30/10/2026
⚽🏀🚴♂️ HETSIKA VAOVAO MAMPIAVAKA: FANATANJAHANTENA HO AN’NY FANDRIAMPAHALEMANA – TOURNOI DE LA PAIX
📍 Kaominina Ambanivohitra Miary, Distrikan’i Toliara II, Faritra Atsimo-Andrefana, 14 Oktobra 2026
🏀 Fifaninanana Baolina kitra ho an’ny Fandriampahalemana
📍 Kaominina Ambanivohitra Ambahikily, Distrikan’i Morombe, Faritra Atsimo-Andrefana, 23 Oktobra 2026
🚴♂️ Fifaninana Baolina kitra ho an’ny Fandriampahalemana.
Ao anatin’ny fanatanterahana ny Tetikasa Landja – « Lalàna Arindran’ny Dina, Raha Jiaby Ara-drariny », dia nanatanteraka hetsika vaovao mampiavaka ho fampiroboroboana ny fandriampahalemana teto amin’ny Faritra Atsimo-Andrefana ny Réseau des Jeunes OBS Mada Atsimo-Andrefana.
Nampiasaina ho fitaovana iray hampiraisana ny tanora sy ny vehivavy ary ny mpiara-belona ny fanatanjahantena, sady sehatra iray hampitana hafatra sy hanentanana ny rehetra handray anjara amin’ny fanamafisana ny fandriampahalemana sy ny firaisankina eo anivon’ny fiarahamonina.
🏀 Tao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Miary, ny fifaninanana Baokina kitra ho an’ny lehilahy, izay natao ho hetsika ho an’ny fandriampahalemana, dia nanjary sehatra iray nampitana hafatra sy nanentanana ny tanora ary ny fiarahamonina mikasika ireto lohahevitra ireto:
🔹 Ny anjara toerana sy ny lanjan’ny Dina eo amin’ny fiarahamonina;
🔹 Ny fifandraisana sy ny fifamenoan’ny Dina sy ny Fitsarana ara-panjakana;
🔹 Ny fandraisan’anjaran’ny olom-pirenena amin’ny fanaraha-maso ny asam-panjakana (CCAP);
🔹 Ny zo sy ny adidin’ny olom-pirenena.
🚴♂️ Tao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Ambahikily, ny fifaninana baolina ho an’ny fandriampahalemana kosa dia nampiroborobo ny firaisankina, ny fifanajana, ny fifaninanana amim-pahamarinana (Fair-play) ary ny fiaraha-mientan’ny tanora ho amin’ny fananganana fiarahamonina milamina sy mirindra.
💬 Nandritra ireo hetsika roa ireo dia nisy ihany koa ny fotoana natokana ho an’ny fifampizarana sy ny fanentanana, izay nahafahan’ireo mpandray anjara sy ny mpiara-belona nahafantatra bebe kokoa ny hafatra sy ireo vokatra ara-pifandraisana novokarin’ny Tetikasa LANDJA.
🤝 Amin’ny alalan’ny fanatanjahantena, ny Tetikasa LANDJA dia mikendry ny:
- Hampiroborobo ny kolontsain’ny fandriampahalemana sy ny fifanajana;
- Hanamafy ny firaisankina sy ny fihavanana eo anivon’ny fiarahamonina;
- Hamporisika ny fandraisan’anjaran’ny tanora sy ny vehivavy amin’ny raharaham-piarahamonina;
- Hampivelatra ny toe-tsaina tia fifaninanana amim-pahamarinana sy ny fifampitokisana;
- Hampiroborobo ny fandraisana andraikitra sy ny fandraisan’anjaran’ny olom-pirenena amin’ny fananganana fiarahamonina milamina.
🇲🇬 Ny Tetikasa LANDJA dia vatsian'ny UN Peacebuilding Fund Madagascar - Fonds pour la Consolidation de la Paix (UN PBF – Tahirim-bola ho an'ny Fampiorenana ny Fandriampahalemana), tanterahin’ny PNUD Madagascar, ny Biraon’ny Firenena Mikambana misahana ny Zon’olombelona na Nations unies - Haut-Commissariat aux droits de l'homme (HCDH) ary ny MSIS TATO MSIS Multi-Sector Information Service, miaraka amin’ny Réseau des Jeunes OBS Réseau des jeunes Obs-Mada Atsimo-Andrefana, eo ambany fiahian’ny Ministeran'ny Fitsarana Malagasy.
Mpiara-miombon’antoka sy mpisehatra:
Observatoire National des Droits Humains Atsimo-Andrefana
SIOKA
ONG Ivorary
Tovo Bernard
Tj Onjaniaina
Alain Coutiti