TAMA-Toliara

TAMA-Toliara Association des jeunes de Toliara engagée pour le leadership, la responsabilité et le développement local.

Nous encourageons l’engagement, l’initiative et la participation active des jeunes dans la transformation de notre ville. 📍Toliara

06/06/2026

ALEFA TAMA🇲🇬❤️

TENA MIROSO NY ASSOCIATION TAMA ! 📢Ny Alahady 31 Mai tao amin’ny fokontany Ambohitsabo dia tontosa am-pahombiazana ny he...
01/06/2026

TENA MIROSO NY ASSOCIATION TAMA ! 📢

Ny Alahady 31 Mai tao amin’ny fokontany Ambohitsabo dia tontosa am-pahombiazana ny hetsika lehibe fampivoarana ny Association TAMA.

Feno hafaliana, firaisankina ary finiavana hampandroso ny fokontany ny fotoana. Naneho indray fa rehefa miray hina ny tanora sy ny mponina dia afaka mampandroso ny fiarahamonina sy manorina hoavy tsaratsara kokoa.

Association TAMA :
-Mampiray ny mpiara-monina
-Manohana ny fampandrosoana
- Mamporisika ny tanora hiroso amin’ny tsara
- Mitondra fanantenana vaovao ho an’ny fokontany

Misaotra antsika rehetra nandray anjara sy nanohana.
Tsy hijanona eto ny ezaka fa mbola hitohy ny asa fampandrosoana !

TAMA — Hery iray, Tanjona iray, Fampandrosoana iray !

ALAHADY- 31MAI 2026Ao Ambohitsabo ny fotoantsikaSamia Tonga iabyifampilazao ny namana rehetraEo amin ny bureau Fokontany...
29/05/2026

ALAHADY- 31MAI 2026

Ao Ambohitsabo ny fotoantsika
Samia Tonga iaby

ifampilazao ny namana rehetra

Eo amin ny bureau Fokontany Ambohitsabo ny fotoan-tsika!

Ora: 15h30'

TAMA-Toliara

Ny fikambanana TAMA (Tanora Mandray Andraikitra) dia nanatanteraka fihaonambe sy fanangonana olona tao amin’ny fokontany...
25/05/2026

Ny fikambanana TAMA (Tanora Mandray Andraikitra) dia nanatanteraka fihaonambe sy fanangonana olona tao amin’ny fokontany Atsimenatse, eto Toliara, ho fampiroboroboana ny firaisankina sy ny fandraisana andraikitry ny tanora amin’ny fampandrosoana ny fiarahamonina.

Fotoana iray nampiseho ny fiaraha-mientana sy ny fahavononan’ny mponina handray anjara amin’ny asa sosialy sy fampandrosoana.

Daty : Alahady 25 Mai 2026

🙏 Misaotra ireo rehetra tonga nanohana sy nandray anjara.






FAMPANDRENESANA FIVORIANA – ASSOCIATION TAMAManasa antsika mpikambana sy izay rehetra voakasiky ny Association TAMA amin...
22/05/2026

FAMPANDRENESANA FIVORIANA – ASSOCIATION TAMA

Manasa antsika mpikambana sy izay rehetra voakasiky ny Association TAMA amin’ny fivoriana izay hotanterahina :

Daty : Alahady 24 Mai
Ora : 3 ora tolakandro
Toerana : Fokontany Atsimenatse

Tsy misy diso fa manan-danja ny fihaonana.

Ho an’ireo mbola tsy mahafantatra ny toerana dia misy rendez-vous eo amin’ny Cinema Tropic, avy eo hiaraka hankany amin’ny CSB II TSIMENATSE.

Tongava ara-potoana ary ampitao amin’ny namana sy mpikambana rehetra.

19/05/2026

TAMA❤️🇲🇬

Alahady 10 Mai 2026Notanterahina ny tolakandron’ny Alahady 10 Mai 2026 teny amin’ny Terrain Ambohitsabo, fantatra ihany ...
11/05/2026

Alahady 10 Mai 2026

Notanterahina ny tolakandron’ny Alahady 10 Mai 2026 teny amin’ny Terrain Ambohitsabo, fantatra ihany koa amin’ny anarana hoe Terrain Antsirasira, ny famaranana ny lalao baolina kitra notohanan'ny Association TAMA.

Ny Président-n’ny fikambanana sy ireo solontenan’ny mpikambana no nitarika sy nanotrona ny hetsika.
Nafana ny fihaonana ary nisongadina nandritra izany ny firaisankina sy ny fifanajana teo amin’ireo ekipa nifaninana ary ireo tanora tonga nanohana. Tsapa nandritra ny lalao ny hafanam-po sy ny finiavan’ny tanora hampanjaka hatrany ny fihavanana amin’ny alalan’ny fanatanjahantena.

Nambaran’ny Association TAMA fa mbola hitohy ireo hetsika entina hanabeazana sy hampiraisana ny tanora eo anivon’ny fiarahamonina, ho fampiroboroboana ny firaisankina sy ny fandraisana andraikitra.

ALEFA TAMA💪

Alahady 10 Mey 2026, dia namangy sy nampahery fianakaviana iray nisy fahoriana ny TAMA. Tao anatin’ny fahanginana sy fir...
10/05/2026

Alahady 10 Mey 2026, dia namangy sy nampahery fianakaviana iray nisy fahoriana ny TAMA. Tao anatin’ny fahanginana sy firaisam-po no nanoloran’ireo mpikambana teny fampiononana sy fanohanana ho an’ny havana malahelo.

Na tsy mahafafa ny alahelo aza ny teny, dia manome hery ny fahatsapana fa mbola misy olona miara-miory sy manohana amin’ny fotoan-tsarotra.
Naneho indray izao hetsika izao fa mijoro hatrany amin’ny fifankatiavana, firaisankina ary fifanampiana ny TAMA.

“Ny hazo tokana tsy mba ala, ary ny fiainana tsy tokony hiainana irery.
Rehefa mifankatia sy mifampitsinjo isika dia mahita hery hanohizana ny dia, na mafy aza ny sedra.” 🤍

ASSOCIATION TAMA (Tanora Mandray Andraikitra)Faly izahay mampahafantatra amin’ny rehetra fa ny ASSOCIATION TAMA (Tanora ...
04/05/2026

ASSOCIATION TAMA (Tanora Mandray Andraikitra)

Faly izahay mampahafantatra amin’ny rehetra fa ny ASSOCIATION TAMA (Tanora Mandray Andraikitra) dia nandray anjara mavitrika amin’ny maha partenaire tamin’ny lalao rugby izay notanterahina ny Alahady 03 Mey 2026 teny amin’ny terrain Antsirasira, Toliara.

🏉 Lalao nahafinaritra sy nahasarika olona maro no nifandonan’ny ekipa Rugby Plus sy ASAR, izay samy nampiseho fahaiza-manao sy toe-panatanjahantena mendrika tokoa.

Ho fanohanana sy fampiroboroboana ny fanatanjahantena, ny TAMA dia:

- Nanolotra loka (prime) ho an’ny ekipa nandresy
- Ary nanome fanomezana ho an’ny laharana faharoa (deuxième place)

Mankasitraka manokana ireo mpikarakara, mpilalao ary ny mpijery rehetra izay nandray anjara tamin’ny fahombiazan’ity hetsika ity.

Mitohy hatrany ny ezaka ataon’ny TAMA amin’ny fanohanana ny tanora sy ny hetsika mampandroso ny fiarahamonina.

TAMA – Tanora Mandray Andraikitra, ho amin’ny hoavy tsaratsara kokoa.

Faly sy rehareha ny milaza fa ny TAMA (Tanora Mandray Andraikitra) dia fikambanana iray tena miezaka mitondra fiovana ts...
02/05/2026

Faly sy rehareha ny milaza fa ny TAMA (Tanora Mandray Andraikitra) dia fikambanana iray tena miezaka mitondra fiovana tsara eo amin’ny fiarahamonina. Ny fivoriana androany dia nanaporofo indray fa matanjaka ny firaisankina, ary hita taratra ny fahavononan’ny mpikambana tsirairay handray andraikitra.

Ao anatin’ny TAMA, tsy mijanona amin’ny resaka fotsiny fa tena misy asa sy ezaka atao ho fampandrosoana. Izany no mahatonga azy ho ohatra tsara ho an’ny tanora rehetra: miasa miaraka, mifampitsinjo, ary miroso hatrany.

Aoka isika hanohy hanohana sy hanandratra ny TAMA, satria ny tanora mandray andraikitra anio no manangana ny ho avy rahampitso.

Address

College Privee Andrangadra
Tulear

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when TAMA-Toliara posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share