Doctors for Madagascar | Ärzte für Madagaskar

Doctors for Madagascar | Ärzte für Madagaskar Act, don’t watch | Handeln statt zusehen

🎉 Notokanana tamin’ny fomba ofisialy ny CSB I vaovao ao Anjabelitsaka! 🏥Faly ny mponina ao Anjabelitsaka sy ny manodidin...
15/06/2026

🎉 Notokanana tamin’ny fomba ofisialy ny CSB I vaovao ao Anjabelitsaka! 🏥

Faly ny mponina ao Anjabelitsaka sy ny manodidina fa vita sy afaka ampiasaina ny CSB I vaovao ao an-toerana nanomboka ny zoma 12 jona lasa teo. 💙

Ity tobimpahasalamana vaovao, naorin’ny Doctors for Madagascar sy Vitol Foundation ity, dia manana efitrano sivy natokana ho an’ny tolotra ara-pahasalamana samihafa. 🤝 🌍 Ankoatr’izany, misy trano fonenana ho an’ny mpitsabo ihany koa ity CSB vaovao ity, ary nanorenana fandoroana fako eo an-toerana mba hanomezana toeram-piasana mendrika ireo mpiasan’ny fahasalamana miasa ao. 🏠 🏥

Ankoatr’ireo efitrano ireo, dia novatsiana herinaratra avy amin’ny masoandro ity CSB ity mba hahafahan’ny mpiasan’ny fahasalamana mandray sy mikarakara ireo marary amin’ny fotoana rehetra. ☀️🔋

Nanatrika ny lanonam-panokafana ireo tompon’andraiki-panjakana sy ara-pahasalamana maro, ary ny vahoaka avy amin’ny tanàna manodidina. 👨‍👩‍👧‍👦 Nandritra izany dia nanolotra omby ho mariky ny fankasitrahany ny mponina ao an-toerana.
Feno hafaliana sy fanantenana izy ireo noho ny fisian’ity CSB I vaovao ity, izay hanamora ny fahazoana fitsaboana sy hanampy amin’ny fanatsarana ny fahasalaman’ny reny, sy ny zaza ary ny mponina rehetra ao amin’ny faritra. 💙 🏥✨

🏥 Mihatsara ny fahasalaman’ny mponina rehefa avaozina ny fotodrafitrasa ara-pahasalamana. Ao anatin’ny tontolo madio sy ...
12/06/2026

🏥 Mihatsara ny fahasalaman’ny mponina rehefa avaozina ny fotodrafitrasa ara-pahasalamana. Ao anatin’ny tontolo madio sy mendrika kokoa no andraisana ireo marary, ary afaka miasa amim-pahatoniana kokoa ireo mpiasan’ny fahasalamana mba hanome tolotra manara-penitra.

🤰 Dingana lehibe no tontosa ho an’ireo mponina ao Taolagnaro tamin’ny fanavaozana ny trano fiterahana ao amin’ny Hôpitaly Philibert Tsiranana. Efitrano miisa 14 no nohatsaraina mba handraisana ireo reny sy ny zaza vao teraka ao anatin’ny toe-javatra tsara kokoa.

👶 Ho an’ireo fianakaviana maro, tsy fanavaozana fotodrafitrasa fotsiny izany, fa fanatsarana ny kalitaon’ny fikarakarana sy ny fandraisana azy ireo mandritra ny iray amin’ireo fotoana manan-danja indrindra eo amin’ny fiainana.

💙 Misaotra ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka Fitaleavam-paritry ny Fahasalamam-bahoaka Anosy, ireo mpiara-miombon’antoka ao amin’ny CHRR Amboanato Taolagnaro ary ireo mpisehatra rehetra niara-niasa tamin’ny fanatanterahana izao tetikasa izao.

Ny fotodrafitrasa matanjaka kokoa ankehitriny no manampy amin’ny fananganana rafitra ara-pahasalamana maharitra kokoa ho an’ny taranaka rahampitso.

💙 Ao ambadiky ny asa tanterahin’ny Doctors for Madagascar dia misy ireo ezaka iarahan’ny ekipa mba hahafahan’ny vehivavy...
05/06/2026

💙 Ao ambadiky ny asa tanterahin’ny Doctors for Madagascar dia misy ireo ezaka iarahan’ny ekipa mba hahafahan’ny vehivavy rehetra mahazo fanaraha-maso ara-pahasalamana mendrika mandritra ny fitondrana vohoka, na aiza na aiza toerana onenany 📍.

Any amin’ny faritra atsimon’i Madagasikara, vao maraina dia efa eny an-dalana ny ekipan'ny tetikasa MCHP sy ireo mpanentana ara-pahasalamana, mitondra ny fitaovana ilaina mba hanakaiky kokoa ireo vehivavy bevohoka any amin’ireo faritra lavitra. 🩺🚙

Rehefa tonga eny amin’ny CSB izy ireo, manentana ireo vehivavy vory eo ny mpanentana ara-pahasalamana ka mampahafantatra ny hasarobidin’ny fizahampahasalamana 📢💡. Ary mandray sy manara-maso ireo reny mitondra vohoka ny mpampivelona. 🤰
Amin’ny alalan’ny fizaham-pahasalamana sy ‘échographie’ ataon’izy ireo, dia azo arahina akaiky ny fivoaran’ny vohoka, ary fantatra mialoha ireo tranga mety mila fanaraha-maso manokana ⚠️.

🙏 Misaotra ireo mpampivelona, ireo mpiasan’ny fahasalamana eny ifotony ary ireo mpiara-miombon'antoka rehetra izay miara-miasa isan’andro mba hanakaiky kokoa ny tolotra ara-pahasalamana ho an’ny reny sy ny zaza. 💙👶

Fantatrao ve ? Tsy mifindra amin’ny fifampikasohana, fifamihinana na amin’ny fifandimbiasana fitaovan-dakozia voadio ny ...
03/06/2026

Fantatrao ve ? Tsy mifindra amin’ny fifampikasohana, fifamihinana na amin’ny fifandimbiasana fitaovan-dakozia voadio ny tiberkilaozy. 💙

Izany indrindra no anentanan’ireo mpanentana ara-pahasalamana mikasika ny fanohanana ny mararin’ny tiberkilaozy any amin’ny fiarahamonina. 🤝 Ary tsy tokony hanilika ireo marary sy ny fianakaviany isika. 💪

Mila fanohanana sy fampaherezana avy amin’ny fianakaviana sy ny fiarahamonina manodidina azy ireo olona manaraka fitsaboana tiberkilaozy. 👨‍👩‍👧‍👦💊

Ny fanampian’ny rehetra dia manampy azy ireo hahavita ny fitsaboana sy ho sitrana tanteraka. Andao hiady amin’ny fanavakavahana, hampiely vaovao marina ary hanohana ireo olona mararin’ny tiberkilaozy. 💙

Nandritra izay 15 taona izay, nanohana ireo vehivavy bevohoka lavitra tobimpahasalamana ny Doctors for Madagascar tamin’...
29/05/2026

Nandritra izay 15 taona izay, nanohana ireo vehivavy bevohoka lavitra tobimpahasalamana ny Doctors for Madagascar tamin’ny alalan’ny fiara fitaterana vonjy taitra sy ny ‘échographie’ mitety tanàna mba hahazoan’ny reny rehetra ny fitsaboana sahaza azy. 🌸 Angovo nanampy tamin'ny fanatanterahana ny asa ny herim-po sy fanantenana asehon'izy ireo mba hitandrovana ny fahasalamany sy ny zanany. 🩺🤰

Amin’izao fotoana ankalazana ny fetin’ny reny izao, Doctors for Madagascar dia mirary soa ireo reny, izay mariky ny fitiavana isan’andro eny anivon’ny fiarahamonina. 💙

Découvrez les histoires, les témoignages et les actions menées en 2025 dans le Rapport Annuel ici 👉 bit.ly/4sO2AcO ✨Des ...
26/05/2026

Découvrez les histoires, les témoignages et les actions menées en 2025 dans le Rapport Annuel ici 👉 bit.ly/4sO2AcO ✨

Des soins de qualité commencent souvent par un geste simple : transmettre un savoir, écouter une communauté ou renforcer un agent communautaire sur le terrain. 🌍

En 2025, Doctors for Madagascar a continué à renforcer les compétences des personnels de santé, soutenir les agents communautaires et développer des approches fondées sur les réalités vécues par les communautés du sud de Madagascar. 🏥 🌍

À travers la formation, la sensibilisation et la recherche appliquée, notre objectif reste le même : permettre à chaque personne, même dans les zones les plus reculées, d’accéder à des soins plus humains, plus efficaces et plus proches de chez elle. 💙

📢 Rehefa ny AC no mazoto sy tsara tohana, dia tanteraka an-tsakany sy an-davany ny andraikitra apetraka aminy ! Notolora...
22/05/2026

📢 Rehefa ny AC no mazoto sy tsara tohana, dia tanteraka an-tsakany sy an-davany ny andraikitra apetraka aminy !

Notolorana fiofanana mikasika ny aretina Tiberkilaozy sy VIH ireo AC misehatra ao amin’ny distrikan’i Morombe 📍. Ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka , DRSP Atsimo Andrefana, Sdsp Morombe ary Doctors for Madagascar | Ärzte für Madagaskar no nampita ireo singa manan-danja toy ny famaritana ny aretina, ny fitiliana, ny fisehony sy ny fisorohana azy, ary ny ady amin’ny fanilikilihana ireo marary. 💪 Namafisina ihany koa ny fahaizan’ireo AC mampiasa ireto ‘boîte à images’ na fitaovam-panentanana an-tsary mikasika ny TB sy VIH ireto, izay novokarin’ny Minisitera sy Doctors for Madagascar. 🤝🩺

Notolorana fitaovana entina miasa eny amin’ny fiarahamonina ihany koa izy ireo, ka afaka hanamafy ny ady amin’ny Tiberkilaozy sy ny VIH ary hanentana ny fiarahamonina mba hisoroka ny aretina sy hitsabo ireo marary 🌱💙.

Mitohy hatrany ny hetsika mampanakaiky ny fanaovam-baksiny an’ireo zaza lavitra tobimpahasalamana tanterahin'ny Doctors ...
20/05/2026

Mitohy hatrany ny hetsika mampanakaiky ny fanaovam-baksiny an’ireo zaza lavitra tobimpahasalamana tanterahin'ny Doctors for Madagascar miaraka amin'ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka.🏥

Vao nanomboka ity volana ity dia nitety fokontany maro ireo ekipan’ny tetikasa SOAMEVA sy ireo mpiasan’ny fahasalamana tamin’ireo CSB any Ambahita, Analamary, Ankilimivory, Ianakafy, Beraketa, Amboropotsy ary Itampolo. 💙 Nanao vaksiny ireo zaza sy fianakaviana monina any amin’ny fokontany lavitra izy ireo. 💉 👨‍👩‍👧
Dingana iray lehibe hiarovana ny ankizy sy hanamafisana ny fahasalaman’ny rehetra no vita tamin’izany. 💪 💙

Ialohavana hafatra entin'ny mpanentana ara-pahasalamana hatrany ny hetsika, izay nanentana ny ray aman-dreny, hiaro ny fahasalaman’ny zaza amin'ny alalan'ny vaksiny. Miaro aina sy miantoka ny fahasalaman'ny fiarahamonina ny vaksiny. 🏥 🛡️

Découvrez l’ensemble de nos actions, résultats et témoignages dans notre rapport annuel 2025. Consultez la version compl...
18/05/2026

Découvrez l’ensemble de nos actions, résultats et témoignages dans notre rapport annuel 2025. Consultez la version complète ici bit.ly/4sO2AcO

Dans les zones reculées du sud de Madagascar, les agents de santé communautaires jouent un rôle essentiel dans la prévention des accidents vasculaires cérébraux (AVC). ❤️‍🩹

En 2025, avec l’accompagnement des AC dans le cadre du projet MAFY, les communautés sont sensibilisées aux risques liés à l’hypertension et aux AVC, tout en encourageant le dépistage précoce.

Depuis le début du projet, les messages de prévention sont mieux compris par les habitants, qui n’hésitent plus à se rendre dans les centres de santé pour faire surveiller leur tension artérielle 🩺.

Adresse

Naunhofer Straße 22
Leipzig
04299

Benachrichtigungen

Lassen Sie sich von uns eine E-Mail senden und seien Sie der erste der Neuigkeiten und Aktionen von Doctors for Madagascar | Ärzte für Madagaskar erfährt. Ihre E-Mail-Adresse wird nicht für andere Zwecke verwendet und Sie können sich jederzeit abmelden.

Die Organisation Kontaktieren

Nachricht an Doctors for Madagascar | Ärzte für Madagaskar senden:

Teilen