Diaspora Malagasy Aktiv in Deutschland-DMAD e.V.

Wegbeschreibung

Diaspora Malagasy Aktiv in Deutschland-DMAD e.V. Ny DMAD e.V. (eingetragener Verein) dia fikambanana ara-panjakana mitsangana ho an'ny Malagasy monina aty Alemaina.

Mijoro ho an'ny firaisankina, ny fifanampiana, ary ny fampiroboroboana an'i Madagasikara avy aty Alemaina izahay. 🇩🇪🇲🇬

🗳️🇩🇪 VOKATRY NY FIFIDIANANA TAO MECKLENBURG-VORPOMMERN 2026📍 Mecklenburg-Vorpommern – Allemagne📅 20 Septambra 2026📊 Voka...
21/09/2026

🗳️🇩🇪 VOKATRY NY FIFIDIANANA TAO MECKLENBURG-VORPOMMERN 2026

📍 Mecklenburg-Vorpommern – Allemagne
📅 20 Septambra 2026
📊 Vokatra vonjimaika ofisialy

Araka ny angon-drakitra navoakan’ny Landeswahlleitung, izao no vokatra:

🔵 AfD — 38,2 %
🔴 SPD — 35,5 %
🩷 Die Linke — 6,5 %
🟢 Grüne — 5,7 %
⚫ CDU — 4,9 %
🟣 BSW — 4,8 %
🟡 FDP — 1,0 %
⚪ Andere — 3,4 %

➡️ AfD no nahazo vato betsaka indrindra, 38,2 %, arahin’ny SPD 35,5 %. Ny CDU sy BSW kosa samy latsaky ny 5 %.

📌 Fanamarihana: Vorläufiges Ergebnis izany, ka vokatra vonjimaika avy amin’ny fanisana ofisialy; mety mbola hisy fanitsiana madinika alohan’ny vokatra farany

🇩🇪🗳️ FIFIDIANANA LANDTAG AO SACHSEN-ANHALT –ny  6 SEPTAMBRA 2026Nivoaka ny Hochrechnung (tombana vonjimaika) momba ny fi...
06/09/2026

🇩🇪🗳️ FIFIDIANANA LANDTAG AO SACHSEN-ANHALT –ny 6 SEPTAMBRA 2026

Nivoaka ny Hochrechnung (tombana vonjimaika) momba ny fifidianana tao Sachsen-Anhalt.

📊 Araka ny tarehimarika tamin’ny 23:00 lasa teo:

🔵 AfD : 44,5 %
⚫ CDU : 18,5 %
🟣 Die Linke : 9,5 %
🟢 Grüne : 9,0 %
🔴 SPD : 8,5 %
🟤 BSW : 5,0 %
🟡 FDP : 2,5 %

➡️ AfD no nahazo vato betsaka indrindra, lavitra ny CDU izay laharana faharoa.

⚠️ Marihina fa Hochrechnung/Prognose ireo tarehimarika ireo, izany hoe tombana vonjimaika fa mbola tsy valim-pifidianana ofisialy farany.

📌 Sachsen-Anhalt no resahina eto fa tsy Sachsen (Saxony)

Diaspora Malagasy Aktiv in Deutschland-DMAD e.V.
Miara-miemtana isika
Mizara ny mahasoa sy ny mahafinaritra
Vaovao mari-pototra sy ofisialy ho anao

⚠️Nankatoavin’ny governemanta alemà ny fanavaozana ny hetra, izay hanomboka amin’ny 1 Janoary 2027 ary ho feno ny vokany...
04/09/2026

⚠️Nankatoavin’ny governemanta alemà ny fanavaozana ny hetra, izay hanomboka amin’ny 1 Janoary 2027 ary ho feno ny vokany amin’ny 2028. �

Bundesministerium der Finanzen + 1
💶 Grundfreibetrag: €12.564 amin’ny 2027 → €12.900 amin’ny 2028.
👨‍👩‍👧‍👦 Kindergeld: €267/zanaka/volana amin’ny 2027 → €272 amin’ny 2028.
💰 Fianakaviana manana zanaka 2 sy fidiram-bola antonony dia mety hahazo mihoatra ny €600 isan-taona fanampiny.
💸 Ireo manana zu versteuerndes Einkommen tena ambony kosa dia handoa bebe kokoa: 45% manomboka €250.000, ary 47% manomboka €280.000.

📌 Zava-dehibe: mbola volavolan-dalàna izy izao, fa tsy midika hoe efa mihatra avy hatrany. �

Bundesministerium der Finanzen
➡️ Raha fintinina: **hampihena ny hetra ho an’ny ankamaroan’ny olona, indrindra ny fianakaviana, ny fanavaozana; fa hampitombo ny hetra ho an’ireo manana fidiram-bola tena ambony.**

Diaspora Malagasy Aktiv in Deutschland-DMAD e.V.

🎶 « Fihavanana tsy ravan’ny taona » 🇲🇬🇩🇪Ny mozika sy ny kolontsaina dia isan’ireo mampiray ny Malagasy aty an-tany lavit...
04/09/2026

🎶 « Fihavanana tsy ravan’ny taona » 🇲🇬🇩🇪

Ny mozika sy ny kolontsaina dia isan’ireo mampiray ny Malagasy aty an-tany lavitra, ary indrindra ny tarika Mahaleo dia vakoka velona : hira nitaiza taranaka, nanambatra ny fo ary mitahiry ny tantaran'i Madagasikara.

Izahay ato amin'ny e.V. dia faly manohana ity hetsika ity ho fampiroboroboana ny kolontsaina Malagasy.

Fotoana sarobidy hifampizarana firaisankina sy fihavanana izany, koa manasa antsika rehetra ho tonga maro ! ✨

https://www.tapakilako.com/

Faly izahay mizara aminareo fa Diaspora Malagasy Aktiv in Deutschland-DMAD e.V. dia anisan’ireo miara-dia sy manohana ny hetsika REVY MAHALEO :

📅 05 Décembre 2026
📍 Dream City – Winnenden
⏰ 21H15

👉 Jifao dieny izao ny tapakila ao amin'ny :

https://www.tapakilako.com/

Mankasitraka indrindra amin'ny fahatokisana sy ny fiaraha-mientana ary ny fanomezana lanja ny kolontsaina sy ny mozika Malagasy 🇲🇬.

🇩🇪🚨 ALEMAINA: 🇲🇬Fikasana Hanapoaka sy Hanimba ny Rafitra Herinaratra tany BrandenburgNiteraka ahiahy lehibe teo amin’ny ...
02/09/2026

🇩🇪🚨 ALEMAINA: 🇲🇬Fikasana Hanapoaka sy Hanimba ny Rafitra Herinaratra tany Brandenburg

Niteraka ahiahy lehibe teo amin’ny mpitandro filaminana aty Alemaina ny fahitana fitaovana fanapoahana tany akaikin’ny tobim-pamokosana herinaratra lehibe Jänschwalde, ao Turnow-Preilack (Brandenburg).

Ny zava-misy voamarina:Fitaovana mampidi-doza: ✅️Nahitana fitaovana fanapoahana sy fandoroana vita tanana maro napetraka tamin'ireo andrin-tariby lehibe.
✅️Fahasimbana: Nisy tariby herinaratra simba, ary niteraka olana ara-teknika nampiato ny ampahany tamin'ny tobim-pamokosana herinaratra (Block B).
✅️Fikarohana ny marina: Ny polisy misahana ny heloka bevava (LKA Brandenburg) no manao ny fanadihadiana ankehitriny.

‼️Heverina ho fikasana hanao sabotage sy fanafihana niniana natao ity tranga ity.
❌️Ny tsy tokony atahorana:Tsy tapaka jiro ny mponina: Tsy nisy fiantraikany teo amin'ny famatsiana herinaratra ankapobeny ho an'ny vahoaka izao tranga izao.

✔️Mbola tsy misy ady: Tsy midika izany fa misy ady aty Alemaina, fa manaitra ny fanjakana kosa hanamafy ny fiarovana ny rafitra fototra (jiro, rano, fitaterana).

❓️Mbola tsy fantatra kosa hatreto hoe iza no tao ambadik'izao fanafihana izao sy ny antony nanosika azy ireo.

📶Mbola mitohy ny fanadihadiana ofisialy.

--‐-----------------------------------------------------------------------

🇩🇪 ALLEMAGNE : 🇲🇫TENTATIVE D’EXPLOSION ET DE SABOTAGE DU RÉSEAU ÉLECTRIQUE DANS LE BRANDENBOURG

La découverte de dispositifs explosifs à proximité de la centrale électrique de Jänschwalde, à Turnow-Preilack (Brandebourg), a suscité de vives inquiétudes auprès des forces de sécurité allemandes.

Les faits confirmés :

💣 Dispositifs dangereux :
✅️ Plusieurs dispositifs explosifs et incendiaires artisanaux ont été découverts et installés sur des pylônes de lignes électriques à haute tension.

⚡ Dégâts :
✅️ Des câbles électriques ont été endommagés, provoquant des problèmes techniques ayant entraîné l’arrêt d’une partie de la centrale électrique (Block B).

🔎 Enquête en cours :
✅️ L’Office régional de la police criminelle (LKA Brandenburg) mène actuellement les investigations afin de déterminer les circonstances exactes des faits.

‼️ Les autorités considèrent cet incident comme un possible acte de sabotage et une attaque délibérée.

❌️ Ce qu’il ne faut pas craindre :

💡 Pas de coupure générale d’électricité :
La population n’a pas subi de coupure d’électricité. L’approvisionnement général en électricité n’a pas été affecté par cet incident.

✔️ Il ne s’agit pas d’une guerre :
Cet événement ne signifie pas qu’une guerre est en cours en Allemagne. Il rappelle toutefois l’importance de renforcer la protection des infrastructures critiques, notamment l’électricité, l’eau et les transports.

❓️ L’identité des auteurs et leurs motivations restent inconnues à ce stade.

📶 L’enquête officielle se poursuit.

------------------------------------------------------------------------------

🇩🇪 GERMANY: ATTEMPTED EXPLOSION AND SABOTAGE OF THE POWER GRID IN BRANDENBURG

The discovery of explosive devices near the Jänschwalde power plant in Turnow-Preilack, Brandenburg, has raised serious concerns among German security authorities.

Confirmed facts:

💣 Dangerous devices:
✅️ Several homemade explosive and incendiary devices were discovered and placed on pylons carrying high-voltage power lines.

⚡ Damage:
✅️ Power cables were damaged, causing technical problems that led to the shutdown of part of the power plant (Block B).

🔎 Investigation underway:
✅️ The Brandenburg State Criminal Police Office (LKA Brandenburg) is currently conducting an investigation to determine the exact circumstances of the incident.

‼️ Authorities consider the incident to be a possible act of sabotage and a deliberate attack.

❌️ What should not be feared:

💡 No general power outage:
The population did not experience a power outage. The general electricity supply was not affected by the incident.

✔️ This does not mean there is a war:
The incident does not mean that Germany is at war. However, it highlights the importance of strengthening the protection of critical infrastructure, including electricity, water and transportation.

❓️ It is still unknown who was behind the attack and what motivated them.

📶 The official investigation is ongoing.

DIASPORA MALAGASY AKTIV IN DEUTSCHLAND e.V.Vondron’ny Diaspora Malagasy eto AllemagneAndriamatoa Razafimbelo Alain Manaj...
13/08/2026

DIASPORA MALAGASY AKTIV IN DEUTSCHLAND e.V.
Vondron’ny Diaspora Malagasy eto Allemagne

Andriamatoa Razafimbelo Alain Manajary , Ambassadeur de Madagascar en Allemagne,

Amin’izao fotoan-tsarotra sy feno alahelo izao, dia maneho aminao sy amin’ny fianakavianao manontolo ny fiaraha-miory lalina sy ny fiononana avy amin’ny Diaspora ny Diaspora Malagasy Aktiv in Deutschland e.V., manoloana ny fahoriana mianjady aminao

Amin’ny anaran’ny Diaspora Malagasy eto Allemagne sy ireo mpikambana ao amin’ny fikambanana, dia miray fo sy soroka aminareo izahay amin’izao fahoriana lehibe izao.

Fantatray fa tsy misy teny afaka mamafa tanteraka ny alahelo ateraky ny fahalasanan’ny reny.
Koa enga anie ireo fahatsiarovana mamy, ireo soa sy ireo zava-tsoa navelany teo amin’ny fiainanareo no hanome hery sy fampiononana anareo mianakavy.

Mirary anareo hahazo herim-po ary fiononana lalina amin’izao fotoan-tsarotra izao. Enga anie Andriamanitra hampahery ny fonareo, hanome fiadanana anareo, ary handray am-pitiavana ny fanahin’ny nodimandry.

Amin’ny anaran’ny Diaspora Malagasy Aktiv in Deutschland e.V., raiso, Andriamatoa, ny fiarahabana feno fanajana sy ny fiombonanay amin’ny fahorianareo

Ny Birao sy ny Mpikambana rehetra
Diaspora Malagasy Aktiv in Deutschland-DMAD e.V.

Manoloana ny toe-draharaha izay misy eo amin’ny firenena dia sarotra ny hangina, toa misesy loatra ny halatr’olona sy vo...
22/07/2026

Manoloana ny toe-draharaha izay misy eo amin’ny firenena dia sarotra ny hangina, toa misesy loatra ny halatr’olona sy vono olona etsy sy eroa 💔😞

Etoana dia mankahery sy miara-ory ho an’ireo very namana sy havana 🕯️🤍

📢Miantso avo ho an’ny fitondrana isan’ambaratonga mba handray handraikitra fa mila fandriam-pahalemana ny Malagasy 🇲🇬

Manentana ny tsirairay avy ihany koa mba samy handray ny fepetra sy andraikitra tandrify azy ka hampandre ny mpitandro ny filaminana raha misy ny tranga mapiahiahy.

DMAD e.V.


⁠ ⁠

Arahabaina tratry ny Asaramanitra isika Malagasy rehetra !🤍🇲🇬✨
26/06/2026

Arahabaina tratry ny Asaramanitra isika Malagasy rehetra !
🤍🇲🇬✨

Hallo zusammen 🤗 Tratran‘ny asaramanitra avokoa isika malagasy rehetra dia ho tany sambatra tokoa ilay Madagasikaranay 🇲🇬

Raha eto Berlin dia tongava mifety rahampitso 🎇

Mirary fety sambatra 💚🤍❤️

🇲🇬 🇩🇪

Inona indray no atao hoe «Förderungsgeld» na hoe vola hanampiana anao mba hiditra amin’ny sehatrin’ny asa? 💰1️⃣ Izy io m...
30/05/2026

Inona indray no atao hoe «Förderungsgeld» na hoe vola hanampiana anao mba hiditra amin’ny sehatrin’ny asa? 💰

1️⃣ Izy io matetika dia azonao rehefa ilay «Arbeitslos» na ilay tsy an’asa iny,na mbola anatin’ilay atao hoe «Arbeitsuchend» na mitady asa dia mety ihany koa,izany hoe alohan’ny hahataperan’ilay contrat na ilay fandroahana 📝

2️⃣ Inona avy ny afaka alohan’ny Agentur für Arbeit amin’izany?
✅ Bewerbungskosten => izay zavatra ilaina rehetra amin’ny asa io na traduction na taratasy atao copie.
✅ Fahrkosten => na aiza ianao manao entretien na aiza dia raisina an-tanana ny lasantsy na ticket anao.
✅ Unterkunt => raha alavitra ilay hanaovana Bewerbung ka mila maka «Hotel» dia alohan’izy ireo ihany koa.
✅ Umzugskosten => raha nahita asa ka tsy maintsy mifindra dia mahazo fanampiana.
✅ Umschulung sy Weiterbildung => formation atao akotran’ny diplôme anao mba hahatonga anao ahita asa indray
✅ Raha mila trano hafa amin‘ilay Weiterbildung dia afaka manampy ihany koa ry zareo amin‘ny hofantrano

Betsaka ny zavatra afaka hanampiana anao fa ny firesahana amin’ny «Ansprechpartner» ilay olona miandraikatra anao ao amin’ny «Agentur für Arbeit» anao ihany no ahazoanao valiny 100% 💯

3️⃣ Ny fepetra ahazoana ireo fanampiana ireo dia mila mampilaza mialoha ny «Ansprechpartner» anao ary ny porofo rehetra dia tazomina avokoa,ny facture sy izay ilaina rehetra ary alefa any amin‘ilay mpiandraikitra,matetika alohanao mialoha dia averina aminao ny vola avy eo 👩‍⚖️

Ity ny lien misy ny tsara ho fantatra rehetra => https://www.arbeitsagentur.de/unternehmen/finanziell/foerderung-arbeitsaufnahme

Ary inona indray ilay «Bürgergeld» na ilay «Arbeitslosengeld II» eh? Iza no afaka misitraka azy? 🤔

Araho ny pejintsika raha mahaliana anao ny fizarana sy ny fanampiana 🇲🇬🇩🇪

Ny DMAD e.V. dia maneho fankasitrahana ho an’ny Spass Gasy tamin’ny fanasana sy ny fiaraha-miasa nandritra ny hetsika ar...
26/05/2026

Ny DMAD e.V. dia maneho fankasitrahana ho an’ny Spass Gasy tamin’ny fanasana sy ny fiaraha-miasa nandritra ny hetsika ara-kolontsaina natao teto Bonn ary manantena fiaraha-miasa maro amin'ny ho avy.
Misaotra manokana an'i Heritiana Andriatsilavina ihany koa (responsable des nouveaux membres an'ny DMAD e.V.) izay nandray anjara sy nisolo tena ny fikambanana nandritra io hetsika io.
Mankasitraka amin'ny fandraisana andraikitra sy ny fahavononana asehonao ato amin'ny fikambanana ny ekipa manontolo 🙌

Adresse

Allemagne
Karlsruhe

Website

Benachrichtigungen

Erfahren Sie als Erste/r von Neuigkeiten und Aktionen: Wir schicken Ihnen eine E-Mail, wenn Diaspora Malagasy Aktiv in Deutschland-DMAD e.V. etwas veröffentlicht. Ihre E-Mail-Adresse wird für keinen anderen Zweck verwendet, und Sie können sich jederzeit abmelden.

Verknüpfungen

Teilen