DREDD Matsiatra Ambony

Call Directions Contact the organization

DREDD Matsiatra Ambony Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from DREDD Matsiatra Ambony, Environmental conservation organisation, Isaha Fianarantsoa, Fianarantsoa.

28/10/2026
26/10/2026
🌿🌍 FANENTANANA SY FITSIRIHANA ARA-TONTOLO IAINANA TAO AMBALAVAO📍 Ambalavao | Zoma 23 oktobra 2026🌱 Fanabeazana sy fanent...
24/10/2026

🌿🌍 FANENTANANA SY FITSIRIHANA ARA-TONTOLO IAINANA TAO AMBALAVAO

📍 Ambalavao | Zoma 23 oktobra 2026

🌱 Fanabeazana sy fanentanana ara tontolo iainana ireo tanora Mpianatra miisa 1250.

Nisy ny fanentanana ara-tontolo iainana natao tao amin’ny Lycée Joël Sylvain Ambalavao FaritraMatsiatraAmbony, izay nifantoka tamin’ny:
✅ Fihetsika manaja sy miaro ny tontolo iainana;
✅ Ny fiovan’ny toetrandro sy ny toekarena maitso;
✅ Ny fambolen-kazo;
✅ Ny fisorohana sy ny ady amin’ny doro tanety sy ny doro ala.

🏭 Fitsirihana ara-tontolo iainana ireo orinasa

Nisy ihany koa ny fitsirihana ara-tontolo iainana natao tao amin’ny orinasa 303 mpamokatra rhum sy ny orinasa Papa Saosy manodina ny akora voatabia. Nomena torohevitra ireo tompon’andraikitra momba ny fitantanana ny fako sy ny rano maloto, ny fanasokajiana ny fako ary ny dingana arahina amin’ny fahazoana fahazoan-dalana ara-tontolo iainana.

🤝 Fanamafisana ny andraikitry ny orinasa

Nohamafisina ihany koa ny fanentanana momba ny Responsabilité Sociétale des Entreprises (RSE), izay mamporisika ny orinasa handray andraikitra amin’ny fiantraikan’ny asany eo amin’ny tontolo iainana sy ny fiarahamonina.

🌍 Ny fiarovana ny tontolo iainana dia andraikitry ny rehetra! Andao hiara-hiasa ho an’ny tontolo iainana madio, voaaro ary lovainjafy ho an’ny taranaka ankehitriny sy ny ho avy. 💚🌱

21/10/2026
🌿 FANENTANANA MOMBA NY DORO TANETY SY NY FIAROVANA NY TONTOLO IAINANA TAO BEFETA.📅 15 Oktobra 2026Nandritra ny tournée a...
15/10/2026

🌿 FANENTANANA MOMBA NY DORO TANETY SY NY FIAROVANA NY TONTOLO IAINANA TAO BEFETA.

📅 15 Oktobra 2026

Nandritra ny tournée administrative notarihin’ny Lehiben’ny Distrikan’Ambohimahasoa tao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Befeta, dia nisy ny fanentanana, toy ireo natao tamin'ny Kaominina hafa, momba ny fisorohana ny doro tanety, ny trangan-javatra El Niño sy ny mety ho fiantraikany, ary ny fiarovana ny tontolo iainana.

Nahatratra 420 ny mpandray anjara, izay nahitana ny mponina avy amin’ny Fokontany rehetra sy ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny.

Nandritra izany dia nasongadina ny maha-zava-dehibe ny fiaraha-mientana amin’ny fiarovana ny tontolo iainana. Anisan’ny fangatahan’ny mponina ny fametrahana toeram-pamokarana zana-kazo (pépinière) manakaiky azy ireo, mba hanamorana ny fahazoan'izy ireo zanakazo sy hampiroboroboana ny fambolen-kazo.

Address

Isaha Fianarantsoa
Fianarantsoa
301

Telephone

+261340193930

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when DREDD Matsiatra Ambony posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Organization

Send a message to DREDD Matsiatra Ambony:

Shortcuts

Share