06/27/2023
TSY FITENY ATY AMIN'NY VOLANA JONA NY HOE "TRATRAN'NY ASARAMANITRA" FA RIRINA ISIKA IZAO
Ny anaram-bolana faha Vazimba masina Razambe dia misy ny vanimpotoana nantsoina hoe "ASARA", ka ny asara mizara ho roa : ASARAMAIMBO(volana octobre-novembre), ary ny ASARAMANITRA (volana novembre-décembre).
➡️Ny "ASARA" dia nilazana vanimpotoana hanjakan'ny ORANA manomboka eo amin'ny OKTOBRA-JANOARY.
➡️"ASARAMAIMBO", rehefa avy nandalo ririna ny andro izay mahamaina ny tany, dia mandalo tsy fahampiandrano ny zavamaniry ka maina io raviny io, mihintsana amin'ny tany, ka midona ny orana eo amin'ny ADMIZANA na OCTOBRE dia mifangaro amin'ny rano ny ravina maina dia mamofona maimbo, ka nantsoina hoe "ASARAMAIMBO".
➡️"ASARAMANITRA",miditra eo amin'ny ALAKARABO ny tany ka mihavao ny zavamaniry manome loko maintso tsara, mamerovero izay hita maso, vokatra ny voankazo ka manome Hanitra izany, ka nantsoina hoe "ASARA MANITRA".
➡️Fa isika izao volana jona, ary "RIRINA=MAINA NY TANY" izao na hoy ny isika vazimba hoe "HIAHIA".
❌Ka tsy fiteny io "tratrany Asaramanitra" aty amin'ny volana Jona io, fa fahazarana tamin'ny andron'ny faha mpanjaka io fiteny io.
Soava tsarà ee !!
©i mahita kozina