsika ary dia izao : « Efa ao am-ponao ve Jesoa Kristy, Ilay Harena sy Fahombiazana maharitra mandrakizay?»

Makà fotoana hihainoanao ny feony miantso anao sy miandry hampandrosoinao.

🕊️ Andeha hiombom-po amin'ny vavaka isika :

« Ry Andriamanitra Rainay ô, misaotra Anao izahay noho ny Teninao izay mampahatsiaro anay fa ny eo akaikinao no tena mahasoa anay. Mamelà ny fahalemenay tamin'ny fotoana nampitahanay ny fiainanay tamin’ny an’ny hafa. Mandrosoa aty am-ponay tsirairay avy Ianao, Jesoa Kristy Mpamonjy anay ô, mba hiainanay ny fahatsaranao, ary indrindra mba hahazoanay ny fiainana mandrakizay. Amin’ny Anaranao Jesoa Kristy no anandratanay izany vavaka izany. Amen. » 🙏🏽

AN'ANDRIAMANITRA IRERY IHANY NY VONINAHITRA. AMEN! 🙏🕊️

27/10/2026

💫 Mofonaina anio Talata 27 Oktobra 2026 💫

📖 Lioka 22, 39 - 46 📖

« Mivavaha mba tsy hidiranareo amin'ny fakam-panahy.» — Lioka 22, 40

Anatra nataon'i Jesoa tamin'ny mpianany tany amin'ny Tendrombohitra Oliva tao Getsemane, fotoana fohy talohan'ny nisamborana Azy. Fantatry ny Tompo fa handalo fotoan-tsarotra sy fitsapana lehibe izy ireo, ka izany no namporisihany azy ireo hivavaka.

Tena fiainan'i Jesoa izany vavaka izany. Na taiza na taiza nisy Azy, ary n'inona n'inona nataony dia feno vavaka. Nahafoy fotoana nitokam-bavaka Izy, nanovozany Hery ka nahavitany hatramin'ny farany ny iraka lehibe nampanaovin'ny Ray Azy.

Naharitra nivavaka Jesoa, ka tsy nihemotra nanoloana ny fahoriana mafy tsy maintsy niaretany. Ireo mpianany kosa tsy mba nahavita nivavaka fa resitory. Hany ka nandositra sy nandà an'i Jesoa rehefa raikitra ny fanenjehana.

Ry namako :

💫 Mivavaha ka aza mitsahatra. Ataovy toy ny rivotra iainanao mihitsy ny vavaka satria io no hifeneraserantsika amin'i Jesoa Zoky.

💫 Mivavaha mandrakariva, mangataka ny Fanahy Masina hampahery anao amin'ny ady mafy, ka tsy hampihemotra anao.

💫 Mivavaha ka aza atao olana na fialàna tsiny ny hoe tsy mahay mivavaka fa ianao miantoraka Aminy no tadiaviny.

♥️ Ampandrosoy ao am-ponao Jesoa dia hanahaka Azy mora foana ianao amin’ny fiainam-bavaka.

⁉️ Ny fanontaniana mipetraka amiko sy aminao ary dia izao : « Efa tena fahazaranao ve ny mifanerasera amin’i Jesoa Kristy amin’ny alalan'ny vavaka mba hanalaviranao ny ratsy ? »

Manokàna fotoana hisaintsainanao izay tian'i Jesoa Kristy Tompontsika hataonao fahazarana manomboka izao.

‎🤍 Hiombom-bavaka isika:

« Misaotra Jesoa ny amin’ny hafatrao. Misaotra fa modely tena tonga lafatra ho anay Ianao. Hanahaka Anao izahay, Tompo ô, ka ny fiainanay anie dia ho fiainam-bavaka tokoa mba hanalaviranay ny ratsy. Ny Herin'ny Fanahinao Masina no hiankinanay hahatanterahanay izany. Amin’ny Anaranao Mpamonjy no ivavahanay toy izany. Amen.» ❤️

🕊️ AN’ANDRIAMANITRA IRERY IHANY NY VONINAHITRA. AMEN ! ✨

26/10/2026

‎🌿 Mofonaina anio Alatsinainy 26 Oktobra 2026 🌿

📖 Jakoba 5,13 - 20 📖

‎

‎ « Misy azom-pahoriana va eo aminareo? Aoka izy hivavaka. Misy faly va? Aoka izy hihira fiderana.» — Jakoba 5, 13

Mifamadibadika ny zava-mitranga eo amin’ny fiainantsika mpino: indraindray ambony, indraindray ambany. Tsotra no asain'ny Tompo ataontsika amin'izany rehetra izany, dia ny mivavaka sy ny midera Azy mandrakariva.

Matetika isika no mora kivy sy mitaraina amin'ny olona rehefa miaina fitsapana toy ny olana, ny fahoriana, ny aretina, na ny ady sy fanenjehana sedrain'ny mpino. Mampahery antsika nefa ny Tompo mba tsy hiala amin'Andriamanitra mandritra ny andro sarotra, fa kosa hitodika any Aminy amin'ny alalan'ny vavaka. Ny vavaka dia tsy hoe fomba fanao fotsiny, fa fifandraisana mivantana amin'Ilay mahay mampionona sy manome hery, ary mamaha ny olana. Mitondra fiadanana ao am-pontsika izany.

Rehefa mandeha tsara kosa ny zavatra rehetra, mahazo fahombiazana na harena ny olona, dia mora manadino an'Andriamanitra ka mihevitra fa noho ny fahaizany na ny heriny manokana no nahazoany izany.

Mananatra antsika am-pitiavana nefa Jesoa Kristy fa ny fihirana fiderana dia fomba iray hamerenana ny voninahitra rehetra ho an'Andriamanitra. Ny fifaliana rehetra dia zava-tsoa avy Aminy, ary ny fo feno fankasitrahana dia mbola mampanakaiky antsika amin'Andriamanitra ihany koa amin'ny andro mahafaly.

🎯 Tsarovy ary, ry namako, fa Andriamanitra no tokony ho ivon'ny fiainanao, na inona na inona toe-javatra misy anao: na ao anaty tomany sy olana ianao, na ao anaty fahombiazana sy fifaliana.

🎯 Manàna fiainam-bavaka sy fiderana fa manamafy ny fifandraisanao amin'ny Tompo izany.

❓Ny fanontaniana ho antsika ary dia izao :

« Mivavaka sy midera ary miantoraka amin' I Jesoa Kristy Tompontsika foana ve ianao na soa na ratsy miseho eo amin’ny fiainanao? »

Manokàna fotoana handinihanao izay tian’i Kristy Jesoa hataonao fahazarana manomboka izao.

🤍 Hiombom-bavaka isika:

« Misaotra Ray amin’ny hafatrao. Hiezaka izahay Jesoa hanakaiky Anao ka hivavaka sy hidera Anao n'inona mitranga eo amin’ny fiainanay satria fantatray fa hanehoanao ny Voninahitrao izany. Aoka Jesoa ho Filazantsara velona ho an'ny hafa ny fanananay Anao eo amin’ny fiainanay ka hitarika azy ireny ho ao Aminao.

Amin’ny Anaranao Kristy. Amen. »🙏

AN'ANDRIAMANITRA IRERY NY VONINAHITRA AMEN 🙏

25/10/2026

Mofonaina anio Alahady 25 Oktobra 2026
🌸 II Mpanjaka 23, 1 - 3 🌸


« Ary ny mpanjaka nitsangana teo amin'ny fitoeran'andriana, dia nanao fanekena teo anatrehan'i Jehovah hanaraka Azy sy hitandrina ny lalàny sy ny teni-vavolombelony ary ny didiny amin'ny fony rehetra sy ny fanahiny rehetra, hankatò ny tenin'ny fanekena sy izay voasoratra ao amin'izany boky izany. Ary ny vahoaka rehetra koa dia mba nanaiky ny fanekena.» — II Mpanjaka 23, 3

Tamin'ny andron'i Josia mpanjaka, rehefa navaozina ny Tempoly tao Jerosalema, dia hita tao ilay Bokin'ny Lalàna izay efa adino sy tsy nampiasaina intsony nandritra ny fitondrana teo aloha, satria variana tamin'ny fanompoan-tsampy ny mpitondra sy ny vahoaka.

Tsapan'i Josia fa niala lavitra an'Andriamanitra ny firenena, rehefa novakina teo anatrehany ilay Bokin'ny Lalàna. Nanavao ny fanekeny tamin'i Jehovah ny mpanjaka, ary nitarika ny vahoaka mba hibebaka toa azy koa. Tsy nanery ny vahoaka avy hatrany i Josia, fa izy tenany mihitsy aloha no nitsangana nanao fanekena teo anatrehan'i Jehovah, ka nanao ohatra ny tenany alohan'ny hitakiana izany tamin'ny hafa.

Ry havana :
🦋 Asehoy ny tenanao ho fianarana ny asa tsara.
🦋 Mazotoa mamaky Soratra Masina satria ny fiverenana amin'ny Tenin'Andriamanitra sy ny fihainoana azy no fanombohan'ny fanavaozana ara-panahy marina.
🦋 Meteza ianao ho mpitarika ny ao an-tokantranonao, ny any am-piasananao na any am-pianaranao, ary indrindra ny ao am-piangonana, sns ... amin'ny fankatoavana sy fitiavana an'Andriamanitra.
🦋 Tandremo nefa tsy ho variana amin'ny fombafomba ety ivelany fotsiny satria ny toe-ponao no tena jeren'ny Tompo.

❓Ny fanontaniana mipetraka amiko sy aminao ary dia izao: « Modely tsara amin'ny fitiavana sy fanarahana an'i Kristy ve ianao ?»

Makà fotoana handinihanao Izay tian'ny Tompo Jesoa hataonao mba hahatonga anao ho fianarana ho an'ny mino.

🙏🏼 Hiombona amin'ny vavaka isika: « Ry Jesoa Kristy Tomponay ô, misaotra Anao izahay noho ny Teninao izay mananatra anay handinika ny tenanay alohan'ny hitenenanay ny hafa. Indreto izahay, Jesoa, manolo-tena hihavao hatrany ara-panahy, ka ny Teninao no harahinay amin'izany. Ny Fanahinao Masina anie hampahery anay mba ho modely tsara amin’ny finoana sy ny fanetren-tena, ka hahatonga ny mpiara-belona aminay hino Anao koa. Amin'ny Anaranao Jesoa Kristy Mpamonjy. Amen.»

🕊 AN’ANDRIAMANITRA IRERY IHANY NY VONINAHITRA. AMEN! ✨🙏

24/10/2026

🕊 Mofonaina anio Sabotsy 24 Oktobra 2026
🤍 Asan’ny Apostoly 4, 23 - 31 🤍

📖 « Koa ankehitriny, Tompo o, jereo ny fandrahonany; ary omeo anay mpanomponao ny mba hitory ny Teninao amin'ny fahasahiana rehetra ... Ary rehefa nivavaka izy, dia nihovitrovitra ny trano izay niangonany; dia feno ny Fanahy Masina izy rehetra ka nitory ny Tenin'Andriamanitra tamin'ny fahasahiana.» — Asan'ny Apostoly 4, 29 sy 31

🌿 Nosambo***a i Petera sy Jaona, ary noraràna tsy hiteny na hampianatra ny Anaran’i Jesoa intsony.
Rehefa afaka izy ireo, dia niverina tany amin'ireo mpino namany ka niara- nivavaka tamin'Andriamanitra.

Rehefa nivavaka izy ireo dia tsy nangataka ny hanalana ny fanenjehana, na ny handravana ireo mpanenjika, ... eny, tsy ny hahafaka azy amin'ny fahasahiranana no nangatahin'ny Apostoly sy ny mpino, fa kosa ny hahazo fahasahiana sy herim-po mba hitohizan'ny fitoriana ny Tenin'Andriamanitra na dia eo aza ny fandrahonana. Fantatr'izy ireo fa ny Tenin'Andriamanitra dia lehibe noho ny fandrahonan'ny olombelona.

Napetrany eo am-pelatanan'Andriamanitra ny momba ny fandrahonana, fa izy ireo kosa nifantoka amin'ny adidiny ara-panahy.

Teo no ho eo ny valim-bavaka ary nasehon' Andriamanitra tamin'ny fomba hita maso sy azo tsapain-tanana fa teo Izy, ary mandre ny fivavahan'ny olony.

Feno ny Fanahy Masina izy rehetra ka nitory ny teny tamin'ny fahasahiana amin'ny ataony sy ny fiainany avy hatrany.

Ry mpanaradia an'i Kristy :
✝️ Tsarovy hatrany fa Andriamanitra Velona ny Andriamanitra ivavahantsika. Maheno sy mamaly ny fangatahantsika Izy, ka aza misalasala rehefa mivavaka fa ataovy amin'ny finoana izany.
✝️ Izy no fiarovana lehibe indrindra ho antsika, ka rehefa misy fahasahiranana eo amin'ny fiainana na amin'ny asa fanompoana, dia tadidio foana fa ny vahaolana voalohany indrindra dia ny fivavahana sy ny fiarahana mivavaka.
✝️ Miankìna amin'ny Tompo ka apetraho Aminy ny olanao , fa ianao kosa manohiza ny Asan'Andriamanitra.
✝️ Rehefa mivavaka dia hery no angataho fa aza ny lalana mora. Esory ny fahazarana mangataka amin'Andriamanitra mba hanala ny olana; fa manaova toy ny Apostoly ka mangataha hery sy fahasahiana mba handresena sy hiatrehana ny olana.

❓Ny fanontaniana mipetraka amiko sy aminao ary dia izao : « Mino sy resy lahatra ve ianao fa Andriamanitra Velona ny Andriamanitrao, ka miteny sy mihaino anao ? »

Makà fotoana handinihanao izay tian'i Kristy Jesoa hampatsiahivina anao mikasika izany.

🙏 Hivavaka isika :
« Ry Tompoko sy Andriamanitro ô, misaotra fa tsy mahafoy ahy Ianao ka miteny amiko foana, maneho ny Fitiavanao ahy. Andriamanitra tsy lalodalovana Ianao fa mandre, ka mamaly vavaka ahy. Ny Herin'ny Fanahinao Masina anie, Jesoa ô, hiasa aty anatiko ka hanome fahasahiana ahy sy hanampy ahy handresy ny tahotro amin'ny fiatrehako ny fiainana. Amin'ny Anaranao Kristy Mpamonjy no anaovako izany vavaka izany. Amen.»

AN’ANDRIAMANITRA IRERY IHANY NY VONINAHITRA. AMEN. 🤍 ✨

23/10/2026

Mofonaina anio Zoma 23 Oktobra 2026
🍀 Deoteronomia 26, 5 - 11🍀

📖 « Ary mifalia amin'ny soa rehetra izay nomen'i Jehovah Andriamanitrao anao sy ny ankohonanao ianao sy ny Levita mbamin'ny vahiny eo aminao.» — Deoteronomia 26, 11
‎

Tsy tambo isaina ny soa azontsika avy amin'Andriamanitra: fahasalamana, fahombiazana, ankohonana sy namana, asa, fianarana, sns... Tsy avy amin'ny hery na fahaizantsika ihany izy ireny, fa indrindra indrindra avy amin'ny Fahasoavan'Andriamanitra.

Arotsaky ny Tompo amintsika ny fitahiany mba hitondra fifaliana sy hahavelona ny ankohonantsika. Noho izany dia tokony hanao fankasitrahana sy fisaorana Azy isika eo anivon'ny ankohonana. Izany no atao mba hitaizana ny taranaka ao anatin'ny fahatsiarovana ny tsara nataon'Andriamanitra.

Tsy izay ihany nefa fa asehontsika koa ny fankasitrahantsika an'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fanampiantsika ny mpanompon' Andriamanitra na ny "Levita", sy ireo "vahiny" na ny sahirana ara-pivelomana, ny kamboty sy ny mananotena.

Ny fifaliana marina tokoa mantsy dia miaraka amin'ny fizarana, satria tsy feno ny fifalian'ny Kristiana raha hihinan-drery. Ny fitahian' Andriamanitra dia fisokafan'ny varavarana mba hahatonga antsika ho loharano- pitahiana ny hafa, indrindra fa ireo manao ny asan'ny Tompo sy ireo marefo.

Miantso anao ary ny Tompo anio, ry namako:
‎☘️ Tsarovy daholo ny soa noraisinao tamin'ny Tompo, dia miaraha amin'ny ankohonanao misaotra sy mankasitraka Azy.
☘️ Manàna fanetren-tena fa tsy avy amin'ny hery na fahaizanao no naha-toy izao anao, fa noho ny Fahasoavan'Andriamanitra.
☘️ Mahaiza mifaly sy mankasitraka amin'izay soa efa noraisinao, fa miaro ny fonao amin'ny fitsiriritana sy ny ahiahy izany.
☘️ Mazotoa manampy sy manisy soa ny mpanompon'Andriamanitra sy ny sahirana.

‎❓️ Ny fanontaniana mipetraka amiko sy aminao ary dia izao: « Manaiky ve ianao fa ny Fahasoavan'Andriamanitra no nahatoy izao anao?»
‎
‎Manokàna fotoana handinihanao izay tian’ny Tompo Jesoa hotsarovanao anio.
‎
‎🙏 Hiaraka hivavaka isika:
« Misaotra Jesoa Tompo ô, fa tsy ho toy izao aho raha tsy teo ny Fahasoavanao. Izaho sy ny ankohonako dia hiaraka hankalaza Anao noho izany, ka hijoro vavolombelona amin’ny mpiara-belona aminay. Hizara fifaliana aho, ka hanampy ny sahirana sy ny mpanomponao, araka izay tratrako. Amin’ny Anaranao Kristy Mpamonjy no anaovako izany vavaka izany. Amen » 🤍
‎

‎❤️ AN’ANDRIAMANITRA IRERY IHANY NY VONINAHITRA. AMEN. 🙏

22/10/2026

Mofonaina anio Alakamisy 22 oktobra 2026
‎🤍 Romana 1, 8 - 17 🤍

📖 « Fa tsy menatra ny Filazantsara aho; fa Herin'Andriamanitra ho famonjena izay rehetra mino izany, amin'ny Jiosy aloha, dia vao amin'ny jentilisa koa.» — Romana 1, 16

✨ Na manam-pahaizana na mpanjaka no nifanatrika taminy dia tsy nampihemotra an'i Paoly Apostoly, fa sahy hatrany izy nijoro tamin'ny finoany an'i Jesoa Kristy.

Resy lahatra ny amin'ny Filazantsara izy, dia ny famonjena vitan'i Jesoa Kristy teo amin’ny hazofijaliana sy ny fitsanganany tamin’ny maty.
Ny Filazantsara ihany koa dia maneho ny Herin' Andriamanitra miasa mivantana hanovàna sy hanavotana ny fiainantsika manontolo.

Miantso antsika am-pitiavana ary ny Tompo Jesoa anio :
✨ Aza menatra na manana ahiahy, fa sahia mijoro amin’ny finoana toa an'i Paoly.
✨ Aoka hanosika anao hiaina sy haneho ny finoanao amin'ny mpiara-belona aminao ny faharesenao lahatra ny amin'ny famonjena nataon'i Jesoa sy ny Fitiavan'Andriamanitra.
✨ Eo amin'ny toeram-piasana, any am-pianarana, na amin'ny namana, dia manaova ny marina hatrany, manehoa fitiavana sy fandeferana.

❓Ny fanontaniana ho antsika ary dia izao :
« Sahy mijoro amin’ny finoanao an'i Kristy Jesoa ve ianao sa tsia ?»

Makà fotoana hisaintsainanao izay toe-panahy tian'i Jesoa Kristy hanananao manomboka izao.

💟 Hiaraka hivavaka isika :
« Ry Andriamanitro be Fitiavana ô, misaotra fa tia ahy loatra Ianao. Mangataka ny Fanahinao Masina aho, Jesoa Tompoko ô, mba hampahery ahy amin'ny finoako. Ho sahy hijoro eo anatrehan’ny manodidina ahy aho, ka haneho amin'ny fiainako fa tena mpanaradia Anao marina. Amin'ny Anaranao Mpamonjy ahy no ivavahako toy izany. Amen.» ✨

AN’ANDRIAMANITRA IRERY IHANY NY VONINAHITRA. AMEN. 🕊

21/10/2026

🌼 Mofonaina anio Alarobia 21 Oktobra 2026 🌼
📖 Matio 24, 20 - 28 📖

« Fa mivavaha ianareo mba tsy ho amin'ny ririnina na ho amin'ny Sabata no handosiranareo.» — Matio 24, 20

Nilaza ny handravana an'i Jerosalema sy ny hiaviany indray Jesoa. Nanotany Azy izay andro hahatongavan'izany ny mpianany, sy izay ho famantarana ny fihaviany ary ny fahataperan'izao tontolo izao.

Na dia efa nambaran’i Jesoa mialoha aza ireo famantarana samihafa ny amin'ny hiaviany, dia nampahereziny hivavaka ny mpianany mba hahazoan'izy ireo ny fiantrana sy ny fanamaivanana avy amin’Andriamanitra manoloana ny sedra miandry azy ireo.

Isika koa, ry havana : manaiky ny fandaharan’ Andriamanitra ny fiainantsika isika; fa mila mivavaka kosa nefa mba hanamaivanany ny fahoriana iainantsika. Ny vavaka mantsy dia porofon’ny fitokisana tanteraka fa mbola Izy Andriamanitra foana no mifehy ny antsipirian’ny fiainantsika, na dia ao anatin’ny fotoan-tsarotra indrindra aza isika.

Ry Kristiana namana:
📌 Mijoroa ho vonona mandrakariva manoloana ny sedra rehetra mety hitranga eo amin'ny fiainanao.
📌 Mivavaha tsy ankijanona, aza miandry loza vao hitady an'Andriamanitra.
📌 Ankino Aminy manontolo ny hoavinao, ary mitonia am-pinoana satria Izy no mifehy ny tantaranao
❤️ Tsarovy fa eo anilanao Jesoa, tsy mamela anao ho irery. Koa aza miatrika ny fizahan-toetra amin’ny herin’ny tenanao, fa eo ambany fiarovana sy ny fitantanan’i Kristy.

❓ Ny fanontaniana amiko sy aminao ary dia izao: « Iza no antsoinao voalohany indrindra rehefa tojo ady sarotra ianao ? »

Makà fotoana hahatsapanao fa tian'i Jesoa Kristy hiantoraka Aminy hatrany ianao.

🤍 Hiombom-po amin'ny vavaka isika :
« Ry Jesoa Kristy be famindram-po ô, misaotra Anao izahay amin'ny Teninao. Misaotra fa tsy mitsahatra mitaiza anay Ianao mba ho tsara fiomanana amin'ny fotoana rehetra, ary mampianatra anay hitsinjo sahady ny mandrakizainay. Tehirizo ny fonay mba hanana fitokiana tanteraka sy fifandraisana tsy tapaka Aminao, Tompo ô. Amin'ny Anaranao Jesoa Kristy no anaovanay ny vavaka. Amen. »

🕊️ AN’ANDRIAMANITRA IRERY IHANY NY VONINAHITRA. AMEN ! ✨

20/10/2026

🍞‎ Mofonaina anio Talata 20 Oktobra 2026 🍞‎
🌸 Joda 17 - 23 🌸

« Fa tsarovinareo, ry malala, ny teny voalazan'ny Apostolin'i Jesoa Kristy Tompontsika fahiny; ...»
— Joda 17
‎

Mananatra antsika i Joda fa eo anatrehan’ny fampianaran-diso miely be ankehitriny, sy ny fahasimban’ny fitondran-tena eo amin’ny Fiangonana, dia ny fitazonana ny fampianarana nomen’ireo Apostoly no fahendrena. Izy ireo mantsy no niara-niaina tamin'i Jesoa, nahita ny fahagagana nataony, ny nampijaliana Azy sy ny nahafatesany ary ny nitsanganany tamin'ny maty.

Na misy aza ny tsy fitovian-kevitra mety hampisaraka, dia tsy tokony ho lavo amin’izany ny mpanaradia an'i Kristy. Koa aoka isika sy ny ankohonantsika hio***a amin’ny finoana an'i Jesoa Kristy, hazoto hamaky ny Tenin’Andriamanitra, hangataka ny fitarihan’ny Fanahy Masina, ary hitoetra hatrany ao amin’ny fitiavan’Andriamanitra.
‎
Anio ary, ry namako :
🍀 Ataovy tena fiainanao ny famakiana ny Tenin’Andriamanitra eo ambany fitarihan'ny Fanahy Masina. Manampy anao tsy ho voatariky ny fampianaran-diso izany.
‎🍀 Aza avela hahazo toerana ao am-ponao ny fifandirana fa fenoy fitiavana ny fonao. Ary indrindra, mitoera amin’ny fitiavan’Andriamanitra.
‎🍀Miorena tsara amin’ny finoana sy ny vavaka fa sarobidy ny fifandraisanao amin’Andriamanitra.
‎
❓Ny fanontaniana mipetraka amiko sy aminao ary dia izao : « Inona no ataonao rehefa misy zavatra mampisalasala na mitady hampivily lalana anao? Mamaky Baiboly sy mivavaka ve sa zavatra hafa? »

Makà fotoana handinihanao izay tian'ny Tompo Jesoa hataonao fahazarana manomboka izao.

🙏🏻 Hivavaka isika:
« Jesoa Tompo ô, misaotra noho ny Teninao mananatra ahy. Hazoto hamaky Soratra Masina aho manomboka izao, mba hanamafy o***a ny finoako Anao, Jesoa Kristy ; sy mba hampitombo ny fahalalako ka tsy ho voataonan'ny fampianaran-diso samihafa aho. Amin'ny Anaranao Mahery no anaovako izany vavaka izany. Amen.» 🤍
‎

‎❤️ AN’ANDRIAMANITRA IRERY IHANY NY VONINAHITRA. AMEN. 🙏

18/10/2026

🌼 Mofonaina anio Alahady 18 Oktobra 2026 🌼
📖 Jaona 17, 20 - 25 📖

📖 « Nefa tsy ho an'ireto ihany no angatahako, fa ho an'izay mino Ahy koa noho ny teniny; mba ho iray ihany izy rehetra, tahaka Anao Ray ato Amiko, ary Izaho koa ao Aminao, mba ho ao Amintsika koa izy; mba hinoan'izao tontolo izao fa Ianao no naniraka Ahy.» — Jaona 17, 20 - 21

Jesoa nivavaka ho antsika. Tena mampihetsi-po ny fahafantarana fa talohan’ny niaretany fijaliana sy niverenany tany amin’ny Ray, dia tsy ny tenany no tao an-tsainy, fa ireo rehetra izay mbola hino Azy.

Fa vao maika manohina ny fo ihany koa ny zavatra iray tena nangatahiny ho antsika dia izao: mba ho iray isika.
Tena tian’i Kristy hiaina ao anatin’ny firaisankina, fifankatiavana sy fifandeferana ny olony.

Ry havana malala ao amin’ny Tompo :
👉 Aoka hifankatia sy hiray hina isika fa fanehoantsika ny fahatsaran'i Kristy Izay arahintsika izany. Tsy voatery hitovy hevitra daholo akory rehefa hoe miray hina, fa kosa mitovy tanjona, dia ny handova ny fiainana mandrakizay izany, ary hitondra olona maro hakany.
👉 Halaviro ny fifankahalana, fifanenjehana, fialonana ary fisaratsarahana eo amin’ny samy mpino, fa mandrava ny fijoroantsika vavolombelona eo imason’izao tontolo izao ireny.
👉 Hamafiso kosa ny fifankatiavana sy ny fifamelan-keloka ary ny fifampitsinjovana, mba ho hitan’izao tontolo izao amin’ny fiainantsika fa tena Jesoa no ao anatintsika.
👉 Ny firaisam-po misy eo amintsika samy mpino dia tsy natao ho an'ny tombontsoantsika ihany, fa indrindra fijoroana vavolombelona amin’ny olona mbola tsy mahalala an’i Kristy.

⁉️ Ny fanontaniana ho ahy sy ho anao ary dia izao: « Ny fiainanao ve mampiray ny olona ao amin’i Kristy, sa lasa antony mampisaraka azy ireo? »

Manokàna fotoana handinihanao ny fonao. Ka raha misy fifandirana sy lolompo dia aoka hifamela. Raha misy elanelana dia aoka hifandray. Satria ny Fiangonana mifankatia sy miray dia fitoriana velona momba an’i Jesoa Kristy.

🙏 Hiombona amin’ny vavaka isika:
« Misaotra Jesoa Kristy Tomponay ô, fa tsy mitsahatra mivavaka ho anay eo anatrehan’Andriamanitra Ray Ianao. Misaotra fa nantsoinao izahay mba ho iray ao Aminao. Amoròny fo madio izahay, Jesoa ô. Fo feno fitiavana sy fandeferana, ka mba ho hita eo amin’ny fiainanay ny Fitiavanao, hahatonga izao tontolo izao ho resy lahatra ka ho tonga mpanaradia Anao koa. Amin’ny Anaranao Jesoa Kristy Tomponay no anaovanay izany vavaka izany. Amen.» 🙏

🕊️ AN’ANDRIAMANITRA IRERY IHANY NY VONINAHITRA. AMEN ! ✨

Address

Ampahimanga
Ambohimanambola
103

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Arise and Thrive - Tanora Misionera Ambohimanambola posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share

Nearby non profit organizations