19/10/2026
𝐂𝐌𝐊: 𝐋𝐚𝐜 𝐊𝐢𝐧𝐤𝐨𝐧𝐲 : 𝐌𝐢𝐚𝐭𝐫𝐢𝐤𝐚 𝐅𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐲 𝐋𝐞𝐡𝐢𝐛𝐞 𝐧𝐲 𝐌𝐩𝐚𝐧𝐚𝐫𝐚𝐭𝐨 𝐌𝐚𝐧𝐨𝐥𝐨𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐅𝐢𝐡𝐞𝐧𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐇𝐚𝐫𝐞𝐧𝐚 𝐀𝐧𝐚𝐭𝐲 𝐑𝐚𝐧𝐨
𝖠𝖭𝖠𝖳𝖱𝖨𝖪𝖠 𝖤𝗍𝗂𝖾𝗇𝗇𝖾 - 𝖫𝖾𝖺𝖽𝖾𝗋 𝖢𝗈𝗆𝗆𝗎𝗇𝖺𝗎𝗍𝖺𝗂𝗋𝖾
Ao amin’ny Fokontany Manisakomby, indrindra ao amin’ireo sekitera Amboanjo, Bevona ary Morafeno, dia miatrika olana goavana ireo mpanarato sy tokantrano maro mivelona amin’ny harena anaty rano avy ao amin’ny Lac Kinkony. Efa hita taratra ankehitriny ny fihenan’ny vokatra azo amin’ny jono, ka miteraka fahasahiranana ara-toekarena sy ara-tsakafo ho an’ireo mponina eny ifotony.
Anisan’ny antony mahatonga izany ny fiovan’ny toetrandro sy ny fahasimban’ny faritra mando, izay samy misy fiantraikany mivantana amin’ny toeram-ponenana sy ny fiterahan’ny trondro. Etsy ankilany, vao mainka mampitombo ny olana ny fitrandrahana tafahoatra ny harena anaty rano sy ny fampiasana fitaovam-panjonoana tsy manara-dalàna, toy ireo harato kely maso izay mahafaoka hatramin’ny zana-trondro. Vokatr’izany dia mihena tsikelikely ny isan’ny trondro ary mihena ihany koa ny haben’ireo trondro tratra.
Araka ny fitarainan’ireo mpanarato madinika, maro ireo olona avy any ivelan’ny Distrikan’i Mitsinjo tonga mitrandraka ao amin’ny farihy. Manana fitaovana maro sy olona maro ampiasaina izy ireo, ka mahavita manangona trondro betsaka izay entina hamatsiana tsena any amin’ny faritra hafa. Io toe-javatra io dia heverin’ireo mponina ho iray amin’ireo antony mampihena ny vintana ahafahan’izy ireo mahazo vokatra ampy hivelomana.
“Zara raha mahafeno ny filàn’ny ankohonana intsony ny trondro azonay isan’andro”, hoy ny fanehoan-kevitry ny vadina mpanarato iray monina manodidina ny farihy. Raha teo aloha mbola nahazo trondro ampy amidy sy hohanina izy ireo, ankehitriny kosa dia voatery miantehitra amin’ireo trondro madinika sisa tavela. Maro amin’izy ireo no manendy sy manodina ireo trondro kely izay azo mba hahafahana mivarotra azy sy mahazo vola enti-manohana ny fiainana andavanandro.
Ankoatra ny fiantraikany ara-bola, mampanahy ihany koa ny mety ho fahalanian’ny karazan-trondro sasany raha mitohy ny fitrandrahana tsy voafehy. Ny Lac Kinkony mantsy dia anisan’ireo faritra mando manan-danja eto Madagasikara, sady loharanon’aina ho an’ny mponina no toeram-ponenan’ny zavamananaina maro.
Manoloana izany, mitaky vahaolana maharitra ireo vondrom-piarahamonina eny ifotony. Manantena izy ireo fa hisy ny fanamafisana ny fanaraha-maso ny jono, ny fampiharana ny lalàna momba ny fitaovam-panjonoana, ary ny fanentanana ireo mpisehatra rehetra mba hampiasa ny harena anaty rano am-pitandremana sy amin’ny fomba maharitra.
Ho an’ny Faritra Arovana Complexe Mahavavy-Kinkony (AP CMK), ny fiarovana ny harena anaty rano sy ny fanatsarana ny fiveloman’ny mponina dia samy laharam-pahamehana. Mitaky fiaraha-mientan’ny rehetra anefa ny famahana ity olana ity, satria ny hoavin’ny Lac Kinkony sy ny taranaka ho avy dia miankina amin’ny fitantanana tompon’andraikitra ny harena voajanahary ankehitriny.