Move on Androy

Call Directions Website Contact the organization

Move on Androy VISION, ACTION, IMPACT

⚽🤝 TETIKASA LANDJA | ACTIVITÉ INNOVANTE FANATANJAHANTENA SY FANDRIAM-PAHALEMANA 🕊️❤️🎯 Rehefa mitambatra ny tanora, lasa ...
21/09/2026

⚽🤝 TETIKASA LANDJA | ACTIVITÉ INNOVANTE

FANATANJAHANTENA SY FANDRIAM-PAHALEMANA 🕊️❤️

🎯 Rehefa mitambatra ny tanora, lasa hery ho an’ny fandriampahalemana ny fanatanjahantena!

Ao anatin’ny Tetikasa LANDJA, ny Move on Androy dia nanatanteraka nokarakaraina tao amin’ny Kaominina Tranovaho sy Erada, izay nahitana fifaninanana baolina kitra niarahan’ireo tanora lahy sy tanora vavy.

⚽ Nampitondraina ny lohahevitra hoe :
👉 « FANATANJAHANTENA SY FANDRIAM-PAHALEMANA »

Tsy fifaninanana fotsiny no tanjona, fa sehatra iray ihany koa hampiroboroboana ny firaisankina, ny fifanajana, ny fihavanana ary ny fiaraha-miaina am-pilaminana eo amin’ny fiarahamonina.

👏 Nizotra tamim-pilaminana sy tamim-piralahiana ireo lalao, ka ny ekipa nandresy dia nahazo ondrilahy matavy 🐏🏆 ho mari-pankasitrahana.

Nisy ny fanentanana sy Fampahafantarana ny votoatin'ny DINAN'I ANDROY tamin'ireo Vahoaka tonga nanatrika

🙏 Fisaorana manokana no atolotra ireo KMD, OSC Local (Association MITSINJO sy KAREMBOLA) ary ireo Comité de suivi, noho ny ezaka sy ny fiaraha-miasa tamin’ny fanomanana sy fikarakarana ity hetsika ity, ka nahafahana nanatanteraka ireo lalao tao anatin’ny toe-tsaina feno firaisankina sy fifanajana.

💙 Ny tanora no hery.
⚽ Ny fanatanjahantena no mampiray.
🕊️ Ny firaisankina no fototry ny fandriampahalemana.

🌱 TETIKASA LANDJA — Mampiroborobo ny fandraisan’anjaran’ny olom-pirenena sy ny fiaraha-monina ho amin’ny fandriampahalemana sy ny fampandrosoana.

Ny Tetikasa LANDJA dia vatsian'ny UN Peacebuilding Fund Madagascar - Fonds pour la Consolidation de la Paix izay tanterahin'ny PNUD Madagascar sy ny Observatoire National des Droits Humains - ONDH ary ny MSIS Multi-Sector Information Service.

Tetikasa Landja   Hisy ireo hetsika ara-kolotsaina sy fanatanjahatena izay hitondra fanentanana mahakasika ny DINA hisia...
20/09/2026

Tetikasa Landja



Hisy ireo hetsika ara-kolotsaina sy fanatanjahatena izay hitondra fanentanana mahakasika ny DINA hisian'ny fandriam-pahalemana ato anatin'ny Faritra Androy.

Toy izao ny fandaharam-potoana amin'ireo Kaominina dimy iasana ato anaty Faritra Androy :
✓ERADA 19/09/26,
✓TRANOVAHO 19/09/26,
✓FAUX CAP 21/09/26
✓BEKITRO 21/09/26,
✓JAFARO 23/09/26.

UN Peacebuilding Fund Madagascar - Fonds pour la Consolidation de la Paix
MSIS Multi-Sector Information Service
ONG Ivorary
SIOKA
Move on Androy

Tetikasa LANDJA _Interface Meeting 🌱 REHEFA MIHATSARA NY TOLOTRA, MITOMBO NY FITOKISAN’NY VAHOAKA! 🤝Ao anatin’ny Tetikas...
17/09/2026

Tetikasa LANDJA _Interface Meeting

🌱 REHEFA MIHATSARA NY TOLOTRA, MITOMBO NY FITOKISAN’NY VAHOAKA! 🤝

Ao anatin’ny Tetikasa LANDJA, dia notanterahina ny Interface Meeting tao amin'ny Kaominina Tranovaho ny 12 Septambra 2026 sy tao amin'ny Kaominina Erada ny 15 Septambra 2026.

🎯 Ny tanjona: hanatsara hatrany ny tolotra omen’ireo Komity Mpanatanteraka ny Dina (KMD), mba hahafahan’ny Vahoaka matoky sy miara-miasa bebe kokoa amin’izy ireo.

Nandritra ny fihaonana dia:
🔹 Nampahafantarina ny valin’ny tombana momba ny tolotra omen’ny KMD;
🔹 Nodinihina ny fanatanterahana ireo drafitrasa fanatsarana efa napetraka;
🔹 Niara-namolavola drafitrasa vaovao ho an’ny fanatsarana ny tolotra;
🔹 Nohamafisina ny andraikitry ny sampana mpanaramaso amin’ny fanatanterahana ireo drafitrasa.

💬 Dinika. Fanaraha-maso. Fanatsarana. Fitokisana.

Izany no ezaka iarahan’ireo mpisehatra ao anatin’ny Tetikasa LANDJA, ho fanatsarana hatrany ny tolotra omen’ny KMD ho an’ny Vahoaka.

🌿 LANDJA_ Ho an’ny tolotra tsara kokoa sy fitokisana matanjaka kokoa eo amin’ny Vahoaka sy ny KMD.

Ny Tetikasa LANDJA dia vatsian'ny UN Peacebuilding Fund Madagascar - Fonds pour la Consolidation de la Paix vola tanterahin'ny PNUD Madagascar, ny Observatoire National des Droits Humains - ONDH ary ny MSIS Multi-Sector Information Service eo ambany fiahian'ny Ministeran'ny Fitsarana Malagasy.
Ny ONG Ivorary sy ny SIOKA no miaraka misalahy amin'ny MsisTatao manatratra ny vokatra fahatelo ao amin'ny Tetikasa, ka ny Move on Androy no miandrakitra ny fanatanterahana ny asa ety ifotony ao anaty ny Faritra Androy

🔵 RENFORCEMENT DES CAPACITÉS DES OSC LOCALES À ERADA ET FAUX CAPDans le cadre du Projet LANDJA – (PCEC Androy), Move On ...
02/09/2026

🔵 RENFORCEMENT DES CAPACITÉS DES OSC LOCALES À ERADA ET FAUX CAP

Dans le cadre du Projet LANDJA – (PCEC Androy), Move On Androy poursuit ses actions de renforcement des capacités des Organisations de la Société Civile (OSC) locales dans les communes d’Erada et de Faux Cap.

📍 À Erada : Association MITSINJO
📍 À Faux Cap : Ty Ray tsy Fitahegne Tanindraza tsy Avily (TRFTA)

🤝 Cette activité de renforcement des capacités a pour objectif de permettre aux OSC locales de mieux assurer leur rôle dans le Contrôle Citoyen de l’Action Publique (CCAP), notamment dans le cadre de la mise en œuvre et du suivi du DINA (KMD) au niveau local.

🌱 Un enjeu majeur : la pérennisation des acquis du projet.

Au-delà de la durée du Projet LANDJA, l’objectif est de renforcer durablement les capacités des OSC afin qu’elles puissent poursuivre et assurer le CCAP au sein du DINA/KMD, en tant qu’acteurs locaux engagés dans le suivi des actions publiques et la promotion de la participation citoyenne.

💬 Les séances permettent ainsi de renforcer les connaissances et les compétences des participants, tout en favorisant les échanges d’expériences et la recherche collective de solutions adaptées aux réalités locales.

✨ Former et accompagner les OSC aujourd’hui, c’est préparer la continuité du contrôle citoyen et renforcer durablement la participation citoyenne au niveau local.

Le Projet LANDJA est financé par le UN Peacebuilding Fund Madagascar - Fonds pour la Consolidation de la Paix (PBF) et mis en œuvre par le PNUD Madagascar ,l' Observatoire National des Droits Humains - ONDH et MSIS Multi-Sector Information Service , sous la tutelle du Ministeran'ny Fitsarana Malagasy.

ONG Ivorary
SIOKA

🌍🌿𝗖𝗢𝗣-𝗻’𝗶𝗿𝗲𝗼 𝗙𝗶𝗳𝗮𝗻𝗮𝗿𝗮𝗵𝗮𝗻𝗮 𝟯 𝘁𝗮𝗼 𝗥𝗜𝗢 : 𝗙𝗶𝗵𝗮𝗼𝗻𝗮𝗺𝗯𝗲 𝗶𝗿𝗮𝗶𝘀𝗮𝗺-𝗽𝗶𝗿𝗲𝗻𝗲𝗻𝗮 𝗵𝗼 𝗳𝗶𝗮𝗿𝗼𝘃𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝘁𝗼𝗻𝘁𝗼𝗹𝗼 𝗶𝗮𝗶𝗻𝗮𝗻𝗮🌳🌵✅️🌍𝗙𝗮 𝗶𝗻𝗼𝗻𝗮 𝗺𝗮𝗿𝗶𝗻𝗮 𝗻𝗼...
25/08/2026

🌍🌿𝗖𝗢𝗣-𝗻’𝗶𝗿𝗲𝗼 𝗙𝗶𝗳𝗮𝗻𝗮𝗿𝗮𝗵𝗮𝗻𝗮 𝟯 𝘁𝗮𝗼 𝗥𝗜𝗢 : 𝗙𝗶𝗵𝗮𝗼𝗻𝗮𝗺𝗯𝗲 𝗶𝗿𝗮𝗶𝘀𝗮𝗺-𝗽𝗶𝗿𝗲𝗻𝗲𝗻𝗮 𝗵𝗼 𝗳𝗶𝗮𝗿𝗼𝘃𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝘁𝗼𝗻𝘁𝗼𝗹𝗼 𝗶𝗮𝗶𝗻𝗮𝗻𝗮🌳🌵

✅️🌍𝗙𝗮 𝗶𝗻𝗼𝗻𝗮 𝗺𝗮𝗿𝗶𝗻𝗮 𝗻𝗼 𝗮𝘁𝗮𝗼 𝗵𝗼𝗲 𝗖𝗢𝗣? 𝗡𝗮𝗵𝗼𝗮𝗻𝗮 𝗻𝗼 𝗺𝗶𝘀𝘆 𝗶𝗿𝗲𝗼 𝗙𝗶𝗳𝗮𝗻𝗮𝗿𝗮𝗵𝗮𝗻𝗮 𝟯 𝘁𝗮𝗼 𝗥𝗶𝗼?

🌵Ny hoe 𝗖𝗢𝗣 dia fanafohezana ny teny anglisy hoe « 𝘊𝘰𝘯𝘧𝘦𝘳𝘦𝘯𝘤𝘦 𝘰𝘧 𝘵𝘩𝘦 𝘗𝘢𝘳𝘵𝘪𝘦𝘴 » na « 𝘊𝘰𝘯𝘧𝘦́𝘳𝘦𝘯𝘤𝘦 𝘥𝘦𝘴 𝘗𝘢𝘳𝘵𝘪𝘦𝘴 », izay midika hoe 𝗙𝗶𝗵𝗮𝗼𝗻𝗮𝗺𝗯𝗲𝗻’𝗶𝗿𝗲𝗼 𝗙𝗶𝗿𝗲𝗻𝗲𝗻𝗮 𝗻𝗮𝗻𝗸𝗮𝘁𝗼 𝗻𝘆 𝗳𝗶𝗳𝗮𝗻𝗮𝗿𝗮𝗵𝗮𝗻𝗮. Izy io no sehatra lehibe andraisana fanapahan-kevitra eo amin’ireo firenena mpikambana ao anatin’ny fifanarahana iraisam-pirenena momba ny tontolo iainana.
🌱Mivory tsy tapaka ireo firenena ireo, miara-midinika ny ezaka efa natao, mifampiraharaha amin’ny fanapahan-kevitra iraisana ary mametraka ireo laharam-pahamehana vaovao.
🌿Ny 𝗙𝗶𝗳𝗮𝗻𝗮𝗿𝗮𝗵𝗮𝗻𝗮 𝟯 𝘁𝗮𝗼 𝗥𝗶𝗼 dia niainga tamin’ny 𝗙𝗶𝗵𝗮𝗼𝗻𝗮𝗺𝗯𝗲𝗻’𝗻𝘆 𝗧𝗮𝗻𝘆 𝗻𝗮𝘁𝗮𝗼 𝘁𝗮𝗼 𝗥𝗶𝗼 𝗱𝗲 𝗝𝗮𝗻𝗲𝗶𝗿𝗼, 𝘁𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝘁𝗮𝗼𝗻𝗮 1992. Fifanarahana miompana manokana amina fanamby lehibe telo mifampiankina : ny 𝗳𝗶𝗼𝘃𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝘁𝗼𝗲𝘁𝗿𝗮𝗻𝗱𝗿𝗼, ny 𝗳𝗮𝗵𝗮𝘃𝗲𝗿𝗲𝘇𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗸𝗮𝗿𝗮𝘇𝗮𝗻𝗷𝗮𝘃𝗮𝗺𝗮𝗻𝗮𝗻𝗮𝗶𝗻𝗮 ary ny 𝗳𝗮𝗵𝗮𝘀𝗶𝗺𝗯𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝘁𝗮𝗻𝘆 𝘀𝘆 𝗻𝘆 𝗳𝗶𝗵𝗮𝗻𝗴𝗮𝘇𝗮𝗻𝗮𝗻𝗮.

1️⃣🌍 𝗖𝗢𝗣 𝗺𝗼𝗺𝗯𝗮 𝗻𝘆 𝗙𝗶𝗼𝘃𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗧𝗼𝗲𝘁𝗿𝗮𝗻𝗱𝗿𝗼 – #𝗖𝗖𝗡𝗨𝗖𝗖

🌵Ny 𝗙𝗶𝗳𝗮𝗻𝗮𝗿𝗮𝗵𝗮𝗻𝗮 𝗹𝗮𝘀𝗶𝘁𝗿𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗙𝗶𝗿𝗲𝗻𝗲𝗻𝗮 𝗠𝗶𝗸𝗮𝗺𝗯𝗮𝗻𝗮 𝗺𝗼𝗺𝗯𝗮 𝗻𝘆 𝗙𝗶𝗼𝘃𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗧𝗼𝗲𝘁𝗿𝗮𝗻𝗱𝗿𝗼 ( #𝗖𝗖𝗡𝗨𝗖𝗖) dia miompana amin’ny ady amin’ny fiovan’ny toetrandro.
🌱Ity COP ity no ihaonan’ireo firenena an-jatony hanamafisana ny hetsika sy ny asa momba ny toetrandro, ametrahana paikady iombonana hampihenana ny famokarana entona mangeja hafanana izay mitarika ny fiakaran’ny hafanan’ny tany ary anamafisana ny fiatrehana ireo vokadratsy ateraky ny fiovan’ny toetrandro.
🌿Tao anatin’ity Fifanarahana no nandraisana ireo fifanarahana iraisam-pirenena lehibe, toy ny Fifanarahan’i Parisy.

2️⃣🐢𝗖𝗢𝗣 𝗺𝗼𝗺𝗯𝗮 𝗻𝘆 𝗸𝗮𝗿𝗮𝘇𝗮𝗻𝗷𝗮𝘃𝗮𝗺𝗮𝗻𝗮𝗻𝗮𝗶𝗻𝗮 – #𝗖𝗗𝗕🐒

🦩🌵Ny 𝗙𝗶𝗳𝗮𝗻𝗮𝗿𝗮𝗵𝗮𝗻𝗮 𝗺𝗼𝗺𝗯𝗮 𝗻𝘆 𝗸𝗮𝗿𝗮𝘇𝗮𝗻𝗷𝗮𝘃𝗮𝗺𝗮𝗻𝗮𝗻𝗮𝗶𝗻𝗮 ( #𝗖𝗗𝗕) dia mikendry ny 𝗳𝗶𝗮𝗿𝗼𝘃𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝘇𝗮𝘃𝗮𝗺𝗮𝗻𝗮𝗻𝗮𝗶𝗻𝗮 𝘀𝘆 𝗻𝘆 𝗵𝗮𝗿𝗲𝗻𝗮 𝘃𝗼𝗮𝗷𝗮𝗻𝗮𝗵𝗮𝗿𝘆, hampiroborobo ny fampiasana azy ireo amin’ny fomba maharitra ary hiantohana ny fizarana ara-drariny ny tombontsoa azo avy amin’ny fampiasana ireo harena fototarazo (ressources génétiques).
🦈🌊Ho an’i Madagasikara, izay manana harena voajanahary miavaka, tsy fahita firy manerana izao tontolo izao, dia tena zava-dehibe ity Fifanarahana ity. Anisan’ny laharam-pahamehana amin’izany ny fiarovana ireo karazanjavamananaina sy ny rohivoary, ny famerenana amin’ny laoniny ny toeram-ponenan’izy ireo ary ny fampiasana maharitra ny harena voajanahary.

3️⃣🌵𝗖𝗢𝗣 𝗺𝗼𝗺𝗯𝗮 𝗻𝘆 𝗙𝗶𝗵𝗮𝗻𝗴𝗮𝘇𝗮𝗻𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝘁𝗮𝗻𝘆 – 𝗨𝗡𝗖𝗖𝗗🌵🌞

🌵🌵Ny 𝗙𝗶𝗳𝗮𝗻𝗮𝗿𝗮𝗵𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗙𝗶𝗿𝗲𝗻𝗲𝗻𝗮 𝗠𝗶𝗸𝗮𝗺𝗯𝗮𝗻𝗮 𝗺𝗼𝗺𝗯𝗮 𝗻𝘆 𝗔𝗱𝘆 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗙𝗶𝗵𝗮𝗻𝗴𝗮𝘇𝗮𝗻𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝘁𝗮𝗻𝘆 ( #𝗨𝗡𝗖𝗖𝗗) dia miompana amin’ny 𝗳𝗶𝘀𝗼𝗿𝗼𝗵𝗮𝗻𝗮 𝘀𝘆 𝗻𝘆 𝗮𝗱𝘆 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗵𝗮𝘀𝗶𝗺𝗯𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝘁𝗮𝗻𝘆, 𝗻𝘆 𝗳𝗶𝗿𝗼𝘀𝗼𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝘁𝗮𝗻𝘆 𝗵𝗼 𝗻𝗴𝗮𝘇𝗮𝗻𝗮 𝗮𝗿𝘆 𝗻𝘆 𝘃𝗼𝗸𝗮𝗱𝗿𝗮𝘁𝘀𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗵𝗮𝗶𝗻𝘁𝗮𝗻𝘆, indrindra any amin’ireo firenena marefo.
🌵Manome lanja manokana ny famerenana amin’ny laoniny ny tany sy ny fitantanana maharitra ny tany

🌍🌳 𝗖𝗢𝗣 𝗺𝗶𝗶𝘀𝗮 3, 𝗵𝗼 𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗽𝗹𝗮𝗻𝗲𝘁𝗮 𝗶𝗿𝗮𝘆 !
Na dia samy manana ny tanjony sy ny Fihaonambeny ( ) manokana aza ireo Fifanarahana 3 ireo, dia 𝗺𝗶𝗳𝗮𝗺𝗮𝘁𝗼𝘁𝗿𝗮 𝘁𝗮𝗻𝘁𝗲𝗿𝗮𝗸𝗮 𝗻𝘆 𝗼𝗹𝗮𝗻𝗮 𝗮𝘁𝗿𝗲𝗵𝗶𝗻𝘆.

↗️𝘔𝘪𝘴𝘺 𝘧𝘪𝘢𝘯𝘵𝘳𝘢𝘪𝘬𝘢𝘯𝘺 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘻𝘢𝘷𝘢𝘮𝘢𝘯𝘢𝘯𝘢𝘪𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘧𝘪𝘰𝘷𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘵𝘰𝘦𝘵𝘳𝘢𝘯𝘥𝘳𝘰.
↗️𝘕𝘺 𝘻𝘢𝘷𝘢𝘮𝘢𝘯𝘢𝘯𝘢𝘪𝘯𝘢 𝘬𝘰𝘴𝘢 𝘥𝘪𝘢 𝘮𝘢𝘯𝘢𝘮𝘱𝘺 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘯𝘢𝘮𝘢𝘧𝘪𝘴𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘩𝘢𝘧𝘢𝘩𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘵𝘰𝘯𝘵𝘰𝘭𝘰 𝘪𝘢𝘪𝘯𝘢𝘯𝘢 𝘮𝘪𝘢𝘵𝘳𝘪𝘬𝘢 𝘯𝘺 𝘧𝘪𝘰𝘷𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘵𝘰𝘦𝘵𝘳𝘢𝘯𝘥𝘳𝘰.
↗️𝘕𝘺 𝘢𝘭𝘢 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘵𝘢𝘯𝘺 𝘴𝘢𝘭𝘢𝘮𝘢 𝘥𝘪𝘢 𝘮𝘪𝘵𝘢𝘩𝘪𝘳𝘺 𝘬𝘢𝘳𝘣𝘰̂𝘯𝘢, 𝘮𝘪𝘢𝘳𝘰 𝘯𝘺 𝘭𝘰𝘩𝘢𝘳𝘢𝘯𝘰 𝘢𝘳𝘺 𝘮𝘢𝘯𝘰𝘩𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘧𝘪𝘢𝘪𝘯𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘮𝘱𝘰𝘯𝘪𝘯𝘢.

🌳🌿Izay no mahatonga ireo Fifanarahana 3 tao Rio ireo miezaka hatrany manamafy ny fiaraha-miasa, mba hisian’ny vahaolana iraisana sy asa iombonana.🌿☘️
​

RENFORCEMENT DES CAPACITÉS DES OSC LOCALES DANS L’ANDROY🔵 Renforcer les capacités des OSC locales aujourd’hui, c’est inv...
24/08/2026

RENFORCEMENT DES CAPACITÉS DES OSC LOCALES DANS L’ANDROY

🔵 Renforcer les capacités des OSC locales aujourd’hui, c’est investir dans une gouvernance plus transparente et une paix durable demain.

Dans le cadre du Projet LANDJA – Cycle 2, l’équipe PCEC de Move On Androy poursuit ses actions de renforcement des capacités des organisations de la société civile locales dans la Région Androy.

Au cours de la semaine dernière, des séances de renforcement de capacités ont été réalisées auprès des OSC des Communes de Tranovaho(Association KAREMBOLA) et de Jafaro (Association TOKO TELO MAHAMASAK'AHANDRO", autour notamment de :

✔️ la compréhension et la mise en œuvre du CCAP (Contrôle Citoyen des Actions Publiques) ;
✔️ la participation citoyenne et la redevabilité ;
✔️ le dialogue entre citoyens, structures communautaires et autorités ;
✔️ le leadership et la mobilisation communautaire ;
✔️ la pérennisation des mécanismes de contrôle citoyen au niveau local.

Cette démarche vise à permettre aux OSC locales de disposer des compétences nécessaires pour porter et poursuivre de manière autonome les actions de contrôle citoyen, même au-delà de la durée du projet.

🤝 À travers ces actions, Move On Androy réaffirme son engagement à poursuivre les efforts en faveur de l’instauration d’une paix durable, portée par le Projet LANDJA, en renforçant la participation citoyenne, la transparence, la gouvernance locale et le dialogue au sein des communautés.

📍 Cette semaine, le renforcement des capacités se poursuivra dans les Communes de Erada, Faux Cap et Bekitro.

Quand les OSC locales sont renforcées, les communautés deviennent davantage actrices de leur développement et de la construction d’une paix durable.

Landja
UN Peacebuilding Fund Madagascar - Fonds pour la Consolidation de la Paix
PNUD Madagascar
Observatoire National des Droits Humains - ONDH
MSIS Multi-Sector Information Service
ONG Ivorary
SIOKA
ADY Fototra
Move on Androy

FIKAO­NANDOHA NASIONALIN’NY FIRAI­SONIM-PIRENENA MOMBA NY SEHATRA FITRANDRAHANA HARENA AN-KIBON’NY TANY✅Nandray anjara t...
22/08/2026

FIKAO­NANDOHA NASIONALIN’NY FIRAI­SONIM-PIRENENA MOMBA NY SEHATRA FITRANDRAHANA HARENA AN-KIBON’NY TANY

✅Nandray anjara tamin’ny Loabary an-dasy – Fikaonandoha Nasionalin’ny Firaisamonim-pirenena momba ny sehatry ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany eto Madagasikara, izay natao ny 20 sy 21 Aogositra 2026, tao amin’ny Hôtel La Résidence Ankerana, Antananarivo, ny Move on Androy.

👉Fandignisa Lucien Secrétaire Général sy Radaka Matotra Président Move On Antanimora, no nisolo tena ny fikambanana nandritra ity fikaonandoha nasionaly ity.

Anisan’ireo mpandray anjara tamin’ity fikaonandoha ity ihany koa ny Ministry ny Fanavaozann'ny repoblika ny Madagasikara, Ramatoa HANITRA Razafimantsoa, izay niara-nisalahy tamin’ireo mpisehatra samihafa tamin’ny fifanakalozan-kevitra sy fandinihana momba ireo fanamby sy vina ho an’ny sehatry ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany eto Madagasikara.

✍️Nifantoka tamin’ny fifanakalozan-kevitra, fandinihana ary adihevitra momba ny zava-misy sy ny hoavin’ny sehatry ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany eto Madagasikara ny fikaonandoha. Anisan’ny nodinihina ny anjara birikin’ity sehatra ity eo amin’ny toekarena, ny fiantraikany amin’ny mponina sy ny faritra, ny tontolo iainana, ny zon’olombelona, ary ireo safidy stratejika sy fanamby atrehin’i Madagasikara.

💚 Ho an’ny Move On Androy, zava-dehibe ny fisian’ny sehatra malalaka ahafahan’ny Firaisamonim-pirenena maneho hevitra, mifampihaino ary mandray anjara amin’ny fananganana vahaolana maharitra ho an’ny Firenena.

✊Vonona hatrany ny Move On Androy handray anjara amin’ireo ady hevitra sy fifanakalozan-kevitra manorina, amin’ny alalan’ny fandraisana andraikitra mavitrika sy ny fanomezana ny fomba fijerin’ny olom-pirenena, indrindra amin’ireo olana sy fanamby misy fiantraikany amin’ny Faritra Androy.

🤝 Mino izahay fa amin’ny alalan’ny fifampidinihana, fifanakalozan-kevitra misokatra ary fandraisana anjaran’ny rehetra, no ahafahana mamolavola vina sy sori-dalana stratejika tena mifanaraka amin’ny tombontsoan’i Madagasikara sy ny mponina ao aminy.

Move On Androy – Mihetsika, mandray anjara ary mijoro ho an’ny tombontsoan’ny Firenena, indrindra ho an’ny Faritra Androy.

Raikitra ny fampiofanana fanaovana zezi-pahitra hanatsarana ny fambolena pépinière sy légumes.ADY Fototra ho an'ny Tanin...
22/08/2026

Raikitra ny fampiofanana fanaovana zezi-pahitra hanatsarana ny fambolena pépinière sy légumes.

ADY Fototra ho an'ny Taninjanaka

👏Nous sommes heureux d’annoncer la réalisation avec succès de la formation organisée avec FANAINGA+ à Fort-Dauphin.Cette...
19/08/2026

👏Nous sommes heureux d’annoncer la réalisation avec succès de la formation organisée avec FANAINGA+ à Fort-Dauphin.

Cette formation constitue une étape importante pour Move On Androy, car elle nous permet de renforcer nos connaissances, nos compétences et notre capacité d’action en faveur de notre communauté.

🙏Nous remercions chaleureusement FANAINGA+ pour cette opportunité, ainsi que pour la qualité des échanges et des apprentissages durant cette formation.

✅Une mention spéciale aux trois représentants de Move On Androy qui ont participé activement à cette formation et qui contribueront à la mise en pratique des acquis au sein de notre organisation.

💪 Se former, apprendre, partager et agir : ensemble, continuons à faire avancer Move On Androy et à contribuer au développement de la région Androy.

+

🌱 MOVE ON ANDROY AO ANATIN’NY FORMATION MOMBA NY FIFANDRAISANA HO AN’NY ORGANISATIONS DE LA SOCIÉTÉ CIVILEFaly izahay at...
17/08/2026

🌱 MOVE ON ANDROY AO ANATIN’NY FORMATION MOMBA NY FIFANDRAISANA HO AN’NY ORGANISATIONS DE LA SOCIÉTÉ CIVILE

Faly izahay ato amin’ny Move On Androy mizara fa nahazo fanasana handray anjara amin’ny session de formation sur la communication des OSC, izay karakarain’ny FANAINGA+, izay tanterahina ao Fort-Dauphin ny 17 ka hatramin’ny 19 Aogositra 2026.

Ity formation ity dia mikendry indrindra ny hanamafisana ny fahaiza-manao eo amin’ny fifandraisana sy ny fanehoan-kevitra ampahibemaso, indrindra ho an’ireo mpikambana ao amin’ny fikambanana fiarahamonim-pirenena izay misolo tena ny rafitra misy azy na mifandray amin’ny media, ny manampahefana ary ny vondrom-piarahamonina.

Telo mianadahy no ekipa ny Move On mandray anjara amin'ity fiofanana ity,Calvin Mamenosoa Mampitombo ,Andriamamelo Mamindray ary Herizo.

Ho an’ny Move On Androy, fotoana iray lehibe izao hanamafisana hatrany ny fahaiza-manao, hifampizarana traikefa amin’ireo OSC hafa, ary indrindra hampiroboroboana ny fandraisana anjaran’ny fiarahamonim-pirenena eto amin’ny Faritra Androy.

🤝 Misaotra ny FANAINGA+ amin'ny fitokisana nomeny ny Move On Androy.

🌍 Mandroso miaraka, mifampizara traikefa ary manamafy ny feon’ny fiarahamonim-pirenena.

+

Address

Androy
Ambovombe
604

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Move on Androy posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Organization

Send a message to Move on Androy:

Shortcuts

Share