10/09/2023
Publication numero 2:
Andao ho tohizantsika ny fanadihadiana ny ady hevitra nataon'i Joseph Rakotoarisoa (Koto) sy Paul Rabary tamin'ny Real Tv tamin'ny 25 Septembre 2023 teo iny (https://www.youtube.com/watch?v=Twchg5DhEHA). Io amin'ny video eo ambany io ny ampahany faharoa hanaovantsika fanadihadiana:
Milaza i Koto fa tsy mety ny manohana ny President izay tsy afaka hampandroso ny firenena: TSIA; arakaraky ny zavamisy no mety mahamety na tsia azy.
1 . Izao manaraka izao ny zavamisy amin'izao fotoana izao ao Madagascar ao :
- Voalohany (fait numero 1) dia samy mandàla ny politika MDRM daholo ny candidats de poids rehetra, na Andry Rajoelina, na Marc Ravalomanana, na Hery Rajaonarimampianina, ary na i Siteny Randrianasoloniaiko.
- Faharoa (fait numero 2), dia efa fantatra sy efa voaporofon'ny zavanisy tao Madagascar nanomnboka 1972 fa tsy ahafahana mampandroso an'i Madagascar velively io politika MDRM io. Noho izany, na iza amin'ireo candidats de poids efadahy ireo no ho tonga eo amin'ny fitondrana, ary na dia hitondra mandritry ny 20 taona na 40 taona na 100 taona aza izy ireo, dia tsy handroso velively i Madagascar raha ohatra ka mbola io politika MDRM io no hitondrandreo ny firenena. Tsara ampitsiahivina ny tsy mahalala fa nanomboka 1972 nitondran'i General Gabriel Ramanantsoa ny firenena tamin'ny politika MDRM dia nikorosy fahana ny firenena. Ka io tsy fahombiazan'ny politika MDRM nitondrana ny firenena nanomboka 1972 io ohatra no nahatonga an'i Philibert Tsiranana nilaza hoe "Tsy ny variko no very fa i Madagascar". Ary mbola io tsy fahombiazan'ny politika MDRM io koa no nahatonga an'i Didier Ratsiraka nilaza hoe "Fohazo aho raha mandroso i Madagascar".
2 . Andao hanomezana fanazavana bebe kokoa ny momba an'i Siteny Randrianasoloniaiko izay President-ny antoko politika PSD amin'izao. Tsara ampitsiahivina ny tsy mahalala fa anisan’ny mpanorina tamin’ny 1946 ny antoko PADESM i Philibert Tsiranana; ary nanaraka ny grandes lignes politiques du PADESM ny antoko PSD naorin’i Philibert Tsiranana tamin’ny 1960. Ankehitriny dia i Siteny Randrianasoloniaiko no President-ny antoko PSD. Kanefa, tsy mandàla ny politika PADESM-ndry Philibert Tsiranana i Siteny Randrianasoloniaiko, fa mandàla ny politika MDRM-ndry Raseta sy Ravoahangy. Izany hoe hafa ny grandes lignes politiques-ny antoko PSD nentin’i Philibert Tsiranana (izay nanaraka ny vision politique PADESM) ary hafa kosa ny grandes lignes politiques-ny antoko PSD entin’i Siteny Randrianasoloniaiko amin’izao (izay manaraka ny vision politique MDRM). Niala ny grandes lignes politiques -ny PADESM i Siteny, ary naka ny grandes lignes politiques -ny MDRM. Na ny slogan-n'i Siteny hoe "Ny Malagasy aloha" dia efa slogan-n'ny MDRM. Na ny fitiavian'i Siteny hisakana sy handroaka ny orinasa vahiny Base Toliara (https://www.facebook.com/watch/?v=3301264853457350 ) dia politika MDRM koa. Tsy mankasitraka ny fahatongavan'ny orinasa lehibe vahiny maro ny olona mpandàla ny politika MDRM. Mifanohitra amin'izany kosa ny fomba fijery politika PADESM: ny hisintona ny orinasa vahiny tahaka Base Toliara mba ho tonga maro ao Madagascar hampandroso ny firenena no politika PADESM-ndry Philibert Tsiranana fa tsy ny fandroahana ny orinasa vahiny velively.
3 . Iverenantsika amin’izay ny zavamisy ao Madagascar voalazako ery ambony: Samy tsy afaka hampandrosoana ny firenena ny politikan’izy efadahy candidats de poids ireo (Andry Rajoelina, Marc Ravalomanana, Hery Rajaonarimampianina, Siteny Randrianasoloniaiko); kanefa tsy maintsy ny iray amin’izy efadahy candidats de poids ireo no ho tonga eo amin’ny fitondrana. Raha ampitahaina amin’ny varotra ilay izy dia toy izao: Tsy azo idiviana fa tsy maintsy ho fatiantoka foana no miandry ny vahoaka Malagasy na iza amin’izy efadahy no ho tonga eo amin’ny fitondrana na iza. Rehefa fatiantoka no miandry dia inona no tokony hatao? Ny hampihena araka izay tratra an'ilay fatiantoka no tokony hatao. Izany hoe ny candidat izay tsy dia hiteraka olana loatra amin'ny ho avin'ny firenena no tokony ho fidina amin’izy efadahy ireo, mandrapihisian'ny candidat de poids afaka mampandroso ny firenena. Iza amin’izy efadahy candidats de poids ireo no tokony tsy dia hiteraka olana loatra amin'ny hoavin’ny firenena? Raha analyser-avana tsotsotra ireo candidats de poids efadahy ireo dia i Andry Rajoelina irery ihany no candidat tsy dia hiteraka dégat loatra amin'ny ho avin'ny firenena; ary i Marc Ravalomanana kosa no candidat mety hiteraka dégat be indrindra amin'ny ho avin'ny firenena. Andao hampitahaintsika tsotsotra eo amin'ny paragraphes eo ambany i Andry Rajoelina sy i Marc Ravalomanana mba hampazava kokoa ilay izy.
4 . Voalohany, ny fitondran'i Marc Ravalomanana tamin'ny 2002-2007 no fitondrana nahazo fanampiana arabola be indrindra avy ivelany kanefa nolanilaniny fahatany ilay izy. Raha 15% du PIB teo ho eo fotsiny ohatra ny budget isantaona tamin'ny fitondrandry Didier Ratsiraka sy Hery Rajaonarimampianina ary Andry Rajoelina, dia tafakatra 50% du PIB ny budget isantaona tamin'ny fitondran'i Marc Ravalomanana noho ny fanampiana arabola en milliards de dollars par an azon'i Madagascar (ressources IPPTE, aides non-remboursables, etc, izay nitentina 30% à 40% du PIB par an). Tokony nahazoana croissance économique 10% à 12% par an sy fihenan’ny taux de pauvrété 2 points par an io budget mitentina 50% du PIB io raha ohatra ka tsara tantana ilay budget ary raha ohatra ka nahomby ny programme de developpement. Ts'izany anefa ny zavanisy fa nolanilanian'ny fitondran'i Marc Ravalomanana fahatany ilay volabe fanampiana azon'i Madagascar, ka 4% à 7% fotsiny ny croissance économique tratra ary tsy nihena fa nitombo 0,5 point par an aza ny tahan'ny fahantrana nandritra iny vanimpotoana nitondran'i Marc Ravalomanana iny.
5 . Ohatra iray amin'ny fandanindaniana fahatany ny volampanjakana nataon'i Marc Ravalomanana dia izao: Nomen'i Marc Ravalomanana karama 40.000 dollars par mois ny Ambassadeur-ny nalefany tao amin'ny ONU tao New York, kanefa 10.000 dollars par mois fotsiny ny karaman'ny Sécrétaire Général de l'ONU ary 8.000 dollars par mois fotsiny ny karaman'ny Ambassadeur-ny tany mandroso tahaka an'i France ary 4.000 dollars par mois fotsiny ny karaman'ny Ambassadeur-ny tany andalampandrosoana tahaka an'i Comores. Izany hoe nomen'i Marc Ravalomanana karama 10 fois plus amin'ny tokony ho izy ny Ambassadeur gasy nalefany tany New York sy Washington D.C. sy tamin’ny toerankafa. Maherin'ny 120 millions de dollars par an (plus de 500 milliards d'Ariary par an) ny volampanjakana lanilany fahatany tamin'io fanomezana karama mihoapampana ny mpiasan'ny ambassade mpiaraniasa tamin'i Marc Ravalomanana io. Raha vao niongana i Marc Ravalomanana tamin'ny 2009 dia tonga dia notapahin'i Ministre des Finances-n'i Andry Rajoelina io fangalarambolampanjakana amin'ny alalan'ny karaman'ny mpiasan'ny ambassades gasy io. Azo antoka fa tsy maintsy haverin'i Marc Ravalomanana indray io fangalarana io raha ohatra ka tafaverina amin'ny fitondrana izy.
6. Manarak'izany, tsy vitan'ny hoe nangalatra sy tsy nampandroso ny firenena ny fitondran'i Marc Ravalomanana, fa mbola nanenjika sy namono ho faty ny Côtiers koa izy. Anarivony isa ny cadres sy ny notables Côtiers nosamborin'i Marc Ravalomanana. Anisan'ny nosamboriny sy nogadrainy nandritra ny iray taona i Rolland Ratsiraka izay Maire-ny Tamatave tamin'izany fotoana izany, kanefa olona tsy manantsiny i Rolland Ratsiraka (afaka madiodio i Rolland Ratsiraka taorian'ny nitsarana azy, ka olona nogadrain'i Marc Ravalomanana fahatany izany izy). Ampolony maro ny Côtiers maty tany ampigadrana noho ny torture sy ny sisa natao tamindreo. Anisan'ny maty tany angadra ny Général Côtiers miisa 3 lahy sy Officiers militaires Côtiers miisa ampolony. Anisan’ny maty tany angadra iny Colonel havandry Didier Ratsiraka iny. Anisan'ny maty tamin'ny 2002 koa ohatra ireo élèves gendarmes Côtiers miisa 20 na mahery izay notifirindry Marc Ravalomanana tamin’ny rafale Kalachnikov tany amin'ny làlana mankany Fianarantsoa. Tsy maintsy hiverina indray ireny fanenjehana ny Côtiers ireny raha ohatra ka tafaverina amin'ny fitondrana i Marc Ravalomanana satria tsy namaly ny fanenjehana natao azy ny Côtiers ka tsisy zavatra misakana an'i Marc Ravalomanana tsy hamerina an'ilay izy. Tsy tahaka an'i Marc Ravalomanana kosa i Andry Rajoelina satria tsy nanenjika sy tsy nanagadra Côtiers i Andry Rajoelina, fa saika zareo samy Hauts Plateaux izay nanohitra azy ihany no nenjehin'i Andry Rajoelina sy nogadrainy. Ary vitsy kely koa ny olona nogadrain'i Andry Rajoelina raha ampitahaina amin'ny olona nogadrain'i Marc Ravalomanana satria zara raha ampy 10 ny olona nogadrain’i Andry Rajoelina; izany hoe 1%-ny olona nogadrain'i Marc Ravalomanana fotsiny ihany ny olona nogadrain'i Andry Rajoelina.
7 . Manarak'izany, tsy vitan'ny hoe nanenjika sy nanagadra ny Côtiers ry Marc Ravalomanana sy ny namany, fa mbola nandainga nanaratsy ny Côtiers tamin'ny communautés internationales tahaka ONU sy Banque Mondiale sy FMI koa zareo. Ohatra, nolazaindry Marc Ravalomanana sy ny namany tamin'ny communautés internationales fa Didier Ratsiraka sy ny Côtiers hono no nampahantra an'i Madagascar. Kanefa raha ny tena marina dia taorian'ny nanonganana ny fitondran'i Philibert Tsiranana tamin'ny 1972 sy nandraisan'i Merina Gabriel Ramanantsoa ny fitondrana no nikoroso fahana i Madagascar. Izany hoe nanomboka tamin'ny nitondran'ny Merina ny firenena no nihemotra sy lasa nahantra i Madagascar, ary efa noroahin'i General Gabriel Ramantsoa niala Madagascar koa ny Frantsay tamin'io fanombohan'ny fahantran'i Madagascar io. Noho izany dia fanosorampotaka ny Côtiers sy ny Frantsay (mba tsy hilazana azy hoe fanosorantay ny Côtiers sy ny Frantsay ) no zavatra nataon'i Marc Ravalomanana sy ny namany nanomboka 2002 tamin'ny filazandreo fa ny Côtiers sy ny Frantsay no nampahantra an'i Madagascar. Azo antoka fa tsy maintsy hanohy ny fanosorampotaka ny Côtiers i Marc Ravalomanana raha ohatra ka tafaverina amin’ny fitondrana satria tsy namaly ny fanosorampotaka natao taminy ny cadres sy ny intellectuels Côtiers ka tsisy zavatra misakana an’i Marc Ravalomanana tsy hamerina ilay fanosorampotaka.
8 . Ankoatr'izany dia nolazain'i Marc Ravalomanana sy ny namany tamin'ny communautés internationales (ONU, Banque Mondiale, FMI, etc.) koa fa ny Côtiers hono no nahita tombotsoa tamin'ny fitondrana rehetra nifandimby tato Madagascar. Ohatra, saika Côtiers daholo ireo multi-milliardaires ao Madagascar ireo sy ny tompon'ireo automobiles privées mameno an'i Antananarivo ireo hoy i Marc Ravalomanana sy ny namany tamin'ny communautés internationales. Ary tsy tehizara amin'ny Merina ireo tombotsoa azony ireo ny Côtiers hoy i Marc Ravalomanana sy ny namany tamin'ny communautés internationales, ka izany no mahatonga ny korontana politika miverimberina ao Madagascar ao hoy i Marc Ravalomanana sy ny namany tamin'ny communautés internationales. Azonareo jerena fa mbola ity amin'ny site web-ny Commission des Nations Unis pour les Réfugiés (UNHCR) ity ny zavatra sasany nolazaindreo tamin'ny communautés internationales tamin'izany: "While the côtier ethnic group has consolidated its political and economic position in the post-independence period, its willingness to share some of the gains will likely influence the future of relations between the two communities" hozy zareo. https://www.refworld.org/docid/469f3aae1e.html . Araka io voalazandreo io dia miankina amin'ny fahavononan'ny Côtiers hizara amin'ny Merina ny tombotsoa azony hono no hisian'ny filaminana politika ao Madagascar ao. Kanefa raha ny tena marina dia mifanohitra tanteraka amin'ireo zavatra lazaindry Marc Ravalomanana ireo ny zavamisy. Ts'izany fa ny Merina foana no nahita tombotsoa tamin'ny fitondrana rehetra nifandimby tato Madagascar fa tsy ny Côtiers; ary miankina amin'ny fahavononan'ny Merina hizara amin'ny Côtiers ny tombotsoa azony no hisian'ny filaminana politika ato Madagascar. Ohatra, raha araka ny statistiques navoakan'ny INSTAT dia manakaiky 80% -ny cadres miasa amin'ny administration publique centrale ao Antananarivo ao dia Merina avokoa, kanefa 25% -ny vahoaka Malagasy fotsiny ny Merina. Noho izany, raha araka ny rariny sy ny hitsiny, dia tokony zarain'ny Merina amin'ny Malagasy foko hafa ny 55% -ny postes cadres amin'ny administration publique centrale ao Antananarivo ao ary tsy tokony hitazona afatsy 25% -ny postes cadres ny Merina.
9 . Ny azo amehezana azy dia izao: RATSY DIA RATSY NY IMAGE-NY CôTIERS any amin'ny communautés internationales, indrindra indrindra fa eo imason'ny ONU sy Banque Mondiale ary FMI, noho ny lainga sy fanaratsiana ny Côtiers nataon'i Marc Ravalomanana sy ny namany; ary hatramin'izao dia mbola tsy namaly ireo fanaratsiana nataondry Marc Ravalomanana ireo ny avarapianarana Côtiers fa mangina sy manaiky ny fanosorampotaka atao aminy. Raha ohatra ka tafaverina amin'ny fitondrana i Marc Ravalomanana, dia azo antoka fa tsy maintsy hitohy ilay fanosorampotaka ny Côtiers satria tsisy zavatra misakana an’i Marc Ravalomanana tsy hanohy an'ilay izy. Ary raha tsy voadio izao image ratsy an’ny Côtiers eo imason’ny communautés internationales izao, dia tsy azo eritreretina ny hahazoan'ny Côtiers fitondrana ato anatin'ny 25 taona ho avy, ary tsy vitan'ny hoe maty fa ho voalevina tanteraka koa ny Provinces Autonomes sy ny Fédéralisme. Izany hoe na dia misy candidat Côtier mahazo 51% des votes eo dia vao maika ho mora noho tamin’ny 2002 amin’i Marc Ravalomanana ny mandainga sy mi-accuser ny Côtiers ho mangalabato indray (tahaka ny fiampangana nataondreo an'i Didier Ratsiraka tamin’ny 2002 ho nangalabato, kanefa ny zavatra tena marina dia i Marc Ravalomanana no nagalabato fa tsy Didier Ratsiraka); ary tsy hisy communautés internationales hanohana ny Côtiers satria mpangalabato sy corrompus ary mpampahantra an'i Madagascar no iheveran'ny communautés internationales ny Côtiers hatramin'izao.
10 . Tsy tahaka an'i Marc Ravalomanana kosa i Andry Rajoelina satria tsy vitan’ny hoe tsy nanaratsy Côtiers i Andry Rajoelina, fa nanavotra ny Côtiers izay nogadrain'i Marc Ravalomanana aza i Andry Rajoelina tamin’ny 2009. Tsara ny manamarika fa tsy nahavita nanavotra ny vahoakany izay nogadraina sy novonoin'ny fitondran'i Marc Ravalomanana ny Côtiers. Andry Rajoelina no nahavita nanavotra ny Côtiers tamin'ny alalan'ny fanonganana an'i Marc Ravalomanana sy famoahana ny gadra politika rehetra izay nogadrain'i Marc Ravalomanana. Izany hoe raha tsy noho io Merina Andry Rajoelina io, dia angamba efa anjatony isa na anarivony isa ny Côtiers maty tany angadra. Ka ity misy fanontaniana apetrakay amin’ny Côtiers izay tehanala an’i Andry Rajoelina amin’ny fitondrana: Moa ve mba efa naka mesures ve ianareo ny amin’ny hisakanana an’i Marc Ravalomanana mba tsy ho tafaverina amin’ny fitondrana intsony? Na, moa ve mba efa naka mesures ve ianareo ny hanoherana ny milices mitampiadianan’i Marc Ravalomanana? Raha araka ny zavatra henonay hatramin’izao dia tsisy niomana amin’ireo problemes potentiels ireo ny Côtiers izay manozongozona an’i Andry Rajoelina.
11 . Tsara marihina koa fa tsy vitan’ny hoe tsy nanaratsy ny Côtiers i Andry Rajoelina, fa mbola nanadio Côtiers koa izy tamin'ny zavatra sasantsasany. Ohatra, efa noporofoin'i Andry Rajoelina tamin'ny organisations internationales fa tsy lany i Marc Ravalomanana tamin'ny election presidentielle 2001-2002 fa nanao ankeriny naka fitondrana tamin’ny alalan’ny milices armés. Tsara marihina fa raha ny tokony ho izy dia adidin'ny Côtiers ny miaro ny tenany sy ny taranaka amanjafiny, kanefa tsy nanao izany adidiny izany ny cadres sy ny intellectuels Côtiers. Izany hoe io Merina Andry Rajoelina io irery no mba niezaka niaro sy nanadio ny fanosorampotaka nataon'i Marc Ravalomanana tamin'ny Côtiers tany amin'ny organisations internationales. Ohatra, nilaza tamin'ny communautés internationales i Andry Rajoelina fa lainga ny filazana fa ny Côtiers no nahita tombotsoa tamin'ny fitondrana nifanesy tato Madagascar. Nampanafatra mpanadihady avy tamin'ny magazine Forbes avy tany Etats Unis mihitsy i Andry Rajoelina. Ary taorian'ny fanadihadiana nataon'ny Forbes tato antoerana tato Madagascar dia hita niharihry fa tsisy Côtiers ireo multi-milliardaires ao Madagascar ireo fa saika Merina sy Karana daholo. Amin'ny olona 10 manankarena indrindra ato Madagascar ohatra, dia Karana ny 5 (Ylias Akbaraly, Hassanein Hiridjee, Iqbal Rahim, Karim Barday, Salim Ismail), Merina ny 4 (Mamy Ravatomanga, Marc Ravalomanana, Naina Andriantsitohaina, Edgard Razafindravahy), ary Vazaha ny 1 (Henri Fraise) hoy ny magazine Forbes (https://www.forbes.com/sites/mfonobongnsehe/2017/05/15/ten-multi-millionaires-from-madagascar-you-should-know/?sh=133bb14d7835 ). Raha ohatra ka lazain'ny cadres sy intellectuels Côtiers amin'ny communautés internationales fa tsisy Côtiers ireo olona 10 manankarena indrindra ato Madagascar ireo, dia efa manampy be amin'ny fanadiovana ny image-ny Côtiers amin'ny communautés internationales io satria efa manaporofo izy io fa lainga ny filazan'i Marc Ravalomanana sy ny tariny izay nilaza fa ny Côtiers no nahita tombotsoa tamin'ny fitondrana rehetra nifandimby tato Madagascar. Indrisy anefa fa na ny hitondra amin'ny communautés internationales an'io vokapikarohan'ny Forbes io dia tsy ataon'ny cadres et intellectuels Côtiers.
12 . Ary ny hamaranantsika azy dia iverenako indray mandeha ny filazan’i Koto hoe catastrophique ny bilan-n'i Andry Rajoelina. Raha araka ny analyse ataon'ny manampahaizana mpikaroka momba ny Economie dia TSY CATASTROPHIQUE VELIVELY NY BILAN-n’i Andry Rajoelina tamin'ny 2018-2023, fa azo lazaina hoe Mention Passable na Mention Assez-Bien. Amin'ireo fitondrana nifandimby tato anatin'ny 30 taona, dia ny fitondran'i Zafy Albert tamin'ny 1992-1996 sy ny fitondran'i Marc Ravalomanana tamin'ny 2002-2008 irery ihany no azo lazaina hoe catastrophique: ny an'i Zafy Albert dia sady tsy nahazo fanampiana no tsy namokatra ny politika MDRM-ny; ary ny an'i Marc Ravalomanana kosa dia nahazo fanampiana be dia be fa lanilany fahatany tsy nahitan'ny firenena tombotsoa ilay fanampiana nitentina 1 milliards de dollars azo isantaona nandritry ny 2002-2008. Ny mahatsikaiky amin'i Koto dia izao: Milaza i Koto fa ilaina ny fianarana, kanefa tsy ny zavatra lazain'ny olona nianatra Economie no arahin'i Koto fa ny zavatra lazain'ny mpianatra CEG sy Lycee izay miparitaka amin’ny internet. Raha misaina i Koto dia tokony mihaino ny zavatra lazain’ny techniciens izay milaza hoe niakatra foana ny taux de pauvrété nanomboka 2002 ka hatramin’izao 2023 izao; izany hoe na tamin’ny fitondran’i Marc Ravalomanana na tamin’ny fitondran’i Hery Rajaonarimampianina ary na tamin’ny fitondran’i Andry Rajoelina dia tsy nitsahatra niakatra ny taux de pauvrété satria tsy ahafahana mampandroso firenena io politika MDRM itondrandreo firenena io; fa tsy 80% kosa ny taux de pauvrété izao fa entre 75% et 77% eo ho eo. https://newsmada.com/2023/07/22/dg-de-linstat-le-taux-de-pauvrete-se-situe-entre-75-et-77/