09/29/2026
FAMANGIANA FAHORIANA
Ho antsika malagasy rehetra tsy ankanavaka: havany, namany, fikambanana isantsokajiny, fiangonana, mpitondra fanjakana
Ho tanterahina ny
📆 Alakamisy 1 Oktobra 2026
⏰ amin'ny 7 ora hariva
⛪️ ao amin'ny Paroisse Saint Michel 8961 12è Avenue, Montreal QC, H1Z 3J5;
ny famangiana ny fianakavian'i Sandra Von Allmen izay hatrehin'ny rahavaviny sy ny zanan-drahavaviny ary ny vadiny.
👉Ho an'izay tsy mahatratra io fotoana io, nefa manam-paniriana handefa ny fao-dranomaso dia alefa amin'ny
📌 Interac: [email protected] na 514 550 0238
Reponse: Famangiana
🟥 Alefa mialoha ny Sabotsy mba hahafahana manolotra izany ny Fianakaviana.
✝️ Ny Cérémonie sy ny dernier hommage indray dia
📆 ny Zoma 2 Oktobra 2026
⏰ manomboka amin'ny 12 ora antoandro ka hatramin'ny 7 ora hariva.
⛪️ Ao amin'ny Résidences Funéraires Goyer 105 Bd Desjardins E, Sainte Therèse, QC J7E 1C5.
FANAMARIHANA:
🙏 Miangavy antsika fa TSY AZO ATAO NY MAKA SARY NA VIDEO mandritra ny Cérémonie.
👉 Ho antsika Betsy Canada,
🔸 Kasaina amin'ny 7sy sasany eo isika no hanao famangiana faobe ny Alakamisy io.
🔸 Mandray anjara hira isika, izay hira isan'ny tian'i Sandra "Mifankatiava" Zafindraony.
🔸 Amporisihina izay afaka manao fitafy fanaon'ny Betsileo amin'ny fotoana haratsiana
🔸 Ny famangiana amin'ny anaran'ny Betsy Canada dia toy ny fanao mahazatra, alefa Interac: [email protected] ny tsipaipaika dia hampiarahana amin'ny fandraisana anjara miala caisse. Dia izay totaly izay no atolotra
💜 Ny Sabotsy 17 Oktobra 2026 no hiala eto Montreal ny razana.
🇲🇬 Ho tonga eny Ivato ny Talata 20 Oktobra mialoha ny hitondra azy any Ambohimahasoa Fianarantsoa.
Misaotra antsika amin'ny fifanotronana sy fanaovana adidy farany, fankaherezana ny rehetra akaiky azy.
Envoyer des voeux de sympathie Offrir des fleurs Transférer cet avis de décès Partage sur Facebook Imprimer Formulaire offrir des fleurs 1- Choisissez votre arrangement Choisissez votre arrangement * L’ensoleillé L’honneur L’orangé La majestueuse La monstera Le souvenir La sérénité L.....