Chorale Akon'ny Famonjena Fénérive-Est

Chorale Akon'ny Famonjena Fénérive-Est Chorale AFA Fénérive-Est.

✝️SPTm
✝️Fileovana Fénérive-Est
⚪FLM Ambataria Fénérive-Est
⚪Jesôsy irery ihany.
⚪Ny Voninahitra ho an'Andriamanitra irery ihany.

"Ary hoy Izy taminy: Anaka, ny finoanao no nahasitrana anao: mandehana soa aman-tsara, ary sitràna amin'ny aretinao."— M...
11/06/2026

"Ary hoy Izy taminy: Anaka, ny finoanao no nahasitrana anao: mandehana soa aman-tsara, ary sitràna amin'ny aretinao."— Marka 5 : 34

Tsarovy fa tsy aretina ambony fandrina ihany no atao hoe aretina,fa na ny toetra ratsy, fitiavantena, sns tsy votanisa, rehefa zavatra ratsy dia efa aretina mila ibebahana vonona amin'ny nenina isanandro .

Mirary herinandro sambatra daholo oh ! 💜💜
08/06/2026

Mirary herinandro sambatra daholo oh ! 💜💜

Antsoy Jesôsy, maheno ny vavakanao sy ireo fitarainanao Izy❤️ Matokia ny fitondraNy.
04/06/2026

Antsoy Jesôsy, maheno ny vavakanao sy ireo fitarainanao Izy❤️ Matokia ny fitondraNy.

Fiadanana eh🙋 !Mirary herinandro feno fahasoavana daholo tompoko oh !
25/05/2026

Fiadanana eh🙋 !

Mirary herinandro feno fahasoavana daholo tompoko oh !

"Fa ny Mpananatra, dia ny Fanahy Masina, Izay hirahin'ny Ray amin'ny anarako. Izy no hampianatra anareo ny zavatra rehet...
24/05/2026

"Fa ny Mpananatra, dia ny Fanahy Masina, Izay hirahin'ny Ray amin'ny anarako. Izy no hampianatra anareo ny zavatra rehetra sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra izay nolazaiko taminareo." — Jaona 14 : 26

Io tenin'Andriamanitra io no hoetinay hiarabana anareo panaraka ato oh, Joyeuse pentecôte daholo, tahin'i Jesôsy daholo🎉🎉

Ilazana isika fa efa manana page Facebook ihany koa ny Sekoly Alahady ato amin'ny FLM Ambataria Fénérive-Est ❤️. Aza adi...
20/05/2026

Ilazana isika fa efa manana page Facebook ihany koa ny Sekoly Alahady ato amin'ny FLM Ambataria Fénérive-Est ❤️. Aza adino ary mi-suivre ny page ihany koa oh.

Mirary soa anareo izahay ary Tahin'i Jesôsy.

📢 LANCEMENT OFFICIEL 📢
🌟Amin'ny anaran'i Jesosy dia faly manambara ny fanokafana Ofisialy ity Pejy ity izahay.
📖 Ity Pejy ity dia natokana:
- Mampianatra tenin'Andriamanitra ho an'ny ankizy, tanora ary ny olon-dehibe
- Mizara fampaherezana sy fampianarana aram-panahy
-Mampitombo ny finoana sy fitiavana an'Andriamanitra
💛 Avelao ny zaza hanantona Ahy "Matio 19:14
Manasa anao hanaraka sy hanohana ity asa ity mba hitomboan'ny fahalalana an'Andriamanitra sy hampitomboana ny ambahidahin'Andriamanitra 🙏
📍 SEKOLY ALAHADY FLM AMBATARIA FENERIVE EST

HITA ILAY ZAZA HOY NY MAMANY.Hita tamin'ny 2h05 atoandro teo ity zaza ity, nisy nahita ny publication ka nateriny zareo ...
18/05/2026

HITA ILAY ZAZA HOY NY MAMANY.

Hita tamin'ny 2h05 atoandro teo ity zaza ity, nisy nahita ny publication ka nateriny zareo tany amin'ny gendarme haviatrany.

Misaotra an'i Jesôsy isika.
Ary Misaotra antsika rehetra ny partage rehetra hiany koa.

ZAZA VERY Fénérive-Est !Nahavoaray message  izahay, so dia mba misy mahita azy isika ozy ny mamany. Mamany moa dia abonn...
18/05/2026

ZAZA VERY Fénérive-Est !

Nahavoaray message izahay, so dia mba misy mahita azy isika ozy ny mamany. Mamany moa dia abonné ato amin'ny page, ka nangataka fiaraha miasa ihany.

Julio ny anarany, tsy hita nanomboka ny 17 Mai 2026 tamin'ny 9h00 maraina.

Zaza lahy 12ans, mpetraka Anjoba amin'ny VENSY Fénérive-Est, mianatra Tamatave fa nande aty Fénérive-Est...

Ande ijery Ganagana nialany tato atrano ka tsy hita hatramin'izao. Niakanjo nanaovany Pataloha carreau sy débardeur manga.

Raha mahita azy ianareo dia mba atsovy ny laharana etsy ambany fa mitaintaina be ny mamany. Misaotra tompoko !

038 11 295 18
034 93 961 81
037 27 905 73.

Mangataka vavaka amintsika rehetra mba ho hita soamantsara izy tompoko 🙏

TSY IRERY IANAO AMIN’IO ADINAO IO.Betsaka tokoa ny olona mamono tena amin'izao fotoana.Anaty alahelo enao ? Anaty tsy fi...
09/05/2026

TSY IRERY IANAO AMIN’IO ADINAO IO.

Betsaka tokoa ny olona mamono tena amin'izao fotoana.

Anaty alahelo enao ? Anaty tsy fisiana ? Sa anaty ady amin'ny aretina ? Sa nandao anao ny olona akaikianao ? Anaty alahelo lava ? Kivy tsy hainao izay atao ?

Sarotra tokoa amin'ny maha olombelona no mihatrika ireo, saingy na mafy aza ny fiainana dia mbola misy Jesosy mihaino sy mandray anao amin’ny fitiavana. Tsy vahaolana ny mamono tena, satria mbola sarobidy eo imason’Andriamanitra ny ainao. Vonona hihaino anao Izy. Mahazo mitomany fa kosa mila ankinina amiNy ny olana.

Filaminantsaina, fahasalamana sy fahasamabarana ary fahononantena, amin'i Jesôsy no misy an'ireo. Ka atero amiNy fa izy hanome fitsaharana, izy hitataraina ny olana anao. Aza mamohy fo fa tsy sitrak'Andriamanitra izany, mbola betsaka zavatra tiaNy hatao anao ao aoarinakely ao, ka aleo manaiky hatrany fandaharaNy. Izy mahalala izay mahasoa antsika amin'ity fiainana mandalo ity, isika olona mandalo no eto, raha farany be dia 99taona. Koa aleo manankina ny fianana amiNy sady anomana ilay mandrakizay.

Fehiny : ankino amin'i Jesôsy ny fihainananao rehetra fa aza mamohy fo, Izy mahalala ny hevitra hitondraNy antsika.(Vidin-dràNy isika)

💜
08/05/2026

💜

Address

FLM Ambataria
Fenoarivo Atsinanana
509

Telephone

+261344582437

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Chorale Akon'ny Famonjena Fénérive-Est posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Organization

Send a message to Chorale Akon'ny Famonjena Fénérive-Est:

Share