16/05/2026
🌟 INONA MARINA MOA NY ATAO HOE "ÉTHIQUE" (ETIKA)? 🤔📖
Ny Etika dia fomba fisitrahana sy fandinihana lalina mampisafidy antsika eo amin'ny "izay tsara sy tokony hatao" sy ny "izay ratsy tokony hialana".
Tsy miankina fotsiny amin'ny lalàna voasoratra izy io, fa miorina indrindra amin'ny:
✨ Feon'ny fieritreretana
🤝 Fahamendrehana
🌍 Fanajana ny maha-olona mba hahafahana miara-monina amim-pifankatiavana sy amim-pahalalahana.
🚀Amin'izao fotoana izao, ny etika dia tsy eritreritra anaty boky fotsiny intsony, fa hery sy fitaovana ampiharina mivantana eny an-kianja sy eo amin'ny fiainana andavanandro mpiara-belona. Miorina amin'ireto foto-kevitra lehibe 3 ️⃣ ireto izany:
🧭 Ny tondro-zotra anaty (La boussole personnelle) : Ity ilay hery mandrisika anao hanao izay hitsiny sy ny marina foana, na dia tsy misy olona mijery anao aza, ary na dia tsy misy lalàna manery anao hanao izany aza.
❤️ Ny fanajana ny hafa (Le respect de l'autre) : Ny fametrahana ny dinitra sy ny fahamendren'ny maha-olona, ny hitsiny (équité), ary ny fahaiza-miantra ny namana ho ambonin'ny tombontsoa manokana na ny fitadiavam-bola.
🌱 Ny fandraisana andraikitra (La responsabilité) : Ny fandinihana sy ny fahafantarana mialoha ny ho vokatry ny asa sy ny safidy hataontsika eo amin'ny fiaraha-monina sy eo amin'ny tontolo iainana.