Fivondronan'ny Mpandraharaha Malagasy-Faritra Androy

Fivondronan'ny Mpandraharaha Malagasy-Faritra Androy Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Fivondronan'ny Mpandraharaha Malagasy-Faritra Androy, Nonprofit Organization, Ambaro 2, Ambovombe.

Fivondronan'ny Mpandraharaha Malagasy ou Groupement du Patronat Malagasy est une association regroupant les entrepreneurs ou les secteurs privés .Le FIVMPAMA ou Fivondronan'ny Mpandraharaha Malagasy (

Fiaraha-miasa ho fanohanana ny Orinasa Madinika sy Salasalany eto MadagasikaraTamin’ny 15 aprily 2026, nanasonia fiaraha...
17/04/2026

Fiaraha-miasa ho fanohanana ny Orinasa Madinika sy Salasalany eto Madagasikara

Tamin’ny 15 aprily 2026, nanasonia fiaraha-miasa ho fanohanana ny fampandrosoana ny Orinasa Madinika sy Salasalany ny BNI MADAGASCAR sy ny FIVMPAMA (Fivondronan'ny Mpandraharaha Malagasy) tamin’ny alalan’ny fanaovan-tsonia fifanarahana iombonana.
Ity fifanarahana ity dia nosoniavin-dRamatoa Claudia Rabetsivoh, Filohan’ny FIVMPAMA, sy Atoa Patrice Mazzei, Tale Jeneralin’ny BNI MADAGASCAR.
Amin’ny alalan’izao fiaraha-miasa izao dia manamafy indray ny fahavononany iombonana izy ireo hanohana ny fandraharahana ara-bola tsy manavaka ary maharitra. Tanjona amin’izany ny fanamafisana ny fahaizan’ireo TPME amin’ny alalan’ny :
🔹fandaharan’asa fanohanana,
🔹fiofanana sy fanabeazana ara-bola,
🔹ary fanamorana ny fahazoana vahaolana ara-bola mifanaraka amin’ny filàny.

Hetsika manamarika ihany koa ny finiavan’ny BNI MADAGASCAR handray anjara mavitrika amin’ny fampandrosoana ny toekarena nasionaly.
Miaraka amin’ireo masoivoho 110, ny KRED, vahaolana microfinance 100% nomerika,ny Trophée du Jeune Entrepreneur ary ny fifaninanana BNI LOVAINJAFY ny BNI MADAGASCAR dia mandray anjara mavitrika amin’ny fanohanana ireo mpandraharaha malagasy.

Ity fiaraha-miasa ity dia manokatra làlana ho amin’ny hetsika iarahana ho an’ny tombontsoan’ny tontolon’ny fandraharahana malagasy.


17/04/2026
FIVMPAMA BIRAO FOIBE Notanterahina ny Talata , 24 Febroary 2026 ny Fivoriambe ara-potoanan’ny FIVMPAMA. Nandritra izany ...
26/02/2026

FIVMPAMA BIRAO FOIBE

Notanterahina ny Talata , 24 Febroary 2026 ny Fivoriambe ara-potoanan’ny FIVMPAMA. Nandritra izany no nanaovana ny fifidianana ny Filankevi-pitantanana vaovao.
Taorian’izany dia voafidy ho filoha hitarika ny filankevi-pitatanana mandritra ny roa (02) taona i Rtoa Claudia RABETSIVOH.
Ireto avy ny mandrafitra ny birao :
filoha lefitra :
• Rtoa TSIRANANA Fiona
• Atoa NIRINA Lyvio
• Atoa ANDRIAMIJORO Mino
sekretera jeneraly :
• Atoa HARIJAONA Arija
mpitambola :
• Atoa RANDRIAMANANANDRO Hervé
mpanolotsaina :
• Rtoa RABEMANANTSOA Rocquie
• Atoa RAMAROSON Jean Michel
• Atoa BEANTANANA Eric
• Atoa RALIJESY Olsen
• Rtoa RANDRIANALINARIVO Hantamalala
• Rtoa RABEFITIAVANA Ulrichia
• Rtoa RAHAJARIJAONA Arlette
• Atoa RAKOTONDRAVOAVY Gaël
• Atoa RANDRIANATOANDRO Rado
• Rtoa RAKOTOARIMANANA Johanna
Iray Vina , Miray Hina , Fahombiazana

🚨Antso tolotananaTaorian’ny fandalovan’ny rivodoza Gezani, izay niteraka fahasimbana tao amin’ny tanànan’i Toamasina, di...
13/02/2026

🚨Antso tolotanana

Taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Gezani, izay niteraka fahasimbana tao amin’ny tanànan’i Toamasina, dia maro amin’ireo mpandraharaha malagasy no niharan-doza sy very fananana.
Manoloana izany toe-javamitranga izany, ny FIVMPAMA (Fivondronan’ny Mpandraharaha Malagasy) dia manao antso avo amin’ny firaisankinan’ny mpandraharaha sy ny olom-pirenena rehetra, mba hanolotra fanampiana ho an’ireo mpandraharaha traboina.

📅 Manomboka anio ny fanangonana fanomezana, ary hifarana amin’ny Zoma 20 Febroary 2026.

📍 Toerana handraisana ny fanomezana :
• Foiben’ny FIVMPAMA – Antsakaviro : Lot II M 99 BIS Antsakaviro , 034 20 002 61
• Foiben’ny IMEX – Ambohimanambola : 3H7W+MR8, Mahitsy, Antananarivo, +261 34 30 592 51
• Foiben’ny IMEX – Ankorondrano : Enceinte firoza ankorondrano ( en face Leaderprice), +261 34 30 592 51
Ny fanomezana rehetra (ara-bola na ara-pitaovana) dia horaisina am-pitiavana sy hafindra haingana any amin’ireo traboina. Ny IMEX no hiandraikitra ny fitanterana ireo fanomezana voaangona mankany Toamasina.

📧: [email protected]
✨ “Iray vina, iray hina, fahombiazana.”

📌 𝗧𝘀𝘆 𝗺𝗮𝗶𝗻𝘁𝘀𝘆 𝗺𝗮𝗻𝗼𝗻𝗶𝘁𝗿𝗮 (« récupération d'heures de travail) 𝗻𝘆 8 𝗼𝗿𝗮 very tamin'ny fiatoan'ny asa androany 11 febroary ...
11/02/2026

📌 𝗧𝘀𝘆 𝗺𝗮𝗶𝗻𝘁𝘀𝘆 𝗺𝗮𝗻𝗼𝗻𝗶𝘁𝗿𝗮 (« récupération d'heures de travail) 𝗻𝘆 8 𝗼𝗿𝗮 very tamin'ny fiatoan'ny asa androany 11 febroary 2026 ny mpiasa avy amin'ny orinasa tsy miankina rehetra, araka ity naoty navoakan'ny minisiteran'ny Asa sy fampananan'asa ity. 👇🏻

FANAMBARANA
11/02/2026

FANAMBARANA

🔴 SEHATRA TSY MIANKINA : HIAKATRA 300.000 ARIARY NY KARAMA FARANY AMBANY📍Hiakatra 300.000 Ariary ny karama farany ambany...
10/02/2026

🔴 SEHATRA TSY MIANKINA : HIAKATRA 300.000 ARIARY NY KARAMA FARANY AMBANY

📍Hiakatra 300.000 Ariary ny karama farany ambany ho an' ny fandraisana mpiasa amin' ny sokajy M1 araka ity fanambarana nataon'ny GEM (Groupement des Entreprises de Madagascar), ny FIV.MPA.MA. (Fivondronan'ny Mpandraharaha Malagasy) sy ny CTM (Conférence des Travailleurs de Madagascar) ity. Nampiakarina mifanaraka amin' izany ihany koa ireo sokajy efatra hafa.

📍Taorian' ny fifanakalozan-kevitra indroa miantoana nataon' ireo mpiray ombon' antoka ara-tsosialy nosoloin'izy ireo tena moa no nahafahana namaritra ity karama farany ambany ity.

📍Hihatra manomboka amin' ny 01 Martsa 2026 izany fampiakarana karama izany.

Amin'ny anaran'ny FIVMPAMA ANDROY (Fivondronan'ny Mpandraharaha Malagasy -antenne Régional Androy )  no iarahabanay an'A...
21/10/2025

Amin'ny anaran'ny FIVMPAMA ANDROY (Fivondronan'ny Mpandraharaha Malagasy -antenne Régional Androy ) no iarahabanay an'
Andriamatoa Herintsalama RAJAONARIVELO izay voatendry ho PRAIMINISITRA lehiben'ny Governemanta .

Izy dia tsy zohina amintsika fa filoha nasionalin'ny FIVMPAMA teo aloha ary Filoham-boninahitra ankehitriny .

Mpahay toe-karena, manam-pahaizana momba ny varotra iraisam-pirenena .

26/09/2025

Manameloka amin’ny faran’izay hentitra ny fandrobana sy ny fanimbana fananan’olona. Tranga hampitombo fahasahiranana sy fatiantoka, ary fahaverezana as amaro amin’ny toe-draharaha , efa sarotra sy manahirana, na hoan’ny isan’tokantrano na ny orinasa.
Mampatsiahy ny mpitandro filaminanan isan-tsokajiny , sy isan’ambaratongany ny andraikiny voalohany, izay tokony hiaro ny zo fototra , ny ara-dalàna, ary ny isambatanolona sy ny fananany , eo anoloan’ireo mpanararaotra fahefana , syn y mpanararaotra trangam-piarahamonina.
Manao antso avo amin’ireo mpihantsy fifandrafesana , fandrangitana sy fanimbana fananan’olona, ary fandikana lalàna, mba handanjalanja ny teny sy ny fihetsiny.
Farany , manentana ny rehetra ho tony , sy hanao ny hetsika fitakiana ampamendrehana hatrany
Ny filankevi-pitantanana.

FORMATION GRATUITEAmbovombe Androy, Hôtel Thaliako Lazan'androyChers membres de FIVMPAMA ANDROY(Fivondronan'ny Mpandraha...
18/07/2025

FORMATION GRATUITE
Ambovombe Androy, Hôtel Thaliako Lazan'androy

Chers membres de FIVMPAMA ANDROY(Fivondronan'ny Mpandraharaha Malagasy).
Chers leaders d'association,ONG,Coopérative,
Chers chefs d'Entreprises,

Dans le cadre de l'APPEL A PROJET INTERET NATIONAL N°12, financé par le Fonds Malgache de Formation Professionnelle (FMFP), FIVMPAMA ou Fivondronan'ny Mpandraharaha Malagasy organise pour ses membres une formation gratuite portant sur le thème de ‘l’Éducation financière », spécialement conçue pour vous aider à renforcer vos compétences pour optimiser la gestion financière de votre PME.

Les thématiques:Fiscalité et base du Droit Commercial Stratégie et processus de redressement financier Etats financiersBusiness plan en vue d'un dossier de financement Culture entrepreneurialeReussir une demande de financement Structure OrganisationnnelleStratégie Marketing, outil du business plan

Programme de la formation :
Cette formation complète se déroulera en plusieurs modules tout au long du mois d'Août au mois de septembre 2025, selon le calendrier suivant :

Chers membres de FIVMPAMA ANDROY,Dans le cadre de l'APPEL A PROJET INTERET NATIONAL N°12, financé par le Fonds Malgache ...
13/03/2025

Chers membres de FIVMPAMA ANDROY,
Dans le cadre de l'APPEL A PROJET INTERET NATIONAL N°12, financé par le Fonds Malgache de Formation Professionnelle (FMFP) FIVMPAMA organise pour ses membres une formation gratuite portant sur le thème de ‘l’Éducation financière », spécialement conçue pour vous aider à renforcer vos compétences pour optimiser la gestion financière de votre PME.
Programme de la formation :
Cette formation complète se déroulera en plusieurs modules tout au long du mois de juillet au mois de septembre 2025, selon le calendrier suivant :
1- Structure organisationnelle (avec Natacha Letourneau)
Dates : 10/07/2025 au 11/07/2025 (Tronc commun)
2- Culture entrepreneuriale : ( avec Mino ANDRIAMIJORO)
Dates : 28/07/2025 au 29/07/2025(Tronc commun)
3- Réussir une demande de financement ( avec Mino ANDRIAMIJORO)
Date : 30/07/2025
o Matinée : Entreprises informelles
o Après-midi : Entreprises formelles
4- États financiers ( avec Harimino RAKOTO)
Dates : 06/08/2025 au 07/08/2025
o Jour 1 : Entreprises informelles
o Jour 2 : Entreprises formelles
5- Fiscalité et base du droit commercial ( avec Arija HARIJAONA)
Dates : 11/08/2025 au 12/08/2025 (Tronc commun)
6- Stratégie et processus de redressement financier ( avec Arija HARIJAONA)
Dates : 13/08/2025 au 14/08/2025
o Jour 1 : Entreprises informelles
o Jour 2 : Entreprises formelles
7- Business Plan en vue d’un dossier de financement ( avec Hervé RANDRIAMANANANDRO)
Dates : 20/08/2025 au 21/08/2025
• Jour 1 : Entreprises informelles
• Jour 2 : Entreprises formelles
8- Stratégie Marketing, outil du business plan ( avec Eric Beantanana)
Dates : 10/09/2025 au 11/09/2025
o Jour 1 : Entreprises informelles
o Jour 2 : Entreprises formelles
Informations importantes :
• Places disponibles : 40
• Participation obligatoire : Tous les modules sont obligatoires pour garantir une formation complète.

🌵🌲🍀🌵Ministère de l'Environnement et du Développement Durable (MEDD)👉Programme des Nations Unies pour le Développement (P...
14/11/2024

🌵🌲🍀🌵Ministère de l'Environnement et du Développement Durable (MEDD)
👉Programme des Nations Unies pour le Développement (PNUD).
👉FEM (FONDS POUR L'ENVIRONNEMENT MONDIAL)/GEF.

🌵 Atelier National de consultation sur la préparation du document de projet "INVESTISSEMENT VERTS ,BLEUS ET SAINS POUR RÉDUIRE LA POLLUTION D'ORIGINE TERRESTRE AFFECTANT LES ÉCOSYSTÈMES MARINS A MADAGASCAR "OU PROJET OCEAN PROPRE ET SAIN 🍀(Projet"Green ,blue and healthy investments to reduce land-based pollution affecting marine ecosystems in Madagascar )🌵

Tamberina an-tsary ilay atrikasa fakan-kevitra nasionaly mahakasika ny "Fampiasam-bola amin'ny toe-karena maitso sy manga ary madio mba hampihenana ny fahalotoana misy eo amin'ny tany izay mamotika sy mandoto ny ranomasina eto Madagasikara) na Atelier de consultation nationale sur la préparation du projet Investissements verts ,bleus et sains pour réduire la pollution d'origine terrestre affectant les écosystèmes marins à Madagascar ,izay natao teto Antsirabe ,teto amin'ny hôtel Menabe'l ny 05,06 Novembra 2024 farany Téo , izay niarahana tamin'ny Ministeran'ny tontolo iainana sy ny Fandrosoana lovain-jafy.

Ity tetikasa ity dia anisan'ny tetikasa goavana satria Dia Famatsiam-bola mitentina 12,75 millions de dollars no ho azo aminy ,Ary i Madagasikara Dia anisan'ireo firenena 14 voasivana hisitraka ity Famatsiam-bola ity .

Haharitra 60 volana (5 taona ) ity tetikasa ity ,ka faritra 02 eto Madagasikara no voakasika aloha hatreto :
🍀🍀 Faritra Anosy (nohon'ny fisian'ny Bassin versant de Mandrare dans la baie de tolagnaro ),
🍀🍀Faritra Atsimo Andrefana nohon'ny fisian'ny (Bassin versant d'Onilahy ).

Ny GEF na ny FEM (Fonds pour l'Environnement Mondial ) no mamatsy vola ity tetikasa ity , Ary ny PNUD no agence de mise en œuvre, ny FAO no Agence principal ou délégué principal.

Ny sehatra tsy miankina ,ireto firaisamonim-pirenena eny ifotony dia anisan'ny hisitrika sy handray anjara mivantana ao anatin'ity tetikasa ity.

Address

Ambaro 2
Ambovombe
604

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Fivondronan'ny Mpandraharaha Malagasy-Faritra Androy posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share