Arise and Thrive - Tanora Misionera Ambohimanambola

Arise and Thrive - Tanora Misionera Ambohimanambola «Mitsangàna, mihazavà, fa tonga ny fahazavanao ...»
- Isaia 60 : 1 -

21/08/2026

🌼Mofonaina anio Zoma 21 Aogositra 2026 🌼
🌸 Matio 25, 14 - 30 🌸

« Hoy ny tompony taminy: Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky; nahatoky tamin'ny kely ianao, dia hotendreko ho mpanapaka ny be; midira amin'ny fifalian'ny tomponao.» — Matio 25, 21

🌿 Izay rehetra nomen’Andriamanitra antsika dia misy antony sy andraikitra mifanaraka aminy daholo.
Eto amin'ity Mofonaina anio ity, ireo mpanompo nahazo talenta dimy sy roa dia samy nampiasa sy nampitombo izany, fa ilay nahazo talenta iray kosa dia tsy nanao n'inona n'inona fa naleviny ny azy. Nankasitrahan’ny tompony ireo izay nahatoky ka nampiasa izay nankinina taminy. Hatezerana sy sazy kosa no azon'ilay mpanompo kamo.

Ry namako :
💫 Aza avela ho very maina ny talenta sy ny fahafahana nomen’i Jesoa Kristy anao.
💫 Ampiasao sy ampitomboy izany : anaovy ny asan’Andriamanitra, anasoavy sy ampaherezo ny hafa, zarao raha azonao atao.
💫 Ataovy am-pitiavana, ary vitao tsara ny andraikitra ankinina aminao. Mazotoa mizara ny asam-pamonjena nataon'i Kristy. Na dia kely aza ny zavatra anananao sy hainao, dia aza atao sakana fa afaka ampiasain’i Jesoa amin’ny asany izany. Ny finoanao sy ny fahavononanao no tadiaviny.

❓Ny fanontaniana ho antsika ary dia izao :
« Inona avy ireo talenta na fahafahana nomen’ny Tompo Jesoa anao ? Efa nampiasainao nanaovana ny asan'Andriamanitra sy nanasoavana ny hafa ve izany ?»

Makà fotoana handinihanao izay tian'i Jesoa Kristy hataonao mikasika izany.

🙏🏻 Hivavaka isika :
« Mankasitraka, Jesoa Tompo ô, noho izay rehetra nomenao ahy. Hiezaka hatrany aho hampiasa amin’ny asanao izay talentako sy fahaizako. Matoky sy mino aho fa Ianao no mampitombo izay kely ananako, ka sahy aho hampiasa sy hizara izany, ho Voninahitrao irery ihany. Amin’ny Anaranao Mpamonjy. Amen. »

AN'ANDRIAMANITRA IRERY IHANY NY VONINAHITRA. AMEN! 🙏🕊️

20/08/2026

⭐ Mofonaina anio Alakamisy 20 Aogositra 2026 ⭐

🌸 Jaona 17, 20 - 25 🌸

📖 « Nefa tsy ho an'ireto ihany no angatahako, fa ho an'izay mino Ahy koa noho ny teniny. » — Jaona 17, 20

Nivavaka ho an'ny mpianany ny Tompo Jesoa mialoha ny nisamborana Azy. Tsy ho azy ireo irery ihany anefa ny vavaka nataony fa mandrakotra ny olona rehetra izay mino Azy.

Ny finoantsika Kristiana dia tsy tongatonga ho azy fa avy tamin'ny alalan'ny "Teniny". Izany hoe finoana miorina amin'ny fampianaran'ny Apostoly izay vavolombelona nanatri-maso ireo asa sy Toriteny, eny ny fiainan'i Jesoa Kristy mihitsy. Rehefa avy niaina niaraka tamin'i Jesoa izy ireo dia nitory tamin'ny olona hafa, ary ireny indray no nitory tamin'ny taranaka manaraka ka tonga aty amintsika ankehitriny.

Koa amin'izany ry Kristiana namako, tsarovy mandrakariva fa:

🤍 Ianao izay mamaky sy mino ny Tenin'Andriamanitra ankehitriny dia manana lanja eo imasony, satria Izy Jesoa mihitsy no efa nitondra anao tao am-pony teo anatrehan'ny Ray.

🤍 Manana andraikitra ianao hitory ny Filazantsara amin'ny hafa, satria efa nino noho ny Teny ianao ka tokony hizara izany amin'ny hafa koa, mba hisy olona hino indray amin'ny alalan'ny fitoriana ataonao.

🤍 Meteza ho mpampiray tahaka an'i Jesoa Kristy, fa tsy sanatria mpampisaraka. Ny firaisan-kina sy ny fitiavana misy eo amintsika mpino no porofo lehibe indrindra ho hitan'izao tontolo izao fa marina ny Filazantsara.

❓Ny fanontaniana mipetraka amin'ny tenanao androany ary dia ny hoe : « Moa ve ny fomba fiainanao sy ny teninao dia manampy ny hafa hino an'i Jesoa Kristy? »

Makà fotoana hisaintsainanao izay tian'i Jesoa Kristy hihavaozanao sy hohamafisinao anio.

🙏 Hiombona amin'ny vavaka isika:

« Jesoa Zoky be fitia ô, misaotra Anao izahay noho ny hafatrao izay mampianatra anay hatrany hizara ny Teninao amin'ireo namanay. Manaiky hataonao fitaovana izahay ka mba ho tena mpitondra ny hafatrao tokoa fa tsy ho mpitazana fotsiny. Aoka ny teny rehetra aloaky ny vavanay sy ny fihetsika rehetra ataonay dia ho fitoriana velona Anao mandrakariva, mba hanambarana ny Fahamarinanao sy hanehoana ny Voninahitrao amin'ny fotoana rehetra. Ny herin'ny Fanahinao Masina no iankinanay hahatanterahanay izany. Amin'ny Anaranao Jesoa Kristy Tomponay. Amen. »

🕊️ AN'ANDRIAMANITRA IRERY IHANY NY VONINAHITRA. AMEN! 🙏🏻✨

19/08/2026

✨ Mofonaina anio Alarobia 19 Aogositra 2026 ✨
📖 Salamo 101, 1 - 8 📖

« Tsy hampitoetra zava-dratsy eo anoloan'ny masoko aho; halako ny mivadika, tsy hikambana amiko izany. Ny fo maditra hiala amiko; tsy hankasitraka izay ratsy aho. » — Salamo 101, 3 - 4

🌿 Rehefa nandray ny fitondrana i Davida Mpanjaka, dia fantany fa ny fitantanana fanjakana maharitra sy manana ny fitahian'Andriamanitra dia manomboka amin'ny fahadiovan'ny fon'ilay mpitarika sy ny olona manodidina azy. Ity salamo ity dia voady nataony eo anatrehan'Andriamanitra amin'ny fomba hitondrany ny fiainany manokana sy ny fanjakany.

Maneho ny finiavany sy ny fanapahan-keviny hiaina amin’ny fahitsiana eo anatrehan’ Andriamanitra i Davida, hiala amin’ny ratsy sy tsy hankasitraka izany. Safidy no nataon'i Davida teto.

Isika mpanaradia an'i Kristy koa dia mila manao safidy tsara tahaka an'i Davida :
🎯 Mialoha ny hijerenao, hihainoanao, na hanaovanao zavatra iray dia diniho tsara aloha hoe: “Mahasoa ny fifandraisako amin’Andriamanitra ve ity, sa mampanalavitra ahy Aminy?”
🎯 Raha fantatrao fa misy zavatra, na olona, na fahazarana tsy mifanaraka amin'ny sitrapon' Andriamanitra eo amin'ny fiainanao, dia manapaha hevitra dieny izao hiala amin'izany. Mangataha Hery avy amin'ny Tompo Jesoa hahavitanao izany.
🎯 Mangataha hatrany fahendrena sy fahononan-tena avy amin'i Kristy Jesoa, hahafahanao manao safidy tsara eo amin'izay ataonao rehetra.

❓Ny fanontaniana ho ahy sy ho anao ary dia izao : « Mety mbola misy zavatra ataonao ve nefa tsy mahasoa ny fifandraisanao amin’Andriamanitra? »

Makà fotoana handinihanao izay tian'i Jesoa Tompo hanafahana anao.

🙏 Hiaraka hivavaka isika :
« Omeo fo madio aho, Jesoa malala ô. Ary mangataka ny fiarovanao aho, mba hahaizako mitandrina izay avelako hiditra ao anatiko. Omeo fahendrena aho hahafantarako izay ratsy, ka hasahiako hiala amin’izany. Vonona aho, Tompo ô, ny hiala sy tsy hankasitraka ny ratsy, fa handeha hatrany amin’ny làlana marina. Ny Fanahinao Masina no hiankinako hanatanterahako izany. Amin'ny Anaranao Kristy. Amen.»

🕊 AN’ANDRIAMANITRA IRERY IHANY NY VONINAHITRA. AMEN 🕊✨

18/08/2026

Mofonaina anio Talata 18 Aogositra 2026
🌸 Deoteronomia 26, 5 - 11 🌸

« Dia nitaraina tamin'i Jehovah, Andriamanitry ny razantsika, isika, ka nihaino ny feontsika Izy ary nijery ny alahelontsika sy ny asantsika ary ny fahoriantsika.» — Deoteronomia 26, 7

Izao andalan-tSoratra Masina izao dia ampahana fijoroana vavolombelona sy fisaorana fanaon'ny Isiraely tamin'ny fotoana nitondrany ny voaloham-bokatra ho an'Andriamanitra rehefa niaina tao amin'ny tany nampanantenaina izy ireo.

Mbola manan-kery amintsika mpanaradia an'i Kristy ankehitriny koa izany Teny izany, satria mampatsiahy antsika ny Fitiavan'Andriamanitra sy ny fikarakarany ny olony amin'ny fotoam-pahoriana.

Koa ny hafatra ho antsika anio ary dia ny hoe:
🕊 Mitodiha amin'Andriamanitra rehefa tojo fahoriana ianao fa Andriamanitra mihaino vavaka Izy ary mandre sy mamaly ny antson'ny ory fo.
🕊 Tsarovy fa tsy irery ianao fa fantatr'i Jesoa Kristy tsara ny alahelo sy ny zava-tsarotra lalovanao : na eo amin'ny asa na fianarana izany, na eo amin’ny fiarahamonina, na eo amin’ny fianakaviana, sns. Matokia fa mamaly anao amin'ny fotoanany Izy.
🕊 Tadidio fa Izy ilay Andriamanitra Izy hatrizay hatrizay ka ho mandrakizay, Ilay nitazona ny fampanantenany hatramin'izay. Izy mihitsy no efa mandray an-tanana ny momba anao rehetra.

Koa manomboka izao ary, na inona na inona olana, fahoriana, sedra mety lalovanao dia ento eo amin'i Kristy Jesoa izany fa Andriamanitra mihaino sy mamaly vavaka Izy. Miantoraha tanteraka aminy fa tsy manao tsinotsinona ny alahelonao Izy.

❓Ny fanontaniana mipetraka amiko sy aminao ary dia izao: « Rehefa tojo olana sy fahoriana ianao, iza no itodihanao voalohany? Manana finoana mivaingana ve ianao fa mahita ny fahorianao sy mandre ny fitarainanao rehetra Andriamanitra? »

Makà fotoana handinihanao izany tian'i Jesoa Kristy hanamafisanao finoana anio.

🙏🏼 Hiombona amin'ny vavaka isika: « Ry Andriamanitra Rainay be fitiavana ô, misaotra noho ny Teninao izay mbola mampianatra anay hatoky Anao hatrany. Manomboka izao izahay dia hiantoraka tanteraka Aminao na inona na inona fahoriana miseho eo amin'ny fiainanay, satria fantatray fa Ianao Jesoa Kristy izay efa naharesy ny fahafatesana, ilay fahavalo lehibe indrindra no miara-dalana aminay. Amin'ny Anaranao Jesoa Kristy Mpamonjy anay no anaovanay ny vavaka. Amen.»

🕊 AN’ANDRIAMANITRA IRERY IHANY NY VONINAHITRA. AMEN! ✨🙏

17/08/2026

🕊 Mofonaina anio Alatsinainy 17 Aogositra 2026
🤍 II Korintiana 1, 17 - 24 🤍

📖 « Fa na firy na firy ny Teny fikasan' Andriamanitra, dia ao Aminy ny Eny, ary amin'ny alalany koa ny Amena, ho voninahitr' Andriamanitra amin'ny ataonay.» — II Korintiana 1, 20

🌿 Nisy olona tao Korinto nitsikera an’i Paoly Apostoly, ka nilaza fa tsy azo itokisana izy. Nikasa ho any Korinto mantsy izy saingy nahemony izany.
Mba hiarovany ny fahamarinan’ny hafatra toriany dia namaly i Paoly fa ny olombelona mety hiova sy tsy tonga lafatra, saingy ny Tompo Andriamanitra izay toriany kosa dia tsy miova ary tsy mivadika amin’ny fampanantenany.

Eny tokoa, ry namako, mahatoky tanteraka amin'ny Teny fikasany ny Andriamanitsika. Na inona na inona zavatra iainantsika, dia afaka mahazo antoka isika fa tsy miova IZY, ary mitàna ny teny nomeny.

Mampahery anao ary Jesoa Kristy Tompontsika anio :
✨ Hamafiso hatrany ny finoanao AZY, ka ataovy azonao antoka fa manapaka ao am-ponao IZY.
✨️ Mifikira amin’ny Tenin’Andriamanitra na inona na inona zava-mitranga eo amin’ny fiainanao, fa aina ho anao izany.
✨ Esory ny fisalasalana sy fahakiviana rehefa tojo olana, na koa rehefa miandry valim-bavaka, fa mivavaha hatrany ka aza mitsahatra. Manàna faharetana fa IZY Tompo no mahalala ny tsara indrindra ho anao.

❓Ny fanontaniana ho saintsainintsika ary dia izao : « Matoky ny teny fikasan’Andriamanitra ho anao ve ianao? Ary mino ve ianao fa manana ny fotoanany IZY amin'ny valim-bavaka andrasanao? »

Makà fotoana handinihanao izay tian'i Kristy Jesoa ho hanamafisanao finoana manomboka izao.

🙏 Hivavaka ary isika :
« Ry Jesoa Kristy Tompoko sy Mpamonjy ahy ô, misaotra noho ny Teny fikasana nomenao ahy. Mino sy matoky Anao aho, Tompo ô. Ny Fanahinao Masina anie hampaharitra ahy amin'ny fiandrasana Anao. Ary ny fiainako rehetra sy izay ataoko dia ho voninahitry ny Anaranao irery ihany . Amin'ny Anaranao Jesoa Kristy no anaovako izany vavaka izany. Amen.»

AN’ANDRIAMANITRA IRERY IHANY NY VONINAHITRA. AMEN. 🤍 ✨

16/08/2026

Mofonaina anio Alahady 16 Aogositra 2026

🤍 Efesiana 2, 8 - 10 🤍

✨ « Fa fahasoavana no namonjena anareo amin'ny finoana; ary tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin'Andriamanitra; tsy avy amin'ny asa, fandrao hisy hirehareha.» — Efesiana 2, 8 - 9

Mba hanamora ny fahazoantsika ny atao hoe "Fahasoavana" dia andeha haka ohatra tsotra isika : olona iray nanao heloka bevava izay mendrika sazy am-ponja sy fanamelohana ho faty mihitsy, saingy tsy vitan'ny hoe navotsotry ny Mpitsara fotsiny izy, fa naloany koa ny trosany rehetra, navoakany tamin'ny sazy ilay mpanao heloka, ary natsangany ho zanany tao an-tranony mihitsy, ka nataony mpandova ny harenany rehetra.

Tsy misy n'inona n'inona nataon'io olona io mba hahazoany izany rehetra izany, fa vokatry ny fitiavan'ilay Mpitsara azy fotsiny izao.

Ny Fahasoavana, ry havana, dia ny fitiavana sy fanehoam-pitiavana ataon'Andriamanitra amin'ny olona, nefa tsy mendrika izany akory isika, ary tsy nanao n'inona n'inona hahazoana izany.

Ry havana malala :

💫 Ekeo sy itokio ny Fahasoavan'Andriamanitra.

💫 Minoa an'i Jesoa Kristy Tompo, fa izay ihany no andrasany aminao. Tsy miandry ezaka avy aminao Izy, na ny hatsaran-toetranao fa efa vitan'i Jesoa teo amin'ny hazofijaliana izay tokony ho nataonao rehetra.

💫 Raiso ny Famonjena izay Fanomezana maimaimpoana avy amin’Andriamanitra ho anao.

❓️ Ny fanontaniana mipetraka amiko sy aminao ary dia izao: « Efa noraisinao ve ny Fahasoavan'Andriamanitra, satria mahatsiaro ho mila Famindram-po sy Famonjena ianao ? »

Makà fotoana handinihanao izay tian’i Jesoa Kristy hanomezan-toky anao anio.

🙏 Hivavaka isika :

« Misaotra, Jesoa Tompo ô, noho ny Fitiavanao ahy na dia tsy mendrika aza aho. Misaotra fa nampatsiahivinao ahy anio fa tsy amin'ny alalan'ny ezaka ataoko na izay mety ho fahatsarako no hidirako any an-danitra, fa noho ny finoako Anao irery ihany. Tompo ô, ampitomboy ny finoako Anao. Amin’ny Anaranao Mpamonjy no anaovako izany vavaka izany eo anatrehan'Andriamanitra Ray. Amen. »

AN’ANDRIAMANITRA IRERY IHANY NY VONINAHITRA. AMEN. 🕊

15/08/2026

Mofonaina anio Sabotsy 15 Aogositra 2026
🍀Filipiana 2, 12 - 18 🍀

📖 « Koa amin'izany, ry malalako, tahaka ny nanekenareo mandrakariva, tsy fony teo aminareo ihany aho, fa ankehitriny dia bebe kokoa aza raha tsy eo aho, miasà amin'ny tahotra sy ny hovitra hahatanteraka ny famonjena anareo. Fa Andriamanitra no miasa ao anatinareo na ny fikasana na ny fanaovana hahatanteraka ny sitrapony.» — Filipiana 2, 12 - 13


‎Matetika isika no mieritreritra fa irery amin’ny ady sy ny fanarahana an’Andriamanitra. Indraindray isika reraka, kivy, na mahatsiaro ho tsy ampy hery hanohy ny lalana. Kanefa mampahery antsika izao Tenin’Andriamanitra izao fa Andriamanitra no miasa ao anatintsika.

‎Tsy irery isika rehefa miezaka mankatò Azy, Izy no mametraka ao am-pontsika ny faniriana hanao ny tsara ary Izy ihany koa no manome antsika hery hanatanterahana izany. Koa na dia sarotra aza ny lalana, dia antsoin’ny Tompo isika hitoetra amin’ny finoana sy ny fankatoavana.

‎Miantso anao anio ny Tompo, ry namako:

‎☘️ Miasà amim-pahatokiana sy amim-panajana eo anatrehan’Andriamanitra.
‎☘️Aza kivy rehefa sendra fahalemena, fa Andriamanitra no manome hery.
‎☘️Matokia Azy fa Izy no miasa ao anatinao amin'ny fotoana rehetra.
‎☘️Mifikira amin’ny Teniny ary ankatoavy ny Sitrapony.
‎☘️ Avelao hitarika ny fiainantsika ny Fanahy Masina.

‎❓️ Ny fanontaniana mipetraka amiko sy aminao ary dia izao: « Rehefa miatrika fahasarotana amin’ny fiainam-panahy ianao, dia miantehitra amin’ny herinao ve sa matoky fa ny Fanahy Masina no miasa ao anatintsika?»

‎Manokàna fotoana handinihanao izay tian’ny Tompo Jesoa hampaherezana anao mikasika izany. 🤍

‎🙏 Hiombona amin’ny vavaka isika:
« Jesoa Tompo ô, misaotra fa tsy irery izahay amin’ny fanarahana Anao. Ianao no miasa ao anatinay, manome faniriana sy hery hanatanteraka ny sitraponao. Vonona izahay hitoetra amin'ilay fahalalana tsara sy fankatoavana Anao isan’andro. Amin’ny Anaranao Jesoa Kristy no anaovanay izany vavaka izany .Amen » 🤍


‎❤️ AN’ANDRIAMANITRA IRERY IHANY NY VONINAHITRA. AMEN. 🙏

14/08/2026

🌿 Mofonaina anio Zoma 14 Aogositra 2026 🌿
📖 Ohabolana 12, 17 - 28 📖

« Amin'ny lalan'ny fahamarinana no misy fiainana, Ary ny tsy fahafatesana no lalan-kalehany.» — Ohabolana 12, 28

Andriamanitra dia manome safidy malalaka antsika olombelona foana, izay no maha-Andriamanitra Fitiavana Azy. Manana safidy isika na handeha amin'ny lalan'ny fahamarinana na handeha amin'ny lalan'ny faharatsiana.

Ny olona mandeha amin'ny lalan'ny fahamarinana dia ireo mandala ny rariny sy ny hitsiny, mizara fitiavana, ary mankatoa ny sitrapon'Andriamanitra. Ny finoany an'i Jesoa Kristy no mibaiko ny ataony rehetra.
Ny valisoa ho azy ireny dia ny "fiainana", izany hoe fiadanana, fitahiana, ary indrindra ny fiainana mandrakizay.

Ireo olona mandeha amin'ny lalam-paharatsiana kosa dia izay misafidy ny hanota, hamitaka, na hanao ny tsy rariny. Ny fiafaran'izany dia "fahafatesana" sy fandringanana ary fahaverezana mandrakizay.

Ry Kristiana havana, matoa ianao mbola mahita izao hafatra izao dia te hiteny aminao ny Tompo Andriamanitsika :
➡️ Mahaiza misafidy tsara izay lalana hizoranao fa izany no mamaritra ny hoavinao.
➡️ Safidio ny handeha amin'ny lalan'ny fahamarinana, ka halaviro lalan'ny faharatsiana.
➡️ Isaky ny hanao zavatra ianao dia manontania tena hoe: "Ity fanapahan-kevitra horaisiko ity ve mitondra ahy mankany amin'ny fiainana sa mankany fahaverezana?
➡️ Rehefa tezitra, na alaim-panahy hanao zavatra tsy marina ianao dia mijanòna kely ary tadidio fa ny fahamarinana dia miaro ny olona, fa ny faharatsiana kosa dia fandrika ho an'izay mandeha aminy.

❓️Ny fanontaniana mipetraka amintsika ary dia ny hoe: « Fiainana sy fiadanana ve no tadiavinao rahatrizay sa fahafatesana sy fandringanana ? »

Makà fotoana handinihinao izay tian'ny Tompo Jesoa hosafidianao anio.

🙏 Hivavaka isika:
« Tompo Malala ô! Tsy mitsahatra misaotra Anao izahay fa lehibe loatra ny fitiavanao anay. Vonona tokoa izahay hiala amin'ny lalana ratsy falehanay ka hisafidy ilay lalana marina efa natoronao anay, dia tsy inona izany fa ny lalana mitondra ho amin'ny fiainana. Amin'ny anaranao Jesoa Kristy Mpamonjy anay no hanaovanay izany vavaka izany. Amen.»

AN’ANDRIAMANITRA IRERY IHANY NY VONINAHITRA. AMEN 🙏🕊️

13/08/2026

Mofonaina anio Alakamisy 13 Aogositra 2026
🤍 Matio 21, 23 - 32 🤍

📖 « Ka iza moa amin'izy mirahalahy no nanao ny sitrapon'ny rainy? Hoy izy: Ny lahimatoa. Dia hoy Jesoa taminy: Lazaiko aminareo marina tokoa fa ny mpamory hetra sy ny vehivavy janga efa mialoha anareo ho amin'ny Fanjakan' Andriamanitra.» — Matio 21, 31

Mampianatra antsika ny Tompo Jesoa fa tsy ampy ny miteny hoe “Eny, Tompo ô” raha tsy arahina fanatanterahana izay asainy atao izany.

Asehoy ary ny finoanao marina :
📖 amin’ny alalan'ny fankatoavanao ny Tenin'Andriamanitra,
♥️ amin’ny alalan'ny fitiavanao ny hafa,
⚪️ amin’ny alalan'ny fahamarinana sy izay ataonao rehetra amin’ny fiainana andavanandro.

Na dia mety ho diso sy nanalavitra an’Andriamanitra aza ianao, dia tsarovy fa mbola misy foana ny fahafahana mibebaka sy miverina Amin’ny Tompo Andriamanitsika. Tsy ny lasanao no mamaritra anao, fa ny fiverenanao Aminy sy ny fiovam-piainanao.

☝️ Noho izany, aza atao teny fotsiny ihany ny finoanao, fa asehoy amin’ny ataonao sy ny fiainanao izany.

❓️Ny fanontaniana ho ahy sy ho anao ary dia izao: « Inona daholo no azonao ovaina manomboka anio mba hanaovanao ny sitrapon’Andriamanitra? »

Makà fotoana handinihanao izay tian'i Kristy hihavaozanao eo amin’ny fiainanao mba hahatonga anao ho mpihaino mpankatoa Azy fa tsy mpihaino manadino.

🙏 Hiombom-po amin’ny vavaka isika :
« Ry Andriamanitra Rainay ô, indreto izahay manatona Anao, manamafy ny fanoloran-tenanay haneho amin'ny asanay sy ny fiainanay ny finoanay sy ny fankatoavanay ny Didy sy ny Baikonao. Tsy ho am-bava fotsiny ny fitiavanay Anao, fa hasehonay amin’ny fandraisanay an'i Jesoa Kristy Zanakao ao am-ponay. Amin’ny Anaran’i Jesoa Tompo sy Mpamonjy anay no anaovanay izany vavaka izany. Amen. »

🕊 AN’ANDRIAMANITRA IRERY IHANY NY VONINAHITRA. AMEN 🙏🏾

12/08/2026

Mofonaina anio Alarobia 12 Aogositra 2026
🌼 1 Korintiana 10, 1 – 12 🌼

✨️ « Koa izay manao azy fa efa mijoro tsara, dia aoka izy hitandrina, fandrao ho lavo.» — I Korintiana 10, 12

NY TENA KRISTIANA dia mila mijoro mahitsy amin'ny finoany an'i Jesoa Kristy fa tsy mitongilana na mangozohozo mora lavo.

NY TENA KRISTIANA dia tsy mitady mpanohana lava, ka rehefa miala ilay tohana dia mianjera.

Mampahery antsika ary ny Tompo Andriamanitsika anio :
✨️ Miorena tsara, aza miova na dia betsaka aza ny mpanakihana sy mpanenjika noho ny finoanao.
✨️ Meteza ho ohatra tsara ho an’ny hafa amin’ny fiainanao sy ny ataonao rehetra.
✨️ Aza adino fa misy ny miandry kendrin-tohana anao ho lavo fotsiny.
✨️ Manàna fanetren-tena manoloana ny hafa.
✨️ Ataovy amin'ny fo feno fitiavana izay ataonao rehetra.
✨️ Hazòny mafy ny finoanao n’inona zava-mitranga eo amin’ny fiainanao.

❓ Ny fanontaniana mipetraka amiko sy aminao ary dia izao : « Tena kristiana efa mijoro marina ve ianao ary efa tonga ohatra ho an’ny hafa ny fiainanao miaraka amin’i Jesoa Kristy ? »

Manokàna fotoana handinihanao izay tian'ny Tompo Jesoa hamafisina aminao momba izany.

🙏 Andeha hivavaka isika:
« Ray malala ô, vonona izahay ny hijoro amin’ny maha kristiana anay hatramin’ny farany ka ho tonga ohatra tsara ho an'ny manodidina anay rehetra. Aoka Jesoa Kristy Tomponay, mba ho Ianao irery ihany no ho hitan’ny olona ety aminay. Amin’ny Anaranao Kristy Mpamonjy. Amen.» 🙏🏽 🤍

🕊️ AN’ANDRIAMANITRA IRERY IHANY NY VONINAHITRA. AMEN ! ✨

Address

Ampahimanga
Ambohimanambola
103

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Arise and Thrive - Tanora Misionera Ambohimanambola posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share