29/08/2026
TAMA – Cours d’Anglais sy Français
Manomboka izao dia misokatra ny cours d’Anglais sy Français ho an'ireo membre TAMA izay maniry hanatsara ny fahaizany amin'ny fiteny vahiny.
Fotoana:
- Alahady – 3 ora tolakandro
- Alarobia – 3 ora tolakandro
Ity formation ity dia natao hanampiana antsika hahay hifandray amin'ny olona, hahazo fahatokisan-tena bebe kokoa, ary hanokatra fahafahana vaovao eo amin'ny fianarana sy ny asa.
Antso ho an'ny membre TAMA rehetra:
Aza misalasala mandray anjara. Ny fahaizana vaovao rehetra azontsika dia fampiasam-bola ho an'ny tenantsika sy ho an'ny hoavintsika.
Membre TAMA, andao hianatra, hivoatra ary hifampandroso miaraka!
TAMA – Ensemble pour apprendre, progresser et réussir.