Observatoire National des Droits Humains Région Anôsy

  • Home
  • Observatoire National des Droits Humains Région Anôsy
Call Directions Website

Observatoire National des Droits Humains Région Anôsy Promotion et protection des droit humains

31/08/2026
Nifarana tamim-pahombiazana ny atrikasa fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo mpisehatra tsy miankina ao anatin’ny tetikas...
29/08/2026

Nifarana tamim-pahombiazana ny atrikasa fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo mpisehatra tsy miankina ao anatin’ny tetikasa LANDJA ny 24 ka hatramin'ny 27 Aogositra 2026, niarahana tamin’ireo mpikambana avy amin’ny KMD, ORDH ary Komity ho an’ny Fandriampahalemana avy amin’ny faritra Anôsy, Androy ary Atsimo Atsinanana.

Nandritra ity atrikasa ity dia nohamafisina ny fahalalana sy ny fahaiza-manaon’ireo mpandray anjara momba ny :
✔️ Rafitra ara-dalàna sy ara-panjakana momba ny fitsarana ara-panjakana sy ny Dina;
✔️ Fahafahan’ny olom-pirenena miditra amin’ny fitsarana sy ny zon’olombelona;
✔️ Miralenta, fampandraisana anjara ary fitsarana manome rariny ho an’ny rehetra;
✔️ Fanaraha-maso ny fanajana ny zon’olombelona sy ny rafitra fanairana mialoha ny fifanolanana.

Mankasitraka manokana ireo mpiara-miombon’antoka sy ireo mpandray anjara rehetra izay nandray anjara mavitrika tamin’ny fanatanterahana ity hetsika ity. Manantena izahay fa hitondra vokatra tsara eo amin’ny fanamafisana ny fandriampahalemana, ny fanajana ny zon’olombelona ary ny fanatsarana ny fidirana amin’ny fitsarana eny ifotony ireo fahaiza-manao sy traikefa voazara nandritra ny atrikasa.

UN Peacebuilding Fund Madagascar - Fonds pour la Consolidation de la Paix
Observatoire National des Droits Humains - ONDH
Nations Unies - Droits de l'Homme Madagascar
Observatoire National des Droits Humains Région Anôsy

Nisitraka fiofanana momba ny fiarovan-tena tamin'ny Kaomisaria Ambony momba ny Zon'Olombelona ny ekipa nasionaly sy ireo...
18/07/2026

Nisitraka fiofanana momba ny fiarovan-tena tamin'ny Kaomisaria Ambony momba ny Zon'Olombelona ny ekipa nasionaly sy ireo mpandrindram-paritra amin’ny tetikasa RAM II, ary koa ireo solontenan’ny mpandrindram-paritra amin’ny tetikasa LANDJA, ny 16 sy 17 Jolay lasa teo, tany Andasibe.

Nifantoka tamin’ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo mpisehatra ny fiofanana, indrindra momba ny paikady fiarovan-tena (autoprotection), ny fisorohana ireo loza mety hitranga, ary ny fanamafisana ny fiarovana ireo tanora mpiaro ny zon’olombelona mirotsaka ao anatin’ny sehatra sivika.

Observatoire National des Droits Humains - ONDH
UN Peacebuilding Fund Madagascar - Fonds pour la Consolidation de la Paix
Rary Aro Madagascar

Izahay eto anivon'ny Observatoire National des Droits Humains Région Anôsy  dia maneho ny fiaraha-miory ary mankahery ny...
15/07/2026

Izahay eto anivon'ny Observatoire National des Droits Humains Région Anôsy dia maneho ny fiaraha-miory ary mankahery ny fianakavian' Itompokolahy MANDIGNY Raymond sy ny namana mpiaro ny zon'olombelona rehetra any amin'ny faritry Diana.
Handry am-piadanana anie izy 🕊️

FILAZANA MANJO

Ny fianakaviamben'ny Observatoire National des Droits Humains (ONDH Madagasikara) dia maneho fiaraha-miory lalina ary miombon'alahelo amin'ny fianakavian'i Coach MANDIGNY Raymond, sy ireo namany, mpiara-miasa ary mpiara-miombon’antoka, noho izao nahalasanany izao.

🤍 Hipetraka ho tantara sy fahatsiarovana mandrakizay ny fandraisany anjara tamin'ny fampiroboroboana sy fiarovana ny Zon'Olombelona, ny fanabeazana olom-pirenena, ny fanofanana ireo mpiaro ny Zon'Olombelona ary ny fanohanany tsy nitsahatra ireo vondrom-piarahamonina sy ny tanora.

Ny fahendreny, ny fahaiza-mitarika ary ny fanoloran-tenany dia namela dian-tongotra tsy ho voafafa eo amin'ireo rehetra niara-niasa taminy.

Ho velona ao am-ponay sy ao anatin'ny asa fanompoana ny Zon'Olombelona mandrakariva ny lova navelanao.

🕊️ Mandria am-piadanana, Coach MANDIGNY Raymond.

"Tsy hohadinoina mandrakizay ny fanoloran-tenanao ho an'ny rariny, ny fahamendrehana ary ny Zon'Olombelona."

📢 FANAMBARANAManoloana ny firongatry ny tranga fahaverezana, fakana an-keriny ary famonoana olompirenena eto Madagasikar...
09/07/2026

📢 FANAMBARANA

Manoloana ny firongatry ny tranga fahaverezana, fakana an-keriny ary famonoana olompirenena eto Madagasikara, ny Observatoire National des Droits Humains dia maneho ny alahelony lalina ary miombom-pahoriana amin'ireo fianakaviana rehetra niharam-boina.

Manamafy ny ONDH fa zo fototra ny zo hiaina, ny zo hahazo fiarovana ary ny zo hiaina ao anatin'ny filaminana. Koa miantso ny tompon'andraikitra rehetra handray fepetra haingana sy hentitra hiarovana ny olom-pirenena sy hampanjakana ny rariny.

DROIT À LA SOLIDARITÉ Festival Mandrare, Amboasary Atsimo – Région Anôsy  ( 19 - 21 Jona 2026 )Ny zo ho amin’ny firaisan...
22/06/2026

DROIT À LA SOLIDARITÉ

Festival Mandrare, Amboasary Atsimo – Région Anôsy ( 19 - 21 Jona 2026 )

Ny zo ho amin’ny firaisankina dia manamafy ny fifanampiana, ny fiaraha-mientana ary ny fandraisana andraikitra iombonana ho amin’ny fampandrosoana sy ny fandriampahalemana maharitra.
Ny firaisankina dia mampifandray ny olona sy ny vondrom-piarahamonina amin’ny tanjona iray iraisana: ny fanatsarana ny fiainan’ny rehetra.
Nandritra ny Festival Mandrare tao Amboasary Atsimo, nandray anjara mavitrika ny Observatoire Régionale des Droits Humains (ORDH) Région Anôsy sy ireo Jeunes Comités de Paix tamin’ny alalan’ny fanentanana sy fanabeazana momba ny zon’olombelona, izay nifantoka manokana tamin’ireo zo fototra maha-olona. Tanjona tamin’izany ny hampahafantarana sy hiarovana ny zon’ireo vondrona marefo sy vitsy an’isa, indrindra ny Varira sy ireo olona manana fahasembanana, mba hahafahan’izy ireo miaina amim-pahalalahana sy misitraka feno ny zony.

16/06/2026

Entre janvier et février 2026, l’ONDH a recensé 447 cas liés aux droits humains dans huit régions de Madagascar, dont 210 traités.

Address

Fort-Dauphin

614

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Observatoire National des Droits Humains Région Anôsy posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

  • Want your organization to be the top-listed non profit organization?

Share