Direction Régionale de la Jeunesse et des Sports Analamanga

Directions Contact the organization

Direction Régionale de la Jeunesse et des Sports Analamanga Direction Régionale de la Jeunesse et des Sports Analamanga

Ligue Analamanga Judo
05/10/2026

Ligue Analamanga Judo

29/09/2026
🌍♻️ Andro Maneran-tany ho an'ny Fanadiovana 2026 ♻️🌍Amin’ity andro natokana ho an’ny fanadiovana ity dia miara-miasa ami...
20/09/2026

🌍♻️ Andro Maneran-tany ho an'ny Fanadiovana 2026 ♻️🌍
Amin’ity andro natokana ho an’ny fanadiovana ity dia miara-miasa amin’ i Yoma World , ny Green Rising an’nGeneration Unlimited, ny UNICEF Madagascar ary ny U-Report 🤝💚
Miara manentana sy manetsika antsika
tanora handray andraikitra amin’ny fikajiana ny tontolo iainana eto Madagasikara.

🌱🇲🇬 Ho fanamafisana izany dia manolotra FANAMBY (Challenge) ho an’ny tanora izahay, antsoina hoe:

🔥 CHALLENGE YOMA WCD 2026 🔥
(YOMA World Clean Up Day 2026 Challenge)

🙌 Afaka mandray anjara amin’ity fanamby ity avokoa ny tanora rehetra manerana an’i Madagasikara, ka ireto no atao amin’izany:
✅ Mandray andraikitra amin’ny ady amin’ny loto sy ny fiparitahan’ny plastika
✅ Manampy amin’ny fanatsarana ny fitantanana fako
✅ Mampivelatra ny fahalalana momba ny toetrandro sy ny tontolo iainana 🌍📖

🎯 Inona ny tombony amin’ny fidiranao ao amin’ny YOMA?

Ny fidiranao ao amin’ny YOMA dia ahafahanao:
📚 Manaraka fiofanana momba ny toetrandro sy ny tontolo iainana
🧹 Mitondra fanentanana eny anivon’ny fiarahamonina misy anao ary manatanteraka hetsika fanadiovana sy fanodinana fako
🎓 Mahazo Verifiable Credentials (VCs), taratasy fanamarinana manaporofo ny fahavitanao fiofanana sy ny fandraisanao anjara amin’ny hetsika fanadiovana 🌱🏆
🌟 Mampitombo ny traikefanao sy ny fahaiza-manaonao momba ny tontolo iainana

🚀 Ahoana no atao?
👉 Midira amin’ny rohy ary mandraisa anjara amin’ny fanamby: Yoma | Unlock Your Future
https://www.facebook.com/share/1B18tYgZiQ/

♻️🌱🌍

15/09/2026

Androm-pirenena ho an'ny Fahiziana "Journée Nationale de l'identité" ny 16 septembra 2026. Diabe miodidina ny Lac Anosy, fanentanana ao amin'ny Lapan'ny Kolontsaina sy Fanatanjahantena Mahamasina.
Manasa antsika rehetra.

🕊️ Amin’ny alahelo lehibe no nandrenesanay fa nodimandry i Andry ANDRIANANTENAINA, namana mpiara-miasa  eto amin'ny Fita...
11/09/2026

🕊️ Amin’ny alahelo lehibe no nandrenesanay fa nodimandry i Andry ANDRIANANTENAINA, namana mpiara-miasa eto amin'ny Fitaleavam-paritry ny Tanora sy ny Fanantajahantena Analamanga.

Amin’izao fotoan-tsarotra izao dia maneho ny fiaraha-miory lalina amin’ny fianakaviany sy ireo havany rehetra izahay.

Ho fahatsiarovana mandrakariva ny fahatsoram-pony, ny fahatsaram-panahiny, ny fahavononany foana amin'ny asa natao rehetra indrindra ny fikarakarany ny "Rugby vacances".

Mandria am-piadanana. 🕊️

Section Basketball Antananarivo RenivohitraChallenge Mini Basketball24, 25 octobre 2026Kianja Barea MahamasinaContact : ...
03/09/2026

Section Basketball Antananarivo Renivohitra
Challenge Mini Basketball
24, 25 octobre 2026
Kianja Barea Mahamasina

Contact :


Sary : SBBAR

03/09/2026
Ireo  lalao ara-panatanjahantena teo Analamanga ny faran'ny herinandro teo :1- Ligue Analamanga Jeu d'échecsNifarana ny ...
10/08/2026

Ireo lalao ara-panatanjahantena teo Analamanga ny faran'ny herinandro teo :

1- Ligue Analamanga Jeu d'échecs
Nifarana ny alahady 10 aogositra 2026 ny Championnat Analamanga 2026 Individuel & Amateur natao tao amin'ny CFFA MMA Nanisana. Maherin'ny 100 ny isan'ny nandray anjara.

2- Ligue Cyclisme Analamanga :
Nikarakara ny andiany voalohany amin'ny taranja MTB (VTT) teny Ambohimanga Rova.

3- Ligue Analamanga Basketball izay nandray ny Championnat National U14Fille sy U14G teo amin'ny Kianja Barea Mahamasina sy Gymnase couvert Mahamasina.
Natao omaly ny lalao famaranana izay nandresen'ny ASSM ny MB2ALL teo amin'ny Lehilahy, teo amin'ny vehivavy ny COSFA nandresy ny NBE, samy avy eto Analamanga avokoa ireo ekipa ireo.

Address

Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Direction Régionale de la Jeunesse et des Sports Analamanga posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Organization

Send a message to Direction Régionale de la Jeunesse et des Sports Analamanga:

Shortcuts

Share