Navalona Francky - Tanà III

Navalona Francky - Tanà III Pejy natao hifaneraserana amin’ny Solombavambahoaka Navalona Francky sy ny mponin’ny Tanà�

⚽️ VITA SOAMANTSARA NY FAMARANANA NY « TOURNOI FIFANKATIAVANA » TETY AMIN’NY TANY MAINTY MAHAVOKY BESARETYMankasitraka i...
22/08/2026

⚽️ VITA SOAMANTSARA NY FAMARANANA NY « TOURNOI FIFANKATIAVANA » TETY AMIN’NY TANY MAINTY MAHAVOKY BESARETY

Mankasitraka ireo ankizy rehetra nandray anjara fa nahafinaritra ny fifaninanana

U17 - U16 - U13

21/08/2026

MISAOTRA NY LALAMPANORENAN’NY REPOBLIKA FAHA-4 👏🏽😳🚫 Kivy 🤧

⚽️ ENY AMIN’NY TANY MAINTY (Mahavoky Besarety) ny fotoana amin’ny Asabotsy e
21/08/2026

⚽️ ENY AMIN’NY TANY MAINTY (Mahavoky Besarety) ny fotoana amin’ny Asabotsy e

VITA NY FANADIOVANA NY LAKANDRANO TSENTSINA TANTERAKA TETO ANKORONDRANO ANTSINANANANifanome tànana niaraka tamin’ny mpon...
03/08/2026

VITA NY FANADIOVANA NY LAKANDRANO TSENTSINA TANTERAKA TETO ANKORONDRANO ANTSINANANA

Nifanome tànana niaraka tamin’ny mponin’Ankorondrano Antsinanana ny tenako nanadio ity lakandrano izay ain-dehibe an’ity fokontany ity.

Tsy maintsy nirosoana ny fanadiovana ity lakandrano ity satria dia ho dobo-drano indray ity tanàna ity vantany vao hisy rotsak’orana.

Manentana ny mponina mba tsy hanary fako anatin’ity lakandrano ity, satria dia mandrora mitsilany ihany isika.


Hivahiny amin’ny fandaharana l’Invité du Jour ny tenako rehefa avy eo Hiresaka momba ny Tolo-dalàna vaovao mahakasika «𝙋...
03/07/2026

Hivahiny amin’ny fandaharana l’Invité du Jour ny tenako rehefa avy eo

Hiresaka momba ny Tolo-dalàna vaovao mahakasika «𝙋𝙤𝙡𝙞𝙩𝙞𝙠𝙖𝙣’𝙣𝙮 𝙁𝙖𝙢𝙥𝙞𝙖𝙨𝙖𝙣𝙖 𝙏𝙚𝙣𝙮 𝙨𝙮 𝙣𝙮 𝙕𝙤 𝙈𝙤𝙢𝙗𝙖 𝙣𝙮 𝙏𝙚𝙣𝙮 𝙚𝙩𝙤 𝙈𝙖𝙙𝙖𝙜𝙖𝙨𝙞𝙠𝙖𝙧𝙖» ary koa momba ny raharaham-pirenena amin’ny ankapobeny.

⌚️ Zoma hariva amin’ny 9ora alina
📺 Real TV madagascar

𝗟𝗮𝗻𝘆 𝘁𝗲𝘁𝗼 𝗮𝗻𝗶𝘃𝗼𝗻’𝗻𝘆 𝗔𝗻𝘁𝗲𝗻𝗶𝗺𝗶𝗲𝗿𝗮𝗺𝗽𝗶𝗿𝗲𝗻𝗲𝗻𝗮 𝗮𝗻𝗶𝗼 𝗔𝗹𝗮𝗿𝗼𝗯𝗶𝗮 𝟭 𝗝𝗼𝗹𝗮𝘆 𝟮𝟬𝟮𝟲 𝗻𝘆 𝗧𝗼𝗹𝗼-𝗱𝗮𝗹𝗮𝗻𝗮 𝗺𝗼𝗺𝗯𝗮 𝗻𝘆 «𝙋𝙤𝙡𝙞𝙩𝙞𝙠𝙖𝙣’𝙣𝙮 𝙁𝙖𝙢𝙥𝙞𝙖𝙨𝙖𝙣𝙖 𝙏𝙚𝙣...
01/07/2026

𝗟𝗮𝗻𝘆 𝘁𝗲𝘁𝗼 𝗮𝗻𝗶𝘃𝗼𝗻’𝗻𝘆 𝗔𝗻𝘁𝗲𝗻𝗶𝗺𝗶𝗲𝗿𝗮𝗺𝗽𝗶𝗿𝗲𝗻𝗲𝗻𝗮 𝗮𝗻𝗶𝗼 𝗔𝗹𝗮𝗿𝗼𝗯𝗶𝗮 𝟭 𝗝𝗼𝗹𝗮𝘆 𝟮𝟬𝟮𝟲 𝗻𝘆 𝗧𝗼𝗹𝗼-𝗱𝗮𝗹𝗮𝗻𝗮 𝗺𝗼𝗺𝗯𝗮 𝗻𝘆 «𝙋𝙤𝙡𝙞𝙩𝙞𝙠𝙖𝙣’𝙣𝙮 𝙁𝙖𝙢𝙥𝙞𝙖𝙨𝙖𝙣𝙖 𝙏𝙚𝙣𝙮 𝙨𝙮 𝙣𝙮 𝙕𝙤 𝙈𝙤𝙢𝙗𝙖 𝙣𝙮 𝙏𝙚𝙣𝙮 𝙚𝙩𝙤 𝙈𝙖𝙙𝙖𝙜𝙖𝙨𝙞𝙠𝙖𝙧𝙖» 𝗻𝗮𝘁𝗼𝗹𝗼𝘁𝗿𝗼 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗺𝗮𝗵𝗮 𝗦𝗼𝗹𝗼𝗺𝗯𝗮𝘃𝗮𝗺𝗯𝗮𝗵𝗼𝗮𝗸𝗮𝗻’𝗶 𝗠𝗮𝗱𝗮𝗴𝗮𝘀𝗶𝗸𝗮𝗿𝗮 𝗮𝗵𝘆. 🇲🇬🇲🇬🇲🇬

Rariny sy hitsiny raha omena ny zo sy ny hasiny, amin’ny maha-tenindreny azy, ny Teny Malagasy, izay ampiasain’ny Malagasy rehetra.

Anisan’ny voarakitra ato anatin’ity lalàna ity, ohatra, ny:
✅ 𝔽𝕒𝕟𝕒𝕤𝕚𝕒𝕟𝕒 𝕕𝕚𝕜𝕒 𝕒𝕞𝕚𝕟’𝕟𝕪 𝕥𝕖𝕟𝕪 𝕄𝕒𝕝𝕒𝕘𝕒𝕤𝕪 𝕟𝕪 𝕕𝕚𝕕𝕚𝕞-𝕡𝕚𝕥𝕤𝕒𝕣𝕒𝕟𝕒 𝕣𝕖𝕙𝕖𝕥𝕣𝕒 𝕞𝕒𝕟𝕖𝕣𝕒𝕟𝕒 𝕟𝕪 ℝ𝕖𝕡𝕠𝕓𝕝𝕚𝕜𝕒𝕟’𝕚 𝕄𝕒𝕕𝕒𝕘𝕒𝕤𝕚𝕜𝕒𝕣𝕒.
✅ 𝔽𝕒𝕟i𝕤𝕚𝕒𝕟𝕒 𝕕𝕚𝕜𝕒 𝕒𝕞𝕚𝕟’𝕟𝕪 𝕥𝕖𝕟𝕪 𝕄𝕒𝕝𝕒𝕘𝕒𝕤𝕪 𝕟𝕪 𝕗𝕚𝕗𝕒𝕟𝕒𝕣𝕒𝕙𝕒𝕟𝕒 𝕒𝕣𝕒𝕜’𝕒𝕤𝕒 𝕣𝕖𝕙𝕖𝕥𝕣𝕒 𝕚𝕗𝕒𝕟𝕒𝕠𝕧𝕒𝕟’𝕟𝕪 𝕞𝕡𝕚𝕒𝕤𝕒 𝕤𝕪 𝕟𝕪 𝕞𝕡𝕒𝕞𝕡𝕚𝕒𝕤𝕒 𝕞𝕒𝕟𝕖𝕣𝕒𝕟𝕒 𝕟𝕪 ℝ𝕖𝕡𝕠𝕓𝕝𝕚𝕜𝕒𝕟’𝕚 𝕄𝕒𝕕𝕒𝕘𝕒𝕤𝕚𝕜𝕒𝕣𝕒.
✅ 𝔽𝕒𝕞𝕡𝕚𝕒𝕤𝕒𝕟𝕒 𝕟𝕪 𝕥𝕖𝕟𝕪 𝕄𝕒𝕝𝕒𝕘𝕒𝕤𝕪 𝕒𝕞𝕚𝕟’𝕟𝕪 𝕥𝕒𝕜𝕖𝕝𝕒𝕜𝕒 𝕣𝕖𝕙𝕖𝕥𝕣𝕒 𝕖𝕟𝕪 𝕒𝕞𝕚𝕟’𝕟𝕪 𝕓𝕚𝕣𝕒𝕠𝕞-𝕡𝕒𝕟𝕛𝕒𝕜𝕒𝕟𝕒 𝕤𝕪 𝕖𝕟𝕪 𝕒𝕞𝕚𝕟’𝕚𝕣𝕖𝕠 𝕥𝕠𝕖𝕣𝕒𝕟𝕒 𝕙𝕚𝕗𝕒𝕟𝕖𝕣𝕒𝕤𝕖𝕣𝕒𝕟𝕒 𝕒𝕞𝕚𝕟’𝕟𝕪 𝕧𝕒𝕙𝕠𝕒𝕜𝕒, 𝕥𝕠𝕪 𝕟𝕪 𝕖𝕟𝕪 𝕒𝕞𝕚𝕟’𝕟𝕪 𝕤𝕖𝕣𝕒𝕟𝕒𝕞-𝕡𝕚𝕒𝕣𝕒𝕞𝕒𝕟𝕚𝕕𝕚𝕟𝕒.
✅ 𝕋𝕒𝕜𝕚𝕒𝕟𝕒 𝕒𝕞𝕚𝕟’𝕟𝕪 𝕠𝕝𝕠𝕞-𝕓𝕠𝕒𝕥𝕖𝕟𝕕𝕣𝕪 𝕤𝕪 𝕟𝕪 𝕠𝕝𝕠𝕞-𝕓𝕠𝕒𝕗𝕚𝕕𝕪 𝕞𝕒𝕟𝕖𝕣𝕒𝕟𝕒 𝕒𝕟’𝕚 𝕄𝕒𝕕𝕒𝕘𝕒𝕤𝕚𝕜𝕒𝕣𝕒 𝕟𝕪 𝕗𝕒𝕙𝕒𝕚𝕫𝕒𝕟𝕒 𝕟𝕪 𝕥𝕖𝕟𝕪 𝕄𝕒𝕝𝕒𝕘𝕒𝕤𝕪.
Sns…

Maro ireo olona sy rafitra niara-nisalahy, tsy nikely soroka, ary niasa andro aman’alina namolavola ity lalàna ity mandra-pahitany masoandro. Singaniko manokana amin’izany:

🙏 𝑵𝒚 𝑴𝒊𝒏𝒊𝒔𝒊𝒕𝒓𝒚 𝒏𝒚 𝑺𝒆𝒓𝒂𝒔𝒆𝒓𝒂 𝒔𝒚 𝒏𝒚 𝑲𝒐𝒍𝒐𝒏𝒕𝒔𝒂𝒊𝒏𝒂, 𝑨𝒕𝒐𝒂 Gascar Fenosoa, 𝒔𝒚 𝒏𝒚 𝑭𝒊𝒕𝒂𝒍𝒆𝒂𝒗𝒂𝒏𝒂 𝑱𝒆𝒏𝒆𝒓𝒂𝒍𝒚 𝒎𝒊𝒔𝒂𝒉𝒂𝒏𝒂 𝒏𝒚 𝑲𝒐𝒍𝒐𝒏𝒕𝒔𝒂𝒊𝒏𝒂, 𝒏𝒐𝒉𝒐 𝒏𝒚 𝒕𝒂𝒏𝒕𝒔𝒐𝒓𝒐𝒌𝒂 𝒔𝒚 𝒏𝒚 𝒇𝒂𝒏𝒂𝒎𝒑𝒊𝒂𝒏𝒂 𝒕𝒂𝒎𝒊𝒏’𝒏𝒚 𝒍𝒂𝒇𝒊𝒏𝒚 𝒎𝒂𝒓𝒐.
🙏 𝑵𝒚 𝑭𝒊𝒕𝒂𝒍𝒆𝒂𝒗𝒂𝒏𝒂 𝒎𝒊𝒔𝒂𝒉𝒂𝒏𝒂 𝒏𝒚 𝑭𝒂𝒎𝒑𝒊𝒓𝒐𝒃𝒐𝒓𝒐𝒃𝒐𝒂𝒏𝒂 𝒏𝒚 𝑻𝒆𝒏𝒚 𝑴𝒂𝒍𝒂𝒈𝒂𝒔𝒚 𝒆𝒐 𝒂𝒏𝒊𝒗𝒐𝒏’𝒏𝒚 𝑴𝑺𝑲.
🙏 𝑵𝒚 𝑨𝒌𝒂𝒅𝒆𝒎𝒊𝒂 𝑴𝒂𝒍𝒂𝒈𝒂𝒔𝒚.
🙏 𝑰𝒓𝒆𝒐 𝒎𝒑𝒂𝒎𝒑𝒊𝒂𝒏𝒂𝒕𝒓𝒂 𝒔𝒚 𝒎𝒑𝒊𝒌𝒂𝒓𝒐𝒌𝒂 𝒆𝒐 𝒂𝒏𝒊𝒗𝒐𝒏’𝒏𝒚 𝑶𝒏𝒊𝒗𝒆𝒓𝒔𝒊𝒕𝒆 𝒔𝒚 𝒏𝒚 𝑬𝑵𝑺.
🙏 𝑰𝒓𝒆𝒐 𝒕𝒆𝒌𝒏𝒊𝒔𝒊𝒂𝒏𝒂 𝒎𝒑𝒊𝒂𝒏𝒕𝒔𝒆𝒉𝒂𝒕𝒓𝒂 𝒂𝒎𝒊𝒏’𝒏𝒚 𝑻𝒆𝒏𝒚 𝑴𝒂𝒍𝒂𝒈𝒂𝒔𝒚.
🙏 𝑵𝒚 𝑴𝒊𝒏𝒊𝒔𝒕𝒆𝒓𝒂𝒏’𝒏𝒚 𝑭𝒂𝒏𝒂𝒃𝒆𝒂𝒛𝒂𝒎-𝒑𝒊𝒓𝒆𝒏𝒆𝒏𝒂.
🙏 𝑵𝒚 𝑴𝒊𝒏𝒊𝒔𝒕𝒆𝒓𝒂𝒏’𝒏𝒚 𝑭𝒂𝒎𝒑𝒊𝒂𝒏𝒂𝒓𝒂𝒏𝒂 𝑨𝒎𝒃𝒐𝒏𝒚 𝒔𝒚 𝒏𝒚 𝑭𝒊𝒌𝒂𝒓𝒐𝒉𝒂𝒏𝒂 𝑨𝒓𝒂-𝒕𝒔𝒊𝒂𝒏𝒔𝒂.
🙏 𝑵𝒚 𝑭𝒊𝒍𝒐𝒉𝒂𝒏’𝒏𝒚 𝑨𝒏𝒕𝒆𝒏𝒊𝒎𝒊𝒆𝒓𝒂𝒎𝒑𝒊𝒓𝒆𝒏𝒆𝒏𝒂, 𝑨𝒕𝒐𝒂 Siteny Randrianasoloniaiko.
🙏 𝑰𝒓𝒆𝒐 𝑺𝒐𝒍𝒐𝒎𝒃𝒂𝒗𝒂𝒎𝒃𝒂𝒉𝒐𝒂𝒌𝒂 𝒓𝒆𝒉𝒆𝒕𝒓𝒂 𝒕𝒐𝒏𝒈𝒂 𝒏𝒂𝒏𝒂𝒕𝒓𝒊𝒌𝒂 𝒔𝒚 𝒏𝒂𝒏𝒅𝒂𝒏𝒚 𝒊𝒕𝒚 𝒕𝒐𝒍𝒐-𝒅𝒂𝒍𝒂𝒏𝒂 𝒊𝒕𝒚 𝒂𝒏𝒅𝒓𝒐𝒂𝒏𝒚.
🙏 𝑵𝒚 𝒆𝒌𝒊𝒑𝒂 𝑴𝒐𝒖𝒗𝒆𝒎𝒆𝒏𝒕 𝑮𝒂𝒔𝒊𝒌𝒂𝒓𝒂 𝒎𝒂𝒏𝒆𝒓𝒂𝒏𝒂 𝒂𝒏’𝒊 𝑴𝒂𝒅𝒂𝒈𝒂𝒔𝒊𝒌𝒂𝒓𝒂.

Misaotra antsika rehetra niara-nisalahy. Dingana lehibe ho fiarovana sy fampiroboroboana ny Teny Malagasy izao.

🇲🇬🇲🇬🇲🇬 Hiakatra hodinihin’ny eo anivon’ny Antenimierampirenena rahampitso, Alarobia 1 Jolay, ny Tolo-dalàna momba ny « P...
30/06/2026

🇲🇬🇲🇬🇲🇬 Hiakatra hodinihin’ny eo anivon’ny Antenimierampirenena rahampitso, Alarobia 1 Jolay, ny Tolo-dalàna momba ny « Politikan’ny Fampiasana Teny sy ny Zo Momba ny Teny eto Madagasikara », izay atolotro amin’ny maha Solombavambahoakan’i Madagasikara ahy.

Ny tanjon’ity tolo-dalàna ity dia ny hampiroborobo sy hampanjaka ny fampiasana ny teny malagasy eto Madagasikara. Ohatra amin’izany ny tsy maintsy hananana dika amin’ny teny malagasy ho an’ny taratasim-panjakana rehetra, toy ny didim-pitsarana rehetra avoakan’ny fitsarana, ny fifanarahana arak’asa, ary ny takelaka rehetra eny amin’ny biraom-panjakana sy eny amin’ny seranana sy ny sisa.

Ity tolo-dalàna ity dia novolavolaina niaraka tamin’ireo mpampianatra, mpikaroka ary teknisiana manampahaizana eo amin’ny sehatry ny teny malagasy.

𝗙𝗜𝗡𝗧𝗜𝗡’𝗡𝗬 𝗙𝗔𝗡𝗞𝗔𝗟𝗔𝗭𝗔𝗡𝗔 𝗡𝗬 𝟮𝟲 𝗝𝗢𝗡𝗔 𝗡𝗜𝗔𝗥𝗔𝗛𝗔𝗡𝗔 𝗧𝗔𝗠𝗜𝗡’𝗡𝗬 𝗠𝗣𝗢𝗡𝗜𝗡’𝗡𝗬 𝗧𝗔𝗡À3️⃣✅ 𝔽𝕚𝕫𝕒𝕣𝕒𝕟𝕒 𝔸𝕣𝕖𝕟𝕕𝕣𝕚𝕟𝕒 𝕤𝕪 𝕧𝕒𝕥𝕠𝕞𝕒𝕞𝕪 𝕙𝕠 𝕒𝕟’𝕚𝕣𝕖𝕠 𝕒𝕟𝕜𝕚𝕫𝕪 ...
29/06/2026

𝗙𝗜𝗡𝗧𝗜𝗡’𝗡𝗬 𝗙𝗔𝗡𝗞𝗔𝗟𝗔𝗭𝗔𝗡𝗔 𝗡𝗬 𝟮𝟲 𝗝𝗢𝗡𝗔 𝗡𝗜𝗔𝗥𝗔𝗛𝗔𝗡𝗔 𝗧𝗔𝗠𝗜𝗡’𝗡𝗬 𝗠𝗣𝗢𝗡𝗜𝗡’𝗡𝗬 𝗧𝗔𝗡À3️⃣

✅ 𝔽𝕚𝕫𝕒𝕣𝕒𝕟𝕒 𝔸𝕣𝕖𝕟𝕕𝕣𝕚𝕟𝕒 𝕤𝕪 𝕧𝕒𝕥𝕠𝕞𝕒𝕞𝕪 𝕙𝕠 𝕒𝕟’𝕚𝕣𝕖𝕠 𝕒𝕟𝕜𝕚𝕫𝕪 𝟜 𝟘𝟘𝟘 𝕚𝕤𝕒 𝕒𝕧𝕪 𝕒𝕞𝕚𝕟𝕒 𝔽𝕠𝕜𝕠𝕟𝕥𝕒𝕟𝕪 𝟙𝟘
✅ 𝔽𝕚𝕫𝕒𝕣𝕒𝕟𝕒 𝔽𝕠𝕥𝕤𝕚𝕞𝕓𝕒𝕣𝕪 𝕤𝕪 𝕊𝕠𝕝𝕠𝕞𝕓𝕠𝕕𝕚𝕒𝕜𝕠𝕙𝕠 𝕙𝕠 𝕒𝕟’𝕚𝕣𝕖𝕠 𝕓𝕖 𝕒𝕟𝕥𝕚𝕥𝕣𝕒 𝟚𝟘𝟘 𝕚𝕤𝕒 𝕒𝕧𝕪 𝕒𝕠 𝕒𝕞𝕚𝕟’𝕟𝕪 𝔽𝕠𝕜𝕠𝕟𝕥𝕒𝕟𝕪 𝔸𝕟𝕜𝕠𝕣𝕠𝕟𝕕𝕣𝕒𝕟𝕠 𝔸𝕟𝕥𝕤𝕚𝕟𝕒𝕟𝕒𝕟𝕒
✅ 𝔽𝕒𝕟𝕠𝕙𝕒𝕟𝕒𝕟𝕒 𝕟𝕪 𝕙𝕖𝕥𝕤𝕚𝕜’𝕚𝕣𝕖𝕠 𝕥𝕒𝕟𝕠𝕣𝕒 𝕒𝕧𝕪 𝕒𝕠 𝕒𝕞𝕚𝕟’𝕟𝕪 𝔼𝕜𝕒𝕣 𝕋𝕤𝕒𝕣𝕒𝕞𝕒𝕤𝕒𝕪
✅ 𝔽𝕒𝕟𝕠𝕥𝕣𝕠𝕟𝕒𝕟𝕒 𝕟𝕪 𝕄𝕒𝕥𝕤𝕠 𝕟𝕒𝕟𝕒𝕞𝕒𝕣𝕚𝕜𝕒 𝕟𝕪 𝕗𝕒𝕙𝕒 𝟞𝟞 𝕋𝕒𝕠𝕟𝕒 𝕟𝕚𝕧𝕖𝕣𝕖𝕟𝕒𝕟’𝕟𝕪 𝔽𝕒𝕙𝕒𝕝𝕖𝕠𝕧𝕒𝕟𝕥𝕖𝕟𝕒

Mamerina ny fisaorana lehibe ny ekipa MG sy ireo mpiara-miombonantoka rehetra niara nitoto nahafotsy sy nahandro nahamasaka ireo hetsika rehetra natao 🙏



Address

Behoririka
Antananarivo
101

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Navalona Francky - Tanà III posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share