HopeFull Home

Call Directions Contact the organization

HopeFull Home Centre Chrétien ( restauration, chambre d'hôtes, salle de prière, bibliothèque, salle de réunion etc..). Tout pour Sa seule Gloire😇

Ampianaro aho Tompo o hitombo amin'ny fivavahana  ary hihena amin'ny fanahiana. Ampio aho hiteny misimisy kokoa Aminao h...
27/10/2026

Ampianaro aho Tompo o hitombo amin'ny fivavahana ary hihena amin'ny fanahiana.
Ampio aho hiteny misimisy kokoa Aminao hoe "Misaotra', ary vitsivitsy kokoa hoe " fa maninona ?"
Ianao no hisandratra Tompo o, ary izaho hihetry.

Tompo malala o, alatsinainy vaovao indray, fanamby vaovao indray. Nefa mbola misy tsy vita tanteraka ireo fanamby tamin’...
26/10/2026

Tompo malala o, alatsinainy vaovao indray, fanamby vaovao indray. Nefa mbola misy tsy vita tanteraka ireo fanamby tamin’ny herinandro lasa.
Mila hery sy tanjaka aho hiatrehana izany fa izao aloha tena henoko hoe mbola tsy tafainga mihitsy aho hanomboka ity tontolo andro ity. Tompo o eo Aminao aho no maka bahana ahafahako miatrika izay zavatra rehetra miandry ahy.

Tompo malala o , dingana iray isaky ny mandeha, dingana iray am-pinoana , rehefa miaradalana Aminao. Manaraka ny fandeha...
25/10/2026

Tompo malala o , dingana iray isaky ny mandeha, dingana iray am-pinoana , rehefa miaradalana Aminao.
Manaraka ny fandehanao sy araka ny sitraponao . Manaiky tarihana aho , ary avelako Ianao hitondra ahy.

Tompo o, inty aho miaraka amin’izany vesatry ny foko izany. Tsy haiko hazavaina fa efa fantatrao daholo. Inty fotsiny ah...
24/10/2026

Tompo o, inty aho miaraka amin’izany vesatry ny foko izany. Tsy haiko hazavaina fa efa fantatrao daholo. Inty fotsiny aho miaraka amin’ny enta-mavesatro rehetra any anaty saiko sy ny fihetseham-poko rehetra any. Dia apetrako eo an-tongotrao daholo izany rehetra izany. Ataovy izay tianao atao fa tonga aho hanatitra izany eto Aminao.

Fifohazana tena mamy ao anatin'ny fahatoniana, ary any Aminao no alehan'ny eritreritro voalohany.Te hilaza fotsiny aho h...
23/10/2026

Fifohazana tena mamy ao anatin'ny fahatoniana, ary any Aminao no alehan'ny eritreritro voalohany.
Te hilaza fotsiny aho hoe tiako Ianao Jesosy. Ampy ho an'ny foko izany satria resy lahatra tanteraka aho fa tia ahy koa Ianao.

Andro vaovao, andro tsara. Vita ny omaly, teraka ny androany. Efa lasa ny zavatra taloha, indro tonga vaovao ny zavatra ...
22/10/2026

Andro vaovao, andro tsara. Vita ny omaly, teraka ny androany. Efa lasa ny zavatra taloha, indro tonga vaovao ny zavatra rehetra. Mankasitraka Ray o amin'ny fiovana vaovao entinao eo amin'ny fiainako. Mankasitraka ny amin'ny fanantenana mihavao indray isa-maraina.

21/10/2026

🎬 Salle de Prière🙏 HopeFull Home Ivandry🏡

📍Ato ny fotoananao sy Jesosy💖

👉Maimai-poana ny Réservation par MP📩 na miantso mivantana ny 📞0389391959

Tongavasoa🤗

21/10/2026
Ray o , tena tsy mora, tena tsy ho vita . Fa inona indray moa nefa no azoko atao , raha tsy hoe mahatoky Anao? Sy mamela...
21/10/2026

Ray o , tena tsy mora, tena tsy ho vita . Fa inona indray moa nefa no azoko atao , raha tsy hoe mahatoky Anao? Sy mamela Anao hiasa, eo amin’izay rehetra tsy hananako fahefana, na safidy, ary tsy hananako koa fanapahan-kevitra. Tompo o, mahatsiaro tena bitika aho manoloana ny zava-misy, fa kosa manana Andriamanitra lehibe miaraka amiko.

✨ HopeFull Prayer Team ✨📅Alakamisy 22 Oktobra 🕧12h30 📍HopeFull Home  Ivandry 📜Mitombo amin'ny fahalalana tsara an'Andria...
20/10/2026

✨ HopeFull Prayer Team ✨

📅Alakamisy 22 Oktobra
🕧12h30 📍HopeFull Home Ivandry

📜Mitombo amin'ny fahalalana tsara an'Andriamanitra ...😇

❓Fantatrao tsara ve hoe Iza Ilay Andriamanitra inoanao? Inona no lazainy anao ? Dia inona no tantarainao momba Azy? Ndao hiaraka hijery izay lazain'Ny Soratra Masina momba izany:

📖" ... mba handehananareo miendrika ny Tompo, hanaovana ny sitrapony amin'ny zavatra rehetra, dia mahavokatra amin'ny asa tsara rehetra sady mitombo amin'ny fahalalana tsara an'Andriamanitra"
Kolosiana 1 : 10

📖" ... mba tsy ho zaza intsony isika, ka ahilangilana sy ampitambolimbolenin'ny rivotry ny fampianarana samy hafa rehetra amin'ny saim-petsy ataon'ny olona sy ny fihendreny hahatanteraka ny hevitry ny famitahana"
Efesiana 4 : 14

Tongavasoa🤗

Address

Antananarivo

Opening Hours

Monday 07:00 - 19:00
Tuesday 07:00 - 19:00
Wednesday 07:00 - 19:00
Thursday 07:00 - 19:00
Friday 07:00 - 19:00
Saturday 07:00 - 19:00

Telephone

+261349391960

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when HopeFull Home posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Organization

Send a message to HopeFull Home:

Shortcuts

Share