ECAR Diosezy Fenoarivo-Atsinanana

ECAR Diosezy Fenoarivo-Atsinanana Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from ECAR Diosezy Fenoarivo-Atsinanana, Fenoarivo-Atsinanana, Fenoarivo Atsinanana.

31/10/2026

â›Ș 06 𝐃𝐄𝐂𝐄𝐌𝐁𝐑𝐄 2026â›Ș
FANOKAFANA NY PAROASY 𝐀𝐍𝐓𝐀𝐍𝐀𝐌𝐁𝐄

🙏 FANOKAFANA NY TAOM-PIHOFANANA 2026–2027 🙏 📍 PETIT SÉMINAIRE SAINT JEAN XXIII – ANDRANOLAVA, FÉNÉRIVE-ESTâ›Ș Nosokafana t...
28/10/2026

🙏 FANOKAFANA NY TAOM-PIHOFANANA 2026–2027 🙏 📍 PETIT SÉMINAIRE SAINT JEAN XXIII – ANDRANOLAVA, FÉNÉRIVE-EST

â›Ș Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny taom-pihofanana vaovao!

Notanterahina omaly, nandritra ny Lamesa notarihin’i Mgr Marek OCHLAK, Evekan’ny Diosezy Fenoarivo Atsinanana, ny fanokafana ny taom-pihofanana 2026–2027 ao amin’ny Petit SĂ©minaire Saint Jean XXIII Andranolava, FĂ©nĂ©rive-Est.

👹‍🎓 Miisa 30 mirahalahy ireo mpihofana amin’ity taom-pihofanana ity, ka ny 10 amin’izy ireo dia efa mpihofana teo aloha, ary ny 20 kosa no vao hiditra.

đŸ‘„ Ireto avy ireo mpanabe miandraikitra ny fampiofanana sy ny fanabeazana azy ireo:
🔮 Pùre RENAIZY François – Recteur
🔮 Pùre MENA Romain – Vice-Recteur sy Animateur spirituel
🟡 Diacre ANDRIAMANANTENA Fabien – Économe du Petit SĂ©minaire
đŸ”” FrĂšre TOTO Jean Mirelin – RĂ©gent

Ankoatra ireo mpanabe ireo dia misy ihany koa ireo mpampianatra avy any ivelan’ny Seminera mandray anjara amin’ny fanabeazana sy ny fampianarana ireo mpihofana.

❀ Fankasitrahana sy fisaorana
Nandritra izany fotoana izany, dia naneho ny fankasitrahany ny PÚre Recteur, ka nisaotra manokana ny Eveka, ny SASEM, ireo mpanabe, ary ireo Kristianina rehetra tsy mitsahatra manohana sy mikolokolo ny Petit Séminaire.

Mankasitraka ny fitiavana, ny firaisankina ary ny fanohanana hatrany ho fampandrosoana ny fanabeazana sy ny fanomanana ireo tanora maniry hanaraka ny lalan’ny fanompoam-pivavahana.

🙏 Mirary taom-pihofanana feno fahasoavana sy fahombiazana ho an’ireo mpihofana rehetra!


Isaorana anie Andriamanitra🙏
16/10/2026

Isaorana anie Andriamanitra🙏

Joyeux Anniversaire Ă  notre CamĂ©raman Romaric 🎂Tohizo hatrany ny Vavaka, mirary soa ho anao🙏
13/10/2026

Joyeux Anniversaire Ă  notre CamĂ©raman Romaric 🎂

Tohizo hatrany ny Vavaka, mirary soa ho anao🙏

FIOFANANA HO AN'IREO MPITONDRA FIANGONANA KATOLIKA - PAROISSE SAINTE JEANNE D'ARC MANANARA AVARATRA. Manana adidy lehibe...
12/10/2026

FIOFANANA HO AN'IREO MPITONDRA FIANGONANA KATOLIKA - PAROISSE SAINTE JEANNE D'ARC MANANARA AVARATRA.

Manana adidy lehibe ny Fiangonana Katolika amin'ny Fampivoarana ny Mpiarabelona.

Nandritran'ny Session Be ho an'ireo Mpitondra Fiangonana tao amin'ny Paroisse Sainte Jeanne d'Arc Mananara Avaratra dia nandray anjara mavitrika tamin'ny fampizarana ny Tompon'andraikitra avy ao amin'ny Fikambanana Antilin'i Madagasikara izay nifantoka tanteraka tamin'ny " Fampivoarana ny tontolo ambanivohitra sy ny fomba fitantanana vola ary Fanefena toe-tsaina entina mivoatra"

Nafinaritra ny fifampizarana satria navitrika ireo Mpiofana nametraka fanontaniana ka nafahan'ireo Mpitarika nanazava bebe kokoa ny lohahevitra.

Maro ny vahaolana hita taorian'izany toy ny Famerenana sy fanatsarana ny Centre Saint Joseph Ambanisary, Fanomanana fiofanana mitety vohitra, Fiarahamiasa amin'ny Centre de Formation Mahavatsy, Coopérative TMM ( Tantsaha Mifoha Malagasy),....

Nitondra teny fisaorana ho azy ireo ny Pretra ato amin'ny Paroasy noho ny fafahoizan-tenan'ireo nizara sy ny mpiofana tonga.

Sary: Equipe AIM Mananara




🙏 ANTENIMIERA AFAFI-FET DIOSEZY FENOARIVO-ATSINANANA 🙏Vita soa aman-tsara ny Antenimiera AFAFI-FET Diosezy Fenoarivo-Ats...
11/10/2026

🙏 ANTENIMIERA AFAFI-FET DIOSEZY FENOARIVO-ATSINANANA 🙏

Vita soa aman-tsara ny Antenimiera AFAFI-FET Diosezy Fenoarivo-Atsinanana, izay notanterahina ny 09, 10 ary 11 Oktobra 2026, tao amin'ny Paroasy Sainte Jeanne d'Arc Mananara Avaratra.

📌Niompana tamin'ny fandinihana ny fiainam-pikambanana sy ny fametrahana sori-dalana iombonana ho an'ny Diosezy izany, niarahana tamin'ireo Aumîniers, Masera zoky ara-panahy, Ekipan'ny Diosezy ary ireo solontena avy amin'ny Paroasy.

Sary: Elysé Herman Ramarson





08/10/2026

RANOMENA- VOHIPENO

💒 VAOMIERAN’NY FIANAKAVIANA đŸ’’Â« Tokantrano Kristianina maharitra amin’ny toky nomeny tamin’ny Fanambadiana » â€ïžđŸ“ MAHAMBO ...
08/10/2026

💒 VAOMIERAN’NY FIANAKAVIANA 💒
« Tokantrano Kristianina maharitra amin’ny toky nomeny tamin’ny Fanambadiana » ❀

📍 MAHAMBO | DIOSEZY FENOARIVO ATSINANANA

Nanatanteraka fanentanana sy fampahafantarana ho an’ireo tokantrano Kristianina eto Mahambo androany ny Vaomieran’ny Fianakaviana eto anivon’ny Diosezy Fenoarivo Atsinanana.

Nandritra izany dia napetraka sy nampahafantarina tao amin’ny Paroasy Mahambo ny fisian’ny fikambanana FTK sy FIFAKRI, izay samy manana anjara toerana lehibe amin’ny fanamafisana sy fanorenana ny fianakaviana Kristianina.

đŸ‘« FTK – Fivondronan’ny Tokantrano Kristianina
Ivondronan’ireo tokantrano Kristianina efa vita Mariazy ny FTK, ka tanjony ny hifampitaiza, hifanohana, hifanasoa ary hifanampy eo amin’ny fiainam-pianakaviana, mba hampitombo hatrany ny fitiavana, firaisankina ary fahatokiana ao an-tokantrano.

💍 FIFAKRI – Fiomanana amin’ny Fanambadiana Kristianina
Ny FIFAKRI kosa dia mikarakara sy manofana ireo mpivady na tokantrano mbola miomana, mba hahafahan’izy ireo miroso amim-pahamatorana amin’ny Fanambadiana Kristianina. Izy no manampy amin’ny fanomanana ireo tokantrano mialoha ny firosoana amin’ny Sakramentan’ny Mariazy.

🎯 Tanjona lehibe amin’izao ezaka izao ny hanampy ireo tokantrano mbola tsy vita Mariazy mba hiroso amin’ny Fanambadiana Kristianina, ary ireo efa nandray ny Sakramentan’ny Mariazy kosa mba haharitra sy tsy hisaraka, fa hiorina hatrany amin’ny finoana, ny fitiavana ary ny fifampitokisana.

🙏 “Tokantrano Kristianina maharitra amin’ny toky nomeny tamin’ny Fanambadiana.”

Aoka ny fianakaviana Kristianina ho toerana iorenan’ny Finoana, Fitiavana ary Firaisankina, ary ho loharanon’ny soa ho an’ny Fiangonana sy ny fiarahamonina. ❀

Ianao ve efa vita MariazyđŸ„°đŸ„°?! Amin'iza?!😁
Sa mbola hirosođŸ€Šâ€â™‚ïž?!





đŸ˜ïž FAMARANANA NY FITSIDIHANA PASTORALY 2026–2027 đŸ˜ïžTeto amin’ny Paroasy Sainte ThĂ©rĂšse de l’Enfant JĂ©sus Vohipeno no nam...
04/10/2026

đŸ˜ïž FAMARANANA NY FITSIDIHANA PASTORALY 2026–2027 đŸ˜ïž

Teto amin’ny Paroasy Sainte ThĂ©rĂšse de l’Enfant JĂ©sus Vohipeno no namaranana ny Visite Pastorale taona 2026–2027 tato amin'ny Diosezy Fenoarivo Atsinanana.

â›Ș Nandritry ny lamesa notarin'i Mgr Marek OCHLAK no nametrahana tamin'ny fomba ofisialy ny CurĂ© vaovao Mompera RASOLONJATOVO Charles Jean Bruno, izay handray ny andraikitra amin’ny fitantanana sy fitarihana ny ity Paroasy ity.

Fotoan-dehibe tokoa izao izay nankalazana ny faha-20 taona ny Paroasy sy nandraisan'ireo tanora sy olon-dehibe ny Sakramentan'ny Fankaherezana miisa 92. Miarahaba anareo, mahareta amin'ny finoana.

🙏 Miarahaba ny Kristianina rehetra avy ato amin'ity Paroasy ity izay feno 20 taona.

😇 Androany ihany koa dia fetin'ny Masindahy Francois d'Assise ka miarahaba manokana anareo izay mitondra anarana izany.




Address

Fenoarivo-Atsinanana
Fenoarivo Atsinanana
509

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when ECAR Diosezy Fenoarivo-Atsinanana posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share