Money for Madagascar

Call Directions Website Contact the organisation

Money for Madagascar Money for Madagascar backs long-term, community-led conservation and development in Madagascar. https://moneyformadagascar.org/cross-bay-walk-2023/

Arahabaina ireo mpiara-miasa 12 nanao sonia ny fifanarahana fiaraha-miasa (MoU) tamin’ny Money for Madagascar! 🎉Nandritr...
29/10/2026

Arahabaina ireo mpiara-miasa 12 nanao sonia ny fifanarahana fiaraha-miasa (MoU) tamin’ny Money for Madagascar! 🎉

Nandritra ny Journées du Développement Communautaire, ny 21 sy 22 Oktobra 2026 tao amin’ny La Cité des Cultures, dia nanamafy ny fanoloran-tenany ireo fikambanana mpiara-miombon’antoka 12. Tsy sonia fotsiny izany, fa fampanantenana hiara-mianatra, hifanohana ary hiara-hitondra fampandrosoana entin’ny vondrom-piarahamonina.

👉 Araho eto amin’ny tambajotra sosialy sy ao amin’ny tranonkalanay www.moneyformadagascar.org ny vaovao sy ny dia iarahanay amin’ireo mpiara-miasa aminay.

Misaotra anareo miara-dia aminay. 💚Ny herinandro lasa, ny 21 sy 22 Oktobra, dia nankalazainay ny faha-40 taonan’ny Money...
27/10/2026

Misaotra anareo miara-dia aminay. đź’š

Ny herinandro lasa, ny 21 sy 22 Oktobra, dia nankalazainay ny faha-40 taonan’ny Money for Madagascar nandritra ny Andron’ny Fampandrosoana ny Vondrom-piarahamonina, tao amin’ny La Cité des Cultures, Antananarivo.

Nandritra ny roa andro, nihaona ny mpiara-miombon’antoka, ny mpandray anjara tamin’ny adihevitra, ny vondrom-piarahamonina, ny mpianatra, ny namana ary ny ekipa mba hizara ny asany, hifanakalo hevitra ary hieritreritra ny hoavin’ny fampandrosoana entin’ny vondrom-piarahamonina eto Madagasikara.

Tamin’ny alalan’ny adihevitra momba ny zon’ny ankizy, ny ala sy ny fivelomana, ary ny fanabeazana, ny fampirantiana nataon’ny mpiara-miombon’antoka ary ny fotoana fankalazana, dia nampahatsiahy anay ianareo fa miaraka no anorenana ny fiovana.

Ho an’ny mpiara-miombon’antoka aminay izay manome aingam-panahy anay isan’andro amin’ny asany, ho an’ireo mpandray anjara tamin’ny adihevitra izay nizara tamim-pahalalahana ny traikefany, ho an’ny Ministère de l'Environnement et du Développement Durable, Ministère de l'Education Nationale de Madagascar ary ireo andrim-panjakana maro hafa izay niara-nanatrika taminay, ho an’izay rehetra tonga, nihaino, nametraka fanontaniana ary niara-nankalazy taminay, ary ho an’ny ekipan’ny MfM izay nahatanteraka ireo andro ireo: misaotra indrindra!

Ho an'ny efapolo taona manaraka indray! 🌱

Ireo mpiara-miombon’antoka aminay:
🌳 Resilient Forests and Livelihoods
Sadabe Madagascar, Mitsinjo , SAF/FJKM Melaky, ONG WtdM
📚 Education for Life
Association Voahary Maintso, Association Miarintsoa, Dzieci Madagaskaru-Ankizy Gasy/Children of Madagascar-Ankizy Gasy, ONG WtdM
đź§’ Children for the Future
ONG Ankizy Gasy, Akany Hasina, Akany Avoko Ambohidratrimo Ofisialy, Akany Avoko Bevalala, Akany Avoko Faravohitra

Misaotra ny Cité des Cultures nampiantrano anay, ary ny Tribu Café tamin’ny sakafo.

22/10/2026

40th Anniversary of Money for Madagascar

22/10/2026
22/10/2026

40 ans aux côtés des communautés malagasy

21/10/2026

Lova Rasoalinoro, CEO de Money for Madagascar,mizara ho anao mahakasika ny asa ataonay.

Rahampitso no andro farany amin’ny Journées du Développement Communautaire! 🎉📌 Fihaonambe momba ny Children for the Futu...
21/10/2026

Rahampitso no andro farany amin’ny Journées du Développement Communautaire! 🎉
📌 Fihaonambe momba ny Children for the Future sy Education for Life
📌 Toeram-pampirantian’ireo mpiara-miombon’antoka sy ny vokatra azo vidiana
✨ Ary manana vahiny vaovao izahay: ao @ post ny mahakasika azy!
📍 La Cité des Cultures, Antaninarenina
đź“… Alakamisy 22 Oktobra | đź•™ 10:00 - 16:00 | Maimaim-poana
Tongava maro! 🤝

Jereo ireo toeram-pampirantian’ny mpiara-miombon’antoka aminay! 🌿Nitondra ny vokatra sy ny asany avy amin’ny faritra mis...
21/10/2026

Jereo ireo toeram-pampirantian’ny mpiara-miombon’antoka aminay! 🌿

Nitondra ny vokatra sy ny asany avy amin’ny faritra misy azy ireo izy ireo: legioma, asa tanana, sy ny maro hafa, azonareo vidiana. Ankoatra izay, fotoana tsara ihany koa izao hahafantarana akaiky ny asa ataon’izy ireo isan’andro miaraka amin’ny vondrom-piarahamonina.

Mbola eo daholo izy ireo rahampitso, andro farany! Tongava, mianara, ary manohana ny hetsika eto an-toerana amin’ny fividianana ny vokatra aroson’izy ireo. 🤝

Miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka mitazona toeram-pampirantiana:
🌳 Resilient Forests and Livelihoods: Sadabe Madagascar, Mitsinjo, SAF/FJKM Melaky, ONG WtdM
📚 Education for Life: Association Voahary Maintso, Association Miarintsoa, Dzieci Madagaskaru-Ankizy Gasy/Children of Madagascar-Ankizy Gasy, ONG WtdM, Solar United Madagascar
đź§’ Children for the Future: ONG Ankizy Gasy, Akany Hasina, Akany Avoko Bevalala Ofisialy, Akany Avoko Ambohidratrimo Ofisialy, Akany Avoko Faravohitra

📍 La Cité des Cultures, Antaninarenina
đź“… Alakamisy 22 Oktobra 2026
đź•™ 10:00 - 16:00 | Maimaim-poana

Ny firaisankina no hery. Ensemble, nous sommes plus forts.
www.moneyformadagascar.org

21/10/2026
Androany dia nisy ny  fihaonambe momba ny fandaharanasanay Resilient Forests and Livelihoods, nifantoka tamin’ny lohahev...
21/10/2026

Androany dia nisy ny fihaonambe momba ny fandaharanasanay Resilient Forests and Livelihoods, nifantoka tamin’ny lohahevitra hoe “Vivre de la forêt, faire vivre la forêt”. Nifampizara hevitra sy traikefa ireo mpandahateny avy amin’ny fikambanana nasaina manokana, momba ny fomba ahafahan’ny vondrom-piarahamonina miroborobo sady mamelona ny alany. 🌳

Narahin’ny fotoana manokana momba ny tononkalo: fifanakalozana teo amin’ireo poeta Malagasy sy Galoà, niarahana tamin’ny HAVATSA-UPEM. Fotoana nampifandray kolontsaina roa tamin’ny alalan’ny teny sy ny tononkalo. ✨

Mbola manasa anareo hiverina rahampitso izahay ho an’ny hetsika maro hafa! Aza adino ihany koa ny manohana ireo fikambanana eto an-toerana amin’ny fividianana ny vokatra aroson'izy ireo. Ny fividiananareo dia fanohanana mivantana ho an’ny vondrom-piarahamonina. 🤝

📍 La Cité des Cultures, Antaninarenina
đź•™ 10:00 - 16:00 | Maimaim-poana

Address

7-2-9 Cameron House, White Cross Business Park, South Road
Lancaster
LA14XQ

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Money for Madagascar posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Organisation

Send a message to Money for Madagascar:

Shortcuts

Share