20/10/2026
Mba vakio areo Ampela
🔻𝑰𝑹𝑬𝑶 𝒁𝑨𝑽𝑨𝑻𝑹𝑨 𝑻𝑶𝑲𝑶𝑵𝒀 𝑨𝑻𝑨𝑶𝑵'𝑵𝒀 𝑽𝑬𝑯𝑰𝑽𝑨𝑽𝒀 𝑰𝑺𝑶𝑹𝑶𝑯𝑨𝑵𝑨 𝑵𝒀 𝑪𝑨𝑵𝑪𝑬𝑹 𝑫𝑼 𝑪𝑶𝑳
Ny ankamaroan'ny cancer an'ny col dia vokatry ny virus izay antsoina Hoe HPV na Human Papillomavirus. Misy karazany izy io, ary misy ny manova tsikelikely ny cellules an'ny col mba hivadika ho cancer.
Ireto ary ny tena tokony atao mba isorohana an'izany.
💠𝐌𝐀𝐍𝐀𝐎 𝐕𝐀𝐊𝐒𝐈𝐍𝐘 𝐌𝐀𝐍𝐎𝐇𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐍𝐘 𝐇𝐏𝐕
Efa misy eto amintsika, dia tsara manantona ny tobim-pahasalamana mifandraika @ izay mba isorohana izany.
💠𝐃𝐄𝐏𝐈𝐒𝐓𝐀𝐆𝐄 (𝐅𝐈𝐓𝐈𝐋𝐈𝐀𝐍𝐀)
Tadidio hoe possible be hoe efa misy fiandohan'ny cancer ao @ ilay vehivavy nefa mety salama tsara izy ety ivelany, izay no tena maha-zavadehibe ny depistage.
💠𝐀𝐙𝐀 𝐌𝐈𝐀𝐍𝐃𝐑𝐘 𝐌𝐈𝐒𝐘 𝐅𝐀𝐌𝐁𝐀𝐑𝐀 (𝐒𝐘𝐌𝐏𝐓𝐎𝐌𝐄𝐒)
Ny fiandohan'ny aretina dia mety tsy hisy n'inoninona mitranga, fa ireto no fambara possible :
- Mandeha rà nefa tsy règles
- Mandeha rà rehefa avy nanao firaisana aranofo
- Mbola mandeha rà ihany nefa efa ménopause
- Pertes mamofona tsy mahazatra
- Marary andilana lava, marary lamosina, ary mamaly any @ ranjo
- Reradava sy mihendanja tsy fantatra hoe maninona
Tsy midika ireo fa hoe efa misy cancer ilay olona, fa mila mailo rehefa misy an'ireo
💠𝐓𝐒𝐘 𝐇𝐎𝐄 𝐏𝐎𝐒𝐈𝐓𝐈𝐅 𝐍𝐘 𝐇𝐏𝐕 𝐃𝐈𝐀 𝐕𝐈𝐓𝐀 𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐀𝐈𝐍𝐀𝐍𝐀
Tsy hoe rehefa misy HPV dia misy cancer izay, fa misy karazany izay resin'ny vatana, fa rehefa mipersister ilay karazany izay miteraka cancer, eo no mila fitsaboana.
💠𝐍𝐀 𝐃𝐈𝐀 𝐄𝐅𝐀 𝐕𝐈𝐓𝐀 𝐕𝐀𝐊𝐒𝐈𝐍𝐘 𝐀𝐙𝐀, 𝐃𝐈𝐀 𝐈𝐋𝐀𝐈𝐍𝐀 𝐅𝐎𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐃𝐄𝐏𝐈𝐒𝐓𝐀𝐆𝐄
Mampihena betsaka ny risque ahavoazan'ny HPV ny fanaovana vaksiny, fa misy nefa souches sasany mety tsy voaaron'ny vaksiny, noho izany, ilaina foana ny manao depistage.
====>Fehiny ary :
💉𝙫𝙖𝙘𝙘𝙞𝙣𝙖𝙩𝙞𝙤𝙣
🔬𝘿𝙚𝙥𝙞𝙨𝙩𝙖𝙜𝙚
🩺𝘾𝙤𝙣𝙨𝙪𝙡𝙩𝙖𝙩𝙞𝙤𝙣 𝙫𝙖𝙤 𝙢𝙞𝙨𝙮 𝙛𝙖𝙢𝙗𝙖𝙧𝙖
🎯𝙁𝙞𝙩𝙨𝙖𝙗𝙤𝙖𝙣𝙖 𝙛𝙖𝙞𝙣𝙜𝙖𝙣𝙖 𝙫𝙖𝙤 𝙝𝙞𝙩𝙖 𝙛𝙖 𝙢𝙞𝙨𝙮 𝙨𝙞𝙜𝙣𝙚𝙨 𝙖𝙣𝙖 𝙘𝙖𝙣𝙘𝙚𝙧
Izay indray ary fa mirary tontolo andro mahafinaritra o!
𝓡𝓪𝓭𝓸𝓴𝓸