30/10/2023
Manentana antsika rehetra ❤️❤️❤️
❤️🥹💐🙏
FANDAHARAM-POTOANA anaty hetsika "HIRAY ❤ FO" izay iarahana amin'ny Association Divine Madagascar sy ny L'Ancre du Salut Madagascar manomboka ny 10 Nov. ka hatramin'ny 16 Dec. 2023
_________________
🔹• 10 Novembre :
LANCEMENT DE LA CAMPAGNE DE COMMUNICATION
et ANIMATION “EN LIGNE”
Fanombohan'ny hetsika sy ireo fanentanana samihafa ho ataontsika eto amin'ny tambazotra.
🔹• 15 Novembre. au 15 Decembre :
RECOLTE des DONS matériels, habillement, jouets, PPN etc...
(récupération à domicile)
- Anatin'ity fotoana ity isika dia afaka manolotra fitaovana, na kilalao, na kojakoja isan-karazany izay mba foinao ho an'ireo ankizy tsy misy mpihay sy fianakaviana hita fa tena marefo ireo.
- Azonao atao ny manatitra izany mivantana eny amin'ny CENTRALE AiO Ambohibao (eo amin'ny Arrêt PHARMACIE) na koa ao amin'ny Restaurant GRILLARO Antanimena
- Na koa misy ireo antsointsika hoe "LIVREUR/COURSIER" miara miasa aminay, afaka manantona anareo dia maka izay tolo-tanana na fanomezana omenareo any amin'izay toerana misy anareo.
[ Afaka mandefa MP avy hatrany manome ny toerana sy tél ary ny zavatra omenareo ]
🔹• Récolte de vos AIDES FINANCIERES par Mobile banking
la liste des donateurs sera publiée (par semaine) sur notre page
- Misy ianareo izay tsy afaka ny hanolotra an'ireo karazana fanomezana voatanisa etsy ambony ireo, fa vola. Dia ireto misy "COUPON" natokana indrina afahanareo manao fanampiana sy fanohanana alefa Mvola amin'ny : 038 67 159 73 (Jeanne) izany :
💚ara-tsakafo : 2.500Ar
💜ara-pianarana : 2.500Ar
💙ara-pahasalamana : 3.000Ar
Afaka manao safidy amin'ireo 3 voalaza ireo ianareo ho fanohanana tianareo atao, afaka izy 3 avy hatrany ihany koa no ataonareo ! fa izay alefanareo dia ho SORATANTSIKA mazava eto amin'ny PEJY avy hatrany isaky ny ALAHADY hariva.
🔹• VENTE DES T-SHIRT ''HIRAY ❤ FO''
(5% du prix sera versé au compte des associations bénéficiaires)
- Hisy ihany koa ny varotra T-SHIRT izay ho ataontsika mba hanampiana an'izy ireo ary ny 5% vidin'izany dia omena azy ireo manontolo.
🔹• Samedi 16 Déc. CLÔTURE
- Remerciement de tous les donateurs
- Distribution des dons matériels, jouets, PPN etc...
- LA MARCHE ''HIRAY ❤ FO'' : une manifestation publique
Acte de bienfaisance envers
LES ENFANTS DÉMUNIES ET FAMILLES DEFAVORISEES
Ato ny fotoam-pamaranana ary dia hanao DIA BE isika hanamarika ny fotoana sy haneho fa HIRAY FO isika hanolotra sy hanaporofo indray izany FITIAVANA izany. Indrindra ho an'ireo ankizy kely sy fianakaviana tena sahirana sy latsaka anaty fahantrana tanteraka ireo.
_________________
Manasa anao zahay, ary tena manentana anao, na avy aiza misy anao na avy aiza eto Madagasikara na any ivelany dia fotoana iray ity hanaovantsoa amin'ny mpiara-belona.
Chubbyy Madagascar