DREDD Matsiatra Ambony

DREDD Matsiatra Ambony Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from DREDD Matsiatra Ambony, Environmental conservation organisation, Isaha Fianarantsoa, Fianarantsoa.

22/08/2026
22/08/2026
20/08/2026
Fampiofanana momba ny fambolen-kazo tao FiadananaAlarobia 19 Aogositra 2026 👉 Notanterahina tao amin’ny Fokontany Ambohi...
20/08/2026

Fampiofanana momba ny fambolen-kazo tao Fiadanana

Alarobia 19 Aogositra 2026

👉 Notanterahina tao amin’ny Fokontany Ambohimitombo, Kaominina Ambanivohitra Fiadanana, Distrikan’Ambohimahasoa, Faritra Matsiatra Ambony, ny fampiofanana momba ny pépinière sy ny teknika fambolen-kazo, tao anatin’ny tetik’asa Tanana Mirindra.

Nandray anjara tamin’izany ireo solontena avy amin’ny fokontany 14 ao amin’ny CR Fiadanana, ka 40 ny mpiofana voaofana momba ny famokarana zana-kazo sy ny fomba fambolen-kazo.

🔥 Nisy ihany koa ny fanentanana momba ny ady amin’ny doro tanety, ho fanamafisana ny fandraisan’anjaran’ny mponina amin’ny fiarovana ny tontolo iainana.

🟢 Hitohy any amin’ny CR Ambatosoa ny hetsika, ho fanohizana ny asa fanamafisana ny fahaiza-manao sy ny fiarovana ny tontolo iainana ao anatin’ny tetik’asa Tanana Mirindra (PECOV)

🌿 FIOFANANA MOMBA NY MÉCANISME PSE : HO FIAROVANA NY TONTOLO IAINANA SY NY LOHARANON-KARENA📍 Fianarantsoa | 17–18 Aogosi...
19/08/2026

🌿 FIOFANANA MOMBA NY MÉCANISME PSE : HO FIAROVANA NY TONTOLO IAINANA SY NY LOHARANON-KARENA

📍 Fianarantsoa | 17–18 Aogositra 2026

🌍 Notanterahina tao amin’ny Hôtel TOMBONTSOA – Fianarantsoa ny fiofanana momba ny Mécanisme de Paiement pour Services Environnementaux (PSE), fomba fiasa entina mampiroborobo ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny fitantanana maharitra ny harena voajanahary.
🤝 Nampivondrona ireo mpisehatra samihafa ity fiofanana ity, anisan’izany ny ekipan’ny DREDD sy ny Tetikasa TEFIALA, ireo sehatra tsy miankina toy ny JIRAMA sy ADES, ny TANDAVANALA..., ireo solontenan’ny kaominina enina iasan’ny Tetikasa TEFIALA, ary ireo teknisianina eny ifotony. Notarihin'ny solontenan'ny avy ao amin'ny Faritra Matsiatra Ambony.

📚 Nandritra ny roa andro, ny ekipan’ny DEVB (Direction de l'Economie Verte et Bleue) avy any amin'ny Ministera foibe no nampita fahalalana momba ny PSE : ny loharanom-bola, ny servisy ekôsistemika, ireo sokajin’ny PSE, ireo mpisehatra voakasika, ary ny dingana arahina amin’ny fametrahana PSE.

🌱 Nampahafantarina ihany koa ireo PSE efa mandeha eto Madagasikara, ka isan’ireo ohatra niavaka ny PSE Anjà Ambalavao, tantanin’ny VOI ANJA MIRAY.

💰 Nandritra ny asam-bondrona dia nofintinin’ireo mpandray anjara ho « Tambiny noho ny fiarovana ny tontolo iainana » ny PSE.
🌿 TONTOLO IAINANA VOAARO, LOHARANON-KARENA MAHARITRA.

👉 Ho fanamafisana ny fahaiza-manao dia hisy fidinana ifotony eny Ampatsy, Vinanitelo ary Ihazoara, hiarahana amin’ny ekipan’ny DEVB sy ireo mpisehatra eny an-toerana, ny 19-20-21 Août izao.
🎯 Ny tanjona dia ny hisafidianana site PSE iray farafahakeliny ao amin’ny Faritra Matsiatra Ambony, izay tafiditra ao anatin’ny vinanasa 2026–2027 an’ny Tetikasa TEFIALA.

🌱🌍 Miaro ny tontolo iainana anio, miantoka ny loharanon-karena rahampitso.

🔥 ADY AMIN'NY DORO ALA SY NY DORO TANETY eto Matsiatra Ambony.🟢 Manentana antsika olom-pirenena tsirairay hatrany mba ha...
13/08/2026

🔥 ADY AMIN'NY DORO ALA SY NY DORO TANETY eto Matsiatra Ambony.

🟢 Manentana antsika olom-pirenena tsirairay hatrany mba handray andraikitra raha mahita trangan'afo eny amin'ny manodidina antsika rehetra eny.

👉 Indro ary omena antsika ireo laharana azontsika antsoina any amin'ireo distrika isany ato amin'ny faritra.

Address

Isaha Fianarantsoa
Fianarantsoa
301

Telephone

+261340193930

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when DREDD Matsiatra Ambony posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Organization

Send a message to DREDD Matsiatra Ambony:

Shortcuts

Share