18/02/2026
🇲🇬 🎂 Faha-25 taona CAFF 🎂✍️
Tompo-tany sy tompon’andraikitra isan-tsokajiny,
Ry vahiny manan-kaja,
Ry mpikambana ao amin’ny
Collectif des Associations de Femmes de Fianarantsoa (CAFF),
Ry ray aman-dreny, zoky sy zandriny, zanaka ary zafy,
✍️ Andro lehibe sy manan-tantara ho antsika rehetra ity andro anio, satria mankalaza ny faha-25 taona niorenan’ny CAFF isika, fikambanana nijoro sy mbola mijoro ho mpiaro ny zon’olombelona, indrindra ny zon’ny vehivavy, ny ankizy ary ny fianakaviana manerana ny ex-province de Fianarantsoa.
🫶 Tamin’ny taona 2026, ity fankalazana ity dia nanamafy ny mariky ny CAFF ho fikambanana matanjaka, maharitra ary manan-danja eo amin’ny fiarahamonina. Fety niavaka no nankalazaintsika, feno hafaliana, firaisankina ary fitiavana.
🕹️ Na dia mampalahelo aza ny fahatongavan’ny masiandro mody, dia mitoetra ao am-pontsika ny hafaliana satria samy nahita fahafinaretana avokoa ny rehetra : mpikambana, ray aman-dreny, zoky sy zandriny, zanaka ary zafy.
🙏❤️ Enga anie ity faha-25 taona ity ho fiandohan’ny dingana vaovao, feno fanantenana sy fahombiazana ho an’ny CAFF sy ny taranaka ho avy.
Misaotra tompoko.
🇫🇷 🎂 25ᵉ anniversaire du CAFF🎂❤️
Autorités présentes,
Chers invités,
Chers membres du
Collectif des Associations de Femmes de Fianarantsoa (CAFF),
Chers parents, aînés, cadets, enfants et petits-enfants,
✍️ Aujourd’hui est un jour solennel et historique, car nous célébrons le 25ᵉ anniversaire de la création du CAFF, une organisation qui, depuis un quart de siècle, s’engage avec détermination en tant que défenseur des droits humains, notamment des droits des femmes, des enfants et des familles au sein de l’ex-province de Fianarantsoa.
🫶 L’année 2026 marque un tournant important, consacrant le rayonnement et la solidité du CAFF à travers une célébration exceptionnelle. Cette fête, empreinte de joie, de partage et d’unité, restera gravée dans nos mémoires.
🕹️ Même si le coucher du soleil a apporté une touche de nostalgie, chacun a pleinement profité de ces moments de bonheur et de convivialité.
🙏❤️ Que ce 25ᵉ anniversaire ouvre une nouvelle ère d’engagement, d’espoir et de succès pour le CAFF et pour les générations futures.
Je vous remercie.✨
Réseau des Jeunes Obs Mada Haute Matsiatra.TATAO.M2Collectif des Associations de Femmes de FianarantsoaCAFF
Maman Ainanci
Maminiaina Donavan
CAFFianarantsoa
Cinna Kharkov