JEDHD HAUTE Matsiatra

JEDHD HAUTE Matsiatra Jeunes Engagés aux Droits de l'Homme et à la Démocratie

Najoro androany ny tambazotram-pikambanana eto Fianarantsoa ivondronan'ireo fikambanana samihafa hampivoatra ny tetikasa...
16/04/2025

Najoro androany ny tambazotram-pikambanana eto Fianarantsoa ivondronan'ireo fikambanana samihafa hampivoatra ny tetikasa izay "hampiroboroboana ny fandraisana anjaran'ny vehivavy sy ny tanora ara-pôlitika sy sivika amin'ny fanamafisana ny rafitra demôkratika sy ny fandriam-pahalemana maharitra eto Madagasikara!"

Ireto ireo mpikambana mandrafitra ny birao vonjimaika :
- Filoha: Roger (YLS/TANINKETSA)
- Lefitra: Adeline (Association FIFANKATIAVANA)
- Mpitan-tsoratra: NOMENJANAHARY Sombiniaina Mickaëlla (MPANAZAVA)
- Serasera: NIRIKOELA Jean Verdi A. (JEDHD Haute Matsiatra)
- Mpitahiry vola: Mirajo (MFMF)
- Mpanolo-tsaina:
* ANDRISOA Voahirana Espérance (AFFD)
* Tonette (YLS Fianarantsoa 2024)

Tao amin'ny CEDII Tsianolondroa no nizoran'ny fihaonana izay sady nandinihana ny vinan'asa hampivoarana ny tambazotra. Izany moa dia tohin'ny atrikasa natao tao amin'ny Hôtel Tombontsoa amin'ny fanatanterahana ny Tetikasa MAHASAKY. Tanterahan'ny ONG ACDEM (Association Chrétienne pour le Développement et l'action Environnementale de Madagascar), sahanin'ny UNFPA, famatsiambolan'ny PBF (Peace Building Fund), mpiara-miombon'antoka ny PNUD sy ny EISA.

**"BÂTIR LA PAIX POUR UN MONDE ÉQUITABLE ET DURABLE!"**

😏Aujourd’hui encore, de nombreux enfants en situation de rue, faute de déclaration à l’état civil ou d’accès à leurs act...
12/04/2025

😏Aujourd’hui encore, de nombreux enfants en situation de rue, faute de déclaration à l’état civil ou d’accès à leurs actes de naissance, ne peuvent obtenir ni carte d’identité, ni matricule scolaire. Cette situation administrative les empêche de s’inscrire aux examens officiels comme le CEPE, le BEPC ou le baccalauréat. Un frein immense à leur parcours scolaire, mais surtout à leur avenir.

✨L’éducation est un levier pour sortir de la précarité, briser le cycle de la pauvreté et offrir à chaque enfant un avenir prometteur Mais sans existence légale, ces enfants sont invisibles aux yeux des institutions. Leur exclusion ne fait que renforcer leur vulnérabilité.

Pour cette 𝗝𝗼𝘂𝗿𝗻𝗲́𝗲 𝗜𝗻𝘁𝗲𝗿𝗻𝗮𝘁𝗶𝗼𝗻𝗮𝗹𝗲 𝗱𝗲𝘀 𝗘𝗻𝗳𝗮𝗻𝘁𝘀 𝗲𝗻 𝗦𝗶𝘁𝘂𝗮𝘁𝗶𝗼𝗻 𝗱𝗲 𝗥𝘂𝗲, nous appelons les autorités, les collectivités et la société civile à agir ensemble pour que chaque enfant ait un nom, une existence reconnue et une chance d’aller au bout de son parcours scolaire.

Pour les Enfants en Situation de Rue !
"𝐔𝐧 𝐧𝐨𝐦 𝐩𝐨𝐮𝐫 𝐞𝐱𝐢𝐬𝐭𝐞𝐫, 𝐮𝐧𝐞 𝐢𝐝𝐞𝐧𝐭𝐢𝐭𝐞́ 𝐩𝐨𝐮𝐫 𝐚𝐯𝐚𝐧𝐜𝐞𝐫 : 𝐩𝐨𝐮𝐫 𝐜𝐡𝐚𝐪𝐮𝐞 𝐞𝐧𝐟𝐚𝐧𝐭 𝐞𝐧 𝐬𝐢𝐭𝐮𝐚𝐭𝐢𝐨𝐧 𝐝𝐞 𝐫𝐮𝐞 !”
--------------------------------------------------------------------------------------
😏Amin’izao fotoana izao, mbola maro ireo ankizin’ny lalana no tsy manana an’izany kopa nahaterahana izany. Vokatry izany, dia tsy afaka misoratra anarana amin’ny fanadinam-panjakana toy ny CEPE, BEPC na Bakalorea izy ireo satria tsy manana karam-panondro sy laharana any ampianarana ihany koa.
✨Manana zo hianatra sy handrato fahalalana avokoa ny ankizy rehetra. Saingy noho ny tsy fananan’ireo ankizin’ny lalana ireo ny kopia nahaterahany sy ireo fahafantarana rehetra momba ny fihiziny, dia midika ho tsy misy izy ireo manoloana ny lalàna sy ireo andrim-panjakana.
🎯🖇Amin’izao andro maneran-tany ho an’ny Ankizin’ny lalana izao dia manao antso avo amin’ny ny fitondram-panjakana, ny fiaraha-monim-pirenena, ary ireo andrim-panjakana samihafa, hiara-hientana sy hiara-hiasa amin’ny fanamorana ny fahazoan’ireo ankizin’ny lalana ny kopia nahaterahany izahay. Mba ho olom-banona afaka mianatra sy manorina ny ho aviny izy ireo !
Ho an’ny Ankizin’ny lalana !

« 𝑨𝒏𝒌𝒊𝒛𝒊𝒏’𝒏𝒚 𝒍𝒂𝒍𝒂𝒏𝒂 𝒂𝒉𝒐, 𝒏𝒚 𝒇𝒂𝒏𝒂𝒏𝒂𝒌𝒐 𝒌𝒐𝒑𝒊𝒂 𝒏𝒂𝒉𝒂𝒕𝒆𝒓𝒂𝒉𝒂𝒏𝒂 𝒏𝒐 𝒎𝒂𝒉𝒂 𝒐𝒍𝒐𝒎-𝒑𝒊𝒓𝒆𝒏𝒆𝒏𝒂 𝒂𝒉𝒚. »

7 Avrily 1994 - 7 Avrily 2025: 31 taona ny fandripahana ireo Tutsi tany Rwanda.Aoka tsy hiverina ny fandripahana ain'olo...
07/04/2025

7 Avrily 1994 - 7 Avrily 2025: 31 taona ny fandripahana ireo Tutsi tany Rwanda.

Aoka tsy hiverina ny fandripahana ain'olona, na aiza na aiza, na amin'ny endriny inona na amin'ny endriny inona!

Atrikasa fanatanterahana ny "tetikasa  " nokarakarain'ny   (Association Chrétienne pour le Développement et l'action Env...
26/03/2025

Atrikasa fanatanterahana ny "tetikasa " nokarakarain'ny (Association Chrétienne pour le Développement et l'action Environnementale de Madagascar). Tetikasa "fampiroboroboana ny fandraisana anjaran'ny vehivavy sy ny tanora amin'ny politika fanamafisana ny sy ny fandriam-pahalemana eto Madagasikara. Mpamatsy vola ny tetikasa ny PBF (Peace Building Found na Fond pour la Consolidation de la Paix). Mpiara-miombon'antoka ny UNFPA sy ny PNUD ary ny EISA. Atrikasa natao tao amin'ny hotely Tombontsoa Isaha.

" Bâtir la pour un monde équitable et durable ! "

( Objectif du Développement Durable) numéro 16: "Paix, Justice, Institutions Efficaces).

Sabotsy 22 Marsa 2025:Nanarika ny réception technique ny coliseum Ambatomena Fianarantsoa.
26/03/2025

Sabotsy 22 Marsa 2025:

Nanarika ny réception technique ny coliseum Ambatomena Fianarantsoa.

Mankasitraka antsika rehetra e! Mirary fety sambatra ho an'ny vehivavy sy ny tovovavy rehetra.
08/03/2025

Mankasitraka antsika rehetra e!
Mirary fety sambatra ho an'ny vehivavy sy ny tovovavy rehetra.

8 Marsa 2025: Andro iraisam-pirenena ho an'ny zon'ny vehivavy!Raha misy koa ny andro malaza dia ity andron'ny 8 Marsa it...
08/03/2025

8 Marsa 2025: Andro iraisam-pirenena ho an'ny zon'ny vehivavy!

Raha misy koa ny andro malaza dia ity andron'ny 8 Marsa ity. Firenena maro eto amin'ny planeta no mampanakoako ny hetsi-pankalazana samihafa hanehoana fa olon'afaka ny vehivavy sy ny zatovovavy, nisy akony ny tolona isan-karazany teo amin'ny tantaran'ny firenena samihafa nataon'ireo vehivavy mahery fo, nitaky ny fitovian-jo tany Amerika avaratra sy Europe tany amin'ny fiandohan'ny taon-jato faha 20. Miarahaba anareo aho !

Noraisina ho lohahevi-pankalazana amin'ity taona ity ny hoe: "Fitovian-jo sy fizakan-tenan'ny vehivavy sy ny tovovavy rehetra !" (Pour toutes les femmes et les filles : droits, égalité, autonomisation!).

Taona miavaka amin'ny fampivoarana ny zon'ny vehivavy sy ny zatovovavy ity taona ity satria feno 30 taona ny fifanarahan'ireo firenena 189 nandritra ny fihaonam-be iraisam-pirenena fahefatra momba ny vehivavy tao Beijing (Chine, 1995). Raha tamin'ny taona 1977 no natokan'ny firenena mikambana (ONU na Organisation des Nations-Unies hankalazaina isan-taona ity. Aiza ho aiza ary ny ezaka vitan'ny firenentsika ? Ahoana ny lalana mbola ho diavina amin'ny fanamby miandry: fanabeazana sy fampianarana, fahasalamana, fandriam-pahalemana, ary amin'ny herisetra isan-karazany, ny fandraharahana, ny asa, fandraisana andraikitra ara-politika, sns. Maro any manko izao ato amin'ny faritra Matsiatra ambony ohatra no mijaly tsy misitraka ny zony feno tahaka ny vehivavy sy ny tovovavy toa azy. Ary tsy afa-mioitra fa mila tolo-tanana!

Miombom-pankalazana isika ary manohana hatrany ny fifanomezan-tanana amin'ny fiarovana sy fampivoarana ny zon'ny vehivavy sy ny tovovavy rehetra. Indrindra ny osa sy kilemaina. Anaty fivoaran'ny tontolo numérique sy technologique manandratra ny maha olona. Ary ny fisitrahana ny zo manoloana ny fiovaovan'ny toetr'andro!

Enga anie hiroborobo ny fisitrahanareo ny zo feno toy ny olon-drehetra, izany no vavahady misokatra hampibaliaka ny masoandron'ny maraina ho anareo. Ka ho tratra ny fanamby ary hamiratra ny ho avy, indrindra ny tanora, izay tena iompanan'ny tolona hampanjakana ny fitovian-jo sy fizakan-tena izany ankehitriny!

Ny Filohan'ny Plateforme JEDHD Haute Matsiatra,
Nirikoela Jean Verdi Alexandre

Assemblée Générale :Notanterahina anio 22 Febroary 2025 ny fivoriam-be ara-potoanan'ny vovonam-pikambanana   Haute Matsi...
22/02/2025

Assemblée Générale :

Notanterahina anio 22 Febroary 2025 ny fivoriam-be ara-potoanan'ny vovonam-pikambanana Haute Matsiatra. Fotoana nanaovana jery todika ny asan'ny fikambanana tamin'ny taon-dasa teo izany ary namolavolana ny asa amin'ity taona diavina ity. Nitarika izany ny Filoha Nirikoela Jean Verdi. Hitohy amin'ny 30 Marsa 2025 ny fivoriam-be.

Isaorana ireo mpikambana tany amin'ny faritra niditra mivantana.
Misaotra antsika maneho fiombonana ho an'ny tombontsoan'ny vovonana misy antsika!

Voatendry ho Directeur de cabinet ao amin'ny Commune urbaine Farafangana i RATOLOJANAHARY Frédéric. Izy moa dia mpikamba...
17/02/2025

Voatendry ho Directeur de cabinet ao amin'ny Commune urbaine Farafangana i RATOLOJANAHARY Frédéric. Izy moa dia mpikambana ao amin'ny AJAPM (Amicale des Journalistes et Animateurs Privés de Manakara). Tanora mpanao gazety mpikambana ao amin'ny MYDHR (Malagasy Youth for the Democracy and Human Right ) izay ivondronan'ny tanora mpiaro ny zon'olombelona amin'ny faritra 4 ato amin'ny faritanin'i Fianarantsoa ka isany ao anatin'io ny JEDHD Haute Matsiatra.

Miarahaba anao izahay ato amin'ny JEDHD Haute Matsiatra ary mirary soa amin'ny andraikitra hanasoavana ny mpiara-belona miandry anao.

Aujourd'hui, nous assistons à un recul sans précédent des droits humains. Ne vous y trompez pas : les droits humains nou...
10/12/2024

Aujourd'hui, nous assistons à un recul sans précédent des droits humains. Ne vous y trompez pas : les droits humains nous appartiennent à toutes et à tous. Ne laissez personne nous priver de . Aucune exception, aucun compromis.

Le 10 décembre, c'est la :

Journée des droits de l'homme 2024

  des   2024:Nandray anjara tamin'ny hetsika andiany voalohany amin'ny festival de la solidarité andiany voalohany eto M...
15/11/2024

des 2024:

Nandray anjara tamin'ny hetsika andiany voalohany amin'ny festival de la solidarité andiany voalohany eto Matsiatra Ambony ny JEDHD Haute Matsiatra. Misy ny stand azonao tsidihina androany sy rahampitso ao amin'ny Alliance française Tsianolondroa.

Address

Rn7
Fianarantsoa
301

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when JEDHD HAUTE Matsiatra posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Organization

Send a message to JEDHD HAUTE Matsiatra:

Share