10/08/2026
Notanterahina omaly tao amin’ny Palais des Sports Mahamasina ny Fihaonam-be nasionalin’ny GOSC (Groupement des Organisations de la Société Civile), hetsika lehibe izay nampivondrona ireo mpandrindra isam-paritra sy ireo solontenan’ny fikambanana mpikambana avy amin’ny faritra maro.
Nandritra ity fihaonam-be ity dia nisy ny fifampizarana sy ny fanolorana tatitra mikasika ireo asa vita hatramin’izay, ary narahina dinik’asa sy fifampidinihana momba ireo paikady hanatsarana sy hanamafisana ny asa iarahana amin’ny ho avy.
Anisan’ny nisongadina tamin’ity fotoana ity ihany koa ny fanavaozana ireo mpikambana mandrafitra ny birao, izay natao tamin’ny alalan’ny latsa-bato, ary teo ihany koa ny fandraisana ireo mpikambana vaovao ho ao anatin’ny vondrona.
Anisan’ireo fikambanana nahazo fanasana tamin’ity fihaonam-be ity ny Fikambanana TAMI (Tanora Miaraka Mivoatra), izay ivondronan’ireo fikambanana maro avy any Fandriana, Ambatolampy ary Mahatsinjo Maevatanàna. Samy nandefa solontena avokoa ireo fikambanana mandrafitra azy, ka nahatratra 7 ireo filohan’ny fikambanana tonga nanatrika ity hetsika nokarakarain’ny GOSC ity.
Naneho fankasitrahana ny TAMI noho ny fanasana sy ny fahatokisana nomen’ny GOSC, ary nanamafy ny fahavononany hiara-hiasa amin’ireo rafitra rehetra maniry hampandroso ny fiarahamonina.
, .
Tanora Miaraka Mivoatra
Hery Tahinjanahary Esperent