04/08/2026
KAOMININA AMBONIVOHITR'I TOLIARA: NIFANATRIKA TAMIN'NY MPIASA NY LEFITRA FAHAROAN'NY BEN'NY TANÀNA
Taorian'ny telo volana nisian'ny fitokonana vokatry ny karama tsy voaloa sy ny fampiharana ny "service minimum" tamin'ny tapany maraina, dia nisy ny fihaonana teo amin'ny lefitra faharoan'ny Ben'ny Tanàna, Atoa Patrick Manasoa, sy ireo mpiasan'ny Kaominina.
Mba hamaliana ny tarain'ireo mpanjifa sy ny mponina, dia nitondra hafatra sy antso izy momba ny hamerenana ny asa amin'ny laoniny:
🔹 Fiverenana hiasa andro manontolo mba hamerina ny tolotra ara-dalàna.
🔹 Fiaraha-mitady vahaolana amin'ny famahana ny olana momba ny karama.
Dingana lehibe izao ho amin'ny fiverenan'ny fitoniana sy ny tolotra ho an'ny mponin'i Toliara.
Commune Urbaine de Toliara Patrick Manasoa