Coalition régionale des OSC pour la Pêche et Économie bleue Androy

Coalition régionale des OSC pour la Pêche et Économie bleue Androy Coalition régionale des organisations de la société civile pour la Pêche et Économie bleue-Region Androy

04/12/2024
𝐅𝐢𝐯𝐨𝐫𝐢𝐚𝐦𝐛𝐞 𝐞𝐧𝐢𝐦-𝐛𝐨𝐥𝐚𝐧𝐚 𝐟𝐚𝐡𝐚𝐫𝐨𝐚 𝐧𝐲 𝐡𝐞𝐭𝐬𝐢𝐤𝐚 𝐑𝐎𝐇𝐘 𝐨𝐦𝐚𝐥𝐲 𝐀𝐥𝐚𝐫𝐨𝐛𝐢𝐚 𝟑𝟎 𝐎𝐤𝐭𝐨𝐛𝐫𝐚 𝟐𝟎𝟐𝟒𝑇𝑎𝑛𝑗𝑜𝑛𝑎 𝑙𝑒ℎ𝑖𝑏𝑒 𝑡𝑎𝑚𝑖𝑛'𝑖𝑡𝑦 𝑓𝑖𝑣𝑜𝑟𝑖𝑎𝑚𝑏𝑒 𝑖𝑡𝑦 𝑛𝑦 ...
31/10/2024

𝐅𝐢𝐯𝐨𝐫𝐢𝐚𝐦𝐛𝐞 𝐞𝐧𝐢𝐦-𝐛𝐨𝐥𝐚𝐧𝐚 𝐟𝐚𝐡𝐚𝐫𝐨𝐚 𝐧𝐲 𝐡𝐞𝐭𝐬𝐢𝐤𝐚 𝐑𝐎𝐇𝐘 𝐨𝐦𝐚𝐥𝐲 𝐀𝐥𝐚𝐫𝐨𝐛𝐢𝐚 𝟑𝟎 𝐎𝐤𝐭𝐨𝐛𝐫𝐚 𝟐𝟎𝟐𝟒

𝑇𝑎𝑛𝑗𝑜𝑛𝑎 𝑙𝑒ℎ𝑖𝑏𝑒 𝑡𝑎𝑚𝑖𝑛'𝑖𝑡𝑦 𝑓𝑖𝑣𝑜𝑟𝑖𝑎𝑚𝑏𝑒 𝑖𝑡𝑦 𝑛𝑦 𝑓𝑖𝑓𝑎𝑚𝑝𝑖𝑧𝑎𝑟𝑎𝑛𝑎 𝑚𝑖𝑘𝑎𝑠𝑖𝑘𝑎 𝑖𝑟𝑒𝑜 𝑧𝑎𝑣𝑎-𝑏𝑖𝑡𝑎𝑛'𝑖𝑟𝑒𝑜 𝑓𝑖𝑟𝑎𝑖𝑠𝑎𝑚𝑜𝑛𝑖𝑚-𝑝𝑖𝑟𝑒𝑛𝑒𝑛𝑎 𝑚𝑖𝑣𝑜𝑛𝑑𝑟𝑜𝑛𝑎 𝑎𝑜 𝑎𝑚𝑖𝑛'𝑛𝑦 𝑣𝑜𝑣𝑜𝑛𝑎𝑛𝑎 𝑅𝑂𝐻𝑌 𝑛𝑎𝑛𝑑𝑟𝑖𝑡𝑟𝑎 𝑛𝑦 𝑡𝑎𝑜𝑛𝑎 2023-2024.

Noresahana manokana ny fahafahana maneho hevitra, ny fampiharana sy ny fanaraha-maso ny politika eto amin’ny firenena, indrindra amin’ny lafiny sosialy sy toekarena.
Nasongadina nandritra izany ny fanavaozana ny drafitra stratejika ho an'ny taona 2022-2026. Maro ireo olana atrehin’ny firenena izay mila fanamafisana sy fampisongadinana bebe kokoa ny asan'ny fiaraisamonim-pirenena. Zava-dehibe araka izany ny fandraisana anjaran’izy ireo amin’ny fananganana, ny fanaraha-maso, ary ny fanombanana ny politika ampiharina eto amin’ny firenena, izay tokony ho ivon’ireo hetsika rehetra ataony ka tsy maintsy manova fomba fiasa sy mampifanaraka ny tetikasany amin'izany ny hetsika ROHY mba hahafahany manatratra ny tanjony dia ny fiarovana ny tombontsoa iombonan’ny Malagasy.
Araka izany dia ysy maintsy mandrindra sy manamafy kokoa ny asa ataony ny hetsika Rohy mba hanatsarana sy hampiroborobona ny fandraisana anjara mavitrika avy amin’ny olom-pirenena mba hahatonga ny feony ho re amin’ny fanapahan-kevitra raisina.






📣𝗙𝗶𝘃𝗼𝗿𝗶𝗮𝗺𝗯𝗲 𝗲𝗻𝗶𝗺-𝗯𝗼𝗹𝗮𝗻𝗮 𝗳𝗮𝗵𝗮𝗿𝗼𝗮 𝗵𝗲𝘁𝘀𝗶𝗸𝗮 𝗥𝗢𝗛𝗬Ny Fivoriambe enim-bolana faharoa an'ny hetsika ROHY dia hatao 𝗻𝘆 𝗮𝗹𝗮𝗿𝗼𝗯𝗶𝗮 𝟯...
31/10/2024

📣𝗙𝗶𝘃𝗼𝗿𝗶𝗮𝗺𝗯𝗲 𝗲𝗻𝗶𝗺-𝗯𝗼𝗹𝗮𝗻𝗮 𝗳𝗮𝗵𝗮𝗿𝗼𝗮 𝗵𝗲𝘁𝘀𝗶𝗸𝗮 𝗥𝗢𝗛𝗬

Ny Fivoriambe enim-bolana faharoa an'ny hetsika ROHY dia hatao 𝗻𝘆 𝗮𝗹𝗮𝗿𝗼𝗯𝗶𝗮 𝟯𝟬 𝗢𝗸𝘁𝗼𝗯𝗿𝗮 𝟮𝟬𝟮𝟰, 𝗺𝗮𝗻𝗼𝗺𝗯𝗼𝗸𝗮 𝗮𝗺𝗶𝗻'𝗻𝘆 𝟴 𝗼𝗿𝗮 𝘀𝘆 𝘀𝗮𝘀𝗮𝗻𝘆 𝗺𝗮𝗿𝗮𝗶𝗻𝗮 ka hatramin'ny 4 ora sy sasany hariva, ao Ambatonakanga, Immeuble Ex-Cite.

Tohanan'ny Fanainga+ ity AG ny hetsika ROHY ity

✴️ Ambovombe, Faritra Androy: Atrikasa famaranana ny famolavolana ny PAP.✅ Ny taona 2022 no nanomboka ny famolavolana ny...
21/06/2023

✴️ Ambovombe, Faritra Androy: Atrikasa famaranana ny famolavolana ny PAP.

✅ Ny taona 2022 no nanomboka ny famolavolana ny drafi-panajariana ny Jono ho an'ny Faritra Androy izay nataon'ireo mpanamahay avy ao amin'ny BCPA. Ankehitriny miroso amin'ny dingana famaranana ny famolavolana izany ireo mpanamahay miaraka amin'ny Ministeran'ny Jono sy ny Toekarena Manga.

👉 Arak'izany dia tanterahina ao Ambovombe, Faritra Androy amin'ny mandritra ny roa andro ny 20-21 Jona 2023 ny atrikasa mahakasika izany. Tanjona kendren'ny atrikasa ny handrafetana ny paikady ahafahana mametraka ny PAP ho ara-dalàna sy aram-panjakana. Natao ihany koa ho fankatoavana ireo komity mpintanana sy ny mpanatanteraka ary ny rafitra mpanohana.

👉 Mandray anjara amin'ity atrikasa famaranana ity avokoa ireo mpisehatra rehetra voakasika toy ny mpanjono,mpanangom-bokatra, ny avy amin'ny Distrika sy Faritra, ny avy amin'ny fiaraha-monim-pirenena, ireo mpitan-tsoroka ara-bola sy ara-teknika.

👉 Ny Sekretera Jeneralin'ny Ministeran'ny Jono sy ny Toekarena Manga Atoa TILAHY Desiré moa no nanokatra tamin'ny fomba ofisialy izany atrikasa izany notronin'ny Tale Kabinetran'ny Governora ny Faritra Androy, ny Prefet ary ireo tale isan'tsokajiny eo anivon'ny Ministera.


✴️ Ambovombe, Faritra Androy: Atrikasa mahakasika ny "Drafi-panajariana ny Fari-dranomasina"☑️ Tanterahina nanomboka ny ...
21/06/2023

✴️ Ambovombe, Faritra Androy: Atrikasa mahakasika ny "Drafi-panajariana ny Fari-dranomasina"

☑️ Tanterahina nanomboka ny 05 hatramin'ny 07 Jiona 2023 ao Ambovombe, Faritra Androy ny Atrikasa mahakasika ny "Drafi-panajariana ny Fari-dranomasina" ho an'iny Faritra iny na "PSM: Planification Spatiale Maritime".

👉 Zava-dehibe ny fanatanterahina izany atrikasa izany satria anisan'ireo manana Fari-dranomasina midadasika mahatratra hatrany amin'ny 250km ny Faritra Androy izay ahitana harena an-dranomasina betsaka indrindra ary maro karazana.

👉 Voasolotena amin'ity atrikasa ity avokoa ireo mpisehatra amin'izany
faridranomasina izany toy ny mpanjono, mpanao kinanga, ireo mpanangom-bokatra, ireo mpiara-miombon'antoka, ny avy amin'ny Faritra sy ny Fiaraha-monim-pirenena.







13/12/2022

FANAMBARANA

Antananarivo, faha 12 desambra 2022

Tandindomin-doza ny fiarovana ny tontolo iainana eto amin’ny Firenena nohon’ny fibodon’olon-tsotra ny faritr’ala miantoka ny rano sotroina sy mamatsy ny herin’anaratra ho an’Antananarivo sy ny manodidina, izay ao Andriankely Tsiazompaniry kaominina Ambohimiadana distrikan’Andramasina. Izany dia tafiditra ao anatin’ny Faritr’Ala tantanin’ny VOI TSARAFARA nandritra ny 20 taona latsaka nanomboka ny taona 2004 dia indro ankehitriny fa lasan’olona tsotra.

Nihamafy hatrany ny disadisa teo amin’ity olon-tsotra ity sy ny fikambanana TSARAFARA teo amin’io tany ao Andriankely io izay lazainy fa Tsarahonenana ka niakatra Fitsarana matetika ny raharaha. Teo anatrehan’zany dia nahazo rariny hatrany ny Fikambanana teo anatrehan’ny Fitsarana ambaratonga voalohany tany Ambatolampy satria nidina ifotony ny fitsarana niaraka tamin’ireo Sampan-draharaham-panjakana sy Manampahefana voakasika nanamarina ny fizaran’ny tany ary hita fa tsy mifanindry mihitsy ny tanin’ity olona tokana ity izay atao hoe Tsarahonenana sy ny tany Andriankely ao anatin’ny tany tantanan’ny VOI TSARAFARA fa mifanakaiky. Tsy nanaiky izany ilay olona te-hibodo ny tany izay efa voajarin’ny Fikambanana an-taonany maro niaraka tamin’ireo tantsoroka ara-bola sy ara-teknika ka nampiakatra ny raharaha teo anivon’ny Fitsarana aty Antananarivo indray. Nanjary resy indray ny Fikambanana ary voalaza fa mandoa onitra 10.000.000 AR (Folo tapitrisa Ariary) sy miala amin’ny tany sy ny Faritra nohajariany araka ny didim-pitsarana.

Manoloana io zava- misy io dia manaitra ny Fitondram-panjakana tandrify (MEDD, Fitsarana), tarihin’ny hetsika ROHY sy ny mpiaradia aminy rehetra, isan’izany ny TAFO MIHAAVO, Alliance Voahary Gasy, …sns izay mitarika ny lohahevitra tontolo iainana sy ireo Mpanao tantsoroka nitondra ny fanampiana ara-bola sy ara-teknika ho entina miaro ireo toerana sarobidy

✍️✍️✍️✍️VOIR COMMENTAIRES POUR LES DETAILS ✍️✍️✍️✍️

Address

Ambaro 2
Ambovombe
604

Telephone

+261349566693

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Coalition régionale des OSC pour la Pêche et Économie bleue Androy posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Organization

Send a message to Coalition régionale des OSC pour la Pêche et Économie bleue Androy:

Share