Tily Faritany Bongolava

Tily Faritany Bongolava PRET POUR LA VIE. Miezaka, miasa, miroso. Fanabeazana mipaka amin'ny fivondronana

🚨Hirika fanararaotra ho an’ise!🚨🫵 Ho an’ise izay maniry hanatrika ny:📍« 3ème Forum des jeunes scouts de la zone Océan In...
21/08/2026

🚨Hirika fanararaotra ho an’ise!🚨

🫵 Ho an’ise izay maniry hanatrika ny:
📍« 3ème Forum des jeunes scouts de la zone Océan Indien ( IOZSYF) » any Maurice ny 29 Novambra 2026 hatramin’ny 01 Desambra 2026.✈️
📍«10ème Conference des scouts de la zone Océan Indien ( IOZSC) » any Maurice ny 02 Desambra hatramin’ny 04 Desambra 2025.✈️

‼️Toy izao ny fandaminana:
✅ Miomana amin’ny fandaniana rehetra isan’olona: saran-dalana mandroso sy miverina, saran-dasy, ary ny saram-pivahinianana any an-toerana
✅ Mampahafantatra ny foibe tily amin’ny alalan’ny famenoana sy famaliana ny fanontaniana rehetra ato: https://docs.google.com/forms/d/e/1FAIpQLSdXmGfLEuMebtKxJc3YVW2PP2d6GnPuYdbcfAQQaAldTF4DrA/viewform?usp=publish-editor

⏳Daty fara-fisoratana anarana: 13 Septambra 2026

🎯 Amporisihana hatrany ny fivondronana sy ny faritany hanohana ireo ao aminy, indrindra ireo tanora latsaky ny 30 Taona amin’ny fandraisana anjara amin’ny hetsika goavana ivelan’i Madagasikara toy itony.

☎️ Raha mila fanazavana fanampiny, azon’ise atao ny miantso mivantana an’i Filoha Hoby, amin’ny laharana 032 43 639 49

🚀Hirika fanararaotra‼️🚀 Ny Tily eto Madagasikara (TEM), amin'ny alalan'ny LeadAho, dia manatanteraka fandaharan'asa mike...
17/08/2026

🚀Hirika fanararaotra‼️

🚀 Ny Tily eto Madagasikara (TEM), amin'ny alalan'ny LeadAho, dia manatanteraka fandaharan'asa mikendry hanamafisana ny fitarihana vehivavy, ny fahasalamana sy fahadiovana, ny fitovian-jo eo amin'ny lahy sy ny vavy ary ny fampandrosoana ara-toekarena ho an'ny tanora eto Madagasikara.

✅ Ao anatin'izany dia mikasa ny hisafidy tanora 120 mitondra tetikasa manerana an'i Madagasikara ny LeadAho, mba hahafahan'izy ireo mahazo fiofanana, fanohanana ara-teknika, fanoroana lalana ary fanatsarana ny tetikasany. Aorian’ny fiofanana dia tanora 25 amin’ireo 120 no hisitraka tohana ara-bola entina hanantanterahany ireo tetikasa.

💡 Noho izany dia asaina hirotsaka amin’izany ny tanora mahafeno ireto fepetra manaraka ireto :
✅ Tanora 16 ka hatramin’ny 35 taona vonona hanatrika ireo tohana ara-piofanana rehetra ary manana fotoana hiatrehana izany;
✅ Manana vinavina tetikasa na manana tetikasa eo an-dalam-panombohana misehatra amin’ireo manaraka ireto : Fambolena, fiompiana, Fanodinana vokatra, Asa tanana, Varotra, Tolotra ara-barotra, Teknolojia sy nomerika, Tontolo iainana, Fahasalamana, Fanabeazana, Fahadiovana sy rano fisotro madio, Fampandrosoana eny ifotony, Asa fivelomana;
✅ Amporisihana manokana ny : Vehivavy tanora, Tanora avy any ambanivohitra, Tanora mavitrika amin’ny fampandrosoana ny fiarahamonina

⌛️Fandraisana ny fisoratana anarana : 11 Aogositra2026 hatramin’ny 22 Aogositra 2026 (amin’ny 12 ora alina)
📩 Fanombanana ireo antontan-taratasy : 22 Aogositra hatramin’ny 24 Aogositra 2026
🚀 Famoahana ny lisitry ny tanora 120 voafantina : 25 Aogositra 2026
📍Atrikasa Lead’Aho Zone Nord (Ambilobe) : 27 Aogositra 2026 hatramin’ny 29 Aogositra 2026
📍Atrikasa Lead’Aho Zone Central (Analamanga) : 4 septambre 2026 hatramin’ny 6 septambre 2026
📍Fanombanana ireo tetikasa : 06 septambra 2026 hatramin'ny 08 septambra 2026
📍Famoahana ny lisitr’ireo tetikasa 20 voafantina :10 septambra 2026

ℹ️ 𝐀𝐳𝐨𝐧’𝐢𝐬𝐞 𝐣𝐞𝐫𝐞𝐧𝐚 𝐚𝐭𝐨 𝐧𝐲 𝐚𝐧𝐝𝐢𝐧𝐢𝐧𝐝𝐢𝐧𝐢𝐧𝐲 𝐫𝐞𝐡𝐞𝐭𝐫𝐚: https://drive.google.com/drive/folders/1cgY0Gymqxc2KDXpqnLsUZI4i4fOux0Xf?usp=sharing

🌐 𝐀𝐭𝐨 𝐤𝐨𝐬𝐚 𝐧𝐨 𝐡𝐚𝐦𝐩𝐢𝐝𝐢𝐫𝐚𝐧'𝐢𝐬𝐞 𝐧𝐲 𝐓𝐞𝐭𝐢𝐤'𝐚𝐬𝐚𝐧'𝐢𝐬𝐞 : https://forms.gle/42Mp8pnNCvFR9NfJ6

📍FIFITI 2026📍🙏 Isaorana ny Tompo fa tontosa soa aman-tsara tany Toamasina ny 09 Aogositra hatramin’ny 11 Aogositra ny Fi...
14/08/2026

📍FIFITI 2026📍

🙏 Isaorana ny Tompo fa tontosa soa aman-tsara tany Toamasina ny 09 Aogositra hatramin’ny 11 Aogositra ny Fihaonan’ny Filoha Tily - FIFITI 2026.
🙏🏻Isaorana ihany koa ny Komitim-Paritany tamin'ny fanohanana rehetra nandritra ny hetsika.

✅ Filoha maherin’ny 400 isa avy amin’ny faritany manerana ny nosy hatrany ampitan-dranomasina no tonga nanatrika izany ary anisan'ny nanana solontena tamin'izany ny Tily Faritany Bongolava .

📍 Aorian’ity nandraisan’ny Tily Faritany Atsinanana ny hetsika ity dia ny Tily Atsimo Andrefana indray no hampiantrano ny hetsika amin’ny taona 2027.


11/08/2026

FIFITI

11/08/2026

Fifity

09/08/2026

📍Miainga avy aty Toamasina ny fampitana mivantana ny fanokafana ny FIFITI 2026
🎬 Araho ary!!

🥳Lovitao 90 taona🥳📍Isaorana ny Tompo fa tanteraka soa aman-tsara ny 01-05 aogositra 2026 tany Moramanga ny lasy fankalaz...
06/08/2026

🥳Lovitao 90 taona🥳

📍Isaorana ny Tompo fa tanteraka soa aman-tsara ny 01-05 aogositra 2026 tany Moramanga ny lasy fankalazana ny faha 90 taona ny sampana mavo💛

📍Isaorana ihany koa ianareo Ray aman-dReny, Komitim-pivondronana, Filoha, Mpiandraikitra, beazina ary indrindra ny solontenan'ny Faritany Bongolava ( FJKM ZIONA Tsiroanomandidy) nahafahan'ny Faritany nandray anjara tamin'ny Fankalazana.

📷Sombiny tamin'ireo sary tany Moramanga tany.

Hoan'ny fanabeazana hatrany🙏🏻

01/08/2026

90 Taona Sampana Mena

01/08/2026

📺 Miainga avy aty Moramanga ny fampitana mivantana.

⛺️Fanokafana ny lasy

Address

Tsiroanomandidy
119

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Tily Faritany Bongolava posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share